Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hany Fomba Hamongorana ny Fankahalana

Ny Hany Fomba Hamongorana ny Fankahalana

Ny Hany Fomba Hamongorana ny Fankahalana

“Tsy misy fankahalana raha tsy misy tahotra. (⁠.⁠.⁠.⁠) Mankahala izay atahorantsika isika, ka izay misy ny fankahalana, dia amitsahan’ny tahotra koa.”​—CYRIL CONNOLLY, MPANAO TSIKERA HAISORATRA SADY MPAMPANONTA.

MIHEVITRA ny manam-pahaizana maro momba ny fiaraha-monina fa latsa-paka lalina ao an-tsain’olombelona ny fankahalana. “Mety ho zavatra mandeha ho azy aza ny ampahany betsaka amin’izy io”, izany hoe efa anisan’ny toetra maha izy ny olombelona, hoy ny mpahay siansa politika iray.

Tsy mahagaga raha tonga amin’izany fanatsoahan-kevitra izany ireo mpandinika ny toetra maha izy ny olombelona. Ny olona hany nanaovan’izy ireo fandinihana dia lehilahy sy vehivavy teraka “tamin’ny heloka” sy “tamin’ny fahotana”, araka ny firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly. (Salamo 51:⁠5). Nanombana ny olombelona tsy lavorary ny Mpamorona, an’arivony taona maro lasa izay, ka na izy aza dia ‘nahita fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro’.​—Genesisy 6:⁠5.

Ny fitsarana an-tendrony, ny fanavakavahana, sy ny fankahalana aterak’izany, dia vokatry ny tsy fahalavorariana sy fitiavan-tena raiki-tampisaka ao amin’ny olombelona. (Deoteronomia 32:⁠5). Mampalahelo fa tsy nisy fikambanana na fitondram-panjakan’olombelona, na inona na inona tetik’asany, afaka namoaka lalàna mba hanovana ny ao am-pon’ny olona, raha ny amin’ireo raharaha ireo. Nanao izao fanamarihana izao i Johanna McGeary, masoivohom-baovao iray any ivelany: “Tsy misy polisin’izao tontolo izao, na dia matanjaka toy inona aza, afaka miditra an-tsehatra mba hamongotra ny fankahalana izay nahatonga ra nandriaka tany Bosnia, Somalia, Liberia, Cachemire, sy Caucase.”

Alohan’ny hitadiavantsika vahaolana anefa, dia tsy maintsy takatsika amin’ny ambangovangony izay ao ambadik’ireo fomba isehoan’ny fankahalana.

Fankahalana ateraky ny tahotra

Misy lafiny sy endriny maro dia maro ny fankahalana. Namintina tsara ilay zava-manahirana toy izao ilay mpanoratra atao hoe Andrew Sullivan: “Misy fankahalana matahotra, ary fankahalana manamavo fotsiny; misy fankahalana enti-maneho hery, ary fankahalana avy amin’ny tsy fananan-kery; misy valifaty, ary misy fankahalana avy amin’ny fitsiriritana. (⁠.⁠.⁠.⁠) Misy ny fankahalan’ny mpampahory, sy ny fankahalan’ny ampahorina. Misy fankahalana miredareda miandalana ary fankahalana mihalefy. Ary misy fankahalana mipoaka, ary fankahalana izay tsy hirehitra na oviana na oviana.”

Tsy isalasalana fa ny sasany amin’ireo antony fototra miteraka fifandonana feno fankahalana amin’izao andro izao dia ara-tsosialy sy ara-toe-karena. Matetika no hita any amin’ireo faritra maha vitsy an’isa an’ireo olona manam-bola kokoa, ny fitsarana an-tendrony lalim-paka sy ny fanehoam-pankahalana mahery vaika. Afa-tsy izany koa, dia matetika no misy ny fankahalana, rehefa atahorana hampidina ny fari-piainan’ny ampahany iray amin’ny fiaraha-monina ny firohotry ny vahiny.

Mihevitra ny sasany fa ireny vahiny ireny dia hifaninana aminy eo amin’ny fitadiavana asa, hanaiky asa ambany karama kokoa, na hampihem-bidy ny tany sy ny trano eo aminy. Raharaha hafa indray ny hoe mitombina ve izany tahotra izany sa tsia. Anton-javatra mafonja mahatonga fitsarana an-tendrony sy fankahalana, ny tahotra ny ho voa mafy eo amin’ny lafiny ara-toe-karena, ary eo koa ny tahotra sao ho simba ireo fari-pitsipiky ny fiaraha-monina na ny fomba fiainany.

Inona no tokony ho ny dingana voalohany hitarika ho amin’ny famongorana ny fankahalana? Ny fiovan’ny toe-tsaina.

Fanovana toe-tsaina

“Tsy afaka ny hisy tena fiovana raha tsy avy amin’ny sitrapon’ny olona voakasika”, hoy ny nomarihin’i McGeary. Ary ahoana no azo anovana ny sitrapon’ny olona? Asehon’ny zavatra hita fa ny hery mitaona mahery indrindra sy mandrisika indrindra ary maharitra indrindra hoenti-miady amin’ny fitomboan’ny fankahalana dia avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Izany no izy, satria “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo”.​—Hebreo 4:⁠12.

Ekena fa tsy tonga ho azy na hisy rahampitso dia rahampitso, ny famongorana ny fitsarana an-tendrony sy ny fankahalana. Azo atao anefa izany. I Jesosy Kristy, ilay mpanosika lehibe ny fo sy mpanaitaitra ny feon’ny fieritreretana, dia afaka manosika ny olona hiova. An-tapitrisany maro no nahavita nanaraka ilay torohevitra feno fahendrena nomen’i Jesosy Kristy, manao hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo”.​—Matio 5:⁠44.

Nifanaraka tamin’ny zavatra nampianariny, dia nataon’i Jesosy ho isan’ireo namany nitokisany indrindra i Matio, mpamory hetra taloha, izay nailikilika sy nankahalaina teo amin’ny fiaraha-monina jiosy. (Matio 9:⁠9; 11:19). Ankoatra izany, dia nanorina fanompoam-pivavahana madio i Jesosy, ka amin’ny farany izy io, dia hisy Jentilisa an’arivony maro izay nailika sy nankahalaina teo aloha. (Galatiana 3:28). Nisy olona avy tamin’ny tontolo rehetra nisy tamin’izany àry tonga mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Nanjary fantatra noho ny fitiavany niavaka dia niavaka ireny olona ireny. (Jaona 13:35). Rehefa nitora-bato an’i Stefana, mpianatr’i Jesosy, ho faty, ireo lehilahy feno fankahalana, dia izao ny teniny farany: “Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao.” Naniry ny tsara indrindra ho an’ireo nankahala azy i Stefana.​—Asan’ny Apostoly 6:8-14; 7:54-60.

Ny Kristianina marina amin’ny andro maoderina dia nandray tsara toy izany koa ny torohevitr’i Jesosy mba hanao soa, tsy amin’ireo rahalahiny kristianina ihany, fa na amin’ireo mankahala azy koa aza. (Galatiana 6:10). Miezaka mafy izy ireo mba hanaisotra ny fankahalana feno hasomparana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Takatr’izy ireo fa misy hery matanjaka afaka miteraka fankahalana ao anatin’izy ireo, ka manao zavatra hentitra izy ireo ary manolo ny fankahalana amin’ny fitiavana. Eny tokoa, araka ny nolazain’ny lehilahy hendry fahiny iray, “ny fankahalana dia manetsika ady; fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra”.​—Ohabolana 10:12.

Nanambara toy izao ny apostoly Jaona: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.” (1 Jaona 3:15). Mino izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Vokatr’izany, dia tafaray ao anatin’ny fitambaran’olona iray tsy misy fankahalana intsony izy ireo ankehitriny, eny, tafaray ao anatin’ny tena fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany, na dia avy amin’ny firazanana sy ny kolontsaina sy ny fivavahana ary ny firehana politika rehetra aza izy ireo.​—Jereo ireo faritra voafefy miaraka amin’ity lahatsoratra ity.

Ho fongotra ny fankahalana!

Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Mety ho tsara ihany aloha izany ho an’ny olona voakasik’izany, saingy tsy hahafoana tanteraka ny fankahalana eto an-tany izany.’ Marina fa na dia tsy misy fankahalana aza ao am-ponao, dia mbola mety hiharan’izany ihany ianao. Koa tokony hitodika any amin’Andriamanitra àry isika mba hahitana ny tena vahaolana amin’io zava-manahirana maneran-tany io.

Fikasan’Andriamanitra ny hoe tsy ho ela dia hesorina amin’ny tany izay soritra rehetra sisa tavela amin’ny fankahalana. Hitranga izany, eo ambanin’ny fanapahan’ilay fitondram-panjakana any an-danitra izay nampianarin’i Jesosy antsika mba hangatahana amin’ny vavaka, manao hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”​—Matio 6:9, 10.

Tsy hisy intsony ireo toe-piainana miteraka fankahalana, rehefa ho voavaly amin’ny fomba feno io vavaka io. Ho efa fongotra ireo toe-javatra izay manararaotra ny fankahalana. Ho nosoloana fahazavana ara-panahy sy fahamarinana ary fahitsiana ny fampielezan-kevitra hanimbana ny hafa, ny tsy fahalalana ary ny fitsarana an-tendrony. Amin’izay tokoa dia “hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra (⁠.⁠.⁠.⁠), tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”.​—Apokalypsy 21:1-4.

Mbola misy vaovao tsara lavitra ity! Misy porofo tsy azo lavina fa miaina amin’ny “andro farany” isika. Noho izany, dia afaka matoky isika fa tena tsy ho ela intsony dia ho hitantsika fa hanjavona amin’ity tany ity ny fankahalana feno haratsiam-panahy. (2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:3-14). Ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, dia hisy tena toe-tsaim-pirahalahiana, satria efa ho naverina ho amin’ny fahalavorariana ny olombelona.​—Lioka 23:43, NW; 2 Petera 3:⁠13.

Tsy voatery hiandry mandra-pahatongan’izany anefa ianao vao hiaina ao anatin’ny tena firahalahiana. Raha ny marina, araka ny ohatra hita ao amin’ireo fitantarana miaraka amin’ity lahatsoratra ity, dia efa naka toerana tao am-pon’ny olona an-tapitrisany maro ny fitiavana kristianina​—fo izay nety ho feno fankahalana raha tsy izany. Asaina koa ianao mba ho anisan’izany fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana izany!

[Efajoro, pejy 5]

“Inona no ho Nataon’i Jesosy?”

Tamin’ny Jona 1998, dia nanafika an’i James Byrd, zanany, lehilahy mainty hoditra, ny lehilahy fotsy hoditra telo tany ambanivohitr’i Texas, any Etazonia. Nentin’izy ireo tany amin’ny faritra nitokana sy tsy nisy olona izy, nodarohan’izy ireo, sy nofatorany rojo vy ny tongony. Avy eo, dia nafatotr’izy ireo tamin’ny kamiaonety iray izy, ary notaritaritin’izy ireo nanaraka lalana dimy kilaometatra hatrany amin’ny arabe, mandra-pidonan’ny vatany tamin’ny fantsona iray. Nolazaina fa iny no heloka bevava nampiseho fankahalana nampihoron-koditra indrindra tato anatin’ny folo taona (ireo taona 1990).

Vavolombelon’i Jehovah ny telo tamin’ireo anabavin’i James Byrd. Manao ahoana ny fihetseham-pon’izy ireo manoloana ireo nahavita izany heloka bevava mahatsiravina izany? Izao no nambaran’izy ireo, tao amin’ny fanambarana iombonana iray: “Niteraka fahabangana sy fangirifiriana tsy hay lazaina, ny fananana havan-tiana nampijalijalina sy novonoina ho faty, noho ny tombotomboka fotsiny. Ahoana no ho fihetsiky ny tena manoloana zavatra mampiseho habibiana toy izany? Tsy tonga tao an-tsainay na oviana na oviana ny hanao valifaty, na teny feno fankahalana, na fampielezan-kevitra feno fankahalana. Nieritreritra izahay hoe: ‘Inona no ho nataon’i Jesosy? Ho nanao ahoana ny fihetsiny?’ Mazava loatra ny valiny. Hafatra mitory fihavanana sy fanantenana no ho hafatra nentiny.”

Anisan’ireo andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina nanampy azy ireo hisakana ny fankahalana tsy hisy ao am-pony ny Romana 12:17-19. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. (⁠.⁠.⁠.⁠) Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah’.”

Hoy ny teny nanampin’izy ireo: “Tsaroanay ireo teny mifanaraka amin’ny zava-misy, voalaza ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra ampiasaintsika, izay milaza fa mahatsiravina loatra ny tsy rariny sy ny heloka bevava sasany, hany ka ho sarotra ny hiteny hoe: ‘Mamela anao aho’, ary dia lasa fotsiny. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny famelan-keloka dia mety hoe tsy manao an-dolompo fotsiny, amin’izay ny tena dia afaka miaina ara-dalàna ihany, fa tsy hanjary harary ara-batana na ara-tsaina noho ny fanaovana an-dolompo.” Izany ka porofo mampiaiky ny amin’ny fahafahan’ny Baiboly misoroka ny fankahalana lalina tsy hiorim-paka!

[Efajoro, pejy 6]

Fankahalana Nanjary Fisakaizana

Mpiavy an’arivony maro no nirohotra nankany Gresy mba hitady asa tato anatin’ireo taona faramparany. Nampihena ny fahafahana hahita asa anefa ny fiharatsian’ny toe-karena, ka izany dia vao mainka nampitombo ny ezaka atao hahitana asa. Vokatr’izany, dia misy fifankahalana mafy eo amin’ireo firazanana samy hafa. Ny ohatra iray mampiseho tsara izany dia ny fifandrafiana eo amin’ireo mpiavy avy any Albania sy ireo avy any Boligaria. Nisy fifaninanana be teo amin’ireo antokon’olona roa ireo, tany amin’ny faritra maro any Gresy.

Any amin’ny tanànan’i Kiato, any avaratratsinanan’i Péloponnèse, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviana iray avy any Boligaria sy ny lehilahy albaney iray, ka nanjary nifankahalala. Nampisinda ilay fifankahalana misy eo amin’ny olona maro avy amin’ireo firazanana roa ireo, ny fampiharana ny foto-pitsipika ara-baiboly. Anisan’ny nampisy tena fisakaizan’ny mpirahalahy teo amin’ireo olona ireo koa izany. Nanampy an’i Loulis, izay Albaney, mba hahita trano eo akaikin’ny azy mihitsy aza i Ivan, izay avy any Boligaria. Matetika no mifampizara ny sakafony sy ny fananana keliny ireo fianakaviana roa ireo. Samy efa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ankehitriny ireo lehilahy roa ireo, ary miara-miasa akaiky eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Mazava ho azy fa tsikaritry ny mpiara-monina izany fisakaizana kristianina izany.

[Sary, pejy 7]

Hesorina eto an-tany izay soritra rehetra sisa tavela amin’ny fankahalana, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra