Antomotra ‘ny Andro Famerenana Amin’ny Laoniny’!
Antomotra ‘ny Andro Famerenana Amin’ny Laoniny’!
Nanontany an’i Jesosy toy izao ny sasany tamin’ireo mpianany nahatoky, taloha kelin’ny niakarany ho any an-danitra: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” Nanondro tsy nivantana ny valin-tenin’i Jesosy fa hisy fotoana haharitraritra, alohan’ny hahatongavan’ilay Fanjakana. Hanana asa lehibe hatao ireo mpanara-dia azy, mandritra io fotoana io. Tsy maintsy ho vavolombelon’i Jesosy “any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany”, izy ireo.—Asan’ny Apostoly 1:6-8.
TSY azo novitaina tao anatin’ny andro na ny herinandro na ny volana vitsivitsy izany asa nanendrena izany. Tsy nisalasala kely akory anefa ireo mpianatra, nanomboka nitory avy hatrany. Tsy nanary mihitsy ny fahalianany mahakasika ilay foto-kevitra momba ny famerenana amin’ny laoniny anefa izy ireo. Izao no nolazain’ny apostoly Petera, rehefa nanambara azy io tamin’ireo vahoaka betsaka tafavory tao Jerosalema izy: “Mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro [famerenana ny zavatra rehetra amin’ny laoniny, NW] izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra.” — Asan’ny Apostoly 3:19-21, izahay no manao sora-mandry.
Hitondra “andro famelombelomana”, avy amin’i Jehovah, ireo “andro famerenana amin’ny laoniny” ireo. Ambaratonga roa no hahatongavan’io famerenana amin’ny laoniny, nambara mialoha, io. Voalohany, dia haverina amin’ny laoniny ny famelombelomana ara-panahy, ary efa mizotra izany amin’izao fotoana izao. Faharoa, dia hanaraka azy io ny fanorenana paradisa iray ara-bakiteny eto an-tany.
Manomboka ny fotoana famerenana amin’ny laoniny
Araka ny nohazavain’ny apostoly Petera tamin’ilay vahoaka tao Jerosalema, ny lanitra dia ‘handray an’i Jesosy’. Izany tokoa no nitranga mandra-pahatongan’ny 1914, fotoana izay nandraisan’i Jesosy ny fahefan’ny mpanjaka, ka nanombohany nanapaka tamin’ny naha Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra azy. Nanambara mialoha i Petera, tamin’izany fotoana izany, fa i Jehovah dia ‘haniraka’ ny Zanany, amin’ny heviny hoe Izy dia hamela an’i Jesosy, izay mitana ny anjara toerana lehibe indrindra ao amin’ny fikasan’Andriamanitra, hanatanteraka ny anjara asany. Lazalazain’ny Baiboly amin’ny teny ara-panoharana toy izao io fisehoan-javatra io: “Ary niteraka zazalahy [ny Fanjakan’Andriamanitra eo an-tanan’i Jesosy Kristy] izy [ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra], izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by”.—Apokalypsy 12:5.
Tsy nieritreritra ny hanaiky ny fanapahan’i Kristy anefa ireo firenena. Izy ireo kosa dia tezitra mafy tamin’ny olom-peheziny tsy mivadika eto an-tany, izay ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao fotoana izao. Tsy nisy hafa tamin’ireo namany tamin’ny andron’ny apostoly, ny Vavolombelona dia nanao “ny asa fanambarana an’i Jesosy” tsy tamim-pisalasalana. (Apokalypsy 12:17, NW). Nirongatra tany amin’ny tany samihafa ny fanoherana ny asa nataon’ireo Kristianina tso-po ireo. Nakarina fitsarana noho ny fiampangana diso, ary nosazina tsy ara-drariny haiditra am-ponja mandritra ny fotoana lava be, ireo tompon’andraikitra tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower ao Brooklyn, any New York, tamin’ny 1918. Nisy fotoana nahatsapana fa toa tsy ho tontosa “hatramin’ny faran’ny tany” ilay asa fanambarana amin’ny andro ankehitriny.—Apokalypsy 11:7-10.
Tamin’ny 1919 anefa, dia novotsorana ireo tompon’andraikitry ny foibe, izay notanana am-ponja, ary nafahana madiodio tamin’ny fiampangana lainga natao taminy izy ireo, taorian’izay. Nanohy avy hatrany ny asa famerenana amin’ny laoniny, teo amin’ny lafiny ara-panahy, izy ireo. Nanomboka teo, ny vahoakan’i Jehovah dia nahita fanambinana ara-panahy mbola tsy nisy toy izany.
Natomboka ny ezaka manokana lehibe mba hampianarana ny olona amin’ny firenena rehetra, hitandremany ny zavatra nandidian’i Kristy hataon’ny mpanara-dia azy. (Matio 28:20). Mamelombelona erỳ ny mahita olona, izay nampiseho toetra toy ny an’ny biby taloha, nanova ny fomba fiheviny! Nesorin’izy ireo ny toetra taloha, izay namokatra lafin-toetra toy ny “fahatezerana” sy ny “fitenenan-dratsy” ary ny “teny mahamenatra”, ary notafiny kosa ny toetra vaovao “izay nohavaozina, tamin’ny alalan’ny fahalalana araka ny marina, araka ny endrik’Ilay [Andriamanitra] nahary azy”. Na dia ankehitriny aza, dia tanteraka amin’ny heviny ara-panahy ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Ny amboadia [olona nampiseho toetra toy ny an’ny amboadia taloha] hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry [olona malemy fanahy]; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana.”—Kolosiana 3:8-10, NW; Isaia 11:6, 9.
Antomotra ny famerenana amin’ny laoniny fanampiny!
Ho fanampin’ilay famerenana tamin’ny laoniny nahatonga ny paradisa ara-panahy amin’izao andro izao, dia manatona haingana be ny fotoana hahatongavan’ny planetantsika ho paradisa iray ara-bakiteny. Paradisa ny tapany kely tamin’ny tany, fony i Jehovah nametraka ireo razambentsika, i Adama sy i Eva, tao amin’ny zaridainan’i Edena. (Genesisy 1:29-31). Izany no antony ahafahantsika miresaka Paradisa ho voaorina indray. Alohan’ny hitrangan’izany anefa, dia tsy maintsy esorina eto an-tany ny fivavahan-diso, izay manala baraka an’Andriamanitra. Ireo ankolafiny ara-politikan’ity tontolo ity no hanatanteraka izany. (Apokalypsy 17:15-18). Avy eo, dia horinganina ny ankolafiny ara-politika sy ara-barotra, miaraka amin’ireo mpomba azy. Ho famaranana, ny farany amin’ireo mpanohitra an’Andriamanitra—i Satana Devoly sy ireo demoniany—dia haetry mandritra ny arivo taona—ny faharetan’ilay tetik’asa famerenana amin’ny laoniny. Mandritra izany fotoana izany, dia ho ‘ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay hifaly sy hamony tahaka ny lilia’. (Isaia 35:1). Handry feizay ny tany rehetra. (Isaia 14:7). Haverina amin’ny fiainana eto an-tany indray na dia ireo olona an-tapitrisany maro efa maty aza. Handray ireo soa avy amin’ny famerenana amin’ny laoniny, entin’ny sorom-panavotana, ny rehetra. (Apokalypsy 20:12-15; 22:1, 2). Tsy hisy olona jamba na marenina na mandringa intsony eto an-tany. “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24). Fotoana fohy aorian’ny hifaranan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia havoaka mandritra ny fe-potoana fohy ny Devoly sy ireo demoniany, ka hahita fa tanteraka tokoa ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. Haringana mandrakizay izy ireo, amin’ny farany.—Apokalypsy 20:1-3.
Rehefa hahatratra ny faran’ny arivo taonan’ny famerenana amin’ny laoniny ny tany, dia hidera an’i Jehovah ny “zavatra miaina rehetra”. Ary hanao izany mandrakizay mandrakizay izy ireo. (Salamo 150:6, NW). Ho anisan’izy ireo ve ianao? Afaka ny ho izany ianao.