Fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra any Amin’ireo Nosy Fidji
Karazan’izay Manam-pinoana Isika
Fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra any Amin’ireo Nosy Fidji
NIRESAKA ny amin’ny lalana roa i Jesosy Kristy indray mandeha. Malalaka sady mitarika ho any amin’ny fahafatesana ny iray. Ilay faharoa kosa tery, kanefa mitarika ho any amin’ny fiainana. (Matio 7:13, 14). Mba hanampiana ny olona hifidy ilay lalana tsara, dia nampidirin’i Jehovah Andriamanitra tao anatin’ny fikasany ny hitoriana maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14). Noho izany, dia mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona hatraiza hatraiza, ary misy mifidy ny fiainana ka tonga “[karazan’izay manam-pinoana, NW] ho amin’ny famonjena ny fanahy”. (Hebreo 10:39). Manasa anao izahay hamaky ny safidy ho amin’ny fiainana nataon’ny sasany any Fidji sy ireo nosy hafa eny akaikiny, any Pasifika Atsimo.
Nitoky tamin’i Jehovah izy ireo
Mbola mpianatra i Mere fony nahare voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana, tamin’ny 1964. Noho izy nipetraka tany amin’ny nosy mitokana iray, dia tsy nanana fifandraisana firy tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah izy. Afaka nahazo fahalalana araka ny marina mahakasika ny Baiboly ihany anefa izy tatỳ aoriana. Tamin’izay fotoana izay izy dia efa nanambady lehilahy iray izay lehiben’ny fokonolona tao amin’ny tanàna nisy azy. Noho i Mere nifidy ny hiaina mifanaraka amin’ireo foto-pitsipika ara-baiboly, dia nitondra azy tamin-kalozana ny vadiny sy ireo havany, ary nohamavoin’ny mpiray tanàna taminy izy. Na izany aza, dia vita batisa izy tamin’ny 1991.
Fotoana fohy taorian’izay, dia nihanalefaka ny fihetsik’i Josua, vadin’i Mere, ary nanomboka nandray anjara tamin’ireo dinidinika momba ny Baiboly nataon’i Mere niaraka tamin’ireo zanany mihitsy aza izy. Nitsahatra tsy nandeha tany amin’ny Fiangonana Metodista i Josua. Tamin’ny naha lehiben’ny fokonolona azy anefa, dia mbola nitarika ireo fivoriam-pokonolona isan-kerinandro ihany izy. Mpivadika i Josua teo imason’ireo mponina tao amin’ilay tanàna, satria tapany tsy nisaraka tamin’ny fiainan’ny tanàna fidjianina ny Fiangonana Metodista. Noho izany, dia nampirisika mafy an’i Josua mba hiverina tamin’ny fivavahany teo aloha, ilay pastora teo an-toerana.
Nilaza tamin-kerim-po i Josua fa efa nanao ny safidiny izy mianakavy, ary tapa-kevitra ny hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24). Tamin’ny fivoriam-pokonolona nanaraka, dia nandidy an’i Josua mianakavy mba hiala teo amin’ilay tanàna, ny lehibe fara tampony, ka nandroaka azy ireo. Nomena fito andro izy ireo mba handaozana ilay nosy, ny tranony, sy ny taniny ary ny voliny, eny, ny fiveloman’izy ireo manontolo.
Nisy rahalahy ara-panahy teo amin’ny nosy hafa iray nanampy an’i Josua mianakavy, tamin’ny fanomezana azy ireo trano hipetrahana sy tany hovolena. Vita batisa ankehitriny i Josua sy ny lahimatoany, ary mpitorin’ny vaovao tsara tsy vita batisa ny zanany lahy hafa iray. I Mere kosa nirotsaka ho mpisava lalana maharitra (mpitory ilay Fanjakana manontolo andro) tsy ela akory izay. Nahatonga azy ireo hamoy toerana ambony sy fananana ara-nofo ny safidin’izy ireo hanompo an’i Jehovah, kanefa toy ny nataon’ny apostoly Paoly, dia heverin’izy ireo ho toy ny tsinontsinona izany raha ampitahaina amin’izay azon’izy ireo.—Filipiana 3:8.
Safidy mahakasika feon’ny fieritreretana
Mitaky finoana sy herim-po ny mifidy ny hanaraka feon’ny fieritreretana voataiza araka ny Baiboly. Azo antoka fa izany no nitranga tamin’i Suraang, tovovavy iray vao vita batisa, monina any Tarawa, iray amin’ireo nosy Kiribati. Mpitsabo mpanampy tao amin’ny hopitaly i Suraang, ary nangataka izy mba homen-dalana tsy hanao ny lafiny iray tamin’ny asany. Tsy nekena ny fangatahany, ary izany dia nahatonga azy ho voatendry hikarakara ny tobim-pitsaboana kely iray tany amin’ny nosy mitokana iray. Tafasaraka tamin’ny hafa izay nitovy finoana taminy izy teo amin’io nosy io.
Ao amin’io nosy io, dia fanaon’ireo vao tonga rehetra ny manao fanatitra ho an’ilay “fanahy” eo an-toe
rana. Mino ny olona fa mahafaty ny tsy fanaovana izany. Koa satria tsy neken’i Suraang ny hanaovana izany fanompoan-tsampy izany ho azy sy ho an’ny olona niaraka taminy, dia niandry ny mponina tao an-tanàna hoe hanakenda azy ilay fanahy tezitra. Rehefa tsy nisy na inona na inona nanjo an’i Suraang na ny olona niaraka taminy, dia nisokatra teo anoloany ny fahafahana maro hanao fanambarana tsara dia tsara.Tsy tapitra hatreo anefa ny fitsapana an’i Suraang. Heverin’ny tovolahy sasany ao amin’ilay nosy ho fanamby ny manangoly izay tovovavy tonga mitsidika. Nanohitra ny fanangolen’izy ireo anefa i Suraang, ary nihazona ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra. Raha ny marina, dia afaka nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra izy, na dia mpitsabo mpanampy azo nantsoina andro aman’alina aza.
Talohan’ny lanonana iray fanomezam-boninahitra an’i Suraang, rehefa niomana ny handao ilay nosy izy, dia nilaza ireo zokiolona tao an-tanàna fa izy no tena misionera voalohany nitsidika azy ireo. Noho izy nifikitra mafy tamin’ny foto-pitsipika ara-baiboly, dia nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olon-kafa tao amin’ilay nosy.
Zava-tsarotra nitaky ezaka ara-batana
Mitokana ny tanàna sasany, koa tsy maintsy manao ezaka be ny vahoakan’i Jehovah mba handraisana anjara amin’ny fanompoana sy hanatrehana ireo fivoriana kristianina. Diniho ny ohatry ny Vavolombelona vita batisa efatra, lehilahy iray sy vehivavy telo, izay manao dia an-tongotra mandroso sy miverina mandritra ny ora maro mankany amin’ireo fivoriana. Miampita ony telo izy ireo, isaky ny mandeha. Rehefa miakatra ny rano, dia milomano mankeny ampita aloha ilay rahalahy, mitarika vilany be iray misy ny kitapon’izy ireo sy ny bokiny ary ny akanjo fitondrany mivory. Avy eo izy dia miverina mba hanampy ireo anabavy telo.
Miatrika zava-tsarotra hafa ny antokon’olom-bitsy hafa iray, izay manatrika fivoriana any amin’ilay nosy mitokana atao hoe Nonouti, any Kiribati. Tsy mahazaka afa-tsy olona fito na valo ilay trano ivorian’izy ireo. Mipetraka any ivelan’ilay trano sy mitsirika avy eo amin’ireo rindriny makarakara ireo mpanatrika hafa. Mahatazana tsara ilay toeram-pivoriana ireo mponina hafa ao an-tanàna, izay avy any amin’ireo fiangonany miezinezina, sy mandeha mankany. Mazava anefa fa takatry ny mpanompon’i Jehovah fa ny olona, fa tsy ny trano akory, no tena faniry, araka ny fomba fijerin’Andriamanitra. (Hagay 2:7). Ilay hany anabavy vita batisa eo amin’ilay nosy dia zokiolona sady tsy afaka mandeha lavitra. Na izany aza, dia manampy azy eo amin’ny fanompoana ny tovovavy iray, mpitory tsy vita batisa, izay manosika azy etsy sy eroa ao anaty sarety. Tena mankasitraka ny fahamarinana tokoa izy ireo!
Tapa-kevitra ny hanohy hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo mpitory mihoatra ny 2 100 manompo any amin’ireo nosy Fidji. Ary matoky izy ireo fa mbola hisy maro kokoa ho tonga “[karazan’izay manam-pinoana, NW] ho amin’ny famonjena ny fanahy”.
[Sarintany, pejy 8]
Aostralia
Fidji