Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manehoa Taratry ny Toe-tsain’i Kristy

Manehoa Taratry ny Toe-tsain’i Kristy

Manehoa Taratry ny Toe-tsain’i Kristy

“Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie [hamela anareo hanana eo anivonareo ilay toe-tsaina mitovy amin’ny nananan’i Kristy Jesosy, “NW”]”.​—ROMANA 15:⁠5.

1. Inona no vokatry ny toe-tsain’ny olona iray eo amin’ny fiainany?

MISY akony lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny toe-tsainy. Ny toe-tsaina tia miasa na tsy miraika amin’ny asa, ny toe-tsaina mijery lafy tsaran-javatra na mijery lafy ratsin-javatra, ny toe-tsaina tia ady na tia miara-miasa amin’ny hafa, ny toe-tsaina tia mitaraina na mahay mankasitraka, dia afaka ny hisy heriny lehibe eo amin’ny fomba iatrehan’ny olona iray ny toe-javatra iray, sy izay ho fihetsiky ny hafa eo anatrehany. Raha manana toe-tsaina mety ny olona iray, dia afaka ny ho sambatra na dia ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra aza. Amin’ny olona iray manana toe-tsaina tsy mety kosa, dia toa tsy misy na inona na inona mandeha, na dia mizotra tsara aza ny fiainana, raha jerena amin’ny saina tsy miangatra.

2. Amin’ny fomba ahoana no ianaran’ny olona iray toe-tsaina?

2 Azo ianarana ny toe-tsaina, na toe-tsaina mety izany na tsia. Raha ny marina aza, dia tsy maintsy ianarana izy ireny. Milaza toy izao ny Collier’s Encyclopedia raha miresaka momba ny zaza vao teraka: “Izay toe-tsaina ananany atỳ aoriana, dia tsy maintsy ianarany, mitovitovy amin’ny hoe tsy maintsy mianatra fiteny iray na fahaizana hafa iray, izy.” Amin’ny fomba ahoana no ianarantsika toe-tsaina? Misy heriny lehibe ny tontolo manodidina antsika sy ny olona ifaneraserantsika, ankoatra ny zavatra maro hafa. Manamarika toy izao ilay rakipahalalana voatonona etsy ambony: “Mianatra na mandray, toy ny spaonjy, ny toe-tsain’ireo ifaneraserantsika akaiky isika.” An’arivony taona maro lasa izay, dia nanambara zavatra mitovy amin’izany ny Baiboly, tamin’ny filazana hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”​—Ohabolana 13:20; 1 Korintiana 15:⁠33.

Modely ny amin’ny toe-tsaina mety

3. Iza no fakan-tahaka raha ny amin’ny toe-tsainy, ary ahoana no azontsika anahafana azy?

3 Toy ny amin’ny zavatra hafa rehetra, toy izany koa ny amin’ny toe-tsaina, dia nanome ny modely tsara indrindra i Jesosy Kristy. Hoy izy: “Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:15). Mba hanahafana an’i Jesosy, dia tsy maintsy mianatra ny mombamomba azy aloha isika. * Mianatra ny fiainan’i Jesosy isika mba hanarahana izao torohevitry ny apostoly Petera izao: “Ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”. (1 Petera 2:21). Ny ho sahala amin’i Jesosy, araka izay azontsika atao, no zava-kendrentsika. Tafiditra amin’izany ny fambolena ny toe-tsainy.

4, 5. Inona no lafiny amin’ny toe-tsain’i Jesosy, izay asongadina ao amin’ny Romana 15:1-3, ary ahoana no azon’ny Kristianina anahafana azy?

4 Inona no tafiditra amin’ny hoe manana ny toe-tsain’i Kristy Jesosy? Manampy antsika hamaly an’⁠io fanontaniana io ny toko faha-15 amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romanina. Ao amin’ireo andininy vitsivitsy voalohany ao amin’io toko io, dia miresaka ny amin’ny toetra miavaka iray nananan’i Jesosy i Paoly, rehefa nilaza hoe: “Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy. Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: ‘Ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko’.”​—Romana 15:1-3.

5 Koa satria manahaka ny toe-tsain’i Jesosy ny Kristianina, dia ampirisihina izy ireo mba ho vonona hikarakara amim-panetren-tena izay ilain’ny hafa, fa tsy hitady izay hahafaly ny tenany ihany. Eny tokoa, toetra mampiavaka an’ireo “izay matanjaka” ny fahavononana amim-panetren-tena hanompo ny hafa toy izany. Nilaza toy izao momba ny tenany i Jesosy, izay natanjaka ara-panahy kokoa noho ny olon-drehetra teto an-tany: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Amin’ny maha Kristianina antsika, dia irintsika koa ny hiezaka hanompo ny hafa, anisan’izany “ny malemy”.

6. Amin’ny fomba ahoana no azontsika anahafana ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’ny fanoherana sy ny fanalam-baraka?

6 Tsara foana ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny fomba fanaovany zavatra, ary mbola toetra faran’izay tsara nampiavaka azy koa izany. Tsy tsara ny toe-tsain’ny hafa, nefa tsy namela izany na oviana na oviana hisy heriny teo amin’ilay toe-tsaina faran’izay tsara nananany izy, dia ny toe-tsainy nanoloana ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tokony hamela izany hitranga amintsika koa isika. Niaritra tamim-paharetana sady tsy mba nitaraina i Jesosy, rehefa nalam-baraka sy nenjehina, noho ny nanompoany an’Andriamanitra tamim-pahatokiana. Fantany fa ireo miezaka hampifaly ny namany ny “amin’izay hahasoa sy hampandroso azy”, dia manampo ny hisian’ny fanoherana avy amin’ny tontolo iray tsy mpino sy tsy mahazo ny fihevitry ny hafa.

7. Ahoana no nanehoan’i Jesosy faharetana, ary nahoana isika no tokony hanao toy izany koa?

7 Naneho toe-tsaina nety koa i Jesosy tamin’⁠ny lafiny hafa. Tsy nampiseho tsy faharetana tamin’i Jehovah na oviana na oviana izy, fa niandry tamim-paharetana kosa ny hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. (Salamo 110:⁠1; Matio 24:36; Asan’ny Apostoly 2:32-36; Hebreo 10:12, 13). Ankoatra izany, dia tsy nanjary tsy nanam-paharetana tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Mianara amiko”. “Malemy fanahy” izy, ka nampahery sy namelombelona ny fampianarany. Ary “tsy miavona am-po” koa izy, ka tsy mba nampiasa fiteny nipoapoaka, na nanana fahasahisahian-dratsy niharo fieboeboana. (Matio 11:29). Nampirisika antsika hanahaka ireo lafiny amin’ny toe-tsain’i Jesosy ireo i Paoly, rehefa nilaza hoe: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona”.​—Filipiana 2:5-7.

8, 9. a) Nahoana isika no tsy maintsy miezaka hamboly toe-tsaina tsy tia tena? b) Nahoana isika no tsy tokony ho kivy raha tsy maharaka ilay modely navelan’i Jesosy, ary ahoana no nanomezan’i Paoly ohatra tsara tamin’io lafiny io?

8 Mora ny milaza hoe maniry hanompo ny hafa isika ary maniry hanome ny zavatra ilain’izy ireny alohan’ny an’ny tenantsika. Ny fandinihana amim-pahatsorana ny toe-tsaintsika anefa dia mety hampiharihary fa tsy mirona tanteraka ho amin’izany ny fontsika. Fa nahoana? Voalohany, dia satria nandova lafin-toetra feno fitiavan-tena avy tamin’i Adama sy i Eva isika. Faharoa, dia miaina eo amin’ny tontolo iray mampiroborobo ny fitiavan-tena isika. (Efesiana 4:17, 18). Matetika no midika ho fambolena fomba fisaina mifanohitra amin’ilay toetra tsy lavorary nolovantsika, ny fambolena tsikelikely toe-tsaina tsy tia tena. Mitaky fahatapahan-kevitra sy ezaka izany.

9 Mety hahakivy antsika indraindray ny tsy fahalavorariantsika mibaribary, izay mifanohitra tanteraka amin’ilay modely lavorary navelan’i Jesosy ho antsika. Mety hisalasala isika raha ho azo atao akory aza ny hanana toe-tsaina mitovy amin’ny nananan’i Jesosy. Mariho anefa izao teny mampahery nambaran’i Paoly izao: “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” (Romana 7:18, 19, 22, 23). Marina fa nisakana an’i Paoly imbetsaka tsy hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra araka izay niriny ny tsy fahalavorariany, nefa fakan-tahaka kosa ny toe-tsainy, izany hoe ny fomba fiheviny sy ny fihetseham-pony momba an’i Jehovah sy ny lalàny. Afaka ny ho toy izany koa ny toe-tsaintsika.

Fanitsiana toe-tsaina misy lesoka

10. Nampirisihin’i Paoly hamboly toe-tsaina manao ahoana ireo Filipianina?

10 Mety hitranga ve ny hoe mila manitsy toe-tsaina misy lesoka ny sasany? Eny. Miharihary fa izany no izy raha ny amin’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Niresaka momba ny fananana toe-tsaina mety i Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipianina. Hoy ny nosoratany: “Tsy toy ny efa nahazo [ny fiainana any an-danitra amin’ny alalan’ny fitsanganana aloha kokoa] sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy. Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Koa aoka isika rehetra izay tanteraka [hanana izany toe-tsaina izany, NW ]”.​Filipiana 3:12-15.

11, 12. Amin’ny fomba ahoana avy no ampihariharian’i Jehovah amintsika ny atao hoe toe-tsaina mety?

11 Asehon’ny tenin’i Paoly fa na iza na iza tonga Kristianina, nefa tsy mahatsiaro ho mila manao fandrosoana, dia manana toe-tsaina tsy mety. Tsy nandray ilay toe-tsain’i Kristy izany olona izany. (Hebreo 4:11; 2 Petera 1:10; 3:14). Tsy misy fanantenana ve ny toe-javatra misy ny olona toy izany? Tsy izany velively. Afaka manampy antsika hanova ny toe-tsaintsika Andriamanitra raha tena maniry izany isika. Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Hasehon’Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa hianareo.”​—Filipiana 3:⁠15.

12 Tsy maintsy manao ny anjarantsika isika raha irintsika hampiharihary amintsika ny atao hoe toe-tsaina mety, i Jehovah. Raha toa ireo “manana sain-kafa” ireo ka mianatra amim-bavaka ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, dia ho afaka ny hamboly miandalana toe-tsaina mety izy. (Matio 24:45, NW ). Ho faly hitondra fanampiana ireo loholona kristianina, izay voatendrin’ny fanahy masina ‘hiandry ny fiangonan’Andriamanitra’. (Asan’ny Apostoly 20:28). Velom-pankasitrahana tokoa isika fa mihevitra ny tsy fahalavorariantsika i Jehovah ka manampy antsika amim-pitiavana! Aoka isika hanaiky ny fanampiany.

Fianarana avy amin’ny hafa

13. Inona no ianarantsika momba ny atao hoe toe-tsaina mety, raha ny tantaran’i Joba ao amin’ny Baiboly no jerena?

13 Asehon’i Paoly, ao amin’ny Romana toko faha-⁠15, fa afaka manampy antsika hanitsy ny toe-tsaintsika ny fisaintsainana ohatra ara-tantara. Izao no nosoratany: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:⁠4). Nila nanitsy ny lafiny sasany tamin’ny toe-tsainy ny sasany tamin’ny mpanompo nahatokin’i Jehovah tamin’ny lasa. Nanana toe-tsaina faran’izay tsara, ohatra, i Joba, tamin’ny ankapobeny. Tsy nihevitra an’i Jehovah na oviana na oviana ho tompon’antoka tamin’ny faharatsiana izy, ary tsy namela mihitsy ny fahoriana niaretany hanozongozona ny fatokisany an’Andriamanitra. (Joba 1:8, 21, 22). Na izany aza anefa, dia nirona hanamarin-tena izy. Nasain’i Jehovah hanampy an’i Joba mba hanitsy io fironana io i Eliho. Tsy nihevitra ny tenany ho novingavingaina i Joba fa nanaiky tamim-panetren-tena kosa fa nila nanova toe-tsaina, ka tonga dia nanomboka nanao izany.​—Joba 42:1-6.

14. Ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Joba raha misy manoro hevitra antsika momba ny toe-tsaintsika?

14 Hanana fihetsika sahala amin’ny nasehon’i Joba ve isika raha misy Kristianina hafa milaza amintsika amin-katsaram-panahy fa hita ho misy lesoka ny toe-tsaintsika? Toa an’i Joba, dia enga anie isika ka ‘tsy hanome tsiny an’Andriamanitra’ na oviana na oviana. (Joba 1:22). Raha mijaly tsy ara-drariny isika, dia enga anie isika mba tsy hitaraina na oviana na oviana, na hihevitra an’i Jehovah ho tompon’andraikitra amin’ny zava-tsarotra hitantsika. Enga anie isika hanalavitra ny fanandramana hanamarin-tena, ka hitadidy fa mbola “mpanompo tsy mahasoa” foana isika na inona na inona tombontsoa mety hananantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.​—Lioka 17:⁠10.

15. a) Toe-tsaina tsy nety nanao ahoana no nasehon’ny sasany tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy? b) Ahoana no nanehoan’i Petera toe-tsaina faran’izay tsara?

15 Nandritra ny taonjato voalohany, dia nampiseho toe-tsaina tsy nety ny sasany izay nihaino an’i Jesosy. Nilaza zavatra saro-takarina i Jesosy, indray mandeha. Ho setrin’izany, dia “maro tamin’ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?” Mazava fa nanana toe-tsaina tsy nety ireo niteny toy izany. Ary nahatonga azy ireo tsy hihaino an’i Jesosy intsony izany toe-tsainy izany. Milaza toy izao ny fitantarana: “Hatramin’izany dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.” Nanana toe-tsaina tsy nety avokoa ve izy rehetra? Tsia. Toy izao no tohin’ilay fitantarana: “Dia hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay?” Raha ny marina, dia i Petera ihany no namaly ny fanontaniana napetrany avy eo, ka nilaza hoe: “Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:60, 66-68). Toe-tsaina faran’izay tsara re izany! Tsy ho tsara ve ny hanehoana ny toe-tsaina nasehon’i Petera rehefa tojo fanazavana na fanatsarana ny fahatakarantsika ny hevitry ny Soratra Masina isika, ka mety ho hitantsika ho sarotra hekena ilay izy amin’ny voalohany? Ho hadalana tokoa ny hitsaharana tsy hanompo an’i Jehovah na ny hilazana zavatra mifanohitra amin’ny “mariky ny teny tsy misy kilema”, satria fotsiny hoe saro-takarina ny zavatra sasany, amin’ny voalohany!​—2 Timoty 1:⁠13.

16. Toe-tsaina nanafintohina nanao ahoana no nasehon’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy?

16 Tsy nampiseho ilay toe-tsaina nananan’i Jesosy ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Tapa-kevitra mafy ny tsy hihaino an’i Jesosy izy ireo. Hita mazava izany fony i Jesosy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Izay olona nanana toe-tsaina nety, dia ho nandray an’iny fahagagana iny ho porofo tsy azo niadian-kevitra fa nirahin’Andriamanitra i Jesosy. Izao anefa no vakintsika: “Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro. Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.” Inona no vahaolana hitan’izy ireo? “Hatramin’izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.” Ankoatra ny fanaovana teti-dratsy mba hamonoana an’i Jesosy ho faty, dia nikendry ny hamono an’ilay porofo velon’ny fahaizan’i Jesosy nanao fahagagana koa izy ireo. “Fa nihendry hahafaty an’i Lazarosy koa ny lohan’ny mpisorona”. (Jaona 11:47, 48, 53; 12:9-11). Haharikoriko tokoa raha manolokolo toe-tsaina mitovy amin’izany isika, ka ho tezitra na ho sosotra amin-javatra izay tokony hahafaly antsika, raha ny marina! Eny, ary mampidi-doza tokoa izany!

Fanahafana ny toe-tsaina tsara nananan’i Kristy

17. a) Tao anatin’ny tarehin-javatra nanao ahoana avy i Daniela no naneho toe-tsaina tsy natahotra? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa be herim-po ny tenany?

17 Manana toe-tsaina tsara foana ny mpanompon’i Jehovah. Niray tetika ny fahavalon’i Daniela mba handaniana lalàna iray izay nandrara ny olona tsy hanao fangatahana tamin’andriamanitra na tamin’olona na iza na iza, afa-tsy tamin’ny mpanjaka, nandritra ny 30 andro. Fantatr’i Daniela fa nanelingelina ny fifandraisany tamin’i Jehovah Andriamanitra izany. Hifady tsy hivavaka tamin’Andriamanitra ve izy nandritra ny 30 andro? Tsia, tsy natahotra izy fa nanohy nivavaka tamin’i Jehovah intelo isan’andro, araka ny fanaony. (Daniela 6:7-18). Tsy nanaiky hampitahorin’ny fahavalony koa i Jesosy. Indray Sabata, dia tojo lehilahy iray maty tanana izy. Fantatr’i Jesosy fa tsy ho faly ireo Jiosy maro nanatrika teo raha nanasitrana olona tamin’ny Sabata izy. Nanontany azy ireo mivantana izay heviny momba izany i Jesosy. Rehefa tsy nety namaly izy ireo, dia niroso nanasitrana ilay lehilahy i Jesosy. (Marka 3:1-6). Tsy nitakemotra na oviana na oviana teo anoloan’ny fanatanterahana ny asa nanirahana azy i Jesosy, satria fantany fa izany no tokony hataony.

18. Nahoana no manohitra antsika ny sasany, nefa ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny toe-tsaina ratsy asehon’izy ireny?

18 Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao fa tsy tokony hanaiky na oviana na oviana hampitahorin’izay mety ho fihetsiky ny mpanohitra koa izy ireo. Raha tsy izany mantsy, dia tsy haneho ilay toe-tsain’i Jesosy izy ireo. Olona maro no manohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy mahalala ny tena zava-misy ny sasany amin’izy ireny, fa ny hafa kosa mankahala ny Vavolombelona na ny hafatra entiny. Aoka anefa isika tsy hamela na oviana na oviana ny fihetsik’izy ireo feno fankahalana hanjary hisy heriny eo amin’ny toe-tsaina tsara ananantsika. Tsy tokony hamela na oviana na oviana ny hafa hibaiko izay fomba anolorantsika ny fanompoam-pivavahantsika isika.

19. Ahoana no azontsika anehoana toe-tsaina sahala amin’ny an’i Jesosy Kristy?

19 Naneho toe-tsaina tsara foana tamin’ireo mpanara-dia azy sy teo anoloan’ireo fandaharana nataon’Andriamanitra i Jesosy, na nanao ahoana na nanao ahoana hasarotry ny fanaovana izany. (Matio 23:2, 3). Tokony hanahaka ny ohatra nomeny isika. Ekena aloha fa tsy lavorary ireo rahalahintsika, nefa toy izany koa ny tenantsika. Ary aiza indray moa isika no hahita sakaiza tsara kokoa sy namana tena mahatoky toy ny ao amin’ilay fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany misy antsika? Mbola tsy nanome antsika fahatakarana feno ny hevitry ny Teniny voasoratra i Jehovah, kanefa fivavahana inona indray moa no manana fahatakarana tsara kokoa noho isika? Aoka isika hihazona toe-tsaina mety foana, dia ilay toe-tsaina nananan’i Jesosy Kristy. Ankoatra ny zavatra hafa, dia tafiditra amin’izany ny fahaiza-miandry an’i Jehovah, araka ny hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mandinika ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, izay navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no vokatry ny toe-tsaintsika eo amin’ny fiainantsika?

• Lazalazao ny toe-tsain’i Jesosy Kristy.

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny toe-tsain’i Joba?

• Inona no toe-tsaina mety tokony hananana rehefa miatrika fanoherana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 7]

Miezaka hanampy ny hafa ny Kristianina manana toe-tsaina mety

[Sary, pejy 9]

Raha mianatra amim-bavaka ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho afaka ny hanana ny toe-tsain’i Kristy