Tsy ho Ela—Tontolo Iray Tsy Hisy Famoizam-poTsy ho Ela — Tontolo Iray Tsy Hisy Famoizam-po
Tsy ho Ela—Tontolo Iray Tsy Hisy Famoizam-po
MIHAMITAKY ezaka be hatrany ny fiainana, sady maro ny antony mahatonga famoizam-po. Mety ho hitantsika ho sarotra ny mifehy ny fihetseham-pontsika rehefa kivy isika. Na dia ireo olona tia ny fiainana aza dia mety hanjary ho rera-po izaitsizy! Andeha isika handinika ohatra sasantsasany.
Tamin’ny andro fahiny, dia kivy aoka izany i Mosesy mpaminany ka nilaza tamin’Andriamanitra toy izao: “Masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.” (Nomery 11:15). Raha nandositra ny fahavalony i Elia mpaminany, dia nihiaka toy izao: “Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô”. (1 Mpanjaka 19:4). Ary, hoy i Jona mpaminany: ‘Mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.’ (Jona 4:3). Tsy nisy namono tena anefa na i Mosesy, na i Elia, na i Jona. Fantatr’izy rehetra ireo ilay didin’Andriamanitra manao hoe: “Aza mamono olona.” (Eksodosy 20:13). Noho izy ireo nanana finoana natanjaka an’Andriamanitra, dia takany fa tsy misy toe-javatra tokony hampamoy fo, ary fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fiainana.
Ahoana ny amin’ireo zava-manahirana atrehintsika ankehitriny? Ankoatra ny fahoriam-po na ny zava-manahirana ara-batana, dia mety ho tsy maintsy mizaka ny fitondrana ratsy ataon’ny mpianakavy, na ny mpiara-monina, na ny mpiara-miasa isika, indraindray. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny olona feno “ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,—feno fialonana, vonoan-Romana 1:28-31). Mety hahatonga ny fiainana ho toa enta-mavesatra ny fisian’ny olona toy izany manodidina antsika isan’andro isan’andro. Ahoana no ahafahantsika manampy ireo mila fampiononana sy fahamaivamaivanana?
olona, fifandirana, fitaka, otripo,—mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra”. (Fahavononana hihaino
Mety hahatonga ny olona tsy hanana fahaiza-mandanjalanja ara-tsaina intsony, ny fahoriana sy ny fijaliana. Hoy ny lehilahy hendry iray: “Ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”. (Mpitoriteny 7:7). Koa tokony hasiana fiheverana akaiky àry ny olona iray milaza ny hamono tena. Mety hilaina hojerena avy hatrany ireo zava-manahirana mahazo azy, na ara-pihetseham-po izany, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy. Mazava fa maro samihafa ireo fitsaboana omen’ireo mpitsabo matihanina; ary ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay karazam-pitsaboana harahiny.—Galatiana 6:5.
Na inona na inona antony mahatonga ilay faniriana hamono tena, dia mety ho tena zava-dehibe ny hananana olona azo amborahana ny ao am-po, dia olona mahay manavaka sy mangoraka ary manam-paharetana. Mety ho afaka hitondra fanampiana ireo havana aman-tsakaiza vonon-kihaino. Ankoatra ny fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa sy ny hatsaram-panahy, dia tena hahasoa an’ireo namoy fo ireo hevitra mampahery avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Fanampiana ara-panahy ho an’ny ketraka
Mety ho gaga ianao hahafantatra fa afaka ny hampahery ny famakiana Baiboly. Na dia tsy boky momba ny fahasalaman’ny saina aza ny Baiboly, dia afaka manampy antsika hihevitra ny fiainana ho sarobidy, izy io. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 3:12, 13). Ankoatra ny asa mahafa-po izay manome heviny ny fiainana, dia fanomezana nomen’Andriamanitra azontsika ankafizina koa ireo zavatra tsotra toy ny rivotra madio, ny hazavan’ny andro, ny voninkazo, ny hazo ary ny vorona.
Vao mainka mankahery ny saina sy ny fo koa ny toky omen’ny Baiboly fa miahy antsika i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany. (Jaona 3:16; 1 Petera 5:6, 7). Mety ny nilazan’ny mpanao salamo hoe: “Isaorana anie ny Tompo, izay mitondra ny entantsika isan’andro isan’andro, eny, Andriamanitra izay famonjena antsika.” (Salamo 68:19). Na dia mety hahatsiaro tena ho tsinontsinona sy tsy misy vidiny aza isika, dia manasa antsika mba hivavaka aminy Andriamanitra. Matokia fa tsy hanao tsinontsinona an’izay rehetra mangataka fanampiana aminy amim-panetren-tena sy amim-pahatsorana izy.
Tsy misy afaka manantena ara-drariny fiainana tsy misy zava-manahirana, amin’izao andro izao. (Joba 14:1). Ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa dia nampiseho tamin’ny olona maro fa tsy ny famonoan-tena akory no fomba tsara handaminana ireo zava-manahirana azy ireo. Diniho fotsiny ny fomba nanampian’ny apostoly Paoly ny mpiandry tranomaizina namoy fo iray izay ‘nahatsiaro [avy tamin’ny torimasony] ka nahita ny varavaran’ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra’. Poatoizay, dia nanatsoaka hevitra io mpiandry tranomaizina io fa tsara kokoa ny famonoan-tena noho ny fahafatesana hanala baraka sy angamba hijalijaliana maharitra, noho ny tsy nanaovany ny tokony ho nataony. Niantso mafy toy izao ilay apostoly: “Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.” Tsy nianina tamin’izany teny izany fotsiny anefa i Paoly. Raha ny marina, dia nankahery an’ilay mpiandry tranomaizina izy sy i Silasy sady namaly ilay fanontaniany, nanao hoe: “Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?” Hoy ny navalin’izy mirahalahy: “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao.” Avy eo izy mirahalahy dia nitory ny tenin’i Jehovah taminy sy ny ankohonany, ka “natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy”. Nifaly indrindra sady nahita zava-kendrena vaovao teo amin’ny fiainana ilay mpiandry tranomaizina sy ny ankohonany rehetra.—Asan’ny Apostoly 16:27-35.
Amin’izao andro izao, dia maivamaivana erỳ ny tena mahafantatra fa tsy tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana akory Andriamanitra! Ampahafantarin’ny Teniny fa fanahy ratsy iray, “izay atao hoe devoly sy Satana”, no “mamitaka izao tontolo izao”. Efa ho tapitra anefa ny androny. (Apokalypsy 12:9, 12). Tsy ho ela, dia hifarana ny fahoriana rehetra nentin’i Satana sy ireo demoniany ho an’ny mponin’ny tany, rehefa hiditra an-tsehatra Andriamanitra. Amin’izay, dia hamarana tanteraka ireo antony miteraka famoizam-po sy famonoan-tena, ny tontolo vaovao iray hanjakan’ny fahamarinana, dia ilay tontolo nampanantenain’Andriamanitra.—2 Petera 3:13.
Fampiononana ho an’ireo mitalaho fanampiana
Na dieny ankehitriny aza, dia afaka manovo fampiononana avy amin’ny Soratra Masina ireo kivy. (Romana 15:4). Nihira toy izao i Davida mpanao salamo: “Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” (Salamo 51:17). Marina fa tsy afa-miala amin’ny fisedrana sasany sy amin’ny fahatsapana ny vokatry ny tsy fahalavorariana, isika. Ny fandraisana fahalalana araka ny marina momba ilay Raintsika any an-danitra tsara fanahy, sy be fitiavana, ary mahalala ny antonony, anefa, dia hanome toky antsika fa sarobidy eo imasony isika. Afaka ny ho tonga Namantsika sy Mpampianatra antsika lehibe indrindra, Andriamanitra. Tsy handiso fanantenana antsika na oviana na oviana i Jehovah Andriamanitra raha mamboly fifandraisana akaiky aminy isika. “Izaho, Jehovah Andriamanitrao”, hoy ny Mpamorona antsika, “no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.”—Isaia 48:17.
Nanampy olona maro ny fianteherana tamin’Andriamanitra. Indro misy ohatra: Efa nihaosa noho ny fahaketrahana nandritra ny fotoana naharitra i Mara, rehefa namoy ny zanany lahitokana, noho ny lozam-piarakodia. * Nivadi-po izy ary nanandrana ny hamono tena. Izao anefa izy dia mifoha maraina isan’andro mba hanao ny raharaha ao an-trano. Tia mihaino mozika sy manampy ny hafa izy. Ny fanantenana fa “hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka” dia nampihena ny ratram-po vokatry ny fahafatesana nampahonena nahazo ny zanany malalany, ary nanatanjaka ny finoany an’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 24:15). Koa satria tsy naniry na oviana na oviana ny ho tonga tahaka ny anjely any an-danitra i Mara, dia nanohina ny fony ireo teny ao amin’ny Salamo 37:11, manao hoe: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”
Niezaka mafy mba ho reny filamatra ho an’ireo zanany telo i Sandra, vehivavy brezilianina hafa iray. Niaiky toy izao izy: “Be natao loatra aho, hany ka rehefa maty tampoka ny raiko, ary hitako koa tetsy an-danin’izany fa niaraka tamin’ny vehivavy hafa ny vadiko, dia tsy mba nieritreritra akory ny hivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampy ahy aho.” Nanandrana namono tena i Sandra noho ny famoizam-po.
Inona no nanampy azy ho tafarina? Ny fankasitrahany ny zavatra ara-panahy. “Mamaky Baiboly aho isan’alina, alohan’ny hatoriako, ary miezaka aho haka sary an-tsaina ny tenako ho ao anatin’ny toe-javatra nisy an’ireo olona izay novakiko ny tantarany. Mamaky ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! koa aho, ary mahafinaritra ahy indrindra ireo tantaram-piainan’olona hita ao, satria manampy ahy hianina amin’ny tarehin-javatra misy ahy izy ireny.” Nianatra ny hilaza zavatra voafaritra tsara izy ao amin’ireo vavaka ataony, satria fantany fa i Jehovah no namany akaiky indrindra.Hoavy tsy hisy famoizam-po
Mampionona erỳ ny mahalala fa mihelina ny fijalian’olombelona! Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hifaly ireo ankizy sy olon-dehibe izay iharan’ny heloka bevava sy ny tsy rariny ary ny fitsarana an-tendrony ankehitriny. Araka ny nambara mialoha ao amin’ny salamo ara-paminaniana iray, dia ‘hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy’ i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah. Ankoatra izany, dia “hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo”. Eny tokoa, “hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany”.—Salamo 72:12-14.
Akaiky ny fotoana hahatanterahan’ireo teny ara-paminaniana ireo. Manintona anao ve ny hoe hifaly amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany ao anatin’ny toe-piainana toy izany? Raha izany no izy, dia manana antony hifaliana sy hankamamiana ny fiainana amin’ny maha fanomezana avy amin’Andriamanitra azy io, ianao. Ary raha milaza amin’ny hafa izany fampanantenana mampionona araka ny Soratra Masina izany ianao, dia mety hitondra fahasambarana lehibe eo amin’ny fiainan’ireo izay mitalaho fanampiana eto amin’ity tontolo mafy fo sy tsy manam-pitiavana ity.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 15 Novana ny anarana sasany.
[Sary, pejy 6]
Misy antony maro manome fahasambarana amin’izao andro izao
[Sary, pejy 7]
Tsy andrinao ve ny hisian’ny tontolo iray tsy hisy famoizam-po?