Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Izy Ireo no Tsy Miteraka?

Nahoana Izy Ireo no Tsy Miteraka?

Nahoana Izy Ireo no Tsy Miteraka?

NIPETRAKA sy niasa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Nizeria ny mpivady iray nantsoina hoe Dele sy Fola. * Taoriana kelin’ny nanombohan’izy ireo nanompo tao, dia tonga nitsidika azy ny renin’i Fola. Nanao dia lavitra izy io mba hidinika raharaha nampanahy azy mafy, izay tsy nahitany tory matetika.

“Manao soa ho ahy tokoa ianareo”, hoy izy tamin’izy mivady. “Mandefa fanomezana ho ahy ianareo, ary mitsidika ahy. Sarobidy amiko tokoa izany fanehoam-pitiavana asehonareo izany. Mampanahy ahy koa anefa izany, satria manontany tena foana aho hoe mba iza kosa no hanao toy izao ho anareo, rehefa mby amin’ny taonako ianareo? Efa roa taona izao no nivadianareo, kanefa mbola tsy miteraka foana ianareo. Tsy tokony hiala ato amin’ny Betela amin’izay ve ianareo, ka hanomboka hiteraka?”

Nisaina toy izao i Neny: Ampy izay ny fotoana nijanonan’i Dele sy i Fola tao amin’ny Betela. Tokony mba hieritreritra izay hoaviny amin’izay izy ireo. Tsy maintsy misy olon-kafa afaka manao ny asan’izy ireo. Tsy voatery hiala amin’ny fanompoana manontolo andro akory i Dele sy i Fola, fa afaka mandray endri-panompoana hafa, izay hahafahan’izy ireo hiteraka sy hahatsapa ny fifalian’ny fananana zanaka.

Fiahian’i Neny

Mora azo ny fiahian’i Neny. Zavatra fototra sy fahita eo amin’ny kolontsaina rehetra, nandritra ny fotoana rehetra, ny faniriana hiteraka. Tena mahafaly sy mahavelom-panantenana lalina tokoa ny fananana zanaka. “Tamby ny ateraky ny kibo”, hoy ny Baiboly. Eny, fanomezana sarobidy avy amin’ny Mpamorona antsika be fitiavana ny fahafahana hiteraka.​—Salamo 127:3.

Any amin’ny tany maro, ireo mpivady dia iharan’ny fanerena mafy, avy amin’ny fiaraha-monina, mba hiteraka. Ohatra, any Nizeria, izay enina ny salanisan’ny zanaky ny vehivavy iray, dia mahazatra ny mandre ireo mpirary soa manao izao tsodrano izao amin’ny mpivady vao, amin’ny fampakaram-bady: “Manantena ny handre zazakely mitomany ao an-tranonareo izahay, rehefa afaka sivy volana.” Mety hahazo farafaran-jazakely, ho fanomezana amin’ny andro fampakaram-bady, ireo mpivady vao. Manara-maso akaiky ny kalandrie ireo rafozambavy. Raha tsy bevohoka ao anatin’ny herintaona ilay vinantovavy, dia hamotopototra izy ireo raha misy azony anampiana mba hamahana ilay olana.

Ho an’ny reny maro, ny antony hanambadiana dia mba hiterahana sy hameloma-maso ny anarana. Nilaza toy izao taminy ny renin’i Fola: “Nahoana indrỳ no nanambady, raha tsy ta hanan-janaka? Nisy niteraka indrỳ, dia tokony hiteraka ny zanak’indrỳ koa indrỳ.”

Fanampin’izany, dia misy lafin-javatra azo ampiharina tokony hodinihina. Any amin’ny tany afrikanina maro, dia tsy misy fandaharana firy ataon’ny fitondram-panjakana ho an’ny zokiolona. Araka ny mahazatra, dia ny zanaka no mikarakara ny ray aman-dreniny be taona, tsy misy hafa amin’ny nikarakaran’ny ray aman-dreniny azy, fony izy mbola kely. Nanjohy hevitra àry ny renin’i Fola, fa raha tsy miteraka ny zanany, dia mety hanirery sy hailikilika ary ho fadiranovana, any aoriana any, ary tsy hanana mpandevina rehefa maty.

Saiky manerana an’i Afrika, dia heverina fa ozona ny tsy fiterahana. Any amin’ny faritra sasany, dia takina amin’ny vehivavy mihitsy aza ny hanaporofoany, mialoha ny hampakarana azy, fa afaka ny hiteraka izy. Vehivavy momba maro no mivezika atsy mivezika eroa mitady fanafody sy fitsaboana, mba hahafahany hitoe-jaza.

Rehefa heverina izany toe-tsaina izany, ireo mpivady minia tsy hiteraka dia heverina ho manakana ny tenany tsy hahita soa. Mazàna izy ireo no heverina ho hafahafa sy tsy mitsinjo lavitra ary mampahonena.

Fifaliana sy andraikitra

Manaiky ny vahoakan’i Jehovah fa na dia misy fifaliana aza eo amin’ny fitaizana zanaka, dia misy andraikitra koa. Milaza toy izao ny Baiboly, ao amin’ny 1 Timoty 5:8: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.”

Tsy maintsy manome izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy ny ray aman-dreny, ary mitaky fotoana sy ezaka be izany. Tsy mieritreritra izy ireo hoe satria Andriamanitra no nanome zanaka azy, dia anjaran’Andriamanitra koa ny mikarakara ireo zaza ireo. Takatr’izy ireo fa ny fitaizana zanaka araka ny foto-pitsipiky ny Baiboly dia andraikitra manontolo andro nomen’Andriamanitra an’ireo ray aman-dreny; tsy tokony hankinina amin’olon-kafa izy io.​—Deoteronomia 6:6, 7.

Sarotra tokoa ny mitaiza zanaka amin’izao “andro farany”, izay “fotoan-tsarotra tsy mora setraina”, izao. (2 Timoty 3:1-5, NW). Ankoatra ny fitotongan’ny toe-karena, dia eo koa ny fitomboan’ny faharatsiana eo amin’ny fiaraha-monina, izay manasarotra koa ny fitaizana zanaka, amin’izao andro izao. Na izany aza, dia mpivady kristianina tsy hita isa maneran-tany no niatrika io zava-tsarotra io, ary mitaiza amim-pahombiazana ny zanany ho tia an’Andriamanitra, “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo”. (Efesiana 6:4). Tia sy mitahy ny ray aman-dreny miasa mafy toy izany i Jehovah.

Ny antony tsy iterahan’ny sasany

Mpivady kristianina maro, etsy an-danin’izany, no tsy miteraka. Momba ny sasany, kanefa tsy manangana zaza. Manapa-kevitra ny tsy hiteraka ny mpivady sasany, na dia afaka ny hanan-taranaka aza izy ireo. Tsy hoe miamboho adidy, na matahotra ny hiatrika ireo zava-tsarotra entin’ny fananana zanaka akory, ny mpivady tsy miteraka toy izany. Nanapa-kevitra kosa izy ireo ny hampifantoka ny sainy rehetra amin’ny endrika samy hafa amin’ny fanompoana manontolo andro, izay tsy ho azony atao, raha mitaiza zanaka izy. Manao ny fanompoana misionera ny sasany. Ny hafa manompo an’i Jehovah eo amin’ny asa fitetezam-paritany na ao amin’ny Betela.

Mahatakatra izy ireo, toy ny Kristianina rehetra, fa misy asa maika tsy maintsy atao. Nilaza toy izao i Jesosy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Atao io asa io, amin’izao fotoana izao. Asa tena lehibe izy io, satria “ny farany” dia hidika ho fandringanana, ho an’ireo izay tsy hiraharaha ny vaovao tsara.​—Matio 24:14; 2 Tesaloniana 1:7, 8.

Mitovy amin’ilay vanim-potoana nanorenan’i Noa sy ny fianakaviany ilay sambo fiara goavam-be, izay nitsimbinana azy ireo tamin’ny Safo-drano, ny vanim-potoana misy antsika. (Genesisy 6:13-16; Matio 24:37). Na dia samy nanam-bady avokoa aza ny zanak’i Noa telo mirahalahy, dia tsy nisy niteraka izy ireo, raha tsy taorian’ilay Safo-drano. Nety ho noho izy ireo ta hanokana ny sainy sy ny heriny rehetra, tamin’ilay asa teo am-pelatanany, no antony iray tsy niterahan’ireo mpivady ireo. Nety ho tsy naharisika azy ireo koa ny hitaiza zanaka teo amin’ny tontolo iray nivarilavo sy nahery setra, izay feno ‘faharatsian’ny olona ka izay fisainana rehetra avy tamin’ny fony dia ratsy ihany nandritra ny andro’.​—Genesisy 6:5.

Na dia tsy milaza aza izany fa ratsy ny manana zanaka amin’izao andro izao, dia mandà tsy hiteraka ny mpivady kristianina maro, mba hahafahany hifantoka kokoa amin’ilay asa maika nomen’i Jehovah hataon’ny vahoakany. Niandry kelikely ny mpivady sasany vao niteraka; ny hafa nanapa-kevitra ny tsy hanana zanaka raha tsy any amin’ny tontolo vaovao sy marin’i Jehovah. Tsy mitsinjo lavitra ve izany? Maty antoka ve izy ireo, eo amin’ny fiainana? Tokony hampahonena ve izy ireo?

Fiainana azo antoka sy sambatra

Efa folo taona mahery izao no nivadian’i Dele sy i Fola, noresahina tetsy aloha, ary mbola tapa-kevitra ny tsy hiteraka ihany izy ireo. “Mbola manery anay hiteraka foana ireo havanay”, hoy i Dele. “Ny antoky ny hoavinay no tena mampanahy azy ireo. Milaza ny fankasitrahanay ny fanehoam-piheveran’izy ireo foana izahay, nefa manazava amim-pahaiza-mandanjalanja koa fa tena mahasambatra anay tokoa izay ataonay. Raha ny amin’ny hoavy indray, dia milaza izahay fa i Jehovah, izay miahy ny hahasoa ireo rehetra mitoky sy tsy mivadika aminy, no iankinanay. Manazava koa izahay fa ny fananan’ny olona zanaka dia tsy miantoka ny hikarakaran’ny zanany azy amin’ny fahanterany. Tsy miraharaha firy ny ray aman-dreniny ny olona sasany, tsy manana fahafahana hanampy ny azy ny hafa, ary ny hafa indray dia maty alohan’ny hahafatesan’ny ray aman-dreniny. Etsy an-danin’izany kosa, dia azo antoka ny hoavinay miaraka amin’i Jehovah.”

Matoky tanteraka izao fampanantenan’i Jehovah ho an’ny mpanompony tsy mivadika, izao, i Dele sy ny hafa toa azy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.” (Hebreo 13:5). Mino koa izy ireo fa “ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare”.​—Isaia 59:1.

Antony hafa hananana fatokisana koa ny fandinihana ny fomba anohanan’i Jehovah ny mpanompony mahatoky. Nanoratra toy izao i Davida Mpanjaka: “Efa mba tanora ihany aho, ary antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy”. Eritrereto izany. Mahafantatra mpanompo mahatokin’i Jehovah efa “nafoy” ve ianao?​—Salamo 37:25.

Tsy manenina ny lasa ireo izay nandany ny androm-piainany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah sy ny namany kristianina, fa misaintsaina izany amim-pahafaham-po kosa izy ireo. Ao amin’ny fanompoana manontolo andro efa hatramin’ny 45 taona ny rahalahy Iro Umah, ary mpiandraikitra mpitety faritany any Nizeria izy ankehitriny. Nilaza toy izao izy: “Na dia tsy manana zanaka aza izahay mivady, dia ataonay ao an-tsaina lalandava fa mikarakara anay foana i Jehovah, na amin’ny lafiny ara-panahy izany, na amin’ny lafiny ara-nofo. Tsy misy mahory anay. Tsy handao anay izy, rehefa antitra izahay. Ireo taona nanaovana fanompoana manontolo andro ireo no nahasambatra anay indrindra, teo amin’ny fiainanay. Velom-pankasitrahana noho ny fahafahana manompo an’ireo rahalahinay izahay, ary ireo rahalahinay koa dia mankasitraka ny fanompoanay, ka manampy anay izy ireo.”

Na dia tsy manana zanaka naloaky ny kibony aza ny mpivady maro, dia manana zanaka karazany hafa kosa: Mpianatra kristianina manolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Tokony ho 100 taona ny apostoly Jaona, fony nanoratra hoe: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4). Nitondra fifaliana lehibe ho an’i Jaona ny fahatokian’ireo ‘zanany’​—izay nampahafantariny ny “fahamarinana”.

Misy fifaliana tondraka toy izany amin’izao fotoana izao. Nifidy ny tsy hiteraka ny Nizerianina iray antsoina hoe Bernice, izay manambady efa hatramin’ny 19 taona. Mpisava lalana efa hatramin’ny 14 taona izy. Mihamanatona ny fotoana tsy hahafahany hiteraka intsony izy, nefa tsy manenina noho ny nanokanany ny fiainany ho amin’ny fanaovana mpianatra. Nilaza toy izao izy: “Mahatsiaro ho sambatra aho mahita ny fitomboan’ireo zanako ara-panahy. Na dia ho nanana ny zanako naloaky ny kiboko aza aho, dia tsy mino aho hoe ho akaiky kokoa ahy noho ireo izay nampiako hahalala ny fahamarinana izy ireo. Mitondra ahy toy ny reniny niteraka azy izy ireo, mamboraka amiko ny fifaliany sy ny olana mahazo azy, ary maka torohevitra atỳ amiko. Manoratra ho ahy izy ireo, ary mifampitsidika izahay.

Misy mihevitra fa ozona ny tsy fiterahana. Milaza izy ireo fa hijaly ianao amin’ny fahanteranao. Tsy toy izany kosa anefa ny fahitako azy. Fantatro fa raha mbola manompo an’i Jehovah amin’ny foko manontolo koa aho, dia hamaly soa sy hikarakara ahy izy. Tsy hanary ahy na oviana na oviana izy, rehefa antitra aho.”

Tian’Andriamanitra sy heveriny ho sarobidy

Manana antony maro tokony hahavelom-pankasitrahana ireo niteraka sy nitaiza zanaka izay “mandeha araka ny fahamarinana”. Tsy mahagaga raha nilaza toy izao ny Baiboly: “Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao”!​—Ohabolana 23:24, 25.

Notahina tamin’ny fomba hafa kosa ireo Kristianina izay tsy mba nahazo fifaliana hanana zanaka. Nandray anjara lehibe tamin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ny maro tamin’ireo mpivady ireo. Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia nanjary za-draharaha sy nahazo fahendrena ary fahaizana, izay ahafahany mandray anjara be amin’ny asan’ilay Fanjakana, izy ireo. Loha laharana eo amin’ilay asa ny maro amin’izy ireo.

Na dia tsy miteraka noho ny tombontsoan’ilay Fanjakana aza izy ireo, dia nitahy azy i Jehovah, tamin’ny fanomezana azy fianakaviana ara-panahy be fitiavana, izay mankasitraka lalina ny fahafoizan-tenany. Nilaza izany toy izao i Jesosy: “Tsy misy olona efa nahafoy [ara-bakiteny, “namela handeha”] trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao​—dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany (...)​—ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.”​—Marka 10:29, 30.

Sarobidy amin’i Jehovah tokoa izay rehetra mahatoky eo anatrehany! Ny olona rehetra tsy mivadika toy izany, na manana zanaka izy na tsy manana, dia mahazo toky avy amin’izao tenin’ny apostoly Paoly izao: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.”​—Hebreo 6:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ireo anarana ireo.

[Sary, pejy 23]

Notahina tamin’ny fahazoana fianakaviana ara-panahy be fitiavana ireo mpivady tsy manana zanaka