Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moa ve Ianao Kristianina efa “Olon-dehibe”?

Moa ve Ianao Kristianina efa “Olon-dehibe”?

Moa ve Ianao Kristianina efa “Olon-dehibe”?

“FONY mbola zazakely aho dia zatra ny niteny toy ny zazakely, nihevitra toy ny zazakely, nisaina toy ny zazakely”. Izany no nosoratan’ny apostoly Paoly. Marina fa efa zazakely tsy afaka niaro tena daholo isika rehetra. Kanefa, tsy nijanona toy izany foana akory isika. Hoy ny nomarihin’i Paoly: “Izao izaho tonga lehilahy lehibe izao, dia nariako ireo lafin-toetran’ny zazakely.”​—1 Korintiana 13:11NW.

Mitovy amin’izany koa fa zazakely ara-panahy no niandohan’ny Kristianina rehetra. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia afaka ny ho ‘tonga amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra ny rehetra, ka ho [olon-dehibe, NW], mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy’. (Efesiana 4:13). Ampirisihina toy izao isika ao amin’ny 1 Korintiana 14:20 (NW): “Ry rahalahy, aza manjary ankizy kely raha ny amin’ny herin’ny fahatakaran-javatra, fa aoka ho (⁠.⁠.⁠.⁠) olon-dehibe raha ny amin’ny herin’ny fahatakaran-javatra.”

Ny fisian’ny Kristianina matotra sy efa olon-dehibe dia fitahiana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao, indrindra satria maro be ireo vaovao. Mampiorina tsara ny kongregasiona ny Kristianina efa olon-dehibe. Mampisy fitaomana tsara eo amin’ny fironana na ny toe-tsaina mahazo vahana ao amin’izay kongregasiona misy azy, izy ireo.

Raha somary mandeha ho azy ny fitomboana ara-batana, dia arakaraka ny fandehan’ny fotoana sy ny fanaovana fiezahana ihany kosa vao hita ny fitomboana ara-panahy. Tsy mahagaga raha tsy ‘nandroso haingana ho amin’ny fahamatorana’ ny Kristianina sasany tamin’ny andron’i Paoly, na dia efa nanompo an’Andriamanitra nandritra ny taona maro aza. (Hebreo 5:12; 6:⁠1, NW). Ahoana ny aminao? Na efa nanompo an’Andriamanitra hatramin’ny taona maro ianao, na vao hatramin’ny fotoana somary fohy ihany, dia hety ny handinihanao tena amim-pahamarinana. (2 Korintiana 13:⁠5). Anisan’ireo izay tena azo antsoina hoe Kristianina matotra, na efa olon-dehibe, ve ianao? Raha tsia, ahoana no ahafahanao ho tonga amin’izany?

“Olon-dehibe raha ny amin’ny fahatakaran-javatra”

Ny zazakely ara-panahy dia mora “ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana”. Noho izany, dia nampirisika toy izao i Paoly: “Aoka isika, amin’ny fitiavana, hitombo amin’ny zavatra rehetra ho ao aminy, izay loha, dia i Kristy” (NW). (Efesiana 4:14, 15). Ahoana no ahafahan’ny olona iray manao izany? Hoy ny Hebreo 5:14 (NW): “Ny ventin-kanina dia ho an’ny olona matotra, dia ho an’ireo izay ampiofanina mba hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy​—amin’ny fampiasana azy​—ny fahaizany mandinika.”

Mariho fa ny fahaiza-mandiniky ny olona matotra dia ampiofanina amin’ny alalan’ny fampiasana azy, na ny fahazarana mampihatra ny foto-pitsipiky ny Baiboly. Miharihary àry fa tsy hanjary matotra tampoka eo ny olona iray; mitaky fotoana ny fitomboana ara-panahy. Na izany aza, dia afaka manao zavatra betsaka mba hanamorana ny fitomboanao ara-panahy ianao, amin’ny alalan’ny fianarana manokana​—indrindra fa ny fianarana ireo zavatra lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tato ho ato Ny Tilikambo Fiambenana dia niresaka foto-kevitra lalina maro. Tsy manalavitra ny lahatsoratra toy izany ny olona matotra, satria hoe mirakitra “zavatra saro-takarina” izy ireny. (2 Petera 3:16, NW). May ny handrapaka izany ventin-kanina izany kosa izy ireo!

Mpitory sy mpampianatra be zotom-po

Toy izao ny toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny asa fitoriana dia afaka mandrisika anao koa hitombo ara-panahy. Nahoana raha miezaka mafy handray anjara amin’ny fomba feno amin’izy io, araka izay amelan’ny tarehin-javatra misy anao?​—Matio 13:⁠23.

Indraindray dia sarotra ny mahita fotoana hitoriana, noho ny faneren’ny fiainana. Kanefa, raha ‘mikely aina amin-kery’ ianao, amin’ny maha mpitory anao, dia hampiseho amin’izany ny fanomezanao vidiny lehibe ny “vaovao tsara”. (Lioka 13:24, NW; Romana 1:16, NW). Amin’izay dia mety ho azo heverina ho “fianarana ho an’ny mino” ianao.​—1 Timoty 4:⁠12.

Mpihazona tsy fivadihana

Anisan’ny fitomboana ho amin’ny fahamatorana koa ny fanaovana ezaka mba hihazonana ny tsy fivadihana. Araka ny voarakitra ao amin’ny Salamo 26:⁠1, dia nanambara toy izao i Davida: “Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ny [tsy fivadihako, NW] aho”. Ny hoe tsy fivadihana dia fitondran-tena tsy azo tsinìna, na feno. Kanefa, tsy midika ho fahalavorariana akory izany. Nanao fahotana lehibe maromaro i Davida. Noho izy nanaiky fananarana sy nanitsy ny lalany anefa, dia nasehony fa mbola nisy fitiavana marina an’i Jehovah Andriamanitra ihany tao am-pony. (Salamo 26:2, 3, 6, 8, 11). Ny tsy fivadihana dia fifikirana manontolo na feno avy amin’ny fo. Hoy i Davida tamin’i Solomona, zanany lahy: ‘Fantaro Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra.’​—1 Tantara 28:⁠9.

Ny hoe mihazona tsy fivadihana dia hoe tsy “naman’izao tontolo izao”, ka mihataka amin’ny politikan’ireo firenena sy ny adiny. (Jaona 17:16). Tsy maintsy mitan-tena tsy hanao fanao maloto, toy ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady ary ny fidorohana zava-mahadomelina, koa ianao. (Galatiana 5:19-21). Midika ho mihoatra noho ny fanalavirana an’ireo zavatra ireo anefa ny hoe mihazona tsy fivadihana. Nampitandrina toy izao i Solomona: “Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany [no ataon’ny fahadalana kely amin’ny olona iray izay sarobidy, noho ny fahendrena sy ny voninahitra, NW].” (Mpitoriteny 10:⁠1). Eny, na dia ny “fahadalana kely”, toy ny vazivazy tsy mety na ny fijejojejoana amin’ny tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena, aza, dia afaka manimba ny lazan’ny olona iray izay “sarobidy, noho ny fahendrena”. (Joba 31:⁠1). Noho izany, dia asehoy ny fahamatoranao amin’ny fiezahana ho ohatra eo amin’ny fitondran-tenanao rehetra, ka hanalaviranao, na dia ny “fisehoan’ny faharatsiana” fotsiny aza.​—1 Tesaloniana 5:22, King James Version.

Olona tsy mivadika

Ny kristianina efa olon-dehibe koa dia tsy mivadika. Araka ny vakintsika ao amin’ny Efesiana 4:24 (NW), dia nampirisika toy izao ny apostoly Paoly: ‘Tafio ilay toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny tena fahamarinana sy ny tsy fivadihana marina.’ Ao amin’ny Soratra Grika, ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “tsy fivadihana” dia milaza fahamasinana sy fahitsiana ary fanajana ara-pivavahana. Ny olona iray tsy mivadika dia mpivavaka be sy tia fivavahana; miantsoroka amim-pitandremana ny adidiny rehetra amin’Andriamanitra izy.

Inona avy no fomba sasany izay azonao ambolena tsy fivadihana toy izany? Ho iray amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny loholona ao amin’ny kongregasionanao. (Hebreo 13:17). Amin’ny fanekena fa i Kristy no voatendry ho Lohan’ny kongregasiona kristianina, dia tsy mivadika amin’ireo izay voatendry ‘hiandry ny fiangonan’Andriamanitra’, ny Kristianina matotra. (Asan’ny Apostoly 20:28). Tena tsy hety mihitsy ny hihaikana na hanaovana tsinontsinona ny fahefan’ireo loholona voatendry! Tokony hahatsapa tsy fivadihana amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” sy ireo fitaovana ampiasainy mba hizarana “sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety” koa ianao. (Matio 24:45, NW). Aoka ianao ho mailaka hamaky sy hampihatra ny fanazavana hita ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny zavatra vita an-tsoratra namany.

Fanehoana fitiavana amin’ny fanaovanao zavatra

Hoy ny nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina tao Tesalonika: “Be ny fifankatiavanareo rehetra”. (2 Tesaloniana 1:⁠3). Lafin-javatra lehibe indrindra eo amin’ny fandrosoana ara-panahy ny fampitomboana fitiavana. Hoy i Jesosy, araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 13:35: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Tsy fahatsapana fihetseham-po fotsiny akory no mampiavaka izany fitiavan-drahalahy izany. Hoy ny nomarihin’ny Vine’s Expository Dictionary of Old and New Testament Words: “Avy amin’ny fanaovan-javatra aterany ihany no ahafantarana ny fitiavana.” Eny, mandroso ho amin’ny fahamatorana ianao amin’io lafiny io, amin’ny fanehoana fitiavana amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra!

Ohatra, toy izao no vakintsika ao amin’ny Romana 15:7: “Mifandraisa hianareo”. Ny fomba iray hampisehoana fitiavana dia amin’ny alalan’ny fiarahabana ny mpiray finoana aminao sy ireo vaovao, ao amin’ny fivorian’ny kongregasiona​—amim-pitiavana sy amin-kafanam-po! Ataovy izay hahafantarana azy ireny manokana. Manehoa “fiheverana manokana” ny hafa. (Filipiana 2:⁠4, NW). Angamba afaka mampiseho fahaiza-mandray vahiny sy manasa olona samihafa ho ao an-tranonao mihitsy ianao. (Asan’ny Apostoly 16:14, 15). Ny tsy fahalavorarian’ny hafa indraindray dia afaka ny hisedra ny halalin’ny fitiavanao, nefa rehefa mianatra ny ‘handefitra aminy amin’ny fitiavana’ ianao, dia hampiseho fa efa mihatonga olon-dehibe ny tenanao.​—Efesiana 4:⁠2.

Fampiasana ny harentsika mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina

Tamin’ny andro fahiny, dia tsy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra no nanatanteraka ny andraikiny hanohana ny tempolin’i Jehovah. Naniraka mpaminany, toa an’i Hagay sy i Malakia, àry Andriamanitra, mba handrisihana ny Vahoakany amin’⁠io lafiny io. (Hagay 1:2-6; Malakia 3:10). Ny Kristianina matotra amin’izao andro izao dia mampiasa amim-pifaliana ny fananany mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Tahafo ireny olona ireny, amin’ny fanarahana ilay foto-pitsipika ao amin’ny 1 Korintiana 16:1, 2, amin’ny ‘fanokanana [zavatra, NW]’ tsy tapaka, mba hanaovana fanomezana ho an’ny kongregasiona sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Mampanantena toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.”​—2 Korintiana 9:⁠6.

Aza odian-tsy hita ny harena hafa izay anananao, toy ny fotoananao sy ny tanjakao. Miezaha ‘maka fotoana’ avy amin’ny zavatra tsy dia lehibe loatra. (Efesiana 5:15, 16, NW; Filipiana 1:10). Mianara mampiasa tsara kokoa ny fotoananao. Ny fanaovana izany dia mety hahatonga anao ho afaka handray anjara amin’ny asa fikojakojana Efitrano Fanjakana sy ny asa hafa mitovy amin’izany, izay mampandroso ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ny fampiasana ny harenanao amin’izany fomba izany dia hanome porofo fanampiny fa efa mihatonga Kristianina olon-dehibe ianao.

Mandrosoa ho amin’ny fahamatorana!

Tena fitahiana lehibe ny lehilahy sy ny vehivavy izay mazoto mianatra sy manam-pahalalana, izay mpitory be zotom-po, izay tsy azo tsinìna eo amin’ny tsy fivadihany, izay mahatoky sy be fitiavana, ary ireo izay vonona hanome ny heriny sy ny fananany ara-nofo mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana. Tsy mahagaga àry raha nampirisika toy izao ny apostoly Paoly: “Satria efa nandao ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy isika, dia aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamatorana”!​—Hebreo 6:⁠1NW.

Kristianina efa olon-dehibe sy matotra ve ianao? Sa mbola toy ny zazakely ara-panahy ihany? (Hebreo 5:13). Amin’ireo toe-javatra roa ireo, dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny hilofo amin’ny fianarana manokana sy ny fitoriana ary ny fampisehoana fitiavana amin’ny rahalahinao. Raiso na inona na inona torohevitra sy fanitsiana atolotry ny olona matotra ho anao. (Ohabolana 8:33). Iantsorohy ny andraikitrao kristianina mavesatra. Noho ny fandehan’ny fotoana sy ny fanaovanao fiezahana, dia afaka ny ‘ho tonga amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra koa ianao, ka ho [olon-dehibe, NW], mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy’.​—Efesiana 4:⁠13.

[Teny notsongaina, pejy 27]

Mampiorina mafy ny kongregasiona ny Kristianina efa olon-dehibe. Manana fitaomana tsara eo amin’ny fironana ao, na ny fihetsika mahazo vahana ao, izy ireo

[Sary, pejy 29]

Manatsara ny toe-tsain’ny kongregasiona ny olona matotra, amin’ny fanehoany fiheverana ny hafa