Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanamboatra Fitaovam-piadiana, Nanjary Mpamonjy Aina

Mpanamboatra Fitaovam-piadiana, Nanjary Mpamonjy Aina

Tantaram-piainana

Mpanamboatra Fitaovam-piadiana, Nanjary Mpamonjy Aina

NOTANTARAIN’I ISIDOROS ISMAILIDIS

Nandohalika aho raha mbola nikoriana tamin’ny takolako ny ranomasoko. “Andriamanitra ô, milaza amiko ny feon’ny fieritreretako fa tsy azoko atao ny manohy miasa ao amin’ny famokarana fitaovam-piadiana”, hoy aho tao amin’ny vavaka. “Efa niezaka mafy mba hahita asa hafa aho, saingy tsy nety nahita. Hametra-pialana aho rahampitso. Jehovah ô, aza avela ho faty mosary izy efatra mianadahy zanakay.” Ahoana no nahatongavako tamin’io toe-javatra io?

SADY nilamina no tsotra ny fiainana tao Drama, any avaratr’i Gresy, izay toerana nahaterahako tamin’ny 1932. Niresaka tamiko momba izay niriny hataoko ny raiko. Nampirisika ahy handeha tatỳ Etazonia izy, mba handranto fianarana. Taorian’ny nandrobana an’i Gresy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia teny filamatra fampiasan’ny Grika ny hoe: “Azonareo angalarina ny fanananay, fa tsy azonareo angalarina, na oviana na oviana kosa, izay zavatra ato an-tsainay.” Tapa-kevitra ny handranto fianarana ambony aho, ka hahazo zavatra izay tsy ho azon’iza na iza angalarina mihitsy.

Efa niaraka tamin’ny antokona tanora isan-karazany izay notohanan’ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika aho, hatramin’ny fahazazako. Tao izahay dia nilazana mba hanalavitra ireo sekta mampidi-doza. Tsaroako indrindra ny firesahana ny amin’ny antokon’olona iray, dia ny Vavolombelon’i Jehovah, satria antikristy, hono, izy ireny.

Taorian’ny nahazoako diplaoma tao amin’ny sekoly teknika iray tao Atena tamin’ny 1953, dia nankany Alemaina aho mba hijery raha afaka hahita asa sady hianatra. Tsy nahomby anefa ilay tetika, hany ka nankany an-tany hafa aho. Herinandro vitsivitsy taorian’izay, dia tsy nanam-bola mihitsy aho rehefa tonga tao amin’ny seranan-tsambo iray tany Belzika. Tsaroako ny tenako niditra tao amin’ny fiangonana iray, dia nipetraka ary nigogogogo nitomany, hany ka nisy ranomaso mihitsy teo amin’ny gorodona teo anoloako. Nivavaka toy izao tamin’Andriamanitra aho: Raha manampy ahy ho tonga any Etazonia izy, dia tsy hikatsaka zavatra ara-nofo aho fa hianatra sady hiezaka mafy mba ho Kristianina tsara sy ho olom-pirenena tsara. Tonga teto aho rehefa ela ny ela, tamin’ny 1957.

Fiainam-baovao teto Etazonia

Sarotra ny fiainana teto Etazonia ho an’ny mpiavy izay sady tsy nahay ny fiteny no tsy nanam-bola. Nanao asa roa aho ny alina ary niezaka mafy mba handeha hianatra ny antoandro. Sekoly ambony maromaro no nianarako ary nahazoako diplaoma. Avy eo, dia nankany amin’ny Oniversiten’i Kalifornia any Los Angeles aho, ary nahazo licence tamin’ny fizika. Nandrisika ahy handroso hatrany, nandritra ireny taon-tsarotra nodiaviko ireny, ny tenin-draiko ny amin’ny tokony handrantoana fianarana.

Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay no nifankahitako tamin’ny zazavavy grika iray mahate ho tia, antsoina hoe Ekaterini, ary dia nivady izahay tamin’ny 1964. Teraka ny lahimatoanay, telo taona tatỳ aoriana, ary nahazo zanakalahy roa fanampiny sy zanakavavy iray izahay, tao anatin’ny efa-taona latsaka. Tena zava-tsarotra tokoa ny hoe sady namelona ankohonana no nianatra tany amin’ny oniversite.

Niasa ho an’ny Tafika Ana Habakabaka Amerikanina aho, tao amin’ny kompania iray mpamokatra balafomanga sady mpanao fikarohana momba ny any ambony tsy taka-maso any, any Sunnyvale, any Kalifornia. Tafiditra tao amin’ny tetik’asa isan-karazany teny ana habakabaka sy tany ambony tsy taka-maso tany aho, anisan’izany ireo programa nantsoina hoe Agena sy Apollo. Nahazo meday mihitsy aza aho noho ny anjara noraisiko tamin’ny iraka nampanaovina ny Apollo faha-8 sy ny Apollo faha-11. Taorian’izay, dia nanohy ny fianarako aho ary nanjary tafiditra lalina tao amin’ny tetik’asa isan-karazany nataon’ny tafika tany ambony tsy taka-maso tany. Tamin’izay fotoana izay, dia noheveriko fa nananako ny zava-drehetra​—vady mahate ho tia, zanaka efatra mahafinaritra, asa ambony ary trano kanto.

Namana iray be fikirizana

Tany am-piandohan’ny taona 1967, tany am-piasana, no nifankahitako tamin’i Jim, lehilahy iray tena nanetry tena sy tsara fanahy. Olona miramiran-dava i Jim, ary tsy mba nanda mihitsy ny fanasako azy hiato kely mba hiara-miala hetaheta tamiko. Nampiasa ireny fotoana ireny izy mba hanomezana ahy fanazavana avy tao amin’ny Baiboly. Nilaza tamiko i Jim fa nianatra niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy.

Taitra mafy aho nahafantatra hoe nanjary tafiditra tamin’io fivavahana io i Jim. Mba ahoana koa no nety hahavoafitaky ny sektan’ny antikristy ny olona mahafinaritra tahaka azy? Nanintona ahy anefa ny fanehoan’i Jim fiheverana manokana ahy sy ny hatsaram-panahiny. Toa nanana zavatra vaovao tokony hovakiko foana izy, isan’andro. Indray andro, ohatra, dia tonga tao amin’ny biraoko izy ary nilaza hoe: “Isidoros a, miresaka mahakasika ny fanatanjahana ny fiainam-pianakaviana ity lahatsoratry Ny Tilikambo Fiambenana ity. Ento mody izy ity, ary iarahonareo mivady vakina.” Nilaza taminy aho fa hamaky ilay gazety, nefa tsy ela taorian’izay dia nankany amin’ny trano fivoahana aho ka nopotipotehiko ilay izy ary nariako tao anatin’ny fanariam-pako.

Nandritra ny telo taona, dia nopotehiko izay boky sy gazety rehetra nomen’i Jim ahy. Nitsara an-tendrony ny Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa niezaka koa ny hinamana hatrany tamin’i Jim. Nihevitra àry aho fa ny tsara indrindra dia ny nihaino izay tiany holazaina tamiko ary avy eo, dia nanilika izany avy hatrany.

Hitako avy tamin’ireny resadresaka ireny anefa, fa tsy niorina tamin’ny Baiboly ny ankamaroan’ireo zavatra ninoako sy ireo fombafomba narahiko. Takatro fa tsy araka ny Soratra Masina ireo fampianarana ny amin’ny Andriamanitra tokana olona telo, ny afobe mirehitra ary ny tsy fahafatesan’ny fanahy. (Mpitoriteny 9:10; Ezekiela 18:4; Jaona 20:17). Noho izaho mpanaraka ny fivavahana ôrtôdôksa grika be hambo, dia tsy tiako ny hiaiky amim-pahatsorana fa marina ny an’i Jim. Kanefa, noho izy nampiasa foana ny Baiboly fa tsy mba nanome ny heviny manokana na oviana na oviana, dia niaiky aho tamin’ny farany fa nanana hafatra sarobidy avy ao amin’ny Baiboly ho ahy io lehilahy io.

Tsapan’ny vadiko fa nisy zava-nitranga, ka nanontaniany aho raha niresaka tamin’ilay namako izay nifanerasera tamin’ny Vavolombelona. Rehefa namaly aho hoe eny, dia hoy izy: “Andao isika ho any amin’izay fiangonana hafa, na iza na iza, ankoatra ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Tsy ela anefa, dia nanatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny Vavolombelona izahay mivady, niaraka tamin’ireo zanakay.

Fanapahan-kevitra sarotra

Tojo ireto tenin’i Isaia mpaminany ireto aho, rehefa nianatra ny Baiboly: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4). Hoy aho nanontany tena: ‘Ahoana moa no ahafahan’ny mpanompon’ny Andriamanitra iray tia fihavanana, hiasa ho amin’ny famolavolana sy famokarana fitaovam-piadiana mandringana?’ (Salamo 46:9). Tsy ela dia nanatsoaka hevitra aho fa tsy maintsy niova asa ny tenako.

Mazava ho azy fa zava-tsarotra lehibe izany. Nanana asa ambony aho. An-taonany maro no nilofosako niasana mafy sy nianarana ary nanaovana sorona maro mba hahatongavana tamin’izany toerana izany. Nahavita dingana maro aho mba hisondrotana teo amin’ny fiaraha-monina, kanefa izao dia voatery hiala amin’ilay asa nofidiko. Nandresy anefa tamin’ny farany, ny fitiavako lalina an’i Jehovah sy ny faniriako mafy hanao ny sitrapony.​—Matio 7:21.

Nanapa-kevitra ny hiara-miasa tamin’ny kompania iray ao Seattle, ao Washington, aho. Diso fanantenana anefa aho, satria vetivety foana dia hitako fa mbola tafiditra lalina kokoa tamin’ny asa tsy nifanaraka tamin’ny Isaia 2:4 ihany ny tenako. Tsy nahomby ny ezaka nataoko mba tsy hiasana afa-tsy tamin’ny tetik’asa hafa, ka dia nanenjika ahy indray ny feon’ny fieritreretako. Hitako mazava fa tsy afaka ny sady hijanona tamin’ilay asako aho no hanana feon’ny fieritreretana madio hatrany.​—1 Petera 3:21.

Nanjary nazava fa ho voatery hanao fiovana lehibe izahay. Tao anatin’ny enim-bolana latsaka, dia novanay ny fomba fiainanay, ary nahenanay ho antsasany sisa ny fandanianay mianakavy. Namidinay avy eo ilay tranonay be renty, ka nividy trano kely iray teto Denver, Colorado, izahay. Vonona ho amin’ny dingana farany aho izao, dia ny fialana tamin’ny asako. Nosoratako tamin’ny milina ny taratasy fialako izay nanazava ny toerana notanako noho ny feon’ny fieritreretako. Tamin’io alina io, rehefa lasa natory ireo ankizy, dia niara-nandohalika izahay mivady ary nivavaka tamin’i Jehovah, araka ny voalazalaza terỳ am-piandohan’ity lahatsoratra ity.

Tao anatin’ny iray volana latsaka, dia nifindra teto Denver izahay, ary tapa-bolana tatỳ aoriana, tamin’ny Jolay 1975, dia natao batisa izahay mivady. Tsy nety nahita asa aho nandritra ny enim-bolana, ary nihena tsikelikely ny vola tahirinay. Ny volana fahafito, dia latsaka noho ny vola tokony haloanay isam-bolana tamin’ilay trano novidinay ny vola sisa tany amin’ny banky. Nanomboka nitady izay asa nety ho hitako aho, kanjo taorian’izay avy hatrany dia nahita asana injeniera. Tokony ho antsasaky ny karama azoko teo aloha monja ny karamako, kanefa na izany aza, dia betsaka lavitra noho izay nangatahiko tamin’i Jehovah ilay izy. Endrey izany hasambarako, noho ny nametrahako ireo tombontsoa ara-panahy teo amin’ny toerana voalohany!​—Matio 6:33.

Fitaizana ireo zanakay mba ho tia an’i Jehovah

Tao anatin’izany fotoana izany, dia be natao izahay sy i Ekaterini teo amin’ilay asa sarotra, dia ny nitaizana ireo zanakay efatra mianadahy, nifanaraka tamin’ireo foto-pitsipik’Andriamanitra. Nahafaly fa hitanay izy rehetra nanjary Kristianina matotra, nanokana tanteraka ny fiainany ho amin’ilay asa lehibe fitoriana ilay Fanjakana, noho ny fanampian’i Jehovah. Izy telo mirahalahy, i Christos sy i Lakes ary i Gregory, dia samy nahazo diplaoman’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Manompo amin’ny asa nanendrena isan-karazany izy ireo ankehitriny, ka mitsidika sy manatanjaka kongregasiona. I Toula, zanakay vavy, dia mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ao New York. Nihetsi-po be izahay rehefa nahita azy rehetra nanao sorona asa tsara sady be karama, mba hanompoana an’i Jehovah.

Maro no nanontany hoe inona no fanalahidin’ny fitaizan-janaka nahomby toy izany. Mazava ho azy fa tsy misy fomba fitaizan-janaka raikitra, nefa tsy nikely soroka izahay nampiditra tsikelikely tao am-pon’izy ireo ny fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona. (Deoteronomia 6:6, 7; Matio 22:37-39). Nianaran’ireo ankizy fa tsy afaka milaza amin’i Jehovah hoe tia azy isika raha tsy miseho amin’ny ataontsika izany.

Nisy andro iray isan-kerinandro, mazàna ny asabotsy, nandraisanay mianakavy anjara tamin’ny fanompoana. Nanao fianaram-pianakaviana tsy tapaka izahay ny alatsinainy hariva taorian’ny sakafo, ary nanao fianarana Baiboly tamin’ny ankizy tsirairay koa izahay. Fony mbola kely ry zareo, dia nampianatra ny tsirairay imbetsaka isan-kerinandro, nandritra ny fotoana fohy, izahay, ary rehefa nihalehibe izy ireo, dia naharitra ela kokoa ny fianarana ary natao indray mandeha isan-kerinandro. Vonona ny hiresaka ary tsy nisalasala nifanakalo hevitra taminay momba ireo zava-nanahirana azy ireo zanakay, nandritra izany fianarana izany.

Niara-nanao fialam-boly nampandroso koa izahay mianakavy. Tianay ny niara-nitendry zavamaneno, ary nankamamin’ny ankizy tsirairay ny nitendry izay hira tiany indrindra. Nisy faran’ny herinandro sasantsasany nanasanay fianakaviana hafa ho amin’ny fiarahana nampahery. Niara-nanao vakansy koa izahay mianakavy. Indray mandeha izahay dia nandany tapa-bolana nizahana ny tendrombohitra Colorado sady niarahana niasa tamin’ny kongregasiona teo an-toerana, teny amin’ny fanompoana. Fahatsiarovana tsara ho an’ireo zanakay ny niasany tao amin’ireo sampan-draharaha samihafa tamin’ny fivoriamben’ny distrika, ary ny nanampiany tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana tany amin’ny toerana samy hafa. Fony nentinay nitsidika ireo havanay tany Gresy ireo ankizy, dia afaka nihaona koa tamin’ny Vavolombelona mahatoky maro izay efa tany am-ponja noho ny finoany. Namela soritra lalina tao an-tsain-dry zareo izany, ka nanampy azy ho tapa-kevitra ny hiorina mafy hatrany sady ho be herim-po ho an’ny fahamarinana.

Mazava ho azy, fa indraindray dia tsy nitondra tena tsara, na koa tsy nahay nifidy ireo olona nifaneraserany ny sasantsasany tamin’ireo ankizy. Tamin’ny fotoana hafa indray, dia nampipoitra zava-nanahirana ho azy ireo izahay ray aman-dreny, angamba noho izahay be fameperana loatra teo amin’ny lafin-javatra sasany. Nanampy anay rehetra handamin-javatra anefa, ny fitodihana tany amin’ny “fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”, hita ao amin’ny Baiboly.​—Efesiana 6:4, NW; 2 Timoty 3:16, 17.

Ny fotoana nahasambatra ahy indrindra teo amin’ny fiainana

Rehefa tafiditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro ireo zanakay, dia nanomboka nieritreritra tamim-pitandremana ny amin’izay azonay natao mba hanitarana ny fandraisanay anjara tamin’io asa mamonjy aina io izaho sy i Ekaterini. Noho izany, tamin’ny 1994, rehefa nangataka fisotroan-dronono aloha be aho, dia samy nanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra izahay mivady. Tafiditra ao amin’ny fanompoanay ny fitsidihana ireo sekoly ambony sy oniversite eto an-toerana, izay itorianay amin’ireo mpianatra ary itarihanay fampianarana Baiboly amin’ny sasantsasany aminy. Tsapako tsara ny zava-tsarotra hitan’izy ireo, satria niainako izany, mbola tsy taona maro lasa akory izay, hany ka nahita fahombiazana be aho teo amin’ny fanampiana azy hianatra momba an’i Jehovah. Akory ny hafaliako niara-nianatra tamina mpianatra avy tany Bolivia, Brezila, Chine, Ejipta, Etiopia, Meksika, Silia, Tailandy ary Torkia! Mahafinaritra ahy koa ny manao fanambarana an-telefaonina, indrindra fa amin’ireo olona miteny amin’ny fitenin-drazako.

Na dia voafetra ihany aza ny mety ho vitako noho ny fiteniko fantatra be hoe Grika miteny anglisy ary noho ny fandroson’ny taonako, dia niezaka foana aho ho vonona hiasa ka hanana ny toe-tsain’i Isaia, izay nanambara hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Nahita fifaliana izahay nanampy olona maherin’ny enina hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Tsy isalasalana fa izany no fotoana nahasambatra anay indrindra.

Nihodinkodina teo amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana nahatsiravina, izay natao hamonoana ny mpiara-belona, ny fiainako manontolo, taloha. Nanokatra ny lalana ho ahy sy ny mpianakaviko anefa i Jehovah, noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, mba hahafahanay ho tonga mpanompony vita fanoloran-tena, ary hanokananay ny fiainanay hitondrana any amin’ny olona ny vaovao tsaran’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa. Rehefa misaintsaina ireo fanapahan-kevitra sarotra tsy maintsy noraisiko aho, dia tonga ato an-tsaiko ireto teny ao amin’ny Malakia 3:10 ireto: “Izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” Izany marina tokoa no nataony​—ka afa-po izahay!

[Efajoro/Sary, pejy 27]

Lakes: Halan’ny raiko ny fihatsarambelatsihy. Niezaka mafy dia mafy izy mba tsy hihatsaravelatsihy, indrindra fa tamin’ny fanomezana ny ohatra tsara ho an’ny mpianakaviny. Matetika izy no nilaza taminay hoe: “Raha manolotra ny fiainanareo ho an’i Jehovah ianareo, dia misy dikany izany. Tokony ho vonona hanao sorona ho an’i Jehovah ianareo. Izany no tena dikan’ny hoe Kristianina.” Ato an-tsaiko foana ireo teny ireo ka nanampy ahy hanaraka ny ohatra nomeny eo amin’ny fanaovana sorona ho an’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

Christos: Nankasitrahako be dia be ny tsy fivadihan’ny ray aman-dreninay tamin’ny fanahy rehetra tamin’i Jehovah sy ny faneken’izy ireo tanteraka hiantsoroka ny andraikiny amin’ny maha ray aman-dreny azy. Nanao ny zavatra rehetra​—hatramin’ny fanompoanay ka hatramin’ny vakansinay​—niaraka izahay mianakavy. Azon’ireo ray aman-dreninay natao ny ho variana tamin-javatra maro be hafa, kanefa nihazona ny fiainany ho tsotra hatrany izy ireo, ka nifantoka tamin’ny fanompoana. Fantatro ankehitriny fa tena sambatra indrindra aho amin’izao fotoana maharevo tanteraka ahy amin’ny fanompoana an’i Jehovah izao.

[Efajoro/Sary, pejy 28]

Gregory: Mihoatra noho ireo teny fampirisihan’ny ray aman-dreninay ahy mba hanitarako ny fanompoako, dia ny ohatra nomen’izy ireo sy ny fihariharian’ny fifaliany teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah no nanosika ahy handinika indray ny tarehin-javatra nisy ahy, ka hanilika izay nety ho tebiteby sy fanahiana momba ny fanombohana ny fanompoana manontolo andro ary hiezaka bebe kokoa eo amin’ny asan’i Jehovah. Isaorako izy ireo noho ny nanampiany ahy hahita ny fifaliana ateraky ny fikelezako aina.

[Efajoro/Sary, pejy 28]

Toula: Nantitranterin’ireo ray aman-dreninay foana fa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no zavatra sarobidy indrindra mety hananantsika, ary koa fa ny hany fomba mety hahasambatra marina antsika dia ny fanomezana an’i Jehovah ny tsara indrindra avy amintsika. Nataon’izy ireo izay hahatonga an’i Jehovah ho tena misy aminay. Matetika ny rainay no nilaza taminay fa misy fihetseham-po iray tsy hay lazaina rehefa afaka mandeha matory amin’ny alina ianao ka manana feon’ny fieritreretana madio, noho ny fahafantarana fa nanao izay rehetra azonao natao ianao mba hampifaliana an’i Jehovah.

[Sary, pejy 25]

Fony aho miaramila tany Gresy, tamin’ny 1951

[Sary, pejy 25]

Niaraka tamin’i Ekaterini tamin’ny 1966

[Sary, pejy 26]

Ny mpianakaviko tamin’ny 1996: (avy eo ankavia miankavanana, eo andamosina) Gregory, Christos, Toula; (eo anoloana) Lakes, Ekaterini ary izaho