Mamaly Soa Foana An’ireo Tsy Mivadika Aminy i Jehovah
Tantaram-piainana
Mamaly Soa Foana An’ireo Tsy Mivadika Aminy i Jehovah
NOTANTARAIN’I VERNON DUNCOMBE
Rehefa avy nisakafo hariva aho, dia nandrehitra sigara, toy ny nahazatra. Avy eo, dia nanontany an’i Aileen vadiko aho hoe: “Nanao ahoana ny fivoriana androany alina?”
NIATO kely izy ary nilaza hoe: “Nisy taratasy novakina, nampahafantarana fanendrena vaovao, ary voatonona tao ny anaranao. Voatendry ho mpikarakara ny fanamafisam-peo ianao. Nilaza ny fehezanteny farany tao amin’ilay taratasy hoe: ‘Raha misy mpifoka sigara amin’ireo rahalahy vao notendrena ireo, dia tsy maintsy manoratra atỳ amin’ny Fikambanana izy, hilazany fa tsy afaka ny hanaiky ilay fanendrena izy.’” * Notaritiko lava be ny valin-teniko feno fahatapahan-kevitra hoe: “Hay-y-y! Izay izany no nolazainy.”
Tapa-kevitra aho, ary namono ilay sigara tao anatin’ilay fasiana tain-tsigara teo akaikiko. “Tsy fantatro ny antony nifidianana ahy ho amin’io fanendrena io. Kanefa mbola tsy nanda fanendrena mihitsy aho hatramin’izao, ary tsy mikasa ny hanomboka hanao izany.” Nanapa-kevitra aho fa tsy hifoka sigara intsony. Nisy vokany lalina teo amin’ny fiainako iny fanapahan-kevitra iny, tamin’ny naha Kristianina sady mpitendry mozika ahy. Andeha hotantaraiko aminareo ny fisehoan-javatra sasany nahatonga ahy handray io fanapahan-kevitro io.
Fiainam-pianakaviana tany am-boalohany
Teraka tany Toronto, any Kanada, tamin’ny 21 Septambra 1914, aho, ary lahimatoan’i Vernon sy i Lila, ray aman-dreny be fitiavana sy niasa mafy, izay namelona zanakalahy efatra sy zanakavavy roa. Nanarakaraka ahy i Yorke, avy eo dia i Orlando, i Douglas, i Aileen ary i Coral. Fony sivy taona monja aho, dia nomen’i Neny lokanga iray, ary nalefany hianatra mozika tany amin’ny Sekoly Fianarana Mozika Harris. Tsy mora ny nahazo vola, kanefa nahita fomba nandoavana ny saran’ny aotobisy sy ny fianarana i Dada sy i Neny. Nianatra momba ny mozika sy ny fandrindrana aho tatỳ aoriana, tao amin’ny
Conservatoire Royal de la Musique, eto Toronto, ary fony aho 12 taona, dia nandray anjara tamin’ny fifaninanana fitendrena mozika natao ho an’ny tanàna manontolo, tao amin’ny Massey Hall, ilay toerana fihainoana mozika fanta-dazan’i Toronto. Nandresy aho ary notolorana lokanga tsara tarehy iray tao anaty vata vita tamin’ny hodi-boay.Tatỳ aoriana, dia nianatra nitendry piano sy lokanga lehibe koa aho. Matetika ny sasany taminay no nitendry mozika ho an’ny fety kely natao ny zoma sy ny asabotsy hariva ary tany amin’ny lanonam-pandihizana nataon’ny fikambanan’ny mpianatra. Tamin’ny iray tamin’ireny lanonanam-pandihizana ireny no nahitako voalohany an’i Aileen. Nitendry mozika niaraka tamin’ny orkesitra maromaro eran’ny tanàna aho, nandritra ny taona farany nianarako tany amin’ny lise. Nasaina ho anisan’ny Orkesitra Ferde Mowry aho, taorian’ny nahazoako diplaoma, ary asa tsara karama sady azo antoka ilay izy, hatramin’ny 1943.
Fianarana momba an’i Jehovah
Nampahafantarina voalohany ny fahamarinana ara-baiboly ny ray aman-dreniko, taloha kelin’ny nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany, fony i Dada mpandravaka ny anoloan’ny toeram-pivarotana lehibe iray tao afovoan-tanànan’i Toronto. Nihaino ny resaky ny mpiasa roa hafa, izay Mpianatra ny Baiboly (araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany) izy, tao amin’ny efitrano fisakafoana, ary avy eo dia nizara izay zavatra reny tamin’i Neny, rehefa nody ny hariva. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1927, dia nanao fivoriambe lehibe iray tany Toronto, tao amin’ny Coliseum, teo amin’ny tokotanin’ny Trano Fampirantiana Nasionalin’i Kanada, ny Mpianatra ny Baiboly. Nisy olona 25 avy tany Ohio, Etazonia, nilasy tao an-tranonay, izay trano vitsivitsy niala avy teo amin’ny vavahady andrefan’ilay toerana.
Nanomboka nitsidika matetika an’i Neny ny Mpianatra ny Baiboly iray natao hoe Ada Bletsoe taorian’izay, ary nametraka taminy ny zavatra vita an-tsoratra farany. Hoy izy indray andro: “Efa elaela ihany izay nametrahako zavatra vita an-tsoratra taminao izay, Rtoa Duncombe. Efa mba namaky ny iray tamin’izy ireny ve ianao?” Na dia nitaiza zanaka enina aza i Neny, dia nanapa-kevitra ny hamaky ireo gazety, nanomboka tamin’izay, ary tsy nitsahatra nanao izany mihitsy izy. Tsy niraharaha firy ireny zavatra vita an-tsoratra ireny anefa aho. Niezaka mafy mba hahazo ny diplaoma tany an-tsekoly aho, ary tafiditra lalina tao amin’ny mozika.
Nivady izahay sy i Aileen tamin’ny Jona 1935, tao amin’ny Fiangonana Anglikanina iray. Hatramin’ny nandaozako ny Fiangonana Mitambatra, fony aho 13 taona, dia tsy nanana fivavahana hafa aho; nosoratako tao amin’ny bokim-pianakaviana àry fa Vavolombelon’i Jehovah aho, na dia mbola tsy Vavolombelona aza aho.
Nanantena ny hiteraka izahay tany aoriana tany, ary naniry ny ho ray aman-dreny tsara. Noho izany, dia nanomboka niara-namaky ny Testamenta Vaovao izahay. Na tsara aza ny fikasanay, dia voasakantsakan’ny zavatra hafa. Nanandrana indray izahay tatỳ aoriana kely, ary dia nitovy ihany ny vokany. Avy eo, dia nahazo boky nofonosina ho fanomezana iray nitondra ny lohateny hoe La Harpe de Dieu izahay, tamin’ny Krismasy 1935. Hoy ny vadiko: “Oay, mba hafahafa koa izany fanomezana ho an’ny Krismasy nalefan’ny reninao ho antsika izany.” Na izany aza, rehefa lasa niasa aho, dia nanomboka namaky azy io izy, ary tiany ilay zavatra novakiny. Tsy nahafantatra ny amin’izany mihitsy aho nandritra ny fotoana elaela. Raha ny amin’ny fanirianay hanana zanaka, dia tsy tanteraka izany. Maty mbola zazakely ny zanakay vavy, izay teraka tamin’ny 1 Febroary 1937. Nalahelo mafy tokoa izahay!
Nazoto nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ny fianakaviako, nandritra izany fotoana izany, ary reko fa i Dada irery ihany no mpitory ilay Fanjakana tao amin’ny fianakaviana izay mbola tsy nahapetraka famandrihana tamin’ny gazety Consolation (Mifohaza! ankehitriny). Io no tanjona teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha tamin’io volana io. Na dia mbola tsy namaky zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana aza aho, dia nalahelo azy ary nilaza hoe: “Eny àry, Dada a, anaovy famandrihana iray aho; amin’izay dia hitovy amin’ ny hafa ianao.” Tonga ny vanin-taona mafana, ary nandao ny tanàna ilay orkesitra, mba hitendry mozika tany amin’ny toerana fialan-tsasatra iray. Nanaraka anay tany, tamin’ny alalan’ny paositra, ny gazety Consolation. Tonga ny fararano, ary niverina teto Toronto ilay orkesitra. Tonga tsy tapaka tany amin’ny adiresinay vaovao ireo gazety, nefa mbola tsy nisy navoakako avy tao anaty fonony na dia ny iray taminy aza.
Nijery ilay antontan-gazety aho, nandritra ny fiatoana tamin’ny Krismasy indray mandeha, ary nanatsoaka hevitra fa, raha nandoavako vola ireo, dia tokony mba hamaky ny sasany taminy aho, fara fahakeliny, mba hahitana izay noraketiny. Nanaitra ahy ilay voalohany nosokafako. Fanalana sarona ny teti-dratsy ara-politika sy ny fandraisana kolikoly tamin’izany andro izany ilay izy. Nanomboka niresaka Matio 24:45, NW.
momba izay novakiko tamin’ny mpiara-mitendry mozika tamiko aho. Tsy nanaiky ny fahamarinan’izay nolazaiko anefa izy ireo, ka tsy maintsy nanohy namaky aho mba hiarovako tena. Tsy tandrintandriko akory, dia nanomboka nanao fanambarana momba an’i Jehovah aho. Ary tsy nitsahatra namaky ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly mahatalanjon’ny “mpanompo mahatoky sy malina” intsony aho, hatramin’io fotoana io.—Sahirana noho ny asa aho nandritra ny herinandro, nefa tsy ela aho dia nanatrika ireo fivoriana natao ny alahady, niaraka tamin’i Aileen. Indray alahady, tamin’ny 1938, rehefa tonga hanatrika fivoriana izahay, dia nisy anabavy zokiolona roa niarahaba anay, ary hoy ny iray taminy: “Ry tovolahy a, mba efa niandany tamin’i Jehovah moa ianao io? Indray mandingana sisa anie, dia ho tonga i Haramagedona e!” Fantatro fa i Jehovah no ilay hany Andriamanitra marina, ary niaiky aho fa ny fandaminany ity. Naniry ny ho anisan’izy io aho, ka natao batisa tamin’ny 15 Oktobra 1938. Natao batisa tokony ho enim-bolana tatỳ aoriana i Aileen. Faly aho milaza fa tonga mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena daholo ny mpianakaviko rehetra.
Endrey izany fahafinaretana tsapako, niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah! Tsy ela dia nahatsiaro ho niadana aho teo anivon’ izy ireo. May ta hahafantatra izay nitranga tany am-pivoriana foana aho, rehefa tsy afaka nanatrika. Fiolahana lehibe teo amin’ny fanompoako an’i Jehovah ilay takariva voalaza tetsy am-piandohana.
Fotoam-piovana lehibe iray ho anay
Nisy fanitsiana lehibe hafa iray ho anay tamin’ny 1 May 1943. Nanatrika ny fivoriambenay lehibe voalohany izahay, tamin’ny Septambra 1942, dia ilay Fivoriambe Teokratikan’ny Tontolo Vaovao, natao tao Cleveland, any Ohio. Tamin’izay, tao anatin’ny ady lehibe nahatsiravina iray, izay toa tsy nahitam-piafarana, izahay dia nahare ny Rahalahy Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, nanao tamin-kerim-po ilay lahateny faran’izay nahaliana hoe: “Ny Fandriampahalemana—Haharitra Ve?” Tadidinay tsara ny fomba nampisehoany, avy tao amin’ny Apokalypsy toko faha-17, fa hisy fotoam-piadanana aorian’ny ady, izay hanatontosana asa fitoriana lehibe.
Ny tena nisy vokany indrindra teo aminay, dia ny lahateny talohan’izay nataon’ny Rahalahy Knorr, hoe: “Jefta sy ny Voadiny”. Nalefa tamin’izay ny antso mba hisian’ny mpisava lalana bebe kokoa! Nifampijery izahay sy i Aileen, ary niara-niteny (toy ny maro hafa tamin’izay) hoe: “Isika izany!” Avy hatrany, dia nanao fandaharana izahay mba handroso ho amin’ny asa iray lehibe kokoa.
Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada hatramin’ny 4 Jolay 1940. Fony izahay nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, tamin’ny 1 May 1943, dia mbola tsy ara-dalàna ihany ny fitoriana momba an’i Jehovah sy ny fanolorana ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Ny Baibolinay manokana, King James Version, ihany no nentinay, teo amin’ny fanompoana kristianina nataonay. Andro vitsivitsy monja taorian’ny nahatongavanay tao Parry Sound, any Ontario, izay ny toerana voalohany nanendrena anay ho mpisava lalana, dia nalefan’ny biraon’ny sampana hiara-miasa taminay teny amin’ny saha i Stewart Mann, mpisava lalana za-draharaha iray. Fandaharana feno fitiavana re izany! Tsara fanahy sady miramiran-dava ny Rahalahy Mann. Niana-javatra taminy izahay ary nahafinaritra ny fiarahanay. Nitarika fampianarana ny Baiboly maromaro izahay, fony notendren’ny Fikambanana ho any amin’ny tanànan’ny Hamilton. Tsy ela taorian’izay, dia voantso ho miaramila aho, na dia efa nihoatra ny taona fanaovana izany aza. Nosamborina aho, tamin’ny 31 Desambra 1943, noho ny fandavako tsy hiditra tao amin’ny tafika. Rehefa voakarakara ny raharaha ara-pitsarana, dia voaheloka hanao asa hafa ho solon’ny raharaha miaramila aho, ary nijanona tany hatramin’ny Aogositra 1945.
Raha vantany vao afaka aho, dia voatendry avy hatrany hanao ny asan’ny mpisava lalana tao Cornwall, any Ontario, izahay sy i Aileen. Fotoana fohy
taorian’izay, dia nomen’ny Sampan-draharahan’ny Fikambanana Momba ny Lalàna fanendrena manokana tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tany Québec izahay. Nandritra ny fotoana nanapahan’i Duplessis tany Québec izany, fony ny Vavolombelon’i Jehovah niharan’ny fanenjehana faran’izay mafy. Andro maro isan-kerinandro, dia tany amin’ny fitsarana efatra samy hafa aho, nanampy ireo rahalahintsika. Nampientam-po sady nanamafy finoana ireny fotoana ireny.Taorian’ilay fivoriambe tany Cleveland tamin’ny 1946, ny asan’ny fizaran-tany sy ny distrika dia nahatonga anay mivady hamakivaky ilay tany manontolo. Nandeha haingana ny zava-drehetra. Nasaina hanatrika ny kilasy faha-11 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower izahay, tamin’ny 1948. Ny Rahalahy Albert Schroeder sy Maxwell Friend no roa tamin’ny mpampianatra anay, ary tamin’ireo 108 iray kilasy taminay, dia 40 no voahosotra. Nanovozana zava-tsoa be dia be no sady nahafa-po tokoa ny fiarahana tamin’ireny mpanompon’i Jehovah maro be efa ela nihetezana ireny!
Nitsidika anay avy tany Brooklyn ny Rahalahy Knorr, indray andro. Niantso olona 25 hianatra ny teny japoney izy, tao amin’ny lahateniny. Namaly ilay antso daholo izahay 108! Andraikitr’ilay prezidà ny nifidy hoe iza no hampianarina. Mino aho fa notarihin’i Jehovah ilay safidy, satria tena tsara ny niafarany. Maro tamin’ireo 25 izay voafidy sy nahazo tombontsoa hanomboka ny asa tany Japon taorian’izay, no mbola any amin’ny toerana nanendrena azy—efa zokiolona aloha, fa mbola any ihany. Notendrena ho any amin’ny toerana hafa ny sasany, toa an’i Lloyd sy i Melba Barry. Mpikambana tao amin’ny Fitambara-mpitantana i Lloyd, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny herintaona. Miara-mifaly amin’izy rehetra noho ilay valisoa nomen’i Jehovah izahay.
Tonga ny andro fizarana diplaoma, ary voatendry ho any Jamaika izahay. Kanefa, nasaina niverina tany Kanada izahay, noho ny fitsarana tsy nety voalamina tao Québec.
Mozika bebe kokoa!
Na dia namela ny mozika aza aho, mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana, dia toa tsy nandao ahy kosa ny mozika. Tonga tao Maple Leaf Gardens, ao Toronto, ny prezidàn’ny Fikambanana, i Nathan Knorr, sy i Milton Henschel, sekreterany, tamin’ny taona nanaraka. Nandrisika mafy ny rehetra ny lahateny ampahibemaso nataon’ny Rahalahy Knorr, nitondra ny lohateny hoe: “Efa Lasa Lavitra Tsy Araka ny Iheveranao Azy ny Fotoana!” Sambany aho vao nasaina nitarika ny orkesitry ny fivoriambe. Namboarinay ho valsa ny hira be mpitia sasany tao amin’ny Fihirana Momba ny Fanompoana Ilay Fanjakana (1944, anglisy). Toa tian’ireo rahalahy ilay izy. Nanao famerenana ny fandaharana nomaninay ho amin’ny alahady izahay, rehefa nifarana ny fandaharana, tamin’ny asabotsy tolakandro. Hitako namakivaky ny kianja hanatona anay ny Rahalahy Henschel, ary najanoko ny orkesitra mba hitsenako azy. Nanontany izy hoe: “Firy ny mpitendry mozika ao amin’ny orkesitra tarihinao eto?” “Tokony ho 35 eo ho eo, rehefa tonga daholo ny rehetra”, hoy ny navaliko. “Avo roa heny noho izany no ho azonao any New York, amin’ny herintaona”, hoy izy.
Nasaina ho any Brooklyn anefa aho, talohan’ny nahatongavan’izany. Noho ny tarehin-javatra, dia tsy afaka niaraka tamiko i Aileen tamin’ny voalohany. Mbola tsy vita ilay trano vaovao teo amin’ny 124 Columbia Heights, ka nomena fandriana iray tao amin’ilay tranon’ny Betela taloha aho, tao amin’ny efitrano kely iray nisy rahalahy voahosotra roa —rahalahy zokiolona iray nantsoina hoe Payne sy i Karl Klein, izay sambany vao hitako. Tery ve izahay tao? Eny. Na izany aza, dia tena nifanaraka tsara izahay. Be fahari-po sy faharetana ireo rahalahy efa zokiny. Niezaka tsy hanelingelina azy ireo fotsiny aho! Nanome fianarana sarobidy momba izay azon’ny fanahin’i Andriamanitra tontosaina izany. Toy inona moa ny fitahiana nentin’ny fifankahalalako sy ny fiarahako niasa tamin’ny Rahalahy Klein! Tsara fanahy sy vonon-kanampy foana izy. Niara-niasa tsara izahay ary mpinamana akaiky efa ho 50 taona mahery izao.
Nahazo tombontsoa hikarakara ny mozika aho, tamin’ireo fivoriambe natao tao amin’ny Yankee Stadium tamin’ny taona 1950, 1953, 1955 sy 1958, ary niara-niandraikitra ny orkesitra tamin’i Al Kavelin koa aho, tamin’ny fivoriambe natao tamin’ny 1963, tao Rose Bowl, tany Pasadena, any Kalifornia. Nisy fandaharana mozika natolotra tamin’ny alahady, talohan’ny lahateny ampahibemaso, tamin’ilay fivoriambe tao amin’ny Yankee Stadium, tamin’ny 1953. Nampahafantatra an’i Edith Shemionik (Weigand tatỳ aoriana), mpihira soprano, izay nihira ilay hira noforoniny hoe: “Mandrosoa, ry Vavolombelona!”, i Erich Frost. Nientam-po be izahay avy eo, rehefa sambany vao nahare ny feo manga sy mahafinaritr’ireo rahalahy sy anabavy afrikanina. Nitondra horonam-peo tsara dia tsara avy tany Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny), ny misionera Harry Arnott, ho fahafinaretan’ny sofinay. Nameno ny kianja manontolo ilay feo.
Fandraisam-peo ny Boky Fihirana tamin’ny 1966
Tadidinareo ve ilay boky fihirana nisy fonony mavokely hoe “Mihira sy Mikalo ao Am-ponareo” (frantsay)? Rehefa nihantomotra ny fanomanana farany azy io, dia nilaza ny Rahalahy Knorr hoe: “Andeha hanao fandraisam-peo sasantsasany isika. Tiako ianareo raha mandamina orkesitra kely iray, tsy misy afa-tsy lokanga sy sodina vitsivitsy monja. Tsy tiako hisy ‘mpitsoka trompetra dedadedaka’ !” Ny Efitrano Fanjakana tao amin’ny Betela no ho toerana fandraisanay feo, nefa nampisalasala ny fampiasana azy io. Inona no hitranga, raha hanako amin’ireo rindrina tsy voaro sy ireo tailan’ny gorodona ary ireo seza metaly, ny feo? Iza no ho afaka hanampy anay handamina izany zava-nanahirana momba ny feo izany? Nisy nanoro hevitra hoe: “ I Tommy Mitchell! Miasa ao amin’ny Trano Fandraisam-peon’ny ABC izy.” Nifandray tamin’ny Rahalahy Mitchell, izay faly nitondra ny fanampiany, izahay.
Tonga ny asabotsy maraina voalohany hanaovana ny fandraisam-peo, ary rehefa nampahafantarina ireo mpitendry mozika, dia nisy rahalahy iray nanana vata nisy trombônina. Tadidiko ilay fampitandreman’ny Rahalahy Knorr hoe: “Tsy tiako hisy ‘mpitsoka trompetra dedadedaka’!” Inona no azoko natao? Nijery an’ilay rahalahy namoaka ny trombôninany avy tao amin’ilay vata, sy nametaka ny fitsofana azy, ary nanomboka nanao fanazaran-tena, aho. I Tom Mitchell ilay rahalahy, ary nahafinaritra be ireo naoty voalohany notendreny. Nataony toy ny feon-dokanga ny feo navoakan’ilay trombônina! Hoy aho anakampo: ‘Tsy maintsy hazoninay io rahalahy io!’ Tsy nanohitra mihitsy ny Rahalahy Knorr.
Mpitendry mozika nahay no sady rahalahy sy anabavy be fitiavana no nahaforona io orkesitra io. Tsy nisy zaza nihanta tao! Asa nitaky ezaka be ny fandraisam-peo, kanefa tsy nisy nitaraina. Latsa-dranomaso izahay, rehefa tapitra ilay asa; ary mbola misy fisakaizana mafana ihany eo amin’ireo mpandray anjara. Nankafy ilay tombontsoa ny tsirairay avy taminay, ary noho i Jehovah, dia vita ilay asa.
Tombontsoa nahafa-po fanampiny
Taona maro atỳ aoriana, dia mbola mankafy hatrany ny fanompoana manontolo andro aho. Naharitra 28 taona ny asan’ny fizaran-tany sy distrika—ka samy nahafinaritra ny tsirairay avy taminy. Avy eo dia nikarakara ny Efitrano Fivoriambe Norval, any Ontario, izahay, nandritra ny dimy taona. Be zavatra natao izahay sy i Aileen, satria nisy fivoriamben’ny fizaran-tany isaky ny faran’ny herinandro, ary koa fivoriamben’ny distrika tamin’ny fiteny vahiny. Nampiasa ireo tranon’ny Efitrano Fivoriambe ireo mpanao mari-trano sy injeniera, tamin’ny 1979 sy 1980, rehefa nanao ny drafitry ny sampan’ny Fikambanana vaovao ao Halton Hills. Taorian’ny asa nataonay teo amin’ny Efitrano Fivoriambe, dia nahazo fanendrena hafa iray izahay, izay nampifandray anay indray tamin’ny sehatry ny mozika tao Brooklyn, teo anelanelan’ny 1982 sy 1984.
Maty ny vady malalako tamin’ny 17 Jona 1994, fito andro monja taorian’ny faha-59 taona nitsingerenan’ny fanambadianay. Nahafeno 51 taona teo amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana feno fandavan-tena niaraka, izahay mivady.
Rehefa misaintsaina ireo zavatra maro niainako aho, dia mahatadidy ny fitarihana sarobidy nomen’ny Baiboly. Mampiasa ny Baibolin’i Aileen manokana aho indraindray, ary mahafinaritra ahy indrindra ny manamarika izay nanohina ny fony—andinin-teny manontolo sy fehezanteny miavaka ary teny tsirairay izay nomarihiny. Toa an’i Aileen, izaho koa dia manana andinin-teny izay misy heviny manokana ho ahy. Iray amin’izany ny Salamo faha-137, izay amakiana izao vavaka kanto ho an’i Jehovah izao: “Aoka aho tsy ho afaka hitendry harpa intsony, raha manadino anao, ry Jerosalema! Aoka aho tsy ho afaka hihira intsony, raha tsy mahatadidy anao, raha tsy manao anao ho ny fifaliako lehibe indrindra!” (Salamo 137: 5, 6, Today’s English Version). Na dia tiako toy inona aza ny mozika, dia avy amin’ny fanompoako amim-pahatokiana an’i Jehovah, izay namaly soa ahy tamin’ny nanomezany ahy fiainana feno sy mahafa-po, no ahazoako fifaliana lehibe indrindra.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Desambra 1973, dia nanazava hoe nahoana, nanomboka tamin’izay, no nila niala tamin’ny sigara ny olona iray, vao azo natao batisa, ka afaka ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 28]
Izahay sy i Aileen tamin’ny 1947
[Sary, pejy 30]
Nandritra ny fotoana fandraisam-peo tany am-boalohany