Ny Fanajana ny Fahefana—Nahoana no Tena Ilaina?
Ny Fanajana ny Fahefana—Nahoana no Tena Ilaina?
IZA no tsy ho velom-pankasitrahana noho ny fahefan’ny polisy hisambotra ireo mpanao heloka bevava, izay mangalatra ny fananantsika na mandrahona ny fianakaviantsika? Ary moa ve isika tsy mankasitraka ny fahefan’ny fitsarana hanasazy ireo mpanao heloka bevava, mba hiarovana ny fiaraha-monina?
Mety ho tonga ao an-tsaina koa ny asa mahasoa hafa tontosaina ho an’ny vahoaka, toy ny fikojakojana ny lalana sy ny fitandremam-pahadiovana ary ny fanabeazana—izay mazàna aloa amin’ny alalan’ny hetra takin’ny fahefana ara-panjakana. Loha laharana ny Kristianina marina amin’ny fanekena fa tena ilaina ny fanajana ny fahefana voatendry ara-dalàna. Tonga hatraiza anefa izany fanajana izany? Ary amin’ny lafiny inona avy amin’ny fiainana no takina ny fanajana ny fahefana?
Ny fahefana eo amin’ny fiaraha-monina
Ny Baiboly dia mandidy ny olona rehetra, na mpino izy na tsy mpino, hanaja ny fahefana sivily, izay manao soa ho an’ny fiaraha-monina. Nanoratra momba izany ho an’ny mpiray finoana taminy tany Roma i Paoly, apostoly kristianina, ary hahasoa ny handinihana izay nolazainy ao amin’ny Romana 13:1-7.
Olom-pirenena romanina i Paoly, ary ny firenena natanjaka indrindra eran-tany i Roma, tamin’izany andro izany. Nanoro hevitra ny Kristianina mba ho olom-pirenena fakan-tahaka ny taratasin’i Paoly, izay nosoratana tamin’ny taona 56 am.f.i. tany ho any. Nanoratra toy izao izy: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra.”
Hazavain’ i Paoly eto fa tsy ho nisy fahefan’olombelona raha tsy navelan’Andriamanitra hisy izany. Amin’izany heviny izany ireo fahefana lehibe no mitana toerana voafetra ao anatin’ny rafitry ny fikasan’Andriamanitra. Noho izany àry, “izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra”.
Na mety hahazo teny fiderana avy amin’ireo fahefana lehibe aza ireo olom-pirenena manao ny tsara, dia nomena fahefana hanasazy ireo mpanao ny ratsy koa ireny fahefana ireny. Manana antony ampy tsara hatahorana ny zon’ireo fahefana ho “mpamaly”, ireo zatra manao ny ratsy, satria manao izany amin’ny maha “mpanompon’Andriamanitra” azy, ireo fitondram-panjakana.
Mamarana ny fanjohian-keviny toy izao i Paoly: “Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa. Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.”
Niankina tamin’ireo fahefana lehibe, fa tsy tamin’ny mpandoa hetra, ny andraikitra hitsinjara ny hetra. Mihazona feon’ny fieritreretana madio ny Kristianina noho izy olom-pirenena manao ny marina. Fantany fa sady manohana ny fari-pitsipiky ny fiaraha-monina iainany izy, no miaina mifanaraka amin’ny zavatra takin’Andriamanitra koa, amin’ny fanekeny hofehezin’ireo fahefana lehibe sy amin’ny fandoavany ireo hetra tokony haloa.
Ny fianakaviana sy ny fahefana
Ahoana ny amin’ny fahefana ao amin’ny fianakaviana? Matetika misarika ny saina amin’ny tomany na amin’ny kiakiaka mihitsy ny zazakely iray, eo amin’ireo andro voalohany amin’ny fiainany. Kanefa, hahatakatra ireo zavatra tena ilain’ilay zazakely ny ray na ny reny hendry, ary tsy hamela ny fipoahan’ny hatezerana hibaiko azy ireo. Avela hanao ny danin’ny kibony sy omena lalana hanorina ny fari-pitsipiny manokana ny ankizy sasany, rehefa mihalehibe. Araka ny efa fantatry ny fahefana maro eo an-toerana tsara, ireny ankizy tsy ampy fanandraman-javatra ireny dia mety ho voarohirohy amin’ny fanaovana heloka bevava na fanaovan-dratsy hafa, ka hanakorontana ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina manontolo.
“Tara loatra ireo ray aman-dreny vao mifehy ny ankizy”, hoy i Rosalind Miles, mpanoratra ilay boky hoe Children We Deserve. “Ny fotoana tokony hanombohana dia ny fotoana hahaterahan’ilay zaza.” Raha hatrany am-boalohany ireo ray aman-dreny no miteny amim-pahefana miharo hatsaram-panahy sy fiahiana ary tsy miovaova amin’ny zavatra ataony, tsy ela dia hianatra hanaiky izany fahefana izany sy ny fifehezana feno fitiavana aterany, ireo zanany.
Mirakitra fanazavana maro be mikasika ny fahefana ao amin’ny fianakaviana ny Baiboly. Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, dia misarika ny saina ho amin’ny firaisan-tsaina eo amin’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra, manoloana ireo zanany, ilay lehilahy hendry atao hoe Solomona, ka hoy izy: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. (Ohabolana 1:8). Rehefa miray hina tsara toy izany ireo ray aman-dreny, manoloana ny zanany, dia ho fantatry ny ankizy ny fomba fiheviny. Mety hanandrana hampiady ny ray aman-dreniny mba hahazoana izay tiany izy, kanefa fiarovana ho an’ny ankizy ny fahefan’ny ray aman-dreny mifanara-tsaina.
Manazava ny Baiboly fa ny lehilahy no manana andraikitra voalohany hikarakara ny fahasalamana ara-panahin’ireo zanany ary koa ny an’ny vadiny. Fahefan’izay lohany no ilazana izany. Amin’ny fomba ahoana no tokony hampiharana izany fahefan’izay lohany izany? Asehon’i Paoly fa tsy misy hafa amin’i Kristy izay Lohan’ny kongregasiona, dia ny lehilahy no lohan’ny vadiny. Manampy teny toy izao i Paoly avy eo: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana [ny vadiny ara-panahy] ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. (Efesiana 5:25). Hahazo “fanajana lalina” avy amin’ny vadiny ny lehilahy iray, rehefa manaraka ny ohatr’i Jesosy ary mampihatra ny fahefan’izay lohany amim-pitiavana. (Efesiana 5:33, NW). Hahita ny hasarobidin’ny fahefana nomen’Andriamanitra koa ny ankizy ao amin’izany tokantrano izany, ka ho voatosika hanaiky izany.—Efesiana 6:1-3.
Ahoana no ahafahan’ny ray na ny reny mitaiza irery ny zanany, anisan’izany ireo maty vady, hiatrika izany raharaha momba ny fahefana izany? Na ray izy na reny dia afaka mitodika mivantana amin’ny fahefan’i Jehovah Andriamanitra sy ny an’i Jesosy Kristy. Niteny tamim-pahefana foana i Jesosy—dia ny fahefan’ny Rainy sy ny an’ireo Soratra Masina ara-tsindrimandry.—Matio 4:1-10; 7:29; Jaona 5:19, 30; 8:28.
Genesisy 6: 22; Ohabolana 13:20; Matio 6:33; 1 Korintiana 15:33; Filipiana 4:8, 9). Afaka mijery koa ireo boky ara-baiboly, izay natao manokana hanampiana azy ireo hampianatra ny zanany hahatakatra ireo soa entin’ny fanajana ny fahefana ao amin’ny Soratra Masina, ny ray aman-dreny. *
Manome foto-pitsipika sarobidy be dia be momba ireo zava-manahirana atrehin’ny ankizy ny Baiboly. Afaka hanome torohevitra feno fitiavana sy mahasoa ho an’ny ankizy ny ray aman-dreny, raha mitady ireny foto-pitsipika ireny ka manaraka azy ireny. (Ny kongregasiona kristianina sy ny fahefana
“Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” (Matio 17:5). Ireo teny ireo, izay nataon’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy, dia manamarina fa niteny tamin’ny fahefan’Andriamanitra i Jesosy. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny fitantaran’ny Filazantsara efatra, izay azontsika jerena mora foana, izay nolazainy.
Taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra, dia nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. (Matio 28:18). Noho izy Lohan’ny kongregasionany, dia tsy vitan’ny hoe nanao andry maso ireo voahosotra mpanara-dia azy eto an-tany i Jesosy, hatramin’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., fa nampiasa azy ireo koa ho fitaovana fampitana ny fahamarinana, dia ho “mpanompo mahatoky sy malina” iray. (Matio 24:45-47, NW; Asan’ny Apostoly 2:1-36). Inona no nataony mba hanatanterahana izany rehetra izany, ka hanatanjahana ny kongregasiona kristianina? “Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy, (...) dia [nanolotra lehilahy ho fanomezana, NW ]”. (Efesiana 4:8). Ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny dia ireo loholona kristianina voatendrin’ ny fanahy masina ary nomena fahefana hikarakara ny tombontsoa ara-panahin’ireo mpiray finoana .—Asan’ny Apostoly 20:28.
Noho izany antony izany, dia manoro hevitra toy izao i Paoly: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.” Koa satria manaraka akaiky ny dian’i Jesosy ireny lehilahy mahatoky ireny, dia fahendrena tokoa ny hanahafana ny finoany. Manampy teny toy izao i Paoly avy eo: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; [“manohy manaiky ny fahefany eo aminareo”, The Amplified Bible] fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.”—Hebreo 13:7, 17.
Inona no mitranga rehefa atao an-tsirambina ny toromarika toy izany? Izany indrindra no nataon’ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona kristianina tany am-boalohany ka nanjary mpivadi-pinoana izy ireo. Lehilahy nandrava ny finoan’ny sasany no ilazalazana an’i Hymeneo sy i Fileto, ary ny fibedibedena foana nataony dia ‘nanimbazimba izay masina’ (NW ). Anisan’ny zavatra nambarany ny hoe efa nitranga ny fitsanganana tamin’ny maty, izay miharihary fa araka ny fanahy na ara-panoharana, ka noho izany dia tsy hisy fitsanganana amin’ny maty hafa intsony amin’ny hoavy, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra.—2 Timoty 2:16-18.
Tonga mba hitondra fanampiana ilay fahefana voatendry. Afaka nanaporofo ny tsy fahamarinan’ireny hevitra naroso ireny ireo loholona kristianina, satria nampiasa ny fahefan’ny Soratra Masina izy ireo tamin’ny naha solontenan’i Jesosy Kristy azy. (2 Timoty 3:16, 17). Marina koa izany amin’izao fotoana izao ao amin’ny kongregasiona kristianina, izay lazalazaina ho “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”. (1 Timoty 3:15). Na rahoviana na rahoviana ny fampianaran-diso dia tsy havela hanimba ny “teny tsy misy kilema”, izay notsimbinina ho antsika ao amin’ny pejin’ny Baiboly, toy ny zavatra tsara dia tsara nankinina tamintsika.—2 Timoty 1:13, 14.
Na manjavona haingana aza ny fanajana ny fahefana eo amin’ity tontolo ity, dia manaiky ny Kristianina fa naorina mba hahasoa antsika ireo fahefana araka ny tokony ho izy, eo amin’ny fiaraha-monina sy ao amin’ny fianakaviana ary ao amin’ny kongregasiona kristianina. Tena ilaina ho an’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy ny fanajana ny fahefana. Amin’ny fanekentsika sy ny fanajantsika ny fahefana nomen’Andriamanitra toy izany, dia ho voaron’ireo fahefana lehibe indrindra isika, dia i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, ho tombontsoantsika mandrakizay.—Salamo 119:165; Hebreo 12:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 17 Jereo ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra sy Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, samy navoakan’ny Fikambanana Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Mirakitra fanazavana maro be mikasika ny fahefana ao amin’ny fianakaviana ny Baiboly
[Sary, pejy 6]
Afaka mitodika mivantana amin’ny fahefan’i Jehovah Andriamanitra sy ny an’i Jesosy Kristy ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany
[Sary, pejy 7]
Manaiky ny Kristianina fa naorina ho tombontsoany ny fahefana araka ny tokony ho izy ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny kongregasiona kristianina ary eo amin’ny fiaraha-monina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Photo by Josh Mathes, Collection of the Supreme Court of the United States