Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fakana Fotoana Hamakian-teny sy Hianarana

Fakana Fotoana Hamakian-teny sy Hianarana

Fakana Fotoana Hamakian-teny sy Hianarana

“[Makà] ny fotoana azo hararaotina ho an’ny tenanareo, satria ratsy izao andro izao.”​—EFESIANA 5:16, NW.

1. Nahoana no fahendrena ny andaharantsika ny fotoanantsika, ary mampiharihary inona momba antsika ny fomba ampiasantsika azy io?

MISY milaza fa “ny fifidianana fotoana dia fitsitsiana fotoana”. Matetika ny olona iray izay manokana fotoana hentitra ho amin-javatra tsy maintsy atao, no mandray soa bebe kokoa avy amin’ny fotoana ananany. Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka hendry: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra.” (Mpitoriteny 3:1). Mitovy ny habetsaham-potoana ananantsika rehetra; anjarantsika ny mamaritra ny fomba hampiasantsika azy io. Mampiharihary mazava tsara izay heverintsika ho sarobidy indrindra ireo zavatra omentsika ny laharam-pahamehana sy ny fomba andaharantsika ny fotoanantsika.​—Matio 6:21.

2. a) Inona no nolazain’i Jesosy mahakasika izay ilaintsika ara-panahy, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra? b) Fandinihan-tena inona no ilaina hatao?

2 Voatery mandany fotoana hihinanana sy hatoriana isika, satria zavatra ilaina ara-batana izany. Ahoana kosa ny amin’izay ilaintsika ara-panahy? Fantatsika fa tsy maintsy omena fahafaham-po koa izany. Tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia nanambara toy izao i Jesosy: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy, satria azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3, NW). Izany no antony ampahatsiahivan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” antsika foana ny amin’ny maha zava-dehibe ny hanokanana fotoana hamakiana sy hianarana Baiboly. (Matio 24:45, NW). Mety hahatakatra ny maha zava-dehibe izany ianao, kanefa mety ho tsapanao fa tsy manam-potoana hianarana, na hamakiana ny Baiboly, ianao. Raha izany no izy, dia andeha hodinihintsika ny fomba rehetra hanomezana toerana bebe kokoa, eo amin’ny fiainantsika, ho an’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanaovana fianarana manokana ary ny fisaintsainana.

Fahitana fotoana amakiana sy ianarana Baiboly

3, 4. a) Torohevitra inona no nomen’ny apostoly Paoly mahakasika ny fampiasana ny fotoanantsika, ary inona no tafiditra amin’izany? b) Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nanoro hevitra antsika mba ‘haka ny fotoana azo hararaotina ho an’ny tenantsika’ izy?

3 Rehefa heverina ny fotoana iainantsika, dia hita fa mila manaraka izao tenin’ny apostoly Paoly izao isika rehetra: “Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, [amin’ny fakana ny fotoana azo hararaotina ho an’ny tenanareo, satria ratsy izao andro izao, NW]. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo.” (Efesiana 5:15-17). Mazava ho azy fa, amin’ny maha Kristianina vita fanoloran-tena antsika, io torohevitra io dia mahakasika ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika, ka tafiditra amin’izany ny fahitana fotoana ivavahana, ianarana, anatrehana fivoriana, ary itoriana amin’ny fomba feno araka izay azo atao ny “vaovao tsara momba ilay Fanjakana”.​—Matio 24:14, NW; 28:19, 20.

4 Toa mahita fahasahiranana amin’ny fanomezana toerana ho an’ny famakiana sy ny fanaovana fianarana lalina ny Baiboly, eo amin’ny fiainany, ny maro amin’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao. Miharihary fa tsy afaka manampy adiny iray amin’ny androntsika isika, noho izany, dia tsy maintsy midika ho zavatra hafa ny torohevitr’i Paoly. Amin’ny teny grika, ny teny hoe “fakana ny fotoana azo hararaotina” dia midika ho fakana ny fotoana efa natokana ho an’ny zavatra hafa. Ny dikany omen’i W. E. Vine, ao amin’ny Expository Dictionary nataony, dia hoe “fanararaotana ny fahafahana rehetra hahazoan-tsoa faran’izay betsaka, satria tsy azo averina intsony izy ireny raha vao lasa”. Avy amin’inona, na avy aiza, no hakantsika ny fotoana mety ho an’ny famakiana sy fianarana ny Baiboly?

Tsy maintsy mametra izay homentsika ny laharam-pahamehana isika

5. Nahoana isika no tokony ‘hanao izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa’, ary amin’ny fomba ahoana?

5 Manan-javatra maro hosahanina isika eo amin’ny lafiny ara-panahy, ankoatra ireo adidy aman’andraikitsika. ‘Manan-javatra be dia be hatao eo amin’ny asan’ny Tompo’ isika, amin’ny maha mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena antsika. (1 Korintiana 15:58, NW). Izany no antony nampianaran’i Paoly an’ireo Kristianina tao Filipy mba ‘hanaovan’izy ireo izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa’. (Filipiana 1:10, NW). Midika ho famerana izay homena ny laharam-pahamehana izany. Voalohany, dia tokony ho zava-dehibe kokoa foana noho ny fanahiana ara-nofo ny zavatra ara-panahy. (Matio 6:31-33). Ilaina koa anefa ny fahaiza-mandanjalanja, eo amin’ny fiantsorohana ny adidy aman’andraikitsika ara-panahy. Ahoana no hitsinjarantsika ny fotoanantsika eo amin’ny lafiny samihafa amin’ny fiainantsika kristianina? Manao tatitra ireo mpiandraikitra mpitety faritany fa, “amin’ireo zavatra lehibe kokoa” tokony hokarakarain’ny Kristianina, dia mazàna no atao tsirambina ny fianarana sy ny famakiana manokana ny Baiboly.

6. Eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fikarakarana tokantrano, inona no tafiditra amin’ny hoe fakana ny fotoana azo hararaotina?

6 Araka ny efa hitantsika, dia tafiditra ao amin’ny hoe fakana ny fotoana azo hararaotina ny “fanararaotana ny fahafahana rehetra hahazoan-tsoa faran’izay betsaka”. Noho izany, raha toa ka tsizarizary ny fahazarantsika mamaky sy mianatra ny Baiboly, dia ho tsara ny hanaovana fandinihan-tena, mba hahitana ny fomba andaniantsika ny fotoanantsika. Tokony hataontsika antom-bavaka amin’i Jehovah ny asantsika, raha toa izy io ka mitaky na mandany be loatra ny fotoana sy ny herintsika. (Salamo 55:22). Mety ho afaka hanao fanitsiana, izay hahatonga antsika hanam-potoana bebe kokoa ho an’ny zavatra lehibe mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, isika, ka tafiditra amin’izany ny fianarana sy ny famakiana Baiboly. Marina ny filazana fa tsy mety tapitra ny asan’ny vehivavy. Tsy maintsy mametra izay hataony laharam-pahamehana koa àry ireo anabavy kristianina, ary manokana fotoana voafaritra tsara mba hamakiana Baiboly sy hanaovana fianarana tsara.

7, 8. a) Aiza no ahafahana maka fotoana hamakian-teny sy hianarana? b) Inona no anton’ny fialam-boly, ary ahoana no ahafahan’ny fitadidiana izany hanampy antsika hametra izay ataontsika laharam-pahamehana?

7 Amin’ny ankapobeny, ny ankamaroantsika dia afaka maka fotoana, izay efa natokana ho an’ny fanaovan-javatra tsy tena ilaina, mba hanaovana fianarana. Mety hanontany tena toy izao isika: ‘Manao ahoana ny habetsahan’ny fotoana laniko hamakiana boky aman-gazety, hijerena ireo fandaharana ao amin’ny televiziona, hihainoana mozika, na hanaovana lalao vidéo? Mandany fotoana betsaka kokoa eo anoloan’ny ordinatera, noho ny famakiana ny Baiboly, ve aho?’ Nilaza toy izao i Paoly: “Aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo.” (Efesiana 5:17). Hita fa ny fijerena televiziona be loatra no antony lehibe iray tsy ahafahan’ny Vavolombelona maro manokana fotoana ampy, mba hanaovana fianarana manokana sy hamakiana Baiboly.​—Salamo 101:3; 119:37, 47, 48.

8 Mety hilaza ny sasany fa tsy afaka mianatra amin’ny fotoana rehetra izy ireo, ary mila miala voly. Na dia misy maha marina an’izany aza, dia mety ho tsara ny handinihana ny habetsahan’ny fotoana lany hialana sasatra, raha oharina amin’ny fotoana lany hanaovana fianarana, na hamakiana ny Baiboly. Mety hahagaga ny vokatra azo. Tsy maintsy hazonina amin’ny toerana tokony hisy azy ny fialam-boly sy ny fialan-tsasatra, na dia tena ilaina aza izy ireo. Ny hamelombelomana antsika, ka hahavonona indray amin’ny asa ara-panahy, no anton’izy ireny. Mahatonga ny olona iray ho reraka be ny maro amin’ireo fandaharana ao amin’ny televiziona sy ny lalao vidéo, kanefa kosa mamelombelona sy manome tanjaka ny famakiana sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra.​—Salamo 19:7, 8.

Ny fomba ahitan’ny sasany fotoana ianarana

9. Tombontsoa inona avy no raisina amin’ny fanarahana ny torohevitra omena ao amin’ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro​1999?

9 Nilaza toy izao ny sasin-teny tao amin’ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro tamin’ny 1999: “Ho faran’izay handraisan-tsoa raha amin’ny maraina no handinihana ny andinin-teny sy ny fanazavana ho an’ny andro avy ato amin’ity bokikely ity. Toy ny hoe i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe, no mamoha anao amin’ny alalan’ny fampianarany. Voalaza ara-paminaniana ho nandray soa avy amin’ny fampianaran’i Jehovah isa-maraina i Jesosy Kristy: ‘Ampandrenesin[’i Jehovah] isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay.’ Nahatonga an’i Jesosy hanana ‘ny lelan’ny efa mahay’ izany fampianarana izany, mba ‘hahaizany hanao teny hampahatanjaka izay reraka’. (Isaia 30:20; 50:4; Matio 11:28-30). Ny famohazana anao isa-maraina mba hahazo torohevitra ara-potoana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy vitan’ny hoe hanampy anao hiatrika ny olana mahazo ny tenanao manokana fotsiny, fa hanome anao koa ny ‘lelan’ny efa mahay’ mba hanampianao ny hafa.” *

10. Ahoana no ahitan’ny sasany fotoana hanaovana famakiana Baiboly sy fianarana, ary soa inona no noraisiny tamin’izany?

10 Kristianina maro no manaraka an’io torohevitra io, amin’ny famakiana ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny fanazavana miaraka aminy, ary amin’ny famakiana, na fianarana vao maraina, ny Baiboly. Mifoha vao maraina, isan’andro, ny mpisava lalana mahatoky iray any Frantsa, ka mandany 30 minitra amakiana ny Baiboly. Ahoana no nahafahan’io anabavy io nanao izany, tao anatin’ireo taona maro lasa? Nilaza toy izao izy: “Antony lalina no manosika ahy, ary manaja ny fandaharam-potoana famakiako Baiboly aho, na inon-kidona na inon-kihatra!” Na fotoana inona na fotoana inona no fidintsika, ny zava-dehibe dia ny hanajantsika ny fandaharam-potoanantsika. Nilaza toy izao i René Mica, izay mpisava lalana tany Eoropa sy Afrika Avaratra nandritra ny 40 taona mahery: “Hatramin’ny 1950, dia nataoko tanjona ny hamaky ny Baiboly manontolo ao anatin’ny herintaona, ary efa nahavita izany in-49 aho izao. Tsapako fa zava-dehibe eo amin’ny fihazonako fifandraisana akaiky amin’ilay Mpamorona ahy izany. Ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra dia manampy ahy hahatakatra tsaratsara kokoa ny fitiavan’i Jehovah ny rariny sy ireo toetra tsarany hafa, ary loharanon-kery sarotra inoana izany.” *

“Anjara hanina amin’ny fotoana”

11, 12. a) “Anjara hanina” ara-panahy inona no nomena tamin’ny alalan’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky”? b) Ahoana no nanomezana ny “anjara hanina” amin’ny fotoana?

11 Mahasalama tsara ara-batana ny mizatra misakafo amin’ny fotoana tsy miovaova, ary toy izany koa fa mahatsara ny fahasalamana ara-panahy ny fananana fandaharam-potoana tsy miovaova hianarana sy hamakiana Baiboly. Ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, dia mamaky izao tenin’i Jesosy izao isika: “Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ny fotoana?” (Lioka 12:42). Nomena tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana, efa 120 taona mahery izao, ary koa ao amin’ny boky sy zavatra vita an-tsoratra hafa miorina amin’ny Baiboly, ny “anjara hanina amin’ny fotoana” eo amin’ny lafiny ara-panahy.

12 Mariho ilay teny hoe “amin’ny fotoana”. Tamin’ny fotoana nety no nitarihan’i Jehovah, ilay “Mpampianatra Lehibe Indrindra” (NW), ny vahoakany, tamin’ny alalan’ny Zanany sy ny kilasin’ny mpanompo, raha ny amin’ny foto-pampianarana sy ny fitondran-tena. Toy ny hoe nisy feo henontsika rehetra, nilaza tamintsika toy izao: “Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:20, 21). Ambonin’izany, rehefa mamaky amim-pitandremana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra miorina amin’ny Baiboly ny isam-batan’olona, dia matetika izy no mahatsapa fa natao ho azy mihitsy ny hevitra voarakitra ao. Eny, tonga amin’ny fotoana ho antsika ny torohevitra sy ny fitarihan-dalana tsara, ka mahatonga antsika hahatohitra fakam-panahy sy handray fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena.

Mambole fahazarana mamahan-tena tsara

13. Inona avy no sasany amin’ireo fahazarana mamahan-tena ara-panahy amin’ny fomba tsizarizary?

13 Mila manana fahazarana mamahan-tena tsara isika, mba handraisan-tsoa amin’ny fomba feno amin’io “anjara hanina” io. Tena ilaina ny hananana fandaharam-potoana tsy miovaova hamakiana Baiboly sy hanaovana fianarana manokana, ary hanajana izany. Manana fahazarana mamahan-tena ara-panahy tsara sy fandaharam-potoana tsy miovaova hanaovana fianarana manokana lalina, ve ianao? Sa ianao mijery maimaika fotsiny an’ireo zavatra izay nokarakaraina tamim-pitandremana ho antsika, ka amin’ny heviny ara-panoharana dia toy ny mandrapadrapaka hanina fotsiny, na minia tsy misakafo mihitsy indraindray? Ny fahazarana namahan-tena ara-panahy tamin’ny fomba tsizarizary dia nahatonga ny sasany ho tsy natanjaka tamin’ny finoana​—ka lavo mihitsy aza.​—1 Timoty 1:19; 4:15, 16.

14. Nahoana no andraisan-tsoa ny fandinihana amim-pitandremana ny zavatra izay toa efa mahazatra?

14 Mety hahatsapa ny sasany fa efa fantany ireo foto-pampianarana fototra, ary koa fa tsy mitondra tena zava-baovao ho azy intsony ireo lahatsoratra rehetra. Noho izany, ny fianarana voalamina sy ny fanatrehana fivoriana dia tsy tena ilaina intsony. Asehon’ny Baiboly anefa fa mila ny hampahatsiahivina ireo zavatra efa nianarantsika isika. (Salamo 119:95, 99; 2 Petera 3:1; Joda 5). Ny mpahandro mahay iray dia afaka manao sakafo samy hafa tsiro avy amin-javatra mitovy ihany, ary toy izany koa fa ny kilasin’ny mpanompo dia manomana sakafo ara-panahy mahavelona amin’ny fomba isan-karazany. Na dia ao amin’ny lahatsoratra mivaofy foto-kevitra efa nojerena matetika teo aloha aza, dia misy lafin-javatra tsara kokoa izay tsy ho tiantsika havela handalo fotsiny. Ny zava-misy dia hoe: Izay raisintsika avy amin’ireo zavatra vakintsika dia miankina betsaka amin’ny fotoana lanintsika sy ny fiezahana ataontsika amin’ny fianarana azy io.

Ireo soa ara-panahy azo avy amin’ny famakian-teny sy ny fianarana

15. Ahoana no anampian’ny famakiana sy ny fianarana ny Baiboly antsika ho tonga minisitry ny Tenin’Andriamanitra tsaratsara kokoa?

15 Maro ny soa raisintsika avy amin’ny famakiana sy ny fianarana ny Baiboly. Mahazo fanampiana isika mba hiantsorohana ny iray amin’ny andraikitra kristianina fototra nomena antsika, dia ny mba hahatongavan’ny tsirairay avy amintsika ho “mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana”. (2 Timoty 2:15). Ho feno ireo fomba fihevitr’Andriamanitra ny fisainantsika, arakaraka ny amakiantsika sy ianarantsika ny Baiboly. Avy eo isika dia ho toa an’i Paoly, ho afaka ‘hanjohy hevitra miaraka amin’ny olona avy amin’ny Soratra Masina, ka hanambara sy haneho’ ny fahamarinana mahatalanjon’ny fikasan’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 17:2, 3, NW). Hihatsara ny fahaizantsika mampianatra, ary hampandroso ara-panahy bebe kokoa ny dinidinika sy ny resaka ary ny torohevitsika.​—Ohabolana 1:5.

16. Amin’ny ahoana ny tenantsika manokana no mandray soa avy amin’ny famakiana sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra?

16 Ankoatra izany, ny fotoana atokana handinihana ny Tenin’Andriamanitra dia hanampy antsika hampifanaraka, amin’ny fomba feno kokoa, ny fiainantsika amin’ny lalan’i Jehovah. (Salamo 25:4; 119:9, 10; Ohabolana 6:20-23). Izy io dia hanatanjaka ireo toetra ara-panahintsika, toy ny fanetren-tena sy ny tsy fivadihana ary ny fahasambarana. (Deoteronomia 17:19, 20; Apokalypsy 1:3). Rehefa ampiharintsika ny fahalalana azontsika amin’ny famakiana sy ny fianarana ny Baiboly, dia hiasa tsy misy fanakantsakanana eo amin’ny fiainantsika ny fanahin’Andriamanitra, ka hahitana firoboroboan’ny vokatry ny fanahy bebe kokoa, eo amin’izay rehetra ataontsika.​—Galatiana 5:22, 23.

17. Amin’ny ahoana ny habetsahana sy ny hatsaran’ny famakiantsika sy ny fianarantsika ny Baiboly no misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?

17 Ny zava-dehibe indrindra dia ny hoe hitondra valisoa tondraka, eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ny fakana fotoana avy amin’ny fanaovan-javatra hafa mba hamakiana sy hianarana ny Tenin’Andriamanitra. Nivavaka ho an’ireo Kristianina namany i Paoly, mba ‘hofenoina fahalalana araka ny marina ny sitrapony [ny an’Andriamanitra] amin’ny fahendrena sy ny fahazoan-kevitra ara-panahy rehetra, sy mba handeha mendrika an’i Jehovah, hampifaly azy amin’ny fomba feno’ izy ireo. (Kolosiana 1:9, 10, NW). Tahaka izany koa fa, mba ‘handehanantsika mendrika an’i Jehovah’, isika dia tsy maintsy “hofenoina fahalalana araka ny marina ny sitrapony (...) amin’ny fahendrena sy ny fahazoan-kevitra ara-panahy rehetra”. Mazava àry fa miankina be dia be amin’ny habetsahana sy ny hatsaran’ny famakiantsika sy ny fianarantsika ny Baiboly no hahazoantsika ny fitahiana sy ny fankasitrahan’i Jehovah.

18. Fitahiana inona avy no ho azontsika, raha manaraka ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 17:3 isika?

18 “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Iray amin’ireo andinin-teny fampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah indrindra io andinin-teny io, mba hanampiana ny hafa hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Azo antoka fa tsy latsa-danja amin’izany koa ny hanaovantsika isam-batan’olona an’izany. Ny fanantenantsika fiainana mandrakizay mihitsy dia miankina amin’ny fitomboantsika eo amin’ny fahalalana an’i Jehovah sy ny Zanany, i Jesosy Kristy. Ary eritrereto fotsiny ange izay dikan’izany e! Tsy hifarana na oviana na oviana ny fianarantsika misimisy kokoa momba an’i Jehovah​—ary hanana ny mandrakizay isika hianarana momba azy!​—Mpitoriteny 3:11; Romana 11:33.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

^ feh. 10 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fotoana Amakian’izy Ireo Azy Io sy ny Fomba Andraisany Soa”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana nivoaka tamin’ny 1 May 1995, pejy faha-20-21.

Fanontaniana ho Famerenana

• Mampiharihary inona ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika?

• Fanaovan-javatra inona no azo akana fotoana hamakiana sy hianarana ny Baiboly?

• Nahoana isika no tokony hitandrina ny fahazarantsika mamahan-tena ara-panahy?

• Soa inona avy no raisina avy amin’ny famakiana sy ny fianarana ny Soratra Masina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20, 21]

Hanampy antsika ‘hizara tsara ny teny fahamarinana’ ny famakiana sy ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly

[Sary, pejy 23]

Tondraka ny valisoa entin’ny fahaiza-mampifandanja ny fanaovan-javatra hafa, eo amin’ny fiainantsika be zavatra atao, sy ny fikatsahana zavatra ara-panahy