Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahasambarana Mandrakizay​—Any An-danitra sa eto An-tany?

Fahasambarana Mandrakizay​—Any An-danitra sa eto An-tany?

Fahasambarana Mandrakizay​—Any An-danitra sa eto An-tany?

MIANKINA voalohany indrindra amin’ny toerana onenanao ve ny fahasambaranao? Ny ankamaroan’ny olona dia hiaiky avy hatrany fa miankina bebe kokoa amin’ny anton-javatra toy ny fahasalamana tsara sy ny zava-kendrena eo amin’ny fiainana ary ny fifandraisana tsara amin’ny hafa, ny fahasambarana. Milaza izany toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asian-dromoromo.”​—Ohabolana 15:17.

Mampalahelo anefa fa ity tany fonenantsika ity dia manana tantara lava be voamariky ny fankahalana, ny herisetra, sy ny endriny hafa amin’ny faharatsiana. Ahoana kosa anefa ny amin’ny lanitra, na ny faritra ara-panahy, izay antenain’ny olona maro handehanana aorian’ny hahafatesany? Moa ve izy io toeram-piadanana feno fahasambarana sy toeram-pilaminana foana, tsy nisy korontana na inona na inona, araka ny iheveran’ny besinimaro azy?

Ampahafantarin’ny Baiboly fa Andriamanitra dia monina any an-danitra miaraka amin’ny zavaboary ara-panahy an-tapitrisany maro antsoina hoe anjely. (Matio 18:10; Apokalypsy 5:11). Lazalazaina ho “zanak’Andriamanitra” ara-panahy izy ireny. (Joba 38:4, 7). Tahaka ny olombelona, dia afaka manao izay tiany hatao koa ny anjely; tsy milina akory izy ireo. Noho izany àry, dia afaka mifidy koa ny hanao ny tsara na hanao ny ratsy izy ireo. Anjely ve dia hifidy ny hanao ny ratsy? Mety hahagaga ny sasany ny hahafantatra fa an’arivony taona maro lasa izay, dia nisy anjely maro dia maro, raha ny marina, nanota tamin’Andriamanitra, eny, nikomy taminy izy ireo!​—Joda 6.

Mpikomy tany an-danitra

Nipoitra tany amin’ny faritra ara-panahy ny ota, noho ny fikomian’ny anjely iray, izay nanjary nantsoina hoe Satana (Mpanohitra) sy Devoly (Mpanendrikendrika). Mpankatò io anjely io taloha, nefa nifidy ny hanao ratsy araka ny nahim-pony izy. Taorian’izany, dia nanjary fitaoman-dratsy ho an’ireo zavaboary ara-panahy hafa izy, hany ka maro be tamin’izy ireo no efa nanatevin-daharana an’i Satana ka nikomy tamin’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, talohan’ny Safo-drano.​—Genesisy 6:2, NW, fanamarihana ambany pejy; 2 Petera 2:4.

Tsy noroahina avy tany an-danitra avy hatrany akory ireo anjely nanota ireo. Noleferina nandritra ny an’arivony taona maro kosa ny fankanesan’izy ireo tany, na dia toa nisy fepetra ihany aza. * Rehefa tsy nilefitra intsony tamin’ireny mpanao ratsy ireny anefa Andriamanitra, dia “nazera” avy tany an-danitra izy ireny, ary haringana amin’ny farany. Avy eo, dia nisy feo tany an-danitra nanao hoe: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy.” (Apokalypsy 12:7-12). Miharihary fa tena faly be ireo anjely nahatoky, satria nafahana tamin’ireo mpanakorontana maharikoriko ireo ny lanitra, tamin’ny farany!

Rehefa heverina ireo tsipiriany tsy fantatry ny besinimaro ireo, dia miharihary fa tsy mety hisy ny tena fiadanana, rehefa tsy miraharaha ny lalàna sy ny foto-pitsipik’Andriamanitra ny zavaboary manan-tsaina. (Isaia 57:20, 21; Jeremia 14:19, 20). Etsy an-danin’izany, dia manjaka ny fiadanana sy ny filaminana, rehefa mankatò ny lalàn’Andriamanitra ny rehetra. (Salamo 119:165; Isaia 48:17, 18). Koa raha tia sy mankatò an’Andriamanitra ny olombelona rehetra ary mifankatia, tsy ho fonenana tena hahafinaritra sy hahasambatra ve ny tany? Mamaly hoe eny ny Baiboly!

Ahoana kosa anefa ny amin’ireo izay mandà amim-pitiavan-tena tsy hanova ny lalan-dratsiny? Moa ve izy ireo hanakorontana mandrakizay ny fiadanan’ireo izay tena maniry hanao ny sitrapon’ Andriamanitra? Tsia, nanao zavatra Andriamanitra nanoloana ireo anjely ratsy tany an-danitra, ary hanao zavatra koa izy manoloana ireo ratsy fanahy eto an-tany.

Tany voadio

“Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro”, hoy Andriamanitra. (Isaia 66:1). Fara tampony eo amin’ny fahamasinana Andriamanitra ka tsy hamela ny ‘fitoeran-tongony’ ho voaloton’ny faharatsiana tsy hisy farany. (Isaia 6:1-3; Apokalypsy 4:8). Tsy misy hafa amin’ny nanadiovany ny lanitra tsy hisy an’ireo fanahy ratsy, dia hanaisotra amin’ny tany ny ratsy fanahy rehetra koa izy, araka ny asehon’ireto andalan-teny ao amin’ny Baiboly manaraka ireto:

“Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.”​—Salamo 37:9.

“Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”​—Ohabolana 2:21, 22.

“Zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny”.​—2 Tesaloniana 1:6-9.

“Mandalo izao fiainana izao [ny an’ny olombelona ratsy fanahy] sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”​—1 Jaona 2:17.

Hiadana hatrany ve ny tany?

Na dia asehon’ny Soratra Masina mazava tsara aza fa manam-petra ny fileferan’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy, ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa tsy hiverina indray ny faharatsiana rehefa avy nofoanana? Tsy ela taorian’ilay Safo-drano tamin’ny andron’i Noa manko, dia nirongatra indray ny faharatsiana, hany ka tsy maintsy nampandamòka ny teti-dratsin’olombelona Andriamanitra tamin’ny nampisafotofotoana ny fitenin’izy ireo.​—Genesisy 11:1-8.

Ny antony lehibe indrindra atokisantsika fa tsy hipoitra intsony ny faharatsiana, dia satria tsy hotapahin’olombelona intsony ny tany, tahaka izay nitranga fotoana fohy taorian’ny Safo-drano. Hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa izy io. Io Fanjakana io, izay manapaka avy any an-danitra, no ho hany fitondram-panjakana eto an-tany. (Daniela 2:44; 7:13, 14). Hanao zavatra faingana izy io hanoherana an’izay rehetra manandrana mampiditra indray ny faharatsiana. (Isaia 65:20). Raha ny marina, dia handringana ilay loharanon’ny faharatsiana mihitsy izy io amin’ny farany, izany hoe handringana an’i Satana Devoly, miaraka amin’ireo demonia, dia ireo anjely ratsy nanaraka azy.​—Romana 16:20.

Fanampin’izany, dia tsy hanana antony hanahiana ny amin’ny sakafo sy ny fitafiana sy ny fialofana ary ny asa, ny olombelona. Mitarika ny sasany hanao heloka bevava tokoa mantsy ny tsy fahampian’ireo amin’izao andro izao. Eny, hovana ho paradisa iray mamokatra izay hisy zavatra tondraka ho an’ny rehetra, ny tany manontolo.​—Isaia 65:21-23; Lioka 23:43.

Ny mbola zava-dehibe kokoa aza, dia hampianatra an’ireo olom-peheziny mahakasika ny fomba fiaina amim-pihavanana ilay Fanjakana, sady hanandratra azy ireo ho amin’ny ambaratonga fara tampony amin’ny fahalavorarian’olombelona. (Jaona 17:3; Romana 8:21). Aorian’izay, dia tsy voatery hiady amin’ny fahalemena sy ny fironana hanota intsony ny olombelona, ka sady ho azo atao no hahafinaritra ny fankatoavana tanteraka an’Andriamanitra, toy izay nitranga tamin’i Jesosy, lehilahy lavorary. (Isaia 11:3). Raha ny marina, dia nitoetra ho tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Jesosy na dia teo anoloan’ny fakam-panahy mahery sy ny fampijaliana mafy aza​—zavatra izay tsy hisy mihitsy ao amin’ny Paradisa.​—Hebreo 7:26.

Ny antony isian’ny olona ho any an-danitra

Mpamaky ny Baiboly maro anefa no mahafantatra ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; (...) handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.” (Jaona 14:2, 3). Moa ve izany tsy manohitra ilay hevitra ny amin’ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany ho tonga paradisa?

Tsy mifanohitra akory ireo fampianarana ireo. Raha ny marina, dia mifanohana aza izy ireo. Voalohany aloha, dia milaza ny Baiboly fa voafetra ihany ny isan’ireo Kristianina mahatoky hatsangana ho zavaboary ara-panahy mba hiaina any an-danitra, satria ho 144 000 monja izy ireo. Nahoana izy ireo no omena izany valisoa mahatalanjona izany? Noho izy ireo mahaforona ilay antokon’olona hitan’i Jaona tamin’ny fahitana, izay ‘velona ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona’. (Apokalypsy 14:1, 3; 20:4-6). Raha ampitahaina amin’ireo olona an’arivo tapitrisany maro eto an-tany, dia tena “ondry vitsy” tokoa ireo 144 000. (Lioka 12:32). Ankoatra izany, noho izy ireo efa niaina tao anatin’ireo zava-manahirana fahitan’ny olombelona, dia ho afaka ‘hiara-mitondra ny fahalementsika’ tahaka an’i Jesosy izy ireo, rehefa hanara-maso ny fanarenana ny olombelona sy ny tany.​—Hebreo 4:15.

Ny tany​Fonenan’ny olombelona mandrakizay

Rehefa nanome ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Andriamanitra, dia nanomboka nanangona ireo 144 000, efa ho 2 000 taona lasa izay, ary hita fa efa feno ankehitriny io antokon’olona io. (Asan’ny Apostoly 2:1-4; Galatiana 4:4-7). Tsy noho ny fahotan’ireo 144 000 ihany anefa no nanaovana ny soron’i Jesosy, “fa noho ny an’izao tontolo izao koa”. (1 Jaona 2:2). Noho izany, dia manana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay izay rehetra maneho finoana an’i Jesosy. (Jaona 3:16). Ireo matory ao am-pasana, nefa ao anatin’ny fitadidian’Andriamanitra, dia hatsangana ho amin’ny fiainana eo amin’ny tany voadio iray, fa tsy ho any an-danitra akory. (Mpitoriteny 9:5; Jaona 11:11-13, 25; Asan’ny Apostoly 24:15). Inona no hiandry azy ireo ao?

Mamaly toy izao ny Apokalypsy 21:1-4: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona (...) Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Izahay no manao sora-mandry.) Alao sary an-tsaina ange e: olona nafahana tamin’ny fahafatesana, ary tsy hisy mandrakizay ny fanaintainana sy ny fitarainana nateraky ny fahafatesana! Amin’ny farany, dia hahatratra ny fahatanterahany be voninahitra ny fikasan’i Jehovah tany am-piandohana ho an’ny tany sy ho an’ny olombelona.​—Genesisy 1:27, 28.

Ny safidintsika: Fiainana sa fahafatesana?

Tsy nomena ny safidy ho any an-danitra na oviana na oviana i Adama sy i Eva. Ny safidy nananan’izy ireo dia ny hoe, na mankatò an’Andriamanitra dia ho velona mandrakizay eo amin’ny tany paradisa, na tsy mankatò azy dia ho faty. Nampalahelo fa nifidy ny tsy fankatoavana izy ireo ka niverina tany amin’ny ‘vovoky’ ny tany. (Genesisy 2:16, 17; 3:2-5, 19). Tsy fikasan’Andriamanitra velively ho an’ny fianakavian’olombelona amin’ny fitambarany ny hahafatesany sy ny honenany any an-danitra, rehefa avy nandalo tao am-pasana. Namorona anjely maro dia maro Andriamanitra mba hiaina any an-danitra; tsy olona efa maty sy natsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra akory ireny zavaboary ara-panahy ireny.​—Salamo 104:1, 4; Daniela 7:10.

Inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisana ny fitahiana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany? Ny dingana voalohany dia ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly Masina. “Ary izao no fiainana mandrakizay”, hoy i Jesosy tamin’ny vavaka nataony, “dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.”​—Jaona 17:3.

Ny fampiharana izany fahalalana izany no dingana hafa iray ho amin’ny fahasambarana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. (Jakoba 1:22-24). Ireo miaina mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra dia manana fahatsinjovana ny hahita maso ny fahatanterahan’ny faminaniana mampientam-po toy ilay voarakitra ao amin’ny Isaia 11:9 manao hoe: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy [ny olombelona]; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”​—Izahay no manao sora-mandry.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Mba hahitana fanazavana ny amin’ny antony nileferan’Andriamanitra tamin’ny faharatsiana tany an-danitra sy eto an-tany, dia jereo ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-70-79.

[Sary, pejy 7]

“Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”​—Salamo 37:29