Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fanajana ny Fahefana​—Nahoana no Tsy Misy?

Ny Fanajana ny Fahefana​—Nahoana no Tsy Misy?

Ny Fanajana ny Fahefana​—Nahoana no Tsy Misy?

“Mety hoheverina ho ny fisehoan-javatra niavaka tato anatin’ny folo taona, ny fanoherana ny fahefana efa miorina, ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana, ara-tsosialy sy ara-politika, izay zava-misy hita eran-tany.”

TAONA maro izay no lasa hatramin’ireo taona 1960, izay noresahin’ilay mpahay tantara sady filozofa atao hoe Hannah Arendt eto. Ankehitriny, dia mihamafy kokoa mbola tsy nisy toy izany ny tsy fanajana ny fahefana.

Ohatra, milaza toy izao ny tatitra iray vao haingana tao amin’ny The Times, any Londres: “Tsy mety manaiky ny fahefan’ilay mpampianatra eo amin’ny zanany ny ray aman-dreny sasany, ary mitaraina izy ireo rehefa misy ezaka atao mba hanafaizana ny zanany.” Matetika dia tonga any an-tsekoly ny ray aman-dreny rehefa faizina ny zanany, tsy handrahona ireo mpampianatra ihany fa hiady aminy koa.

Voalaza fa nanambara toy izao ny mpitondra tenin’ny Fikambanan’ireo Talen-tsekoly any Grande-Bretagne: “Milaza ny vahoaka hoe ‘manana zo aho’, fa tsy hoe ‘manana andraikitra aho’.” Ankoatra ny tsy fahavitany mandentika fanajana mahasoa ny fahefana ao amin’ny zanany, dia tsy manitsy ireo ankizy koa ny ray aman-dreny sasany​—ary tsy manaiky ny hanaovan’ny hafa izany. Avela hanivaiva ny fahefan’ny ray aman-dreny sy ny an’ny mpampianatra ireo ankizy mitaky ny “zony”, ary efa ampoizina ny vokatr’izany​—“taranaka vaovao iray tsy manaja ny fahefana ary tsy mahafantatra kely akory ny amin’izay tsara sy ratsy”, araka ny nosoratan’ilay mpanoratra an-gazety atao hoe Margarette Driscoll.

Ao amin’ny lahatsoratra hoe “Taranaka Mamoy Fo” dia manasongadina ny fahadisoam-panantenan’ny tanora rosianina maro ny gazetiboky Time raha manonona ny teny nataon’ny mpanao mozika rap be mpitia toy izao: “Ahoana no ahafahan’izay olona rehetra teraka eto amin’ity tontolo ity, izay tsy misy na inona na inona maharitra ary tsy misy na inona na inona marina, hatoky ny fiaraha-monina?” Niombon-kevitra tamin’izany ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina atao hoe Mikhail Topalov: “Tsy hoe vendrana akory ireo ankizy ireo. Nahita ny ray aman-dreniny nofitahin’ny fanjakana izy, nahita azy ireo namoy ny tahirim-bolany sy ny asany. Afaka manantena ny hanajan’izy ireo ny fahefana ve isika?”

Ho diso anefa ny hanatsoahana hevitra fa mampiavaka ny tanora ihany ny tsy fatokisana ny fahefana. Tsy matoky ary manivaiva mihitsy ny karazam-pahefana rehetra ny olona samy hafa taona. Midika ve izany fa tsy misy fahefana azo itokiana? Raha ampiharina araka ny tokony ho izy ny fahefana, izay voalaza ho “ny hery na ny zo hifehy, hitsara, na handrara ny asan’ny hafa”, dia mety ho hery manosika hanao ny tsara. Hahasoa ny isam-batan’olona sy ny fiaraha-monina izany. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny antony mahatonga izany.