Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho any Amin’ireo Nosin’i Pasifika mba Hiasa!

Ho any Amin’ireo Nosin’i Pasifika mba Hiasa!

Ho any Amin’ireo Nosin’i Pasifika mba Hiasa!

NARESAKA kokoa tsy toy ny mahazatra ny tao amin’ny toeram-piandrasan’ny mpandeha tao amin’ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenen’i Brisbane sy i Sydney, any Aostralia. Nisy olona 46 hanainga ho any Samoa, nosy tarafin’ny masoandro mibaliaka, mba hamonjy ny fotoana nifanaovany tamin’ny olon-kafa 39 avy any Nouvelle-Zélande sy Hawaii ary Etazonia. Tena tsy fahita mihitsy ny entan’izy ireo, satria fitaovam-piasana ny ankamaroany, toy ny marotoa, tsofa, ary milina fandoahana, fa tsy ireo zavatra fitondran’ny olona mahazatra rehefa ho any amin’ny nosy manintona iray any Pasifika. Tsy araka ny mahazatra koa anefa ny asa nanirahana azy ireo.

Ny tenan’izy ireo ihany no niantoka ny saran-dalany, ary mpiasa an-tsitrapo tsy karamaina izy ireo, andeha hiasa mandritra ny tapa-bolana tao amin’ny fandaharam-panorenana iray teo ambanin’ny fiandraiketan’ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika, ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Aostralia. Tohanana ara-bola amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ilay fandaharana, izay mahafaoka fanorenana Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, tranona misionera, sy tranon’ny sampana na biraon’ny fandikan-teny, ho an’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah mitombo isa haingana any amin’ireo nosin’i Pasifika. Andeha isika hifankahalala amin’ny mpiasa sasany, izay efa tao amin’ny ekipan’ny fanorenana Efitrano Fanjakana tany amin’ny taniny.

Avy any Cowra, any Nouvelle-Galles du Sud, any Aostralia, i Max, ary mpametaka tafo no asany. Manambady izy ary manan-janaka dimy. Avy any Hawaii kosa i Arnold. Manan-janaka roa lahy izy sy ny vadiny, ary mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, koa i Arnold. Loholona ao amin’ny kongregasionany izy, sahala amin’i Max. Miharihary fa tsy hoe nanam-potoana malalaka akory ireo lehilahy ireo​—sy ny ankamaroan’izy rehetra tao amin’ilay fandaharana​—matoa nanolo-tena an-tsitrapo. Nahatsapa kosa ny tenany sy ny mpianakaviny fa nilaina ny fanampiana, ary naniry hanao izay azony natao tamin’izany izy ireo.

Manampy amin’izay tena ilana fanampiana ireo mpiasa samy hafa firenena

Toerana iray nilana ny fahaizan’izy ireo sy ny fanampiany i Tuvalu, firenena iray misy mponina 10 500 eo ho eo any Pasifika. Nosinakorandriaka sivy mitokana, any akaikin’ny ekoatera ary eo avaratrandrefan’i Samoa, i Tuvalu. Mirefy roa kilaometatra sy sasany toradroa eo ho eo, amin’ny antsalany, ny velaran’ny nosy, na nosinakorandriaka, tsirairay. Nila Efitrano Fanjakana vaovao iray sy biraon’ny fandikan-teny lehibe kokoa maika ireo Vavolombelona 61 tany, tamin’ny taona 1994.

Any amin’io faritr’i Pasifika tropikaly io, ny trano dia tsy maintsy atao eo amin’ny planina sy aorina mba hahatohitra tafio-drivotra sy sikilaonina mahery, izay mateti-piseho. Vitsy anefa ny fitaovam-panorenana tsara any amin’ireo nosy ireo. Inona àry no vahaolana? Natao tao anaty kaontenera ka nalefa sambo avy tany Aostralia ny fitaovana tsirairay​—tafo sy lohatrano ary koa fanaka sy ridao, zavatra fipetrahana ao an-kabine, sy fitaovana ifantsitsiran’ny rano fandroana, eny, hatramin’ny visy sy fantsika aza.

Talohan’ny nahatongavan’ireo fitaovana, dia nisy ekipa kely iray tonga mialoha teo amin’ilay toerana, ka nanomana azy io sy nametraka ny fototra. Avy eo dia tonga ireo mpiasa iraisam-pirenena mba hanangana sy handoko ireo trano ary hametraka ny fanaka tao anatiny.

Marihina kely eto fa nampahatezitra mafy ny mpitondra fivavahana iray teo an-toerana izany asa rehetra natao tao Tuvalu izany. Nambarany tao amin’ny radio fa nanangana “Tilikambon’i Babela”, hono, ny Vavolombelona! Inona anefa no tena zava-nisy? “Rehefa hitan’ireo olona nanorina ilay Tilikambon’i Babela voalazan’ny Baiboly, fa tsy afaka nifankahazo resaka intsony izy ireo, satria nataon’Andriamanitra nisafotofoto ny fiteniny, dia voatery nandao ilay tetik’asa izy ireo, ka namela ilay tilikambo tsy vita”, hoy ny fanamarihan’i Graeme, izay mpiasa an-tsitrapo koa. (Genesisy 11:1-9). “Tena mifanohitra amin’izany no mitranga rehefa miasa ho an’i Jehovah Andriamanitra. Na dia eo aza ny tsy fitovian’ny fiteny sy ny kolontsaina, dia vita foana ireo tetik’asa.” Ary toy izany koa ity iray ity, izay vita tao anatin’ny tapa-bolana monja. Eny tokoa, olona 163, anisan’izany ny vadin’ny praiminisitra, no nanatrika ilay lanonana fitokanana.

Hoy i Doug, mpiandraikitra ilay tetik’asa, rehefa nieritreritra ny amin’ilay zava-nitranga: “Nahafaly ny niara-niasa tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo avy tany amin’ny firenen-kafa. Nanana fomba fanaovan-javatra samy hafa, voambolana samy hafa, eny, fomba fandrefy samy hafa mihitsy aza izahay, kanefa tsy nisy niteraka olana ireo zavatra ireo, na iray aza.” Efa nandray anjara tamin’ny tetik’asa maromaro toy izany izy izao, ka nanampy teny hoe: “Mbola manamafy ato an-tsaiko ihany izany fa, noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka manorina trano na aiza na aiza eto an-tany ny vahoakany, na dia mety hitokana na ho sarotra aleha toy inona aza ilay toerana. Marina fa manana olona maro manan-talenta isika, kanefa ny fanahin’i Jehovah no mahatonga izany ho azo atao.”

Ny fanahin’Andriamanitra koa dia manosika an’ireo fianakaviana Vavolombelona any amin’ireo nosy mba hanome sakafo sy filasiana, izay sorona lehibe tokoa ho an’ny sasany. Ary tena mankasitraka lalina izany ireo vahiny mahazo izany. Efa niasa tamin’ny tetik’asa iray toy izany tany Polinezia frantsay i Ken, avy ao Melbourne, any Aostralia. Hoy ny fanamarihany: “Tonga hanompo izahay, kanefa nentina toy ny mpanjaka.” Manampy amin’ilay asa fanorenana koa ireo Vavolombelona eo an-toerana, isaky ny azo atao izany. Tany amin’ireo Nosy Salomon, dia natao tanana ny fampifangaroana rihibato, ka vehivavy no nanao izany. Lehilahy sy vehivavy 100 no nianika tendrombohitra avo, izay mando lalandava, ka nampidina hazo maherin’ny 40 taonina. Nandray anjara koa ny tanora. Izao no nolazain’ny mpiasa iray avy any Nouvelle-Zélande: “Tsaroako ny rahalahy tanora iray tao amin’ilay nosy, nitondra simenitra roa na telo lasàka, isaky ny nandeha. Ary nandraoka vatokely tamin’ny lapelina nandritra ny andro izy, tao anatin’ny hafanana sy ny orana.”

Mitondra soa hafa ny famelana ny Vavolombelona eo an-toerana handray anjara amin’ilay asa. Hoy ny tatitra nataon’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Samoa: “Ireo rahalahy atỳ amin’ireo nosy dia nianatra fahaiza-miasa, izay azony ampiasaina amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ary koa amin’ny fanamboarana sy ny fanorenana indray izay simban’ny sikilaonina. Mety hanampy azy ireo koa izany mba hahitany fivelomana ao anatin’ny fiaraha-monina izay sarotra ny ahitan’ny maro izany.”

Manome fanambarana tsara dia tsara ilay fandaharam-panorenana

Tany Honiara i Colin, ary nahita ny nanorenana ny Efitrano Fivoriamben’ireo Nosy Salomon. Niaiky volana izy, ka nanoratra izao hafatra izao tamin’ny teny pidgin anglisy, ho an’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower eo an-toerana: “Tafaray ny rehetra, tsy misy sorisorena, ary toy ny fianakaviana iray ihany izy ireo.” Fotoana fohy taorian’izay, dia niverina nody tany amin’ny vohitra niaviany tao Aruligo, any amin’ny 40 kilaometatra, izy, ary nanorina ny Efitrano Fanjakanany izy sy ny mpianakaviny. Avy eo izy ireo dia nandefa hafatra hafa indray tany amin’ny biraon’ny sampana, nanao hoe: “Vonona ny Efitrano Fanjakananay, ary efa misy polipitra mihitsy aza, koa mahazo manao fivoriana ao ve izahay?” Nalamina tsy nisy hataka andro izany, ary olona maherin’ny 60 no manatrika fivoriana tsy tapaka.

Nahita ilay tetik’asa tao Tuvalu ny mpanolo-tsaina iray ao amin’ny Firaisambe Eoropeanina. “Inoako fa efa nilaza izao taminareo ny olona rehetra, kanefa amiko dia fahagagana tsotra izao ilay izy!”, hoy izy tamin’ny mpiasa iray. Nanontanian’ny vehivavy iray, mpiasa ao amin’ny foiben-telefaonina, toy izao ny mpiasa hafa iray mpitsidika: “Ahoana no mahatonga anareo rehetra ho falifaly be toy izao? Mafana be ange eto e!” Mbola tsy nahita ny fiasan’ny Kristianisma tamin’ny fomba mahasoa sy feno fahafoizan-tena toy izany mihitsy izy ireo.

Sorona tsy nanenenana

“Izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany”, hoy ny Baiboly ao amin’ny 2 Korintiana 9:⁠6. Manohy mamafy amim-pahalalahan-tanana ireo mpiasa sy ny mpianakaviny ary ny kongregasionany, eo amin’ny fanampiana ny Vavolombelona hafa any Pasifika. “Nanome maherin’ny ampahatelon’ny saran-dalako tamin’ny fiaramanidina ny kongregasionako”, hoy i Ross, loholona avy ao Kincumber, any akaikin’i Sydney, “ary nanome 500 dolara fanampiny ny zaodahiko, izay niaraka tamiko koa.” Nivarotra ny fiarakodiany ny mpiasa hafa iray mba handoavana ny saran-dalany. Ny hafa iray kosa nivarotra tany. Nila 900 dolara fanampiny i Kevin, koa nanapa-kevitra ny hivarotra ireo voromahailalany roa taona niisa 16 izy. Nahita mpividy iray, izay nanome azy 900 dolara katroka tsara, izy, tamin’ny alalan’ny olom-pantany iray!

“Mendrika ny natao ve ilay izy, na dia teo aza ny saran-dalana naloa sy ny karama nafoy, izay nitontaly 6 000 dolara teo ho eo?”, hoy ny fanontaniana napetraka tamin’i Danny sy i Cheryl. “Eny tokoa! Ary raha mbola avo roa heny noho izany vola izany aza no lany, dia ho mendrika ny natao foana ilay izy”, hoy ny navalin’izy ireo. Hoy ny teny nanampin’i Alan, avy any Nelson, any Nouvelle-Zélande: “Ilay vola laniko nandehanana tany Tuvalu, dia ho nahafahako nankany Eoropa, ary mbola nisy ambiny. Kanefa, raha izany, moa ve aho ho nahazo ireo fitahiana, na ho nahazo namana maro be samy hafa fiaviana, na ho nanao zavatra ho an’ny hafa fa tsy ho an’ny tenako? Tsia! Na izany aza, na inona na inona nomeko ho an’ireo rahalahintsika any amin’ireo nosy ireo, dia be lavitra noho izany no nasetriny ahy.”

Fanalahidy hafa iray nahatonga ilay fandaharana hahomby ny fanohanan’ny mpianakavy. Afaka niaraka tamin’ny vadiny ny vehivavy sasany, ary nanampy teo amin’ilay toeram-panorenana mihitsy aza. Ny hafa kosa anefa tsy maintsy nikarakara ny zanany mbola mianatra, na tsy maintsy nikarakara ny fandraharahan’ny fianakaviana. “Sorona lehibe lavitra noho ny nataoko ny fahavononan’ny vadiko hikarakara ireo zanakay sy ny tokantranonay, nandritra ny tsy naha teo ahy”, hoy i Clay. Niombon-kevitra taminy tamin’ny fony tokoa ireo lehilahy rehetra tsy afaka nitondra ny vadiny niaraka taminy!

Taorian’ny nahavitan’ilay tetik’asa tao Tuvalu, dia nanorina Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, tranona misionera, sy biraon’ny fandikan-teny tany Fidji, Tonga, Papouasie-Nouvelle-Guinée, Nouvelle-Calédonie, ary tany an-toeran-kafa, ireo mpiasa an-tsitrapo. Tetik’asa maro no mbola vao omanina, anisan’izany ny sasany hatao any Azia Atsimoatsinanana. Ho ampy ve ny mpiasa?

Toa tsy ho olana izany. “Nangatahin’izay rehetra teto ka nandray anjara tamin’ny tetik’asa fanorenana iraisam-pirenena ny mba hahatsiarovana azy ireo, rehefa misy tetik’asa hafa iray omanina”, hoy ny nosoratan’ny biraon’ny sampana any Hawaii. “Raha vantany vao tafaverina any aminy izy ireo, dia manomboka mitahiry vola ho amin’izany.” Nahoana àry no tsy hahomby ilay fandaharana raha fandavan-tena tsy misy fitiavan-tena toy izany no mbola ampian’ny fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah koa?

[Sary, pejy 9]

Fitaovana ho an’ilay tetik’asa

[Sary, pejy 9]

Mpiasa teo amin’ilay toeram-panorenana

[Sary, pejy 10]

Rehefa nifarana ireo tetik’asa, dia faly isika noho izay notontosain’ny fanahin’Andriamanitra