Tandrovy ny Lazanao
Tandrovy ny Lazanao
MAMPAHALAZA tena ho mpanao mari-trano tena mahay ny lehilahy iray nanao ny planin’ny trano tsara tarehy iray. Malaza ho mpianatra marani-tsaina ny tovovavy iray ikoizana any am-pianarana. Na ny olona iray tsy manao na inona na inona aza dia mety hanjary halaza ho kamo. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny hananana laza tsara ny Baiboly, ka nilaza hoe: “Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.”—Ohabolana 22:1.
Ny laza tsara dia azo miandalana noho ny asa madinidinika maro, mandritra ny vanim-potoana iray. Asa feno hadalana iray monja anefa dia afaka manimba azy io. Afaka mandoto ny laza tsara, ohatra, ny fanaovana firaisana maloto indray mandeha monja. Ao amin’ny toko faha-6 amin’ny Ohabolana, boky ao amin’ny Baiboly, i Solomona Mpanjaka dia nanome fampitandremana momba ny fihetsika na fanaovan-javatra mety handoto ny lazantsika sy hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Anisan’izany ny fanekena atao tsy amim-piheverana, ny hakamoana sy ny famitahana ary ny fahalotoam-pitondran-tena, dia zavatra ankahalain’i Jehovah indrindra indrindra. Hanampy antsika hitandro ny laza tsarantsika ny fihainoana io fampitandremana io.
Afaho amin’ny fanekena natao tamin-kadalana ny tenanao
Izao no teny fanokafana ny Ohabolana toko faha-6: “Anaka, raha niantoka ny namanao hianao ary nandray tànana hiantoka ny hafa, ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao hianao sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (satria efa mby eo an-tànan’ny namanao hianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ny namanao.”—Ohabolana 6:1-3.
Io ohabolana io dia manome torohevitra momba ny fidirana amin’ny raharaham-barotry ny hafa, indrindra fa ireo olon-tsy fantatra. Tokony ‘hamonjy ny rahalahiny izay mihamalahelo sy reraka’ ara-bola tokoa ny Isiraelita. (Levitikosy 25:35-38). Nisy Isiraelita sahisahy anefa, niditra tamin’ny fandraharahana mety hahazoam-bola be. Nahazo fanohanana ara-bola izy, satria nandresy lahatra ny hafa ‘hiantoka’ azy, ka ny hafa no nanjary tompon’andraikitra tamin’ilay trosa. Mety hitranga ny toe-javatra toy izany ankehitriny. Mety hitaky mpanao sonia faharoa, ohatra, ireo fikambanana ara-bola, alohan’ny hanekeny hampisambo-bola, izay heveriny fa mety ho very. Tena tsy fahendrena tokoa ny manao maimaika fanekena toy izany ho an’ny hafa! Tena mety hamandrika antsika ara-bola izany, ary mety hahatonga antsika halaza ratsy mihitsy amin’ny banky sy ny mpampisambo-bola hafa!
Ahoana raha tra-pahasahiranana isika satria nanao zavatra iray izay toa nampiseho fahendrena Ohabolana 6:4, 5). Tsara kokoa ny miala amin’ny fanekena tsy mampiseho fahendrena rehefa azo atao izany, toy izay ho voafandrik’izany.
tamin’ny voalohany, kanefa niharihary fa hadalana rehefa tena nodinihina akaiky kokoa? Ny torohevitra dia hoe esory ny hambom-po, ary “andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ny namanao”, misisika mangataka. Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao isika mba hanitsiana ilay raharaha. Izao no lazain’ny loharanon-kevitra iray: “Andramo ny fomba rehetra mandra-pifanarakao sy ilay fahavalonao sy mandra-pandaminao ilay raharaha, mba tsy hahavoa anao na ny fianakavianao ilay fanekenao.” Ary tokony hatao tsy misy hataka andro izany, satria hoy ihany ilay mpanjaka hoe: “Aza avela hatory akory ny masonao, ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao. Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’izay mihazona azy, ary toy ny voron-kely miala amin’ny tànan’ny mpamandrika.” (Miasà mafy toy ny vitsika
“Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony, ka mba hendre”, hoy ny fananaran’i Solomona. Inona no fahendrena azontsika raisina avy amin’ny fomban’ny vitsika kely iray? Namaly ilay mpanjaka hoe: “Tsy manana komandy ireny, na mpifehy, na mpanapaka, nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.”—Ohabolana 6:6-8.
Mahagaga ny filaminan’ny vitsika, ary manaitra ny fiarahany miasa. Mandeha ho azy ao amin’izy ireo ny fanangonana sakafony ho an’ny hoavy. Tsy manana “komandy, na mpifehy, na mpanapaka” izy ireo. Marina fa eo ny vitsika mpanjakavavy, kanefa mpanjakavavy izy, satria fotsiny manatody sady renin’ilay andiany. Tsy mibaiko izy. Na dia tsy manana lehibe mampirisika hiasa sy mpanara-maso mijery ny asany aza ny vitsika, dia miasa foana tsy mety reraka.
Tsy tokony hazoto hiasa toy ny vitsika ve isika? Tsara ho antsika ny miasa mafy sy miezaka mafy hanatsara ny asantsika, na arahi-maso isika na tsia. Tokony hanao araka izay fara herintsika tokoa isika, na any am-pianarana, na any am-piasana, na rehefa mandray anjara amin’ny asa ara-panahy. Toy ireo vitsika mandray soa amin’ny asa mafy ataony, dia tian’Andriamanitra ho ‘finaritra amin’ny fisasarantsika’ koa isika. (Mpitoriteny 3:13, 22; 5:17). Feon’ny fieritreretana madio sy fahafaham-po manokana no valisoa noho ny asa mafy.—Mpitoriteny 5:11.
Mba hanairana ny kamo tamin’ny fahalainany, dia nampiasa fanontaniana roa tsy miandry valiny i Solomona: “Mandra-pahoviana no mbola handry ihany hianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ny torimasonao hianao?” Naka tahaka ny fomba fiteniny ilay mpanjaka, ka nilaza hoe: “Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, ary mbola hanohon-tànana kely hatory, dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.” (Ohabolana 6:9-11). Raha mbola mandry iny indrindra ilay kamo, dia mamely azy tampoka toy ny hafaingan’ny jiolahy ny fahantrana, ary manafika azy toy ny lehilahy mitondra fiadiana ny tsy fisiana. Tsy ela ny sahan’ny kamo dia feno sampivato sy amiana. (Ohabolana 24:30, 31). Vetivety kely dia voan’ny fatiantoka ny fandraharahany. Hafiriana no handefitra amin’ny mpiasa kamo ny mpampiasa? Ary afaka manantena ny hahazo naoty tsara any am-pianarana ve ny mpianatra iray kamo loatra ka tsy mianatra?
Manaova ny marina
Mbola nanazava tamin’ny ankapobeny ny karazam-pihetsika hafa manimba ny lazan’ny olona iray eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra i Solomona, ka nanohy ny teniny toy izao: “Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy dia ilay mandehandeha manao vava ratsy, izay mamì-maso sy manao famantarana amin’ny tongony ary manao baiko amin’ny rantsan-tànany; fahafetsena no ao am-pony, miOhabolana 6:12-14.
hevi-dratsy mandrakariva izy sady mamafy ady.”—Ny mpamitaka no lazalazaina eo. Matetika ny mpandainga no manafina ny tsy fahamarinany. Amin’ny fomba ahoana? Tsy amin’ny “vava ratsy” fotsiny, fa amin’ny fihetsiky ny vatana koa. Hoy ny nasongadin’ny manam-pahaizana iray: “Tetika famitahana maty paika ny fihetsika sy ny toe-peo ary ny endriky ny tarehy; miafina ao ambadiky ny endriky ny fahatsorana ao ny saina mamitaka sy ny toe-tsaina tia miady.” Mikotrika zava-dratsy sady mitarika fifandirana foana ny olona tsy misy ilana azy toy izany. Hanao ahoana no hiafarany?
“Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy”, hoy ilay mpanjakan’ny Isiraely. “Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.” (Ohabolana 6:15). Simba avy hatrany ny lazan’ny mpandainga iray raha vao tratra izy. Iza no mbola hatoky azy indray? Tena loza tokoa no iafarany, satria “ny mpandainga rehetra” dia ao anatin’ny lisitr’ireo izay ho faty mandrakizay. (Apokalypsy 21:8). Na ahoana na ahoana, dia aoka isika “hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra”.—Hebreo 13:18.
Ankahalao izay ankahalain’i Jehovah
Fankahalana ny ratsy—tena fanakanana antsika tsy hanao zavatra hanimba ny lazantsika tokoa izany! Tsy tokony hamboly rikoriko amin’ny ratsy ve isika araka izany? Inona marina moa no tokony hankahalaintsika? Hoy i Solomona: “Izao enina izao no halan’i Jehovah, eny, fito no ataony ho fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.”—Ohabolana 6:16-19.
Zavatra fototra ireo lafiny fito notononin’ny ohabolana, ka saika mahafaoka ny karazan-dratsy rehetra. Ny “maso miavonavona” sy ny “fo mamoron-tsain-dratsy” dia fahotana atao an’eritreritra. Ny “lela fandainga” sy izay “mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina” dia teny feno ota. “Ny tànana mandatsa-dra marina” sy ny “tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy” dia asa ratsy. Ary tena ankahalain’i Jehovah indrindra ny karazan’olona mahita fahafinaretana amin’ny fampiadiana olona izay nety ho niara-nipetraka tamim-pihavanana. Ny fitomboan’ilay isa enina lasa fito, dia toa manondro fa tsy natao ho feno ilay lisitra, satria tsy mitsahatra mampitombo ny asa ratsy mihitsy ny olombelona.
Tena mila mamboly rikoriko ny amin’izay ankahalain’Andriamanitra tokoa isika. Tsy maintsy halavirintsika, ohatra, ny “maso miavonavona”, na izay mety ho endriky ny fieboeboana. Tena tokony hohalavirina koa ny fifosana olona, satria mety ho mora miteraka “ady ao amin’ny rahalahy” izany. Rehefa manaparitaka siosion-dresaka feno haratsiam-panahy isika, na fanakianana tsy marim-pototra, na lainga, dia angamba tsy “mandatsa-dra marina”, nefa azo antoka kosa fa manimba ny laza tsaran’ny olona iray.
‘Aza maniry ny hatsaran-tarehiny’
Nanomboka ny tapany nanaraka tamin’ny toroheviny i Solomona tamin’ny filazana hoe: “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. Afatory amin’ny fonao mandrakariva ireo, ary afehezo eo am-bozonao”. Nahoana? “Raha mandeha hianao, dia hitari-dàlana anao ireo; raha mandry hianao, dia hiambina anao; ary raha mifoha hianao, dia hamelona eritreritra anao.”—Ohabolana 6:20-22.
Afaka miaro antsika amin’ny fandriky ny fahalotoam-pitondran-tena tokoa ve ny fitaizana araka ny Soratra Masina? Afaka tokoa. Omena toky isika hoe: “Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, ary làlan’aina ny anatra famaizana, hiarovana anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy, ary amin’ny fandroboan’ny lelan’ny vahiny janga.” (Ohabolana 6:23, 24). Ny fitadidiantsika ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampiasantsika azy io ho ‘fanilon’ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika’, dia hanampy antsika mba hanohitra ny fanasana mandrobon’ireo vehivavy ratsy fitondran-tena, na lehilahy ratsy fitondran-tena.—Salamo 119:105.
“Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny”, hoy ilay mpanjaka hendry nananatra, “ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodimasony izy”. Nahoana? “Fa noho ny vehivavy [mpivaro-tena, “NW”] no mila tsy hananan’ny lehilahy sombi-mofo, ary ny amin’ny vadin’ny olona no mihaza ny aina soa.”—Ohabolana 6:25, 26.
Resahin’i Solomona ho toy ny mpivaro-tena ve ny vehivavy mpanitsakitsa-bady? Angamba. Na koa mety ho navahany ny vokatry ny fahalotoam-pitondran-tena amin’ny mpivaro-tena sy ny vokatry ny fanitsakitsaham-bady amin’ny vadin’ny lehilahy hafa iray. Ilay mifandray akaiky amin’ny mpivaro-tena dia mety tsy hanana afa-tsy “sombi-mofo” sisa, izany hoe hahantra tanteraka. Mety ho tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, izay mampanaintaina sy mampitondra takaitra, mihitsy aza izy, anisan’izany ny SIDA mahafaty. Ilay mitady firaisana amin’ny vadin’olon-kafa kosa, dia nahita loza kokoa, teo no ho eo ihany teo ambanin’ny Lalàna. Ny vehivavy mpanitsakitsa-bady dia mahatandindomin-doza ny “aina soa” an’ilay sakaizany tsy ara-dalàna. “Tsy ny fahafohezan’ny androm-piainana noho ny fanaranam-po tamin’ny filan’ny nofo fotsiny (...) no nampoizina”, hoy ny loharanon-kevitra iray. “Nohelohina ho faty koa ilay mpanota”. (Levitikosy 20:10; Deoteronomia 22:22). Na ahoana na ahoana, na dia tsara tarehy toy inona aza ny vehivavy toy izany, dia tsy tokony hirina mihitsy.
‘Aza mitondra afo ao an-tratran’akanjonao’
Mba hanantitranterana bebe kokoa ny loza entin’ny fanitsakitsaham-bady, dia nanontany i Solomona hoe: “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony? Misy mahadia vain’afo va, ka tsy ho may ny tongony?” Nanazava ny dikan’ilay fanoharana izy, ka nanao hoe: “Dia toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany; tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.” (Ohabolana 6:27-29). Tsy maintsy ho voasazy tokoa ny mpanota toy izany.
“Tsy avelan’ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza”, hoy ny fampahatsiahivana antsika. Na izany aza, “raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony”. (Ohabolana 6:30, 31). Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia tsy maintsy nandoa onitra ny mpangalatra iray, na dia lasan’izany avokoa aza ny fananany rehetra. * Mendrika hosazina kokoa noho izany aza ny mpanitsakitsa-bady iray, satria tsy afaka manamarina ny nataony izy!
“Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina”, hoy i Solomona. Tsy mahay mitsara zavatra ny olona iray tsy ampy saina, satria izay “ta-hanimba tena no manao izany”. (Ohabolana 6:32). Mety ho toa olona manan-kaja izy, raha jerena ivelany, nefa misy lesoka be ny fitomboan’ilay olona anaty, fa tsy araka ny tokony ho izy.
Misy vokatra hafa koa jinjain’ny mpanitsakitsa-bady. “Voakapoka sy afa-baraka izy ary tsy ho afaka amin’ny tondro-molotra. Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany. Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.”—Ohabolana 6:33-35.
Afaka manolo izay nangalariny ny mpangalatra, fa ny mpanitsakitsa-bady kosa tsy afaka hanonitra na inona na inona. Inona no azony anambatambazana ny lehilahy vady tezitra? Toa tsy hahazo fangoraham-po mihitsy ilay mpanao ratsy, na hifona toy inona aza. Tsy afaka manonitra ny fahotany mihitsy ilay mpanitsakitsa-bady. Mijanona eo foana ny tondro-molotra fahafaham-baraka manototra ny lazany. Ankoatra izany, dia tsy afaka manavotra ny tenany izy, na mividy ny fanafahana azy amin’ny sazy mendrika azy.
Tena fahendrena tokoa ny mandositra ny fanitsakitsaham-bady sy ny fitondran-tena sy fihetsika hafa izay manimba ny laza tsarantsika, sy izay mety hanala baraka an’Andriamanitra! Enga anie àry isika hitandrina mba tsy hanao fanekena amin-kadalana. Aoka handravaka ny lazantsika ny fahazotoana miasa sy ny fanaovantsika ny marina. Eo am-piezahantsika mankahala izay ankahalain’i Jehovah, dia enga anie isika hahazo laza tsara eo anatrehany sy ireo mpiara-belona amintsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 28 Araka ny Lalàn’i Mosesy, ny mpangalatra iray dia notakina mba hanonitra avo roa heny, efatra heny, na dimy heny. (Eksodosy 21:37–22:1-3). Ilay teny hoe “fito heny” dia toa manondro sazy feno, izay mety ho betsaka lavitra noho izay nangalariny.
[Sary, pejy 25]
Aoka ianao ho mailo momba ny fiaraha-manao sonia fisamboram-bola
[Sary, pejy 26]
Mazotoa miasa toy ny vitsika
[Sary, pejy 27]
Halaviro ny fifosana