Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy Amin’i Jehovah Ireo Izay Tia Azy

Sarobidy Amin’i Jehovah Ireo Izay Tia Azy

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Sarobidy Amin’i Jehovah Ireo Izay Tia Azy

NALAZA noho ireo loharanon-karenany voajanahary i Libanona, hatramin’ny andron’ny Baiboly. (Salamo 72:16; Isaia 60:13). Nankafizina fatratra ny sederany mijoalajoala, izay tena be mpitady mba hanaovana fitaovana fanorenana, noho ny hatsarany sy ny fameroverony ary ny hatezany. Nisy zavatra mbola sarobidy kokoa nivoaka avy tao Libanona, tamin’ny taonjato voalohany. Mitantara ny Filazantsaran’i Marka fa avy tao Tyro sy Sidona, ao amin’ny faritanin’i Libanona fahiny, dia ‘nisy olona maro nandre izay zavatra nataon’i Jesosy, dia nankeo aminy’.​—Marka 3:7, 8.

Tahaka izany koa, ankehitriny dia mbola mitondra voa izay tena sarobidy eo imason’i Jehovah, i Libanona. Manasongadina izany ireto fitantarana manaraka ireto.

• Nangatahina hanao famelabelaran-kevitra maharitra 30 minitra manoloana ny iray kilasy, ny Vavolombelona tanora iray atao hoe Wissam, tany an-tsekoly. Nanapa-kevitra i Wissam fa ho fahafahana tsara dia tsara hanaovana fanambarana izany. Koa nampiasa ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou Création àry izy, ary nanomana lahateny nifototra tamin’ny famoronana. Nilaza anefa ilay mpampianatr’i Wissam, rehefa nahita ilay boky, fa satria foto-kevitra tena lehibe ilay izy, dia afaka manitatra ny lahateniny ho 45 minitra i Wissam.

Rehefa nanomboka ny lahateniny i Wissam, dia nanapaka ny teniny ilay mpampianatra ary nampiantso ny tale. Tsy ela dia tonga ilay tale, ary namerina indray i Wissam. Rehefa nihaino ireo fanontaniana napetrak’i Wissam tao amin’ny teny fampidirana ny lahateniny ilay tale dia nientam-po ka nilaza fa tokony hahazo fôtôkôpia iray amin’ilay lahateny ny mpianatra rehetra.

Tsy ela taorian’izay, dia nisy mpampianatra iray hafa sendra nandalo, nahamarika ny fihetsiketsehana tao amin’ilay lakilasy ary nanontany ny zava-nitranga. Rehefa nampahafantarina azy izany, dia nanontany izy raha nitady hanaporofo ny evôlisiôna na ny famoronana i Wissam. “Ny famoronana”, hoy ny valin-teniny. Rehefa fantatr’ilay mpampianatra fa Vavolombelon’i Jehovah i Wissam, dia nilaza toy izao tamin’ny iray kilasy izy: “Ho hitanareo amin’io lahateniny io fa manohana ny famoronana ny siansa, fa tsy ny evôlisiôna.”

Hay nanana ilay boky Création ilay mpampianatra, ary nampiasa azy io mba hanaovana konferansa tany amin’ny oniversite! Talohan’ny nandehanany, dia nanontany izy raha afaka niverina niaraka tamin’ny mpianany ny ampitso, mba hiresahan’i Wissam tamin’izy ireo. Fanaovana fanambarana tsara dia tsara hafa iray ho an’i Jehovah no vokatr’izany.

• Nangetaheta ny fahamarinana i Nina izay 22 taona. Indray andro, dia nanome Baiboly azy sy nampahafantatra azy ny Fiangonana Pentekotista ny zanak’olo-mpianadahy aminy. Namaky ny Baiboly tamim-pahafinaretana i Nina ary nianatra avy tamin’ny zavatra novakiny fa tokony hitory amin’ny hafa ny Kristianina, koa nanomboka nitory tamin’ny olom-pantany àry izy. Nanontany azy izay olona rehetra niresahany hoe: “Vavolombelon’i Jehovah ve ianao?” Nahasanganehana azy izany.

Enin-taona tatỳ aoriana dia nitsidika an’i Nina tao an-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah ary niresaka taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’ny voalohany, dia nitady lesoka tamin’ny fampianaran’izy ireo izy. Kanefa, hitany fa nirindra sy nifototra tamin’ny Baiboly ny valin-teny rehetra nomen’izy ireo.

Ny zavatra nianaran’i Nina tatỳ aoriana​—ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah; ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana; sy ny sisa​—dia nampiaiky azy fa nahita ny fahamarinana izy. Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy ary natao batisa. Nanao ny asan’ny mpitory ny filazantsara manontolo andro i Nina nandritra ireo fito taona lasa. Marina tokoa fa mitahy ireo izay tena tia azy i Jehovah.​—1 Korintiana 2:9.