Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famakiana Baiboly​—Andraisan-tsoa Sady Mahafinaritra

Famakiana Baiboly​—Andraisan-tsoa Sady Mahafinaritra

Famakiana Baiboly​—Andraisan-tsoa Sady Mahafinaritra

“Tsy maintsy mamaky azy ity (...) andro aman-alina ianao”.​—JOSOA 1:8, NW.

1. Inona avy no soa raisina amin’ny famakian-teny ankapobe, ary indrindra amin’ny famakiana Baiboly?

FANAOVAN-JAVATRA mahasoa ny famakian-teny misy vidiny. Nanoratra toy izao ilay filozofa sady mpanao politika frantsay nantsoina hoe Montesquieu (Charles-Louis de Secondat): “Ho ahy, ny fianarana dia fanafody tsara indrindra foana nisorohako ny rikorikom-piainana. Mampisava ny fahoriako rehetra ny famakian-teny adiny iray.” Marina indrindra izany raha ny amin’ny famakiana ny Baiboly. Nilaza toy izao ny mpanao salamo: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo”.​—Salamo 19:7, 8.

2. Nahoana i Jehovah no nitsimbina ny Baiboly nandritra ireo taonjato, ary inona no antenainy hataon’ny vahoakany amin’izy io?

2 Noho izy Loharanon’ny Baiboly, i Jehovah Andriamanitra dia nitsimbina azy io, nandritra ireo taonjato, tamin’ny fanoherana mahery vaika nataon’ireo fahavalo ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana. Koa satria ny sitrapon’Andriamanitra dia hoe tokony “ho voavonjy ny karazan’olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana”, dia nataony izay hahazoan’ny olombelona rehetra mampiasa ny Teniny. (1 Timoty 2:4, NW). Tombanana ho 80 isan-jato eo ho eo amin’ny mponina maneran-tany no afaka mampiasa azy io amin’ny fiteny 100. Misy amin’ny fiteny 370 ny Baiboly manontolo, ary amin’ny fiteny sy fitenim-paritra 1 860 koa ny tapany amin’ny Soratra Masina. Maniry ny hamakian’ny vahoakany ny Teniny i Jehovah. Mitahy ireo mpanompony izay maneho fahalianana amin’ny Teniny, izany hoe izay mamaky azy io isan’andro, izy.​—Salamo 1:1, 2.

Takina amin’ny mpiandraikitra ny hamakiany ny Baiboly

3, 4. Inona no notakin’i Jehovah tamin’ireo mpanjakan’ny Isiraely, ary inona avy ireo antony nanomezana an’io fitakiana io, izay mihatra koa amin’ny loholona kristianina amin’izao andro izao?

3 Niresaka mialoha ny amin’ny fotoana izay hananan’ny firenen’ny Isiraely mpanjaka olombelona i Jehovah, rehefa nilaza hoe: “Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ireo Levita mpisorona. Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ny lalàna, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia”.​—Deoteronomia 17:18-20.

4 Mariho ny antony nitakian’i Jehovah ny hamakian’izay rehetra ho tonga mpanjakan’ny Isiraely ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra isan’andro: 1) “mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy”; 2) “mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny”; 3) “mba tsy hiviliany hiala amin’ny lalàna, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia”. Moa ve tsy ilain’ny mpiandraikitra kristianina amin’izao andro izao ny hatahotra an’i Jehovah, ny hankatò ny lalàny, ny tsy hihevi-tena ho ambony noho ireo rahalahiny, ary ny hanalavitra ny fihatahana amin’ny didin’i Jehovah? Azo antoka fa ho zava-dehibe ho azy ireo ny famakiana Baiboly isan’andro, toy ny naha zava-dehibe izany tamin’ireo mpanjakan’ny Isiraely.

5. Inona no nosoratan’ny Fitambara-mpitantana, vao haingana, ho an’ny Komitin’ny Sampana, mahakasika ny famakiana Baiboly, ary nahoana no haneho fahendrena ny loholona kristianina rehetra raha manaraka izany torohevitra izany?

5 Manana fandaharam-potoana feno tokoa ireo loholona kristianina amin’izao andro izao, ka izany dia mahatonga ny famakiana Baiboly isan’andro ho zava-tsarotra. Lehilahy maro andraikitra sahanina avokoa, ohatra, ireo anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana maneran-tany. Na izany aza, dia nisy taratasy vao haingana, avy tamin’ny Fitambara-mpitantana, ho an’ny Komitin’ny Sampana rehetra, nanantitrantitra ny ilana hamakiana Baiboly isan’andro sy hananana fahazarana mianatra tsara. Izany, hoy ilay taratasy, dia hampitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fahamarinana, ary “hanampy antsika hihazona ny finoantsika sy ny fifaliantsika ary ny faharetantsika, mandra-pahatongan’ny farany be voninahitra”. Mahatsapa ny ilana izany koa ny loholona rehetra ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hanampy azy ireo ‘hanao zavatra amim-pahendrena’ (NW) ny famakiana ny Soratra Masina isan’andro. (Josoa 1:7, 8). Ho azy ireo indrindra no “andraisan-tsoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fanitsiana ary ho fampiofanana amin’ny rariny”, ny famakiana Baiboly.​—2 Timoty 3:16, Revised Standard Version.

Zavatra tena ilain’ny tanora sy ny antitra

6. Nahoana i Josoa no namaky tamin’ny feo avo ny tenin’ny lalàn’i Jehovah rehetra teo anatrehan’ny fokon’ny Isiraely sy ny vahiny tafavory?

6 Mbola tsy nisy kopian’ny Soratra Masina azon’ny tsirairay nampiasaina, fahiny, noho izany dia natao teo anatrehan’ny vahoaka tafavory ny famakiana Baiboly. Nanangona ireo fokon’ny Isiraely ho eo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala sy ny Tendrombohitra Gerizima i Josoa, rehefa avy nomen’i Jehovah azy ny fandresena ny tanànan’i Ay. Avy eo, dia manambara toy izao amintsika ilay fitantarana: “Namaky ny tenin’ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin’ny bokin’ny lalàna. Tsy nisy teny tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy, izay tsy novakin’i Josoa teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.” (Josoa 8:34, 35). Nila toy ny hoe nandraikitra tao am-pony sy tao an-tsainy izay fitondran-tena hitondra ny fitahian’i Jehovah sy izay hitondra ny tsy fankasitrahany, izy ireo, na tanora na antitra, na Isiraelita na vahiny. Azo antoka fa hanampy antsika amin’io lafiny io ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly.

7, 8. a) Iza no mitovy amin’“ny vahiny” amin’izao andro izao, ary nahoana izy ireo no mila ny mamaky isan’andro ny Baiboly? b) Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny “ankizy madinika”, eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, manaraka ny ohatr’i Jesosy?

7 Mitovy amin’ireo “vahiny” ireo, amin’ny heviny ara-panahy, ny mpanompon’i Jehovah an-tapitrisany maro, amin’izao andro izao. Niaina nifanaraka tamin’ny fari-pitsipik’ity tontolo ity izy ireo taloha, kanefa nanova ny fiainany izy ireo. (Efesiana 4:22-24; Kolosiana 3:7, 8). Mila mampahatsiahy ny tenany mandrakariva ny amin’ny fari-pitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ny ratsy izy ireo. (Amosa 5:14, 15). Manampy azy ireo hanao izany ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro.​—Hebreo 4:12; Jakoba 1:25.

8 Maro koa “ny ankizy madinika” eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah no nampianarin’ireo ray aman-dreniny ny fari-pitsipik’i Jehovah, kanefa dia ireo ankizy ireo mihitsy no mila miaiky fa araka ny rariny ny sitrapon’i Jehovah. (Romana 12:1, 2). Ahoana no ahafahan’izy ireo manao izany? Teo amin’ny Isiraely, dia nomena toromarika toy izao ny mpisorona sy ny loholona: “Aoka hovakinao eo anatrehan’ny Isiraely rehetra ny tenin’ity lalàna ity hihainoany azy. Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity. Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo”. (Deoteronomia 31:11-13). Naneho fahalianana mafy tamin’ny fahazoana ny hevitry ny lalàn-dRainy i Jesosy, fony izy vao 12 taona monja, raha niaina teo ambanin’ny Lalàna. (Lioka 2:41-49). Tatỳ aoriana, dia nanjary fahazarany ny nihaino ny famakiana ny Soratra Masina tao amin’ny synagoga sy nandray anjara tamin’izany. (Lioka 4:16; Asan’ny Apostoly 15:21). Ampirisihina hanaraka ny ohatr’i Jesosy ny tanora amin’izao andro izao, amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro sy amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana, izay amakiana sy ianarana ny Baiboly.

Omena ny laharam-pahamehana ny famakiana Baiboly

9. a) Nahoana isika no mila mahay mifantina izay vakintsika? b) Inona no nambaran’ilay nanorina ity gazety ity, mahakasika ireo fitaovana fianarana Baiboly?

9 Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka hendry: “Minoa anatra hianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” (Mpitoriteny 12:12). Mety ho azo atao ny manampy fa ny famakiana ireo boky maro be misy ankehitriny, dia tsy hoe manasatra fotsiny, fa mety hampidi-doza ny fomba fihevitra mihitsy, raha lazaina amim-pahatsorana. Zava-dehibe, noho izany, ny hahaizana mifantina. Ankoatra ny famakiana ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baibolintsika, dia mila mamaky ny Baiboly mihitsy isika. Izao no nosoratan’ilay nanorina ity gazety ity ho an’ny mpamaky: “Aza hadinoina na oviana na oviana fa ny Baiboly no Fari-pitsipika mifehy antsika ary na dia mety ho nomen’Andriamanitra aza ireo fanampiana atolotray, dia ‘fanampiana’ izy ireny fa tsy solon’ny Baiboly.” * Noho izany, dia sady tsy manao tsinontsinona ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly isika, no mila mamaky ny Baiboly mihitsy.

10. Ahoana no nanantitranteran’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny maha zava-dehibe ny famakiana Baiboly?

10 Tsapan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” fa ilaina izany zavatra izany, ka efa an-taonany maro izao no nampidirany ny fandaharana famakiana Baiboly ho anisan’ny tapany amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, any amin’ny kongregasiona tsirairay. (Matio 24:45, NW). Vita ao anatin’ny fito taona eo ho eo ny famakiana ny Baiboly iray manontolo amin’io fandaharana io. Mitondra soa ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo vaovao, izay mbola tsy namaky mihitsy ny Baiboly iray manontolo, io fandaharana io. Takina amin’ireo izay manatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower mba ho misionera, sy ireo izay manatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ary ireo mpikambana vaovao ao amin’ny fianakavian’ny Betela, ny hamakiana ny Baiboly manontolo ao anatin’ny herintaona. Na inona na inona fandaharana arahinao, na anao manokana izany na miaraka amin’ny fianakaviana, dia hajao izy io, ka omeo ny laharam-pahamehana ny famakiana Baiboly.

Mampiharihary inona ny fahazaranao mamaky teny?

11. Amin’ny fomba ahoana, ary nahoana isika no tokony hivelona amin’ny fanambaran’i Jehovah isan’andro?

11 Raha sahirana ianao manaraka ny fandaharam-potoananao hamakiana ny Baiboly, dia mety ho tsara ny hanontanianao tena toy izao: ‘Mety hisy fiantraikany manao ahoana eo amin’ny fahafahako mamaky ny Tenin’i Jehovah ny fahazarako mamaky teny na ny fahazarako mijery televiziona?’ Tadidio izay nosoratan’i Mosesy​—ary mbola naverin’i Jesosy​—fa “tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. (Matio 4:4; Deoteronomia 8:3). Tsy misy hafa amin’ny ilantsika hihina-mofo, na hihinam-bary isan’andro, mandritra ny androm-piainantsika, mba hamelomana ny vatantsika, dia mila mandray ny fomba fihevitr’i Jehovah isan’andro koa isika, mba hihazonana ny fahasalamantsika ara-panahy. Afaka mahazo ny fomba fihevitr’Andriamanitra isika isan’andro, amin’ny famakiana ny Soratra Masina.

12, 13. a) Ahoana no nanazavan’ny apostoly Petera tamin’ny ohatra ny tokony ho faniriana hananantsika ho an’ny Tenin’Andriamanitra? b) Ahoana no nampiasan’i Paoly ny fanoharana momba ny ronono, tamin’ny fomba hafa noho ny an’i Petera?

12 Raha mankasitraka ny Baiboly isika, ka mandray azy io “tsy (...) ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra”, dia ho voasinton’izy io isika, tsy misy hafa amin’ny zazakely maniry mafy ny rononon-dreniny. (1 Tesaloniana 2:13). Nanao io fampitahana io ny apostoly Petera, raha nanoratra hoe: “Tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena, raha tàhiny ‘nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo’ ”. (1 Petera 2:2, 3). Hampitombo ny faniriantsika mafy hamaky Baiboly isika raha tena nanandrana marina tokoa, tamin’ny zavatra niainantsika manokana, fa “tsara ny Tompo”.

13 Tsara homarihina fa samy hafa tamin’ny nampiasan’ny apostoly Paoly azy no nampiasan’i Petera, tao amin’io andinin-teny io, ilay fampitahana amin’ny ronono. Ampy an’izay ilaina rehetra eo amin’ny lafiny ara-tsakafo ny ronono, ho an’ny zazakely vao teraka. Asehon’ny fanoharan’i Petera fa ny Tenin’Andriamanitra koa dia ahitana izay rehetra ilaintsika mba ‘hitomboana ho amin’ny famonjena’. I Paoly kosa, etsy an-danin’izany, dia mampiasa ny ronono mba hanoharana ny fahazarana misakafo tsizarizary ananan’ny sasany, izay mihambo ho olon-dehibe eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nanoratra toy izao, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina hebreo, i Paoly: “Na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy ventin-kanina. Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:12-14). Ny famakiana Baiboly amim-pitandremana dia afaka manao zavatra maro, mba hampitomboana ny fahaizantsika mandinika, sy mba hanairana ny fahazotoan-komantsika eo amin’ny lafiny ara-panahy.

Ny fomba hamakiana ny Baiboly

14, 15. a) Tombontsoa inona no atolotr’ilay Loharanon’ny Baiboly antsika? b) Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fahendren’Andriamanitra? (Manomeza ohatra.)

14 Ny famakiana Baiboly andraisan-tsoa be indrindra dia manomboka, tsy amin’ny famakiana akory, fa amin’ny fanaovana vavaka. Tombontsoa miavaka ny vavaka. Izany dia toy ny hoe hamaky boky mivaofy foto-kevitra lalina ianao, ka alohan’ny handinihanao azy, dia mangataka an’ilay nanoratra azy aloha ianao mba hanampy anao hahatakatra izay hovakinao ao. Tombon-dalana lehibe ho anao tokoa re izany! Manolotra anao io tombontsoa io i Jehovah, ilay Loharanon’ny Baiboly. Nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahiny ny mpikambana iray tao amin’ny Fitambara-mpitantana, tamin’ny taonjato voalohany: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory”. (Jakoba 1:5, 6). Mampirisika antsika foana hamaky Baiboly miampy vavaka ny Fitambara-mpitantana amin’ny andro ankehitriny.

15 Ny fahendrena dia ny fampiharana ny fahalalana. Noho izany, alohan’ny hanokafanao ny Baibolinao, dia angataho i Jehovah mba hanampy anao hahita, ao amin’ny vakiteninao, ireo lafin-javatra ilainao hampiharina eo amin’ny fiainanao manokana. Ampifandraiso amin’ny zavatra efa fantatrao ireo zava-baovao vao hitanao. Ampifanaraho amin’ny “modelin’ny teny mahasalama” nanjary nekenao izany. (2 Timoty 1:13, NW). Saintsaino ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny andro lasa, ary manontania tena ny amin’izay ho nataonao, raha ianao no tojo tarehin-javatra sahala amin’izany.​—Genesisy 39:7-9; Daniela 3:3-6, 16-18; Asan’ny Apostoly 4:18-20.

16. Fanoloran-kevitra azo ampiharina inona avy no nomena, mba hahatonga ny famakiantsika Baiboly hahitam-bokatra sy hahasoa kokoa?

16 Aza atao izay hahavitana fotsiny ny famakiana ireo pejy. Makà fotoana tsara. Mifantoha amin’izay vakinao. Rehefa misy lafin-javatra manitikitika ny sainao, dia jereo ireo fanondroana andininy hafa, raha misy izany ny Baibolinao. Raha mbola tsy mazava ihany ilay izy, dia raiso naoty, mba hanaovana fikarohana amin’ny manaraka. Eo am-pamakiana, dia mariho ireo andininy tena hitanao fa ilaina hotadidina, na raiso an-tsoratra izy ireny. Azonao atao koa ny manisy fanamarihana manokana sy andininy hafa eo amin’ny sisim-pejy. Ho an’ireo andininy izay tsapanao fa mety hilainao eny amin’ny asa fitoriana sy fampianarana, dia mariho ny teny fototra ary jereo ao amin’ny indeksa momba ny teny ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny faran’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. *

Ataovy ho fahafinaretana ny famakiana Baiboly

17. Nahoana no tokony hahafinaritra antsika ny mamaky ny Baiboly?

17 Ny mpanao salamo dia niresaka ny amin’ny lehilahy sambatra, izay ‘ao amin’ny lalàn’i Jehovah no fahafinaretany, ary ny lalàny no vakiny amin’ny feo iva andro aman’alina’. (Salamo 1:2, NW). Tsy tokony hoheverina ho zavatra manorisory ny famakiantsika Baiboly isan’andro, fa ho tena fahafinaretana kosa. Ny fitadidiana foana ny maha sarobidy ny zavatra ianarana ao no fomba iray hahatonga azy io ho mahafinaritra. Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka hendry: “Sambatra izay olona mahita fahendrena (...). Làlana mahafinaritra ny làlany, ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.” (Ohabolana 3:13, 17, 18). Tena mendrika ny hatao tokoa izany ezaka mba hahazoana fahendrena izany, satria ny lalany dia lalana mahafinaritra, mampiadana, mahasambatra, ary amin’ny farany dia mitondra ho amin’ny fiainana.

18. Inona no tena ilaina ho fanampin’ny famakiana Baiboly, ary inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Eny, mahasoa sady mahafinaritra ny famakiana Baiboly. Ampy ve anefa izany? Mamaky ny Baiboly efa hatramin’ ny taonjato maro ireo mpiangona ao amin’ny fiangonan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, ka “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina”. (2 Timoty 3:7). Mba hahatonga ny famakiantsika Baiboly hisy vokany, dia tsy maintsy ho zava-kendrentsika ny hampihatra eo amin’ny fiainantsika manokana ny fahalalana azo avy amin’izany, ary hampiasa izany eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ataontsika. (Matio 24:14; 28:19, 20). Izany dia mitaky ezaka sy fomba fianarana tsara, izay afaka ny hahafaly sy hahafa-po ihany koa, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-241.

^ feh. 16 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1995, pejy faha-16-17, “Fanipazan-kevitra mba hanatsarana ny famakianao ny Baiboly”.

Fanontaniana ho Famerenana

• Torohevitra inona, nomena ireo mpanjaka teo amin’ny Isiraely, no mbola mihatra ankehitriny amin’ireo mpiandraikitra, ary nahoana?

• Iza amin’izao andro izao no mitovy amin’“ny vahiny” sy “ny ankizy madinika”, ary nahoana izy ireo no mila mamaky ny Baiboly isan’andro?

• Fomba maro azo ampiharina inona avy no nanampian’ny “mpanompo mahatoky sy malina” antsika mba hamakiana tsy tapaka ny Baiboly?

• Ahoana no ahafahantsika tena handray soa sy fahafinaretana avy amin’ny famakiantsika Baiboly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Ireo loholona indrindra no mila mamaky ny Baiboly isan’andro

[Sary, pejy 10]

Fahazaran’i Jesosy ny nandray anjara tamin’ny famakiana ny Soratra Masina tao amin’ny synagoga