Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Andaminanao Tsy Fifanarahana?

Ahoana no Andaminanao Tsy Fifanarahana?

Ahoana no Andaminanao Tsy Fifanarahana?

ISAN’ANDRO isika dia mifanerasera amin’olona maro samy hafa toetra. Matetika izany no mitondra fifaliana ho antsika sy manome fomba fijery vaovao. Indraindray, dia mampipoitra tsy fifanarahana koa izany, ka lehibe ny sasany amin’izy ireny, fa ny hafa kosa dia disadisa madinika eo amin’ny fiainantsika andavanandro fotsiny. Na manao ahoana na manao ahoana ilay tsy fifanarahana, dia misy fiantraikany eo amin’ny saintsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny ara-panahintsika ny fomba andaminantsika azy.

Ny fanaovana izay azontsika atao mba handaminana tsy fifanarahana amin’ny fomba tsara dia hahatonga antsika hanana fiainana mahafinaritra kokoa sy hanana fifandraisana tsara kokoa amin’ny hafa. Hoy ny ohabolana fahiny iray: “Ny fo tony no fiainan’ny vatana ara-nofo”.​—Ohabolana 14:30, NW.

Mifanohitra tanteraka amin’izany ilay fahamarinana hoe: “Tanàna rava tsy misy mànda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.” (Ohabolana 25:28). Iza amintsika no haniry hanao ny tenantsika ho mora voan’ny fanafihan’ny eritreri-dratsy izay hahatonga antsika hanao zavatra amin’ny fomba tsy mety​—izay hanimba ny hafa sy ny tenantsika? Afaka ny hahatonga izany indrindra ny fihetsika feno fahatezerana tsy voafehy. Tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, dia nanoro hevitra antsika i Jesosy mba handinika ny fihetsitsika, izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fomba handaminantsika izay rehetra mety ho tsy fifanarahantsika amin’ny hafa. (Matio 7:3-5). Tsy hanakiana ny hafa isika, fa tokony hieritreritra kosa ny fomba ahafahantsika mamboly sy mihazona fisakaizana amin’ireo izay tsy mitovy fomba fijery sy fiaviana amintsika.

Ny fihetsitsika

Ny dingana voalohany handaminana ny tsy fifanarahana tsikaritra na tena misy, dia ny fanekena fa mora mirona hanana eritreritra sy fihetsika diso isika. Mampahatsiahy antsika ny Soratra Masina fa samy manota isika rehetra “ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Fanampin’izany, noho isika manana fahaiza-manavaka, dia mety ho hitantsika fa tsy ho ilay olon-kafa no loharanon’ilay zava-manahirana antsika. Mifandray amin’izany, dia aoka isika handinika ny zavatra hitan’i Jona.

Nahazo toromarika avy tamin’i Jehovah i Jona, ka nandeha tany amin’ny tanànan’i Ninive mba hitory ny amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny mponina tao, izay efa nadiva hampiharina. Nahafaly ny vokany, fa nibebaka sy naneho finoana an’ilay Andriamanitra marina ny mponina rehetra tao amin’ny tanànan’i Ninive. (Jona 3:5-10). Tsapan’i Jehovah fa mendrika ny famelan-keloka ny fihetsik’izy ireo nampiseho fibebahana, koa nitsimbina azy ireo izy. “Tsy sitrak’i Jona indrindra [anefa] izany, ka nirehitra ny fahatezerany.” (Jona 4:⁠1). Nahagaga ny fihetsik’i Jona teo anoloan’ny famindram-pon’i Jehovah. Nahoana i Jona no tezitra tamin’i Jehovah? Toa nanjary niahy fatratra ny amin’ny fihetseham-pon’ny tenany manokana i Jona, ka nihevitra fa afa-baraka teo anatrehan’ny fiaraha-monina ny tenany. Tsy nankasitraka ny famindram-pon’i Jehovah izy. Tamin-katsaram-panahy, i Jehovah dia nanome an’i Jona fianarana avy tamin’ny fisehoan-javatra iray, izay nanampy azy hanova ny fihetsiny sy hahita ny hasarobidin’ny famindram-pon’Andriamanitra. (Jona 4:7-11). Mazava fa ny fihetsik’i Jona, fa tsy ny an’i Jehovah, no nila fanamboarana.

Moa ve isika indraindray mila manova toy izany koa ny fihetsitsika manoloana ny raharaha iray? Mananatra antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Inona no tiany holazaina? Amin’ny lafiny iray, dia mampirisika antsika mba hahalala ny antonony sy hitondra ny Kristianina hafa amim-panajana lalina sy amim-pahamendrehana izy. Voafaoka amin’izany ny fanekena fa manana ny tombontsoa hanao safidy malalaka ny olona tsirairay. Mampahatsiahy antsika toy izao koa i Paoly: “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” (Galatiana 6:⁠5). Noho izany, alohan’ny hisian’ny hantsana noho ny tsy fifanarahana, dia ho tena fahendrena mihitsy ny handinihana raha ilaina hahitsy ny fihetsiky ny tenantsika manokana na tsia! Tsy maintsy miezaka mafy isika mba hanome taratry ny fihevitr’i Jehovah sy hiaro ny fihavanana amin’ny hafa, izay tena tia an’Andriamanitra.​—Isaia 55:8, 9.

Izay ataontsika

Alao sary an-tsaina ny ankizy madinika roa miady kilalao iray, ka samy misintona mafimafy kokoa hatrany ny tsirairay mba hahazoana azy io. Mety harahin-teny feno fahatezerana ilay ady, mandra-pandefitry ny iray aminy, na mandra-pisalovan’olon-kafa, amin’ny farany.

Ny fitantarana ao amin’ny Genesisy dia milaza amintsika fa ren’i Abrahama ny fifandirana nisy teo amin’ny mpiandry ombiny sy ireo mpiandry ombin’ i Lota, zana-drahalahiny. Nanao ny dingana voalohany i Abrahama ka nanatona an’i Lota, ary nilaza hoe: “Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.” Tapa-kevitra i Abrahama ny tsy hamela fifandonana na inona na inona hanimba ny fifandraisany. Inona no tsy maintsy hafoiny? Vonona ny hanao sorona ny tombontsoany hifidy voalohany, tamin’ny naha zokiny azy, izy; vonona ny handefitra izy. Namela an’i Lota hifidy izay toerana niriny hitondrana ny ankohonany sy ny andiam-bibiny i Abrahama. Taorian’izay, dia nifidy ho an’ny tenany ny faritra maitso mavana tany Sodoma sy Gomora, i Lota. Nisaraka tamim-pihavanana i Abrahama sy i Lota.​—Genesisy 13:5-12.

Mba hihazonana fihavanana tsara amin’ny hafa, moa ve isika vonona ny hanao zavatra araka ny toe-tsain’i Abrahama? Io fitantarana ao amin’ny Baiboly io dia manome antsika modely tsara dia tsara hotahafina, rehefa mandamina tsy fifanarahana. Nitalaho toy izao i Abrahama: “Aoka re mba tsy hisy ady” amintsika. Ny fanirian’i Abrahama tamim-pahatsorana dia ny hahitana vahaolana amim-pihavanana. Azo antoka fa izany fanasana hihazona fihavanana tsara izany dia hanampy mba hanilihana izay tsy fahazoan-kevitra rehetra. Avy eo i Abrahama dia namarana ny teniny tamin’ny hoe “fa mpirahalahy isika”. Nahoana no atao sorona ny fifandraisana sarobidy toy izany, noho ny zavatra tian’ny tena manokana na noho ny avonavona? Nifantoka mazava tsara tamin’izay tena zava-dehibe i Abrahama. Nanao izany tamim-panajan-tena sy tamim-boninahitra izy, no sady nanaja ny fahamendrehan’ny zana-drahalahiny.

Na dia mipoitra aza ny toe-javatra izay mety hilana fisalovanana avy any ivelany mba handaminana ny tsy fifanarahana, dia tena tsara kokoa ny handaminana mitokana ny raharaha iray! I Jesosy dia mampirisika antsika hanao ny dingana voalohany mba hihavanana amin’ny rahalahintsika, ka hiala tsiny raha ilaina izany. * (Matio 5:23, 24). Hitaky fanetren-tena, na saina tsy manambony tena, izany, kanefa nanoratra toy izao i Petera: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’.” (1 Petera 5:⁠5). Misy akony mivantana eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fomba itondrantsika ny mpiara-manompo amintsika.​—1 Jaona 4:⁠20.

Ao anatin’ny kongregasiona kristianina, dia mety hasaina hampandefitra ny zontsika isika mba hihazonana ny fihavanana. Maro be amin’ireo izay mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny no nanjary tonga tao amin’ny fianakavian’ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra, tato anatin’ireo dimy taona farany. Fifaliana toy inona moa no entin’izany ho antsika! Ny fomba itondrantsika tena dia azo antoka fa misy fiantraikany eo amin’izy ireny sy ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Izany dia antony tsara hieritreretana amim-pitandremana ny fialam-boly, ny fanarian-dia, ny fanalana andro, na ny asa fidintsika, ka hieritreretana ny mety ho fomba fiheveran’ny hafa antsika. Mety hisy horaisina amin’ny fomba diso ve ny zavatra ataontsika na ny tenintsika, ka hiteraka fanafintohinana ho an’ny hafa?

Mampahatsiahy antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” (1 Korintiana 10:23, 24). Amin’ny maha Kristianina antsika, dia miahy amim-pahatsorana ny hampandroso ny fitiavana sy ny firaisan-tsain’ny fianakavian’ny mpirahalahy isika.​—Salamo 133:⁠1; Jaona 13:34, 35.

Teny manasitrana

Afaka ny hisy vokany mahery ho amin’ny tsara ny teny. “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” (Ohabolana 16:24). Mampiseho ny fahamarinan’io ohabolana io ny fitantarana ny amin’ny nisorohan’i Gideona ady tamin’ny Efraimita.

Tafiditra lalina tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny Midiana i Gideona, ka nitady fanampiana tany amin’ny fokon’i Efraima. Kanefa, rehefa vita ilay ady, dia niodina tamin’i Gideona ny Efraima ary nitaraina mafy hoe tsy niantso azy ireo, tany am-piandohan’ilay ady, izy. Milaza ilay fitantarana fa “nanome tsiny azy mafy ireo”. Hoy ny navalin’⁠i Gideona: “Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’i Abiezera? Teo an-tànanareo no nanoloran’Andriamanitra ny andrianan’ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ny nataonareo?” (Mpitsara 8:1-3). Tamin’ny alalan’ny teniny voafidy tsara sy natao tamim-pahatoniana, dia nisoroka izay nety ho ady ara-poko nahatsiravina i Gideona. Ireo tao amin’ny fokon’i Efraima dia nety ho nihevi-tena ho zavatra sy niavonavona. Kanefa, tsy nanakana an’i Gideona tsy hiezaka mba hanao raharaham-pihavanana izany. Afaka manao toy izany koa ve isika?

Mety hivonto noho ny fahatezerana ny fon’ny hafa, ka hiteraka fankahalana antsika izany. Ekeo ny fihetseham-pony, ary miezaha hahatakatra ny fomba fiheviny. Mety ho nisy zavatra avy tamintsika ve nahatonga ny fihetseham-pony? Raha izany no izy, nahoana raha miaiky fa anisan’ny nahatonga ilay zava-manahirana isika, ka milaza ny alahelontsika noho izany. Ny teny vitsivitsy voahevitra tsara dia mety hamerina indray ny fifandraisana simba. (Jakoba 3:⁠4). Mety hila fanomezan-toky amin-katsaram-panahy avy amintsika fotsiny ny olona sasany izay tezitra. Manamarika ny Baiboly fa “raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo”. (Ohabolana 26:20). Eny, ny teny voafidy amim-pitandremana sy atao amin’ny toe-tsaina mety dia afaka “mampianina ny fahatezerana mafy”, sy manasitrana.​—Ohabolana 15:⁠1.

Mampirisika toy izao ny apostoly Paoly: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (Romana 12:18). Marina fa tsy afaka mifehy ny fihetseham-pon’ny hafa isika, nefa afaka manao ny anjarantsika mba hisian’ny fihavanana. Tsy hanaiky hofehezin’ny fihetsiky ny tenantsika tsy lavorary, na ny an’ny hafa, isika, fa afaka manao zavatra kosa dieny izao, mba hampiharana foto-pitsipika ara-baiboly marim-pototra. Ny fandaminana ny tsy fifanarahana amin’ny fomba atoron’i Jehovah antsika dia hitondra fiadanana sy fahasambarana maharitra ho antsika.​—Isaia 48:⁠17

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Jereo ny lahatsoratra hoe “Mamelà Heloka Amin’ny Fonao” sy ny hoe “Mety ho Azonao ny Rahalahinao”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1999.

[Sary, pejy 24]

Moa ve isika misisika hanao zavatra amin’ny fomba tian’ny tenantsika manokana?

[Sary, pejy 25]

Namela ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fandeferana i Abrahama, mba handaminana tsy fifanarahana iray