Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitalahoana Fanampiana

Fitalahoana Fanampiana

Fitalahoana Fanampiana

“NANADINO ahy Andriamanitra!”, hoy ny fihiakan’ny vehivavy brezilianina iray. Taorian’ny nahafatesan’ny vadiny tampoka, dia tsapany fa tsy nisy dikany intsony ny fiainany. Moa ve ianao efa mba nanandrana nampionona olona izay ory toy izany na angamba nitalaho fanampiana?

Manjary kivy aoka izany ny sasany ka mamarana ny fiainany, ary maromaro amin’izy ireny no tanora. Araka ilay gazety Folha de S. Paulo, dia asehon’ny fandinihana iray natao tany Brezila fa “nitombo 26 isan-jato ny famonoan-tena teo amin’ny tanora”. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Walter, * tovolahy iray any São Paulo. Tsy nanana ray aman-dreny, na trano, na fiainana manokana, na namana azony nianteherana izy. Mba hamaranana ny fahoriany, dia nanapa-kevitra ny hitsambikina avy teo amin’ny tetezana iray, i Walter.

Efa niteraka roa i Edna, reny mitaiza irery ny zanany, rehefa nihaona tamin’ny lehilahy hafa iray. Iray volana monja tatỳ aoriana, dia nanomboka niara-nipetraka tao an-tranon-drenin’ilay lehilahy izy ireo. Nanaonao spiritisma io reniny io no sady alkaolika. Niteraka iray indray i Edna, nanomboka nisotro tafahoatra, ary nanjary ketraka aoka izany, hany ka nanandrana namono tena. Farany, dia nesorina taminy ny zo hitaiza ireo zanany.

Ahoana ny amin’ireo zokiolona? Olona falifaly sy naresaka i Maria. Rehefa nihantitra anefa izy, dia nanomboka nanahy ny amin’ny asany tamin’ny naha mpitsabo mpanampy azy, satria natahotra izy sao hanao fahadisoana. Nahaketraka azy izany. Taorian’ny nanandramany nanao dokotera tena, dia nitady mpitsabo izy ary toa nahasoa azy ilay fitsaboana azony. Rehefa namoy ny asany anefa izy teo amin’ny faha-57 taonany, dia azon’ny fahaketrahana mafy indray, hany ka tsy tafavoaka intsony izy. Nanomboka nieritreritra ny hamono tena i Maria.

“Tokony ho 10 isan-jaton’ny olona ketraka no manandrana mamono tena”, hoy ny Profesora José Alberto Del Porto, ao amin’ny Oniversiten’i São Paulo. “Sarotra inoana ny hoe maro kokoa ny olona maty namono tena noho ny maty novonoin’ny olona, kanefa zava-misy mampalahelo izany”, hoy ny tatitra nataon’ny Dr. David Satcher, minisitry ny fahasalamana amerikanina.

Indraindray, dia fitalahoana fanampiana, raha ny marina, ny fanandramana hamono tena. Ary tsy isalasalana fa maniry hanao izay mety ho an’ilay namoy fo, ny havana aman-tsakaiza. Mazava ho azy fa tsy hanampy ny fampiasana teny toy ny hoe: “Aoka izay ny fitseran-tena”, “Olona maro aza ange no mbola mizaka ny mafy noho ianao e!” na, “Samy mandalo fotoan-tsarotra daholo isika rehetra tsindraindray”. Nahoana kosa raha mampiseho ny tenanao ho tena namana sy ho olona mihaino tsara? Eny, miezaha hanampy ilay olona kivy mba hahita fa mendrika ny hiainana ny fiainana.

Hoy ilay mpanoratra frantsay iray atao hoe Voltaire: “Ny olona vonton’alahelo izay mamono tena anio, dia ho naniry ho velona raha niandry herinandro.” Koa ahoana àry no ahafahan’ny olona mamoy fo mahita fa misy vidiny ny fiainana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 3]

Tanora sy olon-dehibe mitombo isa hatrany no mamono tena

[Sary, pejy 4]

Ahoana no ahafahanao manampy olona iray namoy fo?