Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tokony Hahafoy Tena?

Nahoana no Tokony Hahafoy Tena?

Nahoana no Tokony Hahafoy Tena?

Loham-pianakaviana iray 50 taona eo ho eo i Bill, ary mpampianatra teknolojian’ny fanorenana no asany. Mandritra ny taona, dia mianto-tena izy mandany herinandro maromaro, manampy amin’ny fanaovana planina sy fanorenana Efitrano Fanjakana ho an’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpitovo nahita fianarana sady manam-pahaizana i Emma, 22 taona. Tsy mikatsaka zava-kendrena, na fahafinaretana ho an’ny tenany manokana izy, fa mandany 70 ora mahery isam-bolana kosa mba hitoriana, hanampiana ny olona hahafantatra ny Baiboly. Efa misotro ronono i Maurice sy i Betty. Tsy manao izay hampiadanan-tena izy ireo izao, fa nifindra tany an-tany hafa kosa mba hanampiana ny olona any hianatra mahakasika ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany.

TSY mihevi-tena ho olona manokana, na hafa kely ireo olona ireo. Olona sahala amin’ny rehetra ihany izy ireo, manao izay heveriny fa tokony hatao. Nahoana izy ireo no mampiasa ny fotoanany, ny heriny sy ny fahaizany ary ny fananany ho tombontsoan’ny hafa? Ny fitiavana lalina an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy, no manosika azy ireo. Niteraka toe-tsaina tena feno fahafoizan-tena tao amin’izy ireo tsirairay io fitiavana io.

Inona no tiantsika holazaina amin’ny hoe toe-tsaina feno fahafoizan-tena? Ny hoe mahafoy tena akory tsy mitaky ny hahatonga ny tena hihafy be na hampijaly tena eo amin’ny fiainana. Tsy voatery hahatonga antsika handa tena tafahoatra izy io, ka hoe hanala amintsika ny fifaliantsika sy ny fahafaham-pontsika. Araka ny ilazan’ny rakibolana iray azy, ny fahafoizan-tena dia midika fotsiny hoe “fampandeferana ny tombontsoa sy ny fifaliana ary ny fanirian’ny tena, noho ny adidy sy mba hahasoa ny hafa”.

Jesosy Kristy​—Ilay ohatra tsara indrindra

I Jesosy Kristy, ilay zanak’Andriamanitra lahitokana, no ohatra tsara indrindra ny amin’ny olona nanana toe-tsaina feno fahafoizan-tena. Tsy maintsy ho faran’izay nampientana sy nahafa-po ny fiainany talohan’ny naha olombelona azy. Nanana fifandraisana akaiky sy feno fitiavana tamin-dRainy sy tamin’ireo zavaboary ara-panahy hafa izy. Ankoatra izany, ilay zanak’Andriamanitra dia nampiasa ny fahaizany tamin’ireo asa feno zava-tsarotra sy nampientana, fony izy “mpità-marika”. (Ohabolana 8:30, 31). Azo antoka fa izy dia niaina tao anatin’ny toe-piainana ambony lavitra noho izay rehetra mety ho azon’ny olona manankarena indrindra eto an-tany ankafizina. Nanana toerana ambony sy feno tombontsoa tany an-danitra izy, teo akaikin’i Jehovah Andriamanitra.

Na izany aza, ilay zanak’Andriamanitra dia ‘nanafoana ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona’. (Filipiana 2:7). Nampandeferiny an-tsitrapo ny tombontsoany manokana rehetra, rehefa tonga olombelona izy, ka nanolotra ny ainy ho sorona mba hikosehana ny fanimbana nentin’i Satana. (Genesisy 3:1-7; Marka 10:45). Ny dikan’izany dia hoe tonga mba hiaina eo anivon’olombelona mpanota, eo amin’ny tontolo iray fehezin’i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19). Midika koa izany hoe miaritra izay zavatra manorisory na tsy tiana manokana. Na inona anefa na inona vidin’izany tamin’i Jesosy Kristy, dia tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’ny Rainy izy. (Matio 26:39; Jaona 5:30; 6:38). Nitsapa ny fitiavana sy ny tsy fivadihan’i Jesosy hatramin’ny fetra farany izany. Hatraiza ny fahavononany? “Nanetry tena” izy, hoy ny apostoly Paoly, “ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana”.​—Filipiana 2:8.

“Aoka ho ao aminareo izao saina izao”

Ampirisihina isika, mba hanaraka ny ohatr’i Jesosy. “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa”, hoy i Paoly nampirisika. (Filipiana 2:5). Ahoana no azontsika anaovana izany? Fomba iray ny hoe: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” (Filipiana 2:4). “Tsy mitady ny azy” ny tena fitiavana.​—1 Korintiana 13:5.

Matetika ny olona be fiahiana no manokan-tena tsy amim-pitiavan-tena hanompo ny hafa. Tsy mahalala afa-tsy ny tenany anefa ny olona ankehitriny. Ny izaho aloha no toe-tsain’izao tontolo izao. Mila mitandrina isika amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao, satria raha vitany ny mamolavola ny fomba fijerintsika sy ny fihetsitsika, dia azo inoana fa hataontsika ho zava-dehibe indrindra ny faniriantsika manokana. Amin’izay, dia ny fiahiana izay hahasoa ny tena ihany no hifehy ny zava-drehetra ataontsika, dia ny fomba andaniantsika ny fotoanantsika, na ny herintsika, na ny fananantsika. Ilaintsika, araka izany, ny miady mafy amin’io fitaomana io.

Na dia ireo tolo-kevitra noheverina hahasoa aza indraindray dia mety hamono ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena ananantsika. Rehefa takatr’i Petera hoe hitondra ho aiza ny fahafoizan-tenan’i Jesosy, dia hoy izy: “Sanatria aminao izany, Tompoko!” (Matio 16:22). Toa sarotra tamin’i Petera ny hanaiky fa vonona ho tonga hatramin’ny fahafatesana i Jesosy, ho tombontsoan’ny fiandrianan’ny Rainy sy ho famonjena ny taranak’olombelona. Izany no nanandramany handresy lahatra an’i Jesosy tsy hanaraka io lalana io.

‘Aoka ianao handa ny tenanao’

Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy nanoloana izany? Hoy ilay fitantarana: “Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.” Avy eo dia nantsoin’i Jesosy ho eo aminy ny vahoaka sy ny mpianany, ka hoy izy: “Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.”​—Marka 8:33, 34.

Telopolo taona teo ho eo taorian’ny nanomezan’i Jesosy an’io fananarana io, dia nasehon’i Petera fa takany amin’izay ny dikan’ny hoe mahafoy tena. Tsy nampirisika ny mpiray finoana taminy mba hampiadan-tena sy ho tsara fanahy amin’ny tenany i Petera, fa nampirisihiny kosa izy ireo mba hanomana ny sainy hiasa ka tsy hanaraka intsony ny filany fahiny araka an’izao tontolo izao. Tokony hapetrany eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, na dia eo aza ny fisedrana.​—1 Petera 1:6, 13, 14; 4:1, 2.

Ny lalam-pitondran-tena mahafa-po indrindra azontsika arahina dia ny fanomezana izay ananantsika rehetra ho an’i Jehovah, sy ny fanarahana amim-pahatokiana an’i Jesosy Kristy, ary ny famelana an’Andriamanitra hitarika izay ataontsika. Namela ohatra tsara dia tsara tamin’io lafiny io i Paoly. Ny fahatsapany fahadodonana sy ny fankasitrahany an’i Jehovah dia nanosika azy hampandefitra ny faniriana na zavatra antenaina teo amin’izao tontolo izao, izay mety ho nampivily azy tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra. “Ary izaho”, hoy izy, “dia faly indrindra handany sy holanina” mba hikarakarana ny tombontsoan’ny hafa. (2 Korintiana 12:15). Nampiasa ny fahaizany i Paoly, mba hampandrosoana ny tombontsoan’Andriamanitra, fa tsy ny tombontsoan’ny tenany.​—Asan’ny Apostoly 20:24; Filipiana 3:8.

Ahoana no azontsika andinihan-tena mba hahitana raha manana fomba fijery toa an’i Paoly isika na tsia? Azontsika atao ny manontany tena toy izao: Ahoana no ampiasako ny fotoanako, ny heriko sy ny fahaizako ary ny fananako? Ampiasaiko mba hampandrosoana ny tombontsoan’ny tenako fotsiny ve ireny sy ny fanomezana sarobidy hafa, sa ampiasaiko mba hanampiana ny hafa? Efa nieritreritra ny handray anjara feno kokoa amin’ny asa famonjena aina hitoriana ny vaovao tsara ve aho, angamba ho tonga mpitory ilay Fanjakana manontolo andro? Afaka miditra lalindalina kokoa amin’ny asa toy ny fanorenana, na fikarakarana Efitrano Fanjakana ve aho? Manararaotra ireo fahafahana hanampy izay sahirana ve aho? Ny tsara indrindra avy amiko ve no omeko an’i Jehovah?​—Ohabolana 3:9.

“Mahasambatra kokoa ny manome”

Tena fahendrena ve anefa ny fahafoizan-tena? Tena izany tokoa! Fantatr’i Paoly avy tamin’ny zavatra niainany fa mitondra valisoa tondraka ny toe-tsaina toy izany. Nitondra fahasambarana lehibe sy fahafaham-po manokana tsy hay lazaina ho azy izany. Nohazavainy tamin’ireo loholona tany Efesosy izany, rehefa nihaona tamin’izy ireo tany Mileto izy. Hoy i Paoly: “Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa hianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’ ’’ (Asan’ny Apostoly 20:35). Olona an-tapitrisany maro no nahita fa mitondra fahasambarana lehibe dieny izao ny fanehoana io karazana toe-tsaina io. Hitondra fifaliana koa izany amin’ny hoavy, rehefa hovalian’i Jehovah soa ireo izay nanao ny tombontsoan’i Jehovah sy ny an’ny hafa ho eo alohan’ny azy.​—1 Timoty 4:8-10.

Rehefa nanontaniana an’i Bill ny antony iezahany mafy hanampy ny hafa hanorina Efitrano Fanjakana, dia hoy izy: “Manome ahy fahafaham-po lehibe ny fanampiana amin’izany fomba izany ireo atao hoe kongregasiona kely. Mahafinaritra ahy koa ny mampiasa izay fahaizako na fahazaran-draharaha ananako mba hahasoa ny hafa.” Nahoana i Emma no nifidy ny hanokana ny heriny sy ny fahaizany hanampiana ny hafa hianatra ny fahamarinana araka ny Soratra Masina? “Tsy ao an-tsaiko mihitsy ny hanao zavatra hafa. Ta hanao zavatra betsaka araka izay azoko atao fotsiny aho mba hampifaliana an’i Jehovah sy hanampiana ny hafa, dieny izaho mbola tanora sy afaka manao izany. Tsy dia manao ahoana loatra ny nanaovako sorona tombontsoa ara-nofo sasany. Izay tokony ho nataoko ihany no ataoko, rehefa jerena izay nataon’i Jehovah ho ahy.”

Tsy manenina i Maurice sy i Betty nampandefitra ny fiainana mampiadana, taorian’ny taona maro niasana mafy hitaizana sy hamelomana ny fianakaviany. Izao izy ireo efa misotro ronono izao, dia ta hanao zavatra mahasoa sy misy heviny amin’ny fiainany izy. “Tsy te hipetraka fotsiny sy haka aina izahay izao”, hoy izy ireo. “Manome anay fahafahana hanao zavatra misy heviny, ny fanampiana ny hafa hianatra momba an’i Jehovah, any amin’ny tany hafa.”

Tapa-kevitra ny hahafoy tena ve ianao? Tsy ho mora izany. Miady foana ny faniriantsika olombelona tsy lavorary sy ny faniriantsika mafy hampifaly an’Andriamanitra. (Romana 7:21-23). Ady mety hahazoana fandresena anefa izany, raha mamela an’i Jehovah hitarika ny fiainantsika isika. (Galatiana 5:16, 17). Ho tadidiny tokoa ny asa feno fahafoizan-tena nataontsika teo amin’ny fanompoana azy, ka ho tondraka ny fitahiany antsika. Tena ‘hovohan’i Jehovah Andriamanitra ho antsika tokoa ny varavaran’ny lanitra, ka hampidinany fitahiana manana amby ampy ho antsika’.​—Malakia 3:10; Hebreo 6:10.

[Sary, pejy 23]

Nanana toe-tsaina feno fahafoizan-tena i Jesosy. Ary ianao?

[Sary, pejy 24]

Nampifantoka ny fiezahany tamin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana i Paoly