Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hahalala ny Antonony eo Amin’izay Antenaintsika?

Nahoana Isika no Tokony Hahalala ny Antonony eo Amin’izay Antenaintsika?

Nahoana Isika no Tokony Hahalala ny Antonony eo Amin’izay Antenaintsika?

MANOME antsika fahafaham-po ny fanantenana sy ny faniriana tanteraka. Ekena anefa fa maro amin’ny nofinofintsika sy ny fanantenantsika no tsy tanteraka araka ny aniriantsika azy. Afaka ny hahatonga antsika ho sosotra amin’ny tenantsika, sy amin’ny hafa mihitsy aza, ny fahadisoam-panantenana miverimberina eo amin’ny fiainana. Nanao izao fanamarihana tena mety tsara izao ny lehilahy hendry iray: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo”.​—Ohabolana 13:12.

Inona avy ny sasany amin’ireo lafin-javatra izay afaka mitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana? Inona no azontsika atao mba hahalalantsika ny antonony eo amin’izay antenaintsika? Ankoatra izany, nahoana no hahasoa antsika ny fanaovana izany?

Fanantenana sy fahadisoam-panantenana

Arakaraka ny iezahantsika haharaka ny fihazakazahan’ny fiainana ankehitriny, no toa vao mainka mampihemotra antsika. Tsy hitsahatra ny zavatra mitaky fotoana sy hery avy amintsika, ary rehefa tsy mahomby amin’izay kasaintsika hatao isika, dia mirona hanamelo-tena. Mety hanomboka hahatsapa ho mandiso fanantenana ny hafa mihitsy aza isika. Nilaza toy izao i Cynthia, vehivavy manam-bady aman-janaka, izay mahalala ny fanerena mahazo ny ray aman-dreny: “Mahasosotra ahy ny fiovaovako eo amin’ny fanitsiana an’ireo zanako sy ny fahatsapako ho tsy dia havanana loatra eo amin’ny fitaizana azy ireo.” Nilaza toy izao, momba ny fianarany, ny zatovovavy iray antsoina hoe Stephanie: “Tsy manam-potoana hanaovana izay rehetra tiako hatao aho, ary izany dia mahatonga ahy tsy hanana faharetana.”

Mivadika mora foana ho fikatsahana ny lavorary ny fanantenan-javatra tsy araka ny antonony, ary izany dia tena mahakivy. Niaiky toy izao i Ben, lehilahy tanora manambady: “Rehefa mandinika ny zavatra nataoko, noeritreretiko, na tsapako aho, dia mahita fomba ho azoko nanaovana azy tsaratsara kokoa foana aho. Mitady ny tonga lafatra foana aho, ary izany dia mitarika ho amin’ny tsy fananana faharetana sy ny fahakiviana ary ny fahadisoam-panantenana.” Nilaza toy izao i Gail, vehivavy kristianina manambady: “Tsy manaiky ny hisian’ny tsy fahombiazana ny sainay mpikatsaka ny lavorary. Te ho tonga reny faran’izay tsara sy vady faran’izay tsara izahay. Tsy maintsy mahita vokatra izahay, raha te ho sambatra, hany ka manorisory anay ny herim-po very maina.”

Ny lafin-javatra iray hafa afaka mitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana, dia ny tsy fahasalamana sy ny fahanterana. Manasongadina ny fetran’ny mety ho vitantsika, sy mampitombo ny fahatsapana fahakiviana, ny fihenan’ny fahavitrihana sy ny tanjaka. “Nanjary tsy nanana faharetana tamin’ny tenako aho, noho ny tsy fahafahako manatontosa zavatra izay mora sy nandeha ho azy tamiko erỳ, talohan’ny naharariako”, hoy ny fieken’i Elizabeth.

Santionany fotsiny amin’ny zavatra afaka miteraka fahadisoam-panantenana, ireo voalaza ireo. Ny fihetseham-po toy izany, raha tsy fehezina, dia afaka mahatonga antsika hino mihitsy fa tsy ankasitrahan’ny hafa isika. Koa fepetra hentitra inona avy àry no azontsika raisina, mba handresena ny fahadisoam-panantenana sy hambolena fanantenana araka ny antonony?

Fomba hambolena fanantenana araka ny antonony

Voalohany aloha, dia tadidio fa mahalala ny antonony sy mahazo ny fihevitry ny hafa i Jehovah. Mampahatsiahy antsika toy izao ny Salamo 103:14: “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” Noho ny fahafantarany ny zavatra haintsika sy ny fetran’ny mety ho vitantsika, ny antenain’i Jehovah amintsika dia izay azontsika omena ihany. Ary ny ‘hihevi-tena araka ny antonony eo am-piaraha-mandeha amin’Andriamanitsika’ no zavatra iray takiny amintsika.​—Mika 6:8, NW.

Mampirisika mafy antsika mba hitodika any aminy, amin’ny vavaka, koa i Jehovah. (Romana 12:12; 1 Tesaloniana 5:17). Ahoana anefa no anampian’izany antsika? Mahatonga ny fisainantsika hiorina tsara sy hahay handanjalanja ny vavaka. Ny vavaka atao amin-kafanam-po dia fiekena fa mila fanampiana isika​—mariky ny fiheveran-tena araka ny antonony, sy ny fanetren-tena, izy io. Dodona hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah, amin’ny fanomezana antsika ny fanahiny masina, izay miteraka vokatra toy ny fitiavana, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ary ny fifehezan-tena. (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23, NW ). Mahatonga ny tebiteby sy ny fahakiviana ho maivana kokoa koa ny vavaka. Amin’ny alalan’ny vavaka, dia “mahazo fampiononana tsy hita na aiza na aiza mihitsy ianao”, hoy i Elizabeth. Miombon-kevitra amin’izany koa i Kevin: “Mivavaka mba hahazo fo tony sy saina mazava, hahafahako hiatrika zava-manahirana iray, aho. Tsy mandao ahy na oviana na oviana i Jehovah.” Nahafantatra ny hasarobidin’ny vavaka ny apostoly Paoly. Izany no antony nanoroany hevitra toy izao: “Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Eny, tena manampy antsika hamboly fanantenana zavatra araka ny antonony, avy amin’ny tenantsika sy ny hafa, ny firesahana amin’i Jehovah.

Indraindray anefa, dia mila fanomezan-toky eo no ho eo isika. Tsara ny teny atao amin’ny fotoana mety. Afaka manome antsika fomba fijery vaovao momba ilay zavatra nandiso fanantenana, na nampitebiteby antsika, ny resaka tsiambaratelo ifanaovantsika amin’ny namana mahatoky sy matotra iray. (Ohabolana 15:23; 17:17; 27:9). Manjary fantatry ny tanora, izay miady amin’ny fahakiviana, fa manampy azy hahita fahaiza-mandanjalanja ny fitadiavana torohevitra amin’ny ray aman-dreny. Niaiky tamim-pankasitrahana toy izao i Kandi: “Ny fitarihana feno fitiavana nomen’ny ray aman-dreniko ahy dia nahatonga ahy hahalala ny antonony sy hahay handanjalanja kokoa, ary tian’ny olona kokoa ny miaraka amiko.” Eny, tonga amin’ny fotoana ilana azy indrindra ity fampahatsiahivana ao amin’ny Ohabolana 1:8, 9 ity: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao; fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany ary rado amin’ny vozonao.”

Azo fintinina tsara amin’izao ohabolana izao ny vokatry ny fisainan’ny olona mpikatsaka ny lavorary: “Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina.” Mba hanalavirana izany, dia ilaina ny manova ny fomba fisaina. Ny fanetren-tena sy ny fiheveran-tena araka ny antonony​—ny fananana fomba fijery araka ny tena izy ny fetran’ny mety ho vitantsika​—dia tena hampianatra antsika hamboly fanantenana voalanjalanja sy araka ny antonony. Mety tokoa àry ny fampitandremana nomen’ny Romana 12:3 antsika mba ‘tsy hiavonavon-kevitra ka hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina’. Fanampin’izany, ny Filipiana 2:3 dia mampirisika antsika mba hanetry tena sy hihevitra ny hafa ho mihoatra noho ny tenantsika.

Tsy nanam-paharetana tamin’ny tenany, noho ny aretina nahazo azy, i Elizabeth, izay voatonona terỳ aloha. Nila fotoana izy mba hahazoana ny fomba fijerin’i Jehovah zavatra sy hahatsapana fiononana, avy amin’ny fahalalana fa tsy manadino ny fanompoana ataontsika i Jehovah. I Colin dia tsy afa-mihetsika, noho ny aretina mahaosa. Nihevitra izy, tamin’ny voalohany, fa toa tsy nisy vidiny ny fanompoana nataony, raha noharina tamin’izay vitany, fony izy mbola salama. Afaka nanaisotra izany fihetseham-po izany izy, tamin’ny fisaintsainana andinin-teny toy ny 2 Korintiana 8:12. Milaza toy izao io andinin-teny io: “Raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.” “Na dia latsaka be aza no azoko omena”, hoy i Colin, “dia mbola afaka manome aho, ary eken’i Jehovah izany.” Ampahatsiahivina toy izao isika, ao amin’ny Hebreo 6:10: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”.

Ahoana àry no ahafahantsika mamaritra raha araka ny antonony ny zavatra antenaintsika na tsia? Manontania tena hoe: ‘Mifandray akaiky amin’izay antenain’Andriamanitra ve ny zavatra antenaiko?’ Milaza toy izao ny Galatiana 6:4: “Aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa”. Tadidio fa nilaza i Jesosy hoe: “Mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” Eny, manana zioga hoentina isika, amin’ny maha Kristianina antsika, nefa “mora” sy “maivana” izy io, ary nampanantena i Jesosy fa hamelombelona izy io, raha mianatra ny hitondra azy araka ny tokony ho izy isika.​—Matio 11:28-30.

Mitondra valisoa ny fanantenana araka ny antonony

Valian-tsoa dieny izao sy amin’ny hoavy ny fihainoana sy ny fampiharana ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra, eo am-piezahantsika mamboly ny fananana fanantenana araka ny antonony. Voalohany aloha, dia misy fiantraikany tsara eo amin’ny toe-batantsika izy io. Niaiky toy izao i Jennifer, izay nandray soa avy tamin’ny fampahatsiahivan’i Jehovah: “Manana hery sy fahavitrihana bebe kokoa hiatrehana ny fiainana aho.” Mety tokoa àry ny fampirisihan’ny Ohabolana 4:21, 22 antsika mba hitandremantsika, amin’ny masontsika sy ny fontsika, izay lazain’i Jehovah, satria “aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra”.

Valisoa hafa koa ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. “Hitako fa sambatra kokoa foana aho, rehefa atodiko amin’ny Tenin’Andriamanitra ny saiko sy ny foko”, hoy i Theresa. Marina aloha fa mbola hahita fahadisoam-panantenana ihany isika eo amin’ny fiainana. Ho vonona kokoa anefa isika ny hizaka azy ireo. “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”, hoy ny fampirisihan’ny Jakoba 4:8. Mampanantena koa i Jehovah fa hanatanjaka antsika hiatrika zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, sy hitahy antsika amin’ny fanomezana antsika fiadanana, izy.​—Salamo 29:11.

Mahatonga antsika hiorina hatrany eo amin’ny ara-panahy ny fananana fanantenana araka ny antonony. Izany koa dia efa fitahiana. Afaka mifantoka mazava amin’ireo zava-dehibe kokoa eo amin’ny fiainana isika. (Filipiana 1:10). Araka ny zava-misy sy azo tratrarina tsara amin’izay ny zava-kendrentsika, ka izany dia mitondra fifaliana sy fahafaham-po lehibe kokoa. Ho vonona kokoa ny hiantehitra amin’i Jehovah isika, noho ny fahafantarana fa hanome ny vokatra tsara indrindra izy. “Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro”, hoy i Petera. (1 Petera 5:6). Afaka ny hisy zavatra mahafa-po kokoa noho ny hoe mahazo ny fanajan’i Jehovah ve?

[Sary, pejy 31]

Ny fambolena fanantenana araka ny antonony dia afaka manampy antsika handresy fahakiviana sy fahadisoam-panantenana