“Efa Tonga ny Ora”!
“Efa Tonga ny Ora”!
“Tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray”.—JAONA 13:1.
1. Fanombantombanana momba ny inona no naresaka tao Jerosalema rehefa nanakaiky ny Paska 33 am.f.i., ary nahoana?
TAMIN’NY batisan’i Jesosy tamin’ny 29 am.f.i., dia nanomboka nanaraka lalana izay hitarika ho amin’ny “fotoana” hahafatesany sy hitsanganany ary hanomezam-boninahitra azy, izy. Lohataonan’ny taona 33 am.f.i. tamin’izay. Vao herinandro vitsivitsy monja no lasa hatramin’ny nivorian’ny fitsarana avo jiosy, na ny Synedriona, mba hikaonan-doha ny amin’ny hamonoana an’i Jesosy. Fantatr’i Jesosy ny fikasan’izy ireo, angamba tamin’ny alalan’i Nikodemosy, izay anisan’ny Synedriona sady naneho hatsaram-panahy taminy. Noho izany, dia nandao an’i Jerosalema i Jesosy, ka lasa nankany amin’ny faritra ambanivohitra, tany ampitan’ny Ony Jordana. Rehefa nanakaiky ny Andro Firavoravoana amin’ny Paska, dia olona maro avy tany ambanivohitra no nankany Jerosalema, ary naresaka tao an-tanàna ireo fanombantombanana momba an’i Jesosy. “Ahoana no hevitrareo?”, hoy ny olona nifanontany. “Tsy mba ho tonga amin’ny andro firavoravoana va Izy?” Vao mainka taitaitra be ihany ny olona noho ny baiko navoakan’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo hoe izay nahita an’i Jesosy dia tokony hilaza amin’izy ireo izay nisy azy.—Jaona 11:47-57.
2. Inona no nataon’i Maria ka niteraka adihevitra, ary manondro inona momba ny fahafantaran’i Jesosy ny ‘fotoany’ ny teny navaliny ho fiarovana an’i Maria?
Jaona 12:1-8; Matio 26:6-13). Fantatr’i Jesosy fa “tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray”. (Jaona 13:1). Dimy andro sisa dia “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” izy. (Marka 10:45). Nanomboka teo dia nanan-kery teo amin’ny zava-drehetra nataon’i Jesosy sy nampianariny, ny fahatsapany fa nahadodona ny fotoana. Izany ka ohatra faran’izay tsara ho antsika, eo am-piandrasantsika amim-pahadodonana ny faran’ity fandehan-javatra ity! Diniho izao izay nitranga tamin’i Jesosy, ny ampitson’iny indrindra.
2 Tamin’ny 8 Nisana, enina andro talohan’ny Paska, dia niverina tany amin’ny manodidina an’i Jerosalema i Jesosy. Tonga tao Betania izy. Tanàna niavian’i Marta sy i Maria ary i Lazarosy, sakaiza tsy foiny, i Betania, izay tokony ho telo kilaometatra tany ivelan’i Jerosalema. Zoma takariva tamin’izay, ary tao i Jesosy nandritra ny Sabata. Ny ampitso takariva, dia nampiasa menaka manitra sarobidy i Maria mba hanompoana an’i Jesosy, ka tsy nahafaly an’ireo mpianatra izany. Hoy anefa ny navalin’i Jesosy: “Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ny andro hanamboarany Ahy halevina io. Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.” (Ilay andro nidiran’i Jesosy tamim-pandresena tao Jerosalema
3. a) Nanao ahoana ny nidiran’i Jesosy tao Jerosalema ny alahady 9 Nisana, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny ankamaroan’ny olona nanodidina azy? b) Ahoana no navalin’i Jesosy an’ireo Fariseo izay nitaraina momba ilay vahoaka?
3 Tamin’ny alahady 9 Nisana, dia tonga tamim-pandresena tao Jerosalema i Jesosy. Rehefa nanakaiky an’ilay tanàna izy—nitaingina zana-boriky ho fahatanterahan’ny Zakaria 9:9—dia namelatra ny akanjony ivelany teny an-dalana ny ankamaroan’ny olona nitangorona nanodidina azy, fa ny hafa kosa nanapaka rantsankazo ka namelatra azy ireny. “Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah”, hoy ny antsoantson’izy ireo. Nirin’ny Fariseo sasany teo anivon’ilay vahoaka ny hitenenan’i Jesosy mafy an’ireo mpianany. Hoy anefa ny navalin’i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.”—Lioka 19:38-40; Matio 21:6-9.
4. Nahoana no nihorakoraka i Jerosalema rehefa niditra tao an-tanàna i Jesosy?
4 Maro tamin’ilay vahoaka no nahita an’i Jesosy nanangana an’i Lazarosy, vao herinandro vitsivitsy monja talohan’izay. Tsy nitsahatra niresaka tamin’ny hafa momba ilay fahagagana izy ireo izao. Koa nihorakoraka ny iray tanàna rehefa niditra tao Jerosalema i Jesosy. “Iza moa izao?”, hoy ny fanontanian’ny olona. Ary tsy nitsahatra niteny ny vahoaka hoe: “Izao no Jesosy mpaminany, Izay avy any Nazareta any Galilia!” Hoy ny fitarainan’ny Fariseo rehefa nahita izay nitranga: “Efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.”—Matio 21:10, 11; Jaona 12:17-19.
5. Inona no nitranga rehefa nandeha tao amin’ny tempoly i Jesosy?
5 Nandeha tao amin’ny tempoly mba hampianatra i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, toy ny efa fanaony rehefa nitsidika an’i Jerosalema. Tao, dia tonga teo aminy ny jamba sy ny mandringa, ary nanasitrana azy ireny izy. Tezitra ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna rehefa nahita izany, sy nandre an’ireo ankizy madinika tao amin’ny tempoly niantsoantso hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!” “Renao va izay lazain’ireo?”, hoy ny fanoheran’izy ireo. “Eny”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: ‘Avy amin’Matio 21:15, 16; Marka 11:11.
ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana’?” Rehefa nanohy nampianatra i Jesosy, dia nojereny tsara ny zava-nitranga tao amin’ny tempoly.—6. Tamin’ny ahoana ny fihetsik’i Jesosy no hafa noho ny fihetsiny talohan’izay, ary nahoana?
6 Hafa tokoa ny fihetsik’i Jesosy izao, raha oharina amin’ny fihetsiny enim-bolana talohan’izay! Nankany Jerosalema ho amin’ny Andro Firavoravoana Amin’ny Tabernakely izy tamin’izay fotoana izay, saingy “tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina”. (Jaona 7:10). Ary nandray fepetra foana izy mba hahafahany handositra soa aman-tsara rehefa notandindomin-doza ny ainy. Izao izy dia niditra an-karihary tao amin’ilay tanàna namoahana didy hisamborana azy! Tsy fanaon’i Jesosy koa ny nampahafantatra ny tenany hoe izy no Mesia. (Isaia 42:2; Marka 1:40-44). Tsy niriny hahoraka ny fampahafantarana ny tenany, no sady tsy niriny ny hanaovana tatitra voaolana momba ny tenany, tamin’ny teny nampitampitaina. Izao ny vahoaka dia nanambara azy ampahibemaso ho Mpanjaka sy Mpamonjy, na ny Mesia. Nangataka an’i Jesosy mba hampangina ny vahoaka ireo mpitarika ara-pivavahana, nefa nitsipaka izany an-kitsirano izy! Inona no anton’izany fiovana izany? Satria “tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona”, araka ny nambaran’i Jesosy ny ampitson’iny indrindra.—Jaona 12:23.
Fanaovan-javatra feno fahasahiana, ary avy eo fampianarana mamonjy aina
7, 8. Tamin’ny ahoana ireo zavatra nataon’i Jesosy tamin’ny 10 Nisana 33 am.f.i. no nahitana taratry ny zavatra nataony tao amin’ny tempoly tamin’ny Paska 30 am.f.i.?
7 Rehefa tonga tao amin’ny tempoly i Jesosy ny alatsinainy 10 Nisana, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’izay hitany ny omalin’iny tolakandro. Nanomboka “nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ny tempoly [izy] sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra ny voromailala; ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ny tempoly”. Hoy izy raha nanameloka ireo mpanao ratsy: “Tsy voasoratra hoe va: ‘Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?’; fa ianareo kosa efa nanao azy ho ‘zohy fieren’ny jiolahy’.”—Marka 11:15-17.
8 Nahitana taratry ny zavatra nataony tamin’ny telo taona lasa, fony izy nitsidika ny tempoly tamin’ny Paska 30 am.f.i., ireo zavatra nataon’i Jesosy. Nanindrona kokoa anefa ilay fanamelohana tamin’ity indray mandeha ity. Izao dia nolazaina ho “jiolahy” ireo mpivarotra tao amin’ny tempoly. (Lioka 19:45, 46; Jaona 2:13-16). Izany izy ireo, satria nitaky vidiny nihoa-pampana tamin’ireo nila nividy biby hatao fanatitra. Nandre izay nataon’i Jesosy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nitady indray fomba hamonoana azy. Tsy nahita fomba hamonoana an’i Jesosy anefa izy ireo, satria nazoto nihaino azy ny olona rehetra, izay talanjona tamin’ny fampianarany.—Marka 11:18; Lioka 19:47, 48.
9. Lesona inona no nampianarin’i Jesosy, ary fanasana inona no nataony tamin’ireo nihaino azy tao amin’ny tempoly?
9 Rehefa nanohy nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesosy, dia nanambara hoe: “Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona.” Eny, fantany fa tsy nanana afa-tsy andro vitsivitsy sisa izy hiainany tamin’ny naha olombelona azy. Nanao izao fanasana izao tamin’ireo nihaino azy i Jesosy, rehefa avy nitantara fa tsy maintsy maty ny voam-bary iray mba hamoazany—nifanitsy tamin’ny nahafatesany sy ny nahatongavany ho fitaovana hanomezana fiainana mandrakizay ho an’ny hafa: “Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.”—10. Hijalijaly i Jesosy eo amin’ny fahafatesany, ka nanao ahoana ny fihetseham-pony momba izany fahafatesana niandry azy izany?
10 Hijalijaly i Jesosy eo amin’ny fahafatesany, izay hitranga rehefa afaka efatra andro monja. Nanohy ny teniny toy izao izy rehefa nieritreritra izany: “Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity?” Tsy azo ihodivirana anefa ny zavatra niandry an’i Jesosy. “Nefa”, hoy izy, “izao no nihaviako ho amin’ity ora ity”. Eny tokoa, nanaiky ny fandaharan’Andriamanitra manontolo i Jesosy. Tapa-kevitra ny hamela ny sitrapon’Andriamanitra hifehy ny zavatra nataony izy, mandra-pahafatiny ho sorona. (Jaona 12:27). Izany ka ohatra ho antsika, eny, ohatra ny amin’ny fanekena tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra!
11. Fampianarana inona avy no nomen’i Jesosy ny vahoaka, izay vao avy nandre feo avy tany an-danitra?
11 Nivavaka toy izao i Jesosy, noho ny fiahiany lalina ny ho fiantraikan’ny fahafatesany eo amin’ny lazan’ny Rainy: “Ray ô, mankalazà ny anaranao.” Talanjona ny vahoaka tafavory tao amin’ny tempoly fa nisy feo avy tany an-danitra, nanambara hoe: “Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.” Nohararaotin’ilay Mpampianatra Lehibe io fahafahana io mba hilazana tamin’ny vahoaka ny antony nandrenesana ilay feo, sy izay ho vokatry ny fahafatesany, ary ny antony nilan’izy ireo haneho finoana. (Jaona 12:28-36). Azo antoka fa be zavatra natao tokoa i Jesosy tao anatin’ireo roa andro farany. Mbola ho avy anefa ny andro lehibe iray.
Ilay andro nanambarana fanamelohana
12. Tamin’ny talata 11 Nisana, ahoana no nitadiavan’ireo mpitarika ara-pivavahana hamandrihana an’i Jesosy, ary inona no vokany?
12 Ny talata 11 Nisana, dia niditra tao amin’ny tempoly indray i Jesosy mba hampianatra. Nisy mpihaino feno fankahalana teo. Nanontany an’i Jesosy toy izao ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona, raha nanisy firesahana an’ireo zavatra nataon’i Jesosy ny omalin’iny: “Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?” Tamin’ny valin-teniny, dia nanao izay hahavery hevitra azy ireo ilay Mpampianatra Lehibe, ka nitantara fanoharana telo azo alaina sary an-tsaina tsara, izay nanala sarona ny haratsiam-panahin’ireo mpanohitra azy. Momba ny tanimboaloboka ny roa amin’ireo fanoharana ireo, ary momba ny fanasana fampakaram-bady kosa ny iray. Tezitra noho izay reny ireo mpitarika ara-pivavahana ka naniry hisambotra azy. Natahotra ny vahoaka, izay nihevitra an’i Jesosy ho mpaminany, anefa izy ireo. Koa nitady hamitaka an’i Jesosy izy ireo mba hahatonga azy hilaza zavatra ho Matio 21:23–22:46.
azony isamborana azy. Nahatonga azy ireo tsy hahateny ny valin-tenin’i Jesosy.—13. Torohevitra inona no nomen’i Jesosy an’ireo mpihaino azy, mahakasika an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?
13 Koa satria nilaza ny tenany ho nampianatra ny Lalàn’Andriamanitra ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, dia nampirisika an’ireo mpihaino azy i Jesosy izao, nanao hoe: “Izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.” (Matio 23:1-3). Izany ka fanamelohana ampahibemaso mafonja! Tsy nianina tamin’izany anefa i Jesosy. Io no andro farany nandehanany tao amin’ny tempoly, ary nanambara tamim-pahasahiana fanalana sarona nifampitohitohy, izay nisesisesy toy ny kotro-baratra, izy.
14, 15. Fanamelohana henjana dia henjana inona avy no nambaran’i Jesosy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?
14 “Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy!”, hoy ny nambaran’i Jesosy inenina. Toy izany izy ireo, satria, araka ny nohazavain’i Jesosy, dia narindrin’izy ireo teo anoloan’ny olona ny Fanjakan’ny lanitra, ka tsy navelany hiditra izay niditra. Nandeha nitety ny ranomasina sy ny tany maina ireo mpihatsaravelatsihy ireo, mba hahazoany olona iray ho proselyta, nefa nataon’izy ireo ho zanaky ny fandringanana mandrakizay fotsiny ilay olona. Nanao tsirambina “izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana” izy ireo, fa nifantoka betsaka kosa tamin’ny fandoavana ny ampahafolon-karena. Raha ny marina, dia nanadio “ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia [izy ireo], nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana”, satria nafeniny tao ambadiky ny fisehoana ivelany ho tia fivavahana ny fahalovany anaty. Ankoatra izany, dia vonona hanao ny fasan’ny mpaminany sy handravaka azy ireny izy ireo, mba hanintonana ny saina ho amin’ny asa fanasoavana nataony, na dia “zanak’izay namono ny mpaminany” aza ny tenany.—Matio 23:13-15, 23-31.
15 Tsy nanana zava-tsarobidy teo amin’ny lafiny ara-panahy ireo mpanohitra an’i Jesosy. Nanameloka izany i Jesosy ka nilaza hoe: “Lozanareo, mpitarika jamba”. Jamba izy ireo raha ny amin’ny fahafantarana ny amin’izay nety sy tsy nety, satria ny volamenan’ny tempoly no nantitranteriny kokoa noho ny hasarobidin’io toeram-panompoam-pivavahana io teo amin’ny lafiny ara-panahy. Nanohy ny teniny i Jesosy, ka nanambara teny fanamelohana faran’izay mahery. “Ry bibilava, taranaky ny menarana”, hoy izy, “hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?” Eny, nilaza tamin’izy ireo i Jesosy fa hiharan’ny fandringanana mandrakizay izy ireo noho ny nanarahany lalan-dratsy. (Matio 23:16-22, 33). Enga anie isika mba hampiseho herim-po koa, eo amin’ny fanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana, na dia misy fanalana sarona ny fivavahan-diso aza tafiditra amin’izany.
16. Faminaniana lehibe inona no nomen’i Jesosy ny mpianany fony izy ireo nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva?
16 Nandao ny tempoly i Jesosy izao. Nananika ny Tendrombohitra Oliva izy sy ny apostoliny, rehefa harivariva ny andro. Rehefa nipetraka teo izy ireo, dia nanome ilay faminaniana ny amin’ny handravana ny tempoly sy ny amin’ilay famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra, i Jesosy. Mahafaoka ny hatratỳ amin’ny androntsika ny hevitr’ireo teny ara-paminaniana ireo. Nilaza toy izao tamin’ny mpianany koa i Jesosy, iny takariva iny: “Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazo fijaliana.”—Matio 24:1-14; 26:1, 2.
‘Tia ny azy hatramin’ny farany’ i Jesosy
17. a) Lesona inona no nampianarin’i Jesosy ny 12 lahy, nandritra ny Paska tamin’ny 14 Nisana? b) Fahatsiarovana ny inona no naorin’i Jesosy, taorian’ny nandefasany an’i Jodasy Iskariota?
17 Tao anatin’ireo roa andro nanaraka, izany hoe ny 12 sy 13 Nisana, dia tsy niseho ampahibemaso tao amin’ny tempoly ny tenan’i Jesosy. Ireo mpitarika ara-pivavahana dia nitady hamono azy, ary tsy nirin’i Jesosy hisy na inona na inona hanakantsakana ny fankalazany ny Paska niaraka tamin’ny apostoliny. Rehefa nilentika ny masoandro ny alakamisy, dia nanomboka ny 14 Nisana—ny andro farany niainan’i Jesosy teto an-tany tamin’ny naha olombelona azy. Iny takariva iny, dia niaraka tao amin’ny trano iray tao Jerosalema izay efa nomanina hankalazan’izy ireo ny Paska, i Jesosy sy ny apostoliny. Raha mbola niara-nankalaza ny Paska izy ireo, dia nampianatra ny 12 lahy lesona kanto ny amin’ny fanetren-tena i Jesosy, tamin’ny nanasany ny tongotr’izy ireo. Nanorina ny Fahatsiarovana ny fahafatesany i Jesosy, rehefa avy nandefa an’i Jodasy Iskariota, izay nanaiky hamadika ny Mpampianatra azy tamin’ny sekely volafotsy 30—ny vidin’andevo iray monja, araka ny Lalàn’i Mosesy.—Eksodosy 21:32; Matio 26:14, 15, 26-29; Jaona 13:2-30.
18. Fampianarana fanampiny inona avy no nomen’i Jesosy tamim-pitiavana an’ireo apostoly nahatoky 11, ary ahoana no nanomanany azy ireo ho amin’ilay fiaingany efa antomotra?
18 Taorian’ny nanorenana ny Fahatsiarovana, dia Lioka 22:24-30). Nandidy azy ireo koa hifankatia tahaka ny nitiavany azy i Jesosy. (Jaona 13:34). Raha mbola nijanonjanona tao amin’ilay efitra i Jesosy, dia nanomana tamim-pitiavana azy ireo ho amin’ilay fiaingany efa antomotra. Nanome toky azy ireo izy fa sakaizany izy ireo, nampirisika azy haneho finoana izy, ary nampanantena azy ny fanampian’ny fanahy masina. (Jaona 14:1-17; 15:15). Niangavy ny Rainy toy izao i Jesosy, talohan’ny nandaozana ilay trano: “Tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao”. Eny tokoa, nanomana ny apostoliny ho amin’ny fiaingany i Jesosy, ary azo antoka fa ‘tia ny azy hatramin’ny farany’.—Jaona 13:1; 17:1.
nanjary nifanditra mafy ireo apostoly ny amin’ny hoe iza no lehibe indrindra tamin’izy ireo. Tsy nandevilevy azy ireo i Jesosy, fa nampianatra azy ireo tamim-paharetana kosa momba ny hasarobidin’ny fanompoana ny hafa. Takatr’i Jesosy fa nifikitra taminy nandritra ny fisedrana azy izy ireo, ka nanao fanekena manokana tamin’izy ireo ny amin’ny fanjakana iray, izy. (19. Nahoana no tao anatin’ny fahorian-tsaina faran’izay mafy i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane?
19 Nety ho efa dila ela ny misasakalina rehefa tonga tao amin’ny zaridainan’i Getsemane i Jesosy sy ireo apostoliny nahatoky 11. Matetika izy no nandeha tao niaraka tamin’ireo apostoliny. (Jaona 18:1, 2). Rehefa afaka ora maromaro, dia ho faty toy ny mpanao heloka bevava maharikoriko i Jesosy. Mafy loatra ny fahorian-tsainy tamin’ny nieritreretany mialoha an’io zavatra hodiaviny io, sy ny nety hitondran’izany fahafaham-baraka ho an’ny Rainy, hany ka nanjary toy ny ra nitete tamin’ny tany ny hatsembohan’i Jesosy rehefa nivavaka izy. (Lioka 22:41-44). “Efa tonga ny ora”, hoy izy tamin’ireo apostoly. “Indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.” Raha mbola niteny izy, dia nanatona i Jodasy Iskariota, niaraka tamin’ny vahoaka be nitondra fanilo sy jiro ary fitaovam-piadiana. Tonga hisambotra an’i Jesosy izy ireo. Tsy nanohitra izy. “Raha izany”, hoy ny nohazavainy, “dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?”—Marka 14:41-43; Matio 26:48-54.
Nomem-boninahitra ny Zanak’olona!
20. a) Habibiana inona avy no nampiharina tamin’i Jesosy, taorian’ny nisamborana azy? b) Taloha kelin’ny hahafatesany, nahoana i Jesosy no nihiaka hoe: “Vita”?
20 Taorian’ny nisamborana azy, dia nampangain’ny vavolombelona nandainga i Jesosy, nomelohin’ny mpitsara niangatra, nosazin’i Pontio Pilato, noharabin’ny mpisorona sy ny vahoaka, ary nesoin’ireo miaramila sy nampijaliny. (Marka 14:53-65; 15:1, 15; Jaona 19:1-3). Tamin’ny zoma mitataovovonana, dia nofantsihina teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, ary nanaintaina tsy nisy toy izany izy rehefa nanitatra ireo ratra teo amin’ny namantsihana ny tanany sy ny tongony, ny vesatry ny vatany. (Jaona 19:17, 18). Tokony ho tamin’ny telo tolakandro, dia nihiaka mafy toy izao i Jesosy: “Vita”. Eny, vitany avokoa ny zava-drehetra tokony hataony tetỳ an-tany. Nankininy tamin’Andriamanitra ny fanahiny, ary nanondrika ny lohany izy, ka maty. (Jaona 19:28, 30; Matio 27:45, 46; Lioka 23:46). Tamin’ny andro fahatelo taorian’izay, dia nanangana ny Zanany tamin’ny maty i Jehovah. (Marka 16:1-6). Efa-polo andro taorian’ny nitsanganany, dia niakatra tany an-danitra sy nomem-boninahitra i Jesosy.—Jaona 17:5; Asan’ny Apostoly 1:3, 9-12; Filipiana 2:8-11.
21. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy?
21 Ahoana no azontsika ‘anarahana ny dian’i Jesosy’? (1 Petera 2:21). Toa azy, dia aoka isika hilofo mafy eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny asa fanaovana mpianatra, ary ho sahy sy ho be herim-po rehefa miresaka ny tenin’Andriamanitra. (Matio 24:14; 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 4:29-31; Filipiana 1:14). Aoka isika tsy hanadino na oviana na oviana ny hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana, na hanadino ny hifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara. (Marka 13:28-33; Hebreo 10:24, 25). Enga anie isika hamela ny zava-drehetra ataontsika hofehezin’ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra, sy hofehezin’ny fahafantarana fa miaina amin’ny “andro farany” isika.—Daniela 12:4.
Ahoana no Havalinao?
• Nanan-kery nanao ahoana teo amin’ny fanompoana farany nataon’i Jesosy tao amin’ny tempoly tao Jerosalema ny fahalalany fa efa akaiky ny hahafatesany?
• Inona no mampiseho fa ‘tia ny azy hatramin’ny farany’ i Jesosy?
• Manondro inona momba an’i Jesosy ireo zava-niseho tamin’ireo ora vitsivitsy farany niainany?
• Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy eo amin’ny fanompoantsika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 18]
“Tia azy hatramin’ny farany” i Jesosy