Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Niresaka Momba ny Hatsaram-po sy ny Fitiavana Izy Ireo’

‘Niresaka Momba ny Hatsaram-po sy ny Fitiavana Izy Ireo’

‘Niresaka Momba ny Hatsaram-po sy ny Fitiavana Izy Ireo’

TATO anatin’ireo taona faramparany, dia lasibatry ny fitenenan-dratsy faran’izay mafy sy tsy an-kijanona ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa. Zavatra tsy dia marina loatra sy fanazavana diso no nampiasain’ireo mpanohitra azy mba hanasoketana azy ireo teo anatrehan’ny olona. Teo am-piandohan’ny taona 1999, ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Frantsa dia nizara taratasy mivalona 12 tapitrisa, nitondra ny lohateny hoe Ry Mponin’i Frantsa, Voafitaka Ianareo! Tao amin’io taratasy mivalona io, dia nanameloka ny fanosoram-potaka natao taminy izy ireo.

Andro vitsivitsy taorian’ilay fizarana taratasy mivalona, dia nandefa taratasy mivelatra tany amin’ny gazety iray teo an-toerana Atoa Jean Bonhomme, dokotera sady mpikambana taloha tao amin’ny Parlemanta. Hoy no nosoratany: “Indraindray dia tonga any an-tranoko ny Vavolombelon’i Jehovah. Tonga mba hiresaka amiko momba ny hatsaram-po sy ny fitiavana maneran-tany izy ireo. (⁠.⁠.⁠.⁠) Tsy manery ny olona handray azy izy ireo. Milaza ny heviny amim-pahalemem-panahy izy ireo, ary mihaino ahy amin-katsaram-panahy, rehefa milaza ny fisalasalako aho.”

Rehefa niresaka ny amin’ny fomba fijerin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra ara-panahy Atoa Bonhomme, dia nilaza hoe: “Ny fahatsoran-toetran’izy ireo dia tsy mitondra fahavoazana velively. Ny fahatsoran-toetran’ny mpanao politika sasany kosa, etsy an-danin’izany, dia mandrahona bebe kokoa ny fiadanan’ny vahoaka sy ny firindran’ny fiaraha-monina.”