Fianarana—Mahafa-po Sady Mahafaly
Fianarana—Mahafa-po Sady Mahafaly
“Raha mitady azy (...) hianao (...), [dia] ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”—OHABOLANA 2:4, 5.
1. Ahoana no ahafahan’ny vakiteny fialam-boly hitondra fahafinaretana ho antsika?
MARO ny olona no mamaky teny noho ny fahafinaretana fotsiny. Afaka ny ho loharanom-pialam-boly mahasalama ny famakian-teny, raha zavatra mahasoa no vakina. Ankoatra ny fandaharam-pamakiany Baiboly tsy tapaka, ny Kristianina sasany dia tena mahatsapa fifaliana amin’ny famakiana tsotra fotsiny ny Salamo, ny Ohabolana, ny fitantarana ao amin’ny Filazantsara, na tapany hafa ao amin’ny Baiboly. Ny hakanton’ny fomba fiteny sy ny fomba fihevitra dia mitondra fahafinaretana lalina ho azy ireo. Ho vakiteny fialam-boly, ny hafa dia mifidy ny hamaky ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny gazety Mifohaza! sy ny tantaram-piainana hita ao, na ny zavatra vita an-tsoratra mahakasika ny tantara sy ny jeografia ary ny fandalinana ny zavaboary.
2, 3. a) Amin’ny fomba ahoana no azo ampitahana ny fanazavana ara-panahy lehibe amin’ny ventin-kanina? b) Mahafaoka inona avy ny hoe fianarana?
2 Na dia afaka ny ho endri-pialam-boly fotsiny aza anefa ny famakian-teny tsotra, dia mitaky fiezahana ara-tsaina kosa ny fianarana. Nanoratra toy izao ilay filozofa anglisy atao hoe Francis Bacon: “Natao handramana mba hitsapana ny tsirony ny boky sasany, ny hafa natao hatelina, ary misy vitsivitsy natao hotsakotsakoina sy holevonina.” Ao amin’ilay sokajiny farany no misy ny Baiboly. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “[Mahakasika azy, NW ] [i Kristy, izay naseho tandindona tamin’i Melkizedeka, mpanjaka sady mpisorona], dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo. (...) Ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:11, 14). Tsy maintsy tsakoina ny ventin-kanina, alohan’ny hitelemana sy handevonana azy. Mitaky fisaintsainana ny fanazavana ara-panahy lalina, alohan’ny handraisana sy hitadidiana azy.
3 Ny diksionera iray dia mamaritra ny “fianarana” ho “asa na asa saina atao mba hahazoana fahalalana na fahaiza-mahazo hevi-javatra amin’ny alalan’ny famakian-teny, ny famotopotorana, sns”. Zavatra maro noho ny famakian-teny maimaika fotsiny, angamba amin’ny fanipihana teny eo am-pamakiana, àry no voafaoka amin’izany. Ny fianarana dia midika ho asa sy fiezahana ara-tsaina ary fampiasana ny fahaiza-mandinika. Na dia mitaky fiezahana aza anefa ny fianarana, izany akory tsy midika fa tsy afaka ny hahafaly izy io.
Atao fahafinaretana ny mianatra
4. Araka ny nolazain’ny mpanao salamo, amin’ny ahoana ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra no afaka ny hamelombelona sy handraisan-tsoa?
4 Afaka ny hamelombelona sy hanome tanjaka ny famakiana sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Nanambara toy izao ny mpanao salamo: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, Salamo 19:7, 8). Ireo lalàna sy fampahatsiahivan’i Jehovah dia mamelombelona ny fanahintsika, manatsara ny fahasalamantsika ara-panahy, mitondra hafaliana anaty, ary mampahazava ny masontsika amin’ny fahitana mazava ny fikasana mahatalanjon’i Jehovah. Mahafinaritra tokoa izany!
mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.” (5. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny fianarana manome antsika fahafinaretana lehibe?
5 Rehefa hitantsika ny vokatra tsara avy amin’ny asantsika, dia mazàna isika no faly manao azy io. Tokony ho mailaka àry isika hampiasa ny fahalalana vao azontsika, mba hahatonga ny fianarana hahafinaritra. Nanoratra toy izao i Jakoba: “Izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany.” (Jakoba 1:25). Mitondra fahafaham-po lehibe ny fampiharana eo no ho eo an’ireo lafin-javatra nianarana. Hitondra fifaliana lehibe ho antsika koa ny fanaovana fikarohana, ho fikendrena manokana ny hamaliana izay fanontaniana napetraka tamintsika, nandritra ny asa fitoriana na fampianarana.
Fampitomboana firavoravoana amin’ny Tenin’Andriamanitra
6. Ahoana no nanehoan’ilay mpanoratra ny Salamo faha-119 ny firaiketam-pony ho an’ny tenin’i Jehovah?
6 Nilaza ny firaiketam-pony ho an’ny tenin’i Jehovah ilay mpanoratra ny Salamo faha-119, izay angamba i Hezekia fony izy mbola printsy tanora. Nilaza toy izao, tamin’ny teny miendrika tononkalo, izy: “Ny didinao no hiravoravoako; tsy hohadinoiko ny teninao. Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako (...). Hiravoravo amin’ny didinao aho, satria tiako ireny. Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; fa ny lalànao no firavoravoako. Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; ary ny lalànao no firavoravoako.”—Salamo 119:16, 24, 47, 77, 174.
7, 8. a) Araka ny loharanon-kevitra iray, inona no hevitry ny hoe “hiravoravo” amin’ny Tenin’Andriamanitra? b) Ahoana no anehoantsika ny fitiavantsika ny Tenin’i Jehovah? d) Ahoana no nanomanan’i Ezra ny tenany, talohan’ny namakiany ny Lalàn’i Jehovah?
7 Raha nanazava ilay teny nadika hoe “hiravoravo” ao amin’ny Salamo faha-119 ny diksionera iray mahakasika ny Soratra Hebreo, dia nanambara toy izao: “Mifanitsy amin’ny [matoanteny] hoe hifaly (...) sy hisaintsaina ny fampiasana azy io eo amin’ny and. 16. Izao no fizotrany: mifaly, misaintsaina, mahita fahafinaretana (...). Ny fitambaran’ireo dia toa manondro fa ny fisaintsainana misy zava-kendrena no fomba hahitan’ny olona iray fahafinaretana amin’ny tenin’i Iaveh. (...) Izany heviny izany dia mahafaoka fihetseham-po.” *
8 Eny, ny fitiavantsika ny Tenin’i Jehovah dia tokony ho avy amin’ny fontsika, ny fitoeran’ny fihetseham-po. Tokony hahita fahafinaretana amin’ny famerimberenana andalan-teny sasany vao avy novakintsika isika. Tokony hieritreritra ireo hevitra ara-panahy lalina isika, ka hifantoka tanteraka amin’izany sy hisaintsaina azy ireo. Mitaky fandinihana amim-panginana sy vavaka izany. Toa an’i Ezra, dia ilaintsika ny manomana ny fontsika ho amin’ny famakiana sy fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Izao no voasoratra mahakasika azy: “Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10). Mariho ny zava-kendrena telo nanomanan’i Ezra ny fony: mianatra, manao fampiharana manokana, ary mampianatra. Tokony hanaraka ny ohatra navelany isika.
Tapany iray amin’ny fanompoam-pivavahana ny fianarana
9, 10. a) Fomba ahoana avy no nanehoan’ilay mpanao salamo fa nisaintsaina ny Tenin’i Jehovah izy? b) Inona no dikan’ilay matoanteny hebreo nadika hoe ‘misaintsaina’? d) Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mihevitra ny fianarana ny Baiboly ho toy ny “tapany amin’ny fanompoam-pivavahana”?
9 Nolazalazain’ny mpanao salamo fa naneho fiheverana ny lalàna sy ny didy ary ny fampahatsiahivan’i Jehovah izy. Nihira toy izao izy: “Ny didinao no hosaintsainiko, ary hodinihiko ny làlanao. Hasandratro ny tànako ho amin’ny didinao, satria tiako ireny; hosaintsainiko ny didinao. Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.” (Salamo 119:15, 48, 97, 99). Inona no tafiditra amin’ny hoe ‘misaintsaina’ ny Tenin’i Jehovah?
10 Ny matoanteny hebreo nadika hoe ‘misaintsaina’ koa dia midika hoe “mihevitra, mandinika”, “mandefa eritreritra amin’ny raharaha iray”. “Ampiasaina momba ny fisaintsainana mangina ny asan’Andriamanitra (...) sy ny tenin’Andriamanitra izy io.” (Theological Wordbook of the Old Testament). Ny endriny amin’ny anarana hoe “fisaintsainana” dia manondro ny “fisaintsainan’ilay mpanao salamo”, “ny fitiavany mianatra” ny lalàn’Andriamanitra, ka izany dia toy ny “tapany amin’ny fanompoam-pivavahana”. Ny fiheverana ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny tapany amin’ny fanompoam-pivavahantsika dia mampitombo ny maha zava-dehibe azy io. Noho izany, dia tokony hatao amim-pitandremana sy miaraka amin’ny vavaka izy io. Tapany amin’ny fanompoam-pivavahantsika ny fianarana, ary atao izy io mba hanatsarana ny fanompoam-pivavahantsika.
Fikarohana lalindalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
11. Ahoana no ampihariharian’i Jehovah ireo hevi-dalina ara-panahy amin’ny vahoakany?
11 Nihiaka tamim-panajana toy izao ilay mpanao salamo: “Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.” (Salamo 92:5). Ary ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ny “zava-dalin’Andriamanitra”, izany hoe ny hevi-dalina ahariharin’i Jehovah amin’ny vahoakany ‘amin’ny alalan’ny fanahiny’ miasa eo amin’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina. (1 Korintiana 2:10, NW; Matio 24:45, NW ). Io kilasin’ny mpanompo io dia mazoto manome, ho an’ny rehetra, ny sakafo ara-panahy—“ronono” ho an’ireo vaovao, fa ho an’izay “efa lehibe” kosa dia “ventin-kanina”.—Hebreo 5:11-14.
12. Manomeza ohatra ny amin’ny “zava-dalin’Andriamanitra” nohazavain’ny kilasin’ny mpanompo.
12 Mba hahatakarana ny “zava-dalin’Andriamanitra” toy izany, dia tena ilaina ny fianarana ombam-bavaka sy ny fisaintsainana ny Teniny. Ohatra, nisy fanazavana tsara dia tsara navoaka, izay mampiseho ny fomba ahafahan’i Jehovah hanao ny rariny sady ho be famindram-po. Tsy mampihena ny fitiavany ny rariny akory ny fanehoany famindram-po; ny famindram-pon’Andriamanitra kosa dia fisehoan’ny fanaovany ny rariny sy ny fitiavany. Rehefa mitsara mpanota iray i Jehovah, dia mamaritra izy aloha raha azo atao ny haneho famindram-po miorina amin’ny sorom-panavotan’ny Zanany na tsia. Raha toa ka tsy mibebaka ilay mpanota, na mikomy, dia avelan’Andriamanitra hihatra ny rariny, satria tsy misy antony hamindrana fo. Na ahoana na ahoana, dia tsy mivadika amin’ny foto-pitsipiny ambony izy. * (Romana 3:21-26). ‘Endrey ny halalin’ny fahendren’Andriamanitra!’—Romana 11:33.
13. Ahoana no tokony hanehoantsika fankasitrahana ny “tontalin-kevitry” ny fahamarinana ara-panahy naharihary hatramin’izao?
13 Toa an’ilay mpanao salamo, dia mientam-po koa isika noho ny ilazan’i Jehovah ny heviny amintsika. Nanoratra toy izao i Davida: “Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy”. (Salamo 139:17, 18). Na dia ampahany fotsiny amin’ny hevitra tsy hita noanoa hasehon’i Jehovah mandritra ny mandrakizay manontolo aza ny fahalalantsika amin’izao andro izao, dia mankasitraka lalina ny “tontalin-kevitry” ny fahamarinana sarobidy ara-panahy naharihary hatramin’izao isika, ary manao fikarohana lalina kokoa hatrany ao amin’io tontaly, na votoatin’ny Tenin’Andriamanitra io.—Salamo 119:160.
Fiezahana sy fitaovana mandaitra ilaina
14. Ahoana no anamafisan’ny Ohabolana 2:1-6 ny ilana fiezahana eo amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra?
14 Mitaky ezaka ny fandalinana ny Baiboly. Izany dia aseho mazava tsara amin’ny famakiana amim-pitandremana ny Ohabolana 2:1-6. Mariho ireo matoanteny milaza asa nampiasain’i Solomona Mpanjaka hendry, mba hanamafisana ny fiezahana ilaina hatao mba hahazoana ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fahaiza-manavaka avy amin’Andriamanitra. Nanoratra toy izao izy: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.” Eny, mitaky fanaovana fikarohana, fandalinana, toy ny fikatsahana harena afenina, ny fianarana andraisan-tsoa.
15. Inona no fanoharana ara-baiboly manasongadina ny ilana fomba tsara enti-mianatra?
15 Mitaky fomba tsara enti-mianatra koa ny fianarana mampandroso ara-panahy. Nanoratra toy izao i Solomona: “Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy”. (Mpitoriteny 10:10). Raha mampiasa fitaovana fandidiana tsy maranitra ny mpiasa iray, na raha tsy mampiasa izany amim-pahakingana izy, dia handanilany foana ny heriny izy, ary ho tsizarizary ny asany. Tahaka izany koa fa mety hiovaova be, arakaraka ny fomba entintsika mianatra, ny soa azo avy amin’ny fotoana nolanina nianarana. Misy fanoloran-kevitra tsara dia tsara azo ampiharina, mba hanatsarana ny fomba entintsika mianatra, eo amin’ny Fianarana faha-7, ao amin’ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. *
16. Fanoloran-kevitra azo ampiharina inona avy no omena antsika, mba hanampiana antsika amin’ny fanaovantsika fianarana lalina?
16 Efa ataon’ny mpanao asa tanana vonona ireo fitaovana hilainy, alohan’ny hanombohany ny asany. Toy izany koa fa, alohan’ny hanombohantsika ny fotoam-pianarantsika, dia tokony hifantina, eo amin’ny fitahirizam-bokintsika manokana, ireo fitaovana enti-mianatra izay hilaintsika isika. Tadidintsika fa asa ny fianarana, ary mitaky fiezahana ara-tsaina izy io, noho izany, dia tsara koa raha ataontsika mahazo toerana tsara ny vatantsika. Raha tiantsika ny hitoetra hifoha ara-tsaina, dia hisy vokany kokoa ny hipetrahana amin’ny seza eo anoloan’ny latabatra na ny birao, noho ny handriana eny am-parafara na ny hipetrahana eny amin’ny sezabe malemilemy. Mety ho hitanao fa mahasoa ny hiatoana kely, na ny handehanana maka rivotra kely, rehefa avy nifantoka nandritra ny fotoana elaela.
17, 18. Manomeza ohatra ny amin’ny fampiasana ireo fitaovana enti-mianatra tsara dia tsara azonao ampiasaina.
17 Misy fitaovana enti-mianatra maro, izay tsy manam-paharoa, azontsika ampiasaina koa. Anisan’izany, indrindra indrindra, ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay misy amin’ny fiteny 37 ankehitriny, na izy manontolo izany na ny tapany aminy. Ahitana fanondroana andininy hafa sy “Tabilaon’ireo Boky ao Amin’ny Baiboly”, izay manondro ny anaran’ny mpanoratra sy ny toerana nanoratany azy ary ny fotoana voafaoka amin’izany, ny fanontana mahazatra amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy indeksan’ny teny ao amin’ny Baiboly koa izy io, sady misy appendice sy sarintany. Natao pirinty tamin’ny soratra vaventy kokoa io Baiboly io amin’ny fiteny sasany, ka izany dia fantatra amin’ny anarana hoe Baiboly Misy Fakan-teny. Izy io dia ahitana koa ireo lafiny misongadina rehetra voalaza etsy ambony ireo, ary mihoatra noho izany aza fa misy fanamarihana ambany pejy be dia be izy io, izay vita indeksa koa. Manararaotra amin’ny fomba feno ireo fitaovana misy amin’ny fiteninao ve ianao, mba hanaovana fikarohana lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
18 Fitaovana enti-mianatra tsy hay tombanana hafa koa ny rakipahalalana ara-baiboly Étude perspicace des Écritures, izay misy boky roa. Raha manana an’ireo boky ireo amin’ny fiteny azonao ianao, dia tokony tsy hisaraka aminao izy ireo, rehefa manao ny fianaranao ianao. Hanome anao fanazavana momba ny zava-nitranga ara-tantara, amin’ny ankamaroan’ny foto-kevitra ara-bai
boly, izy ireo. Fitaovana iray enti-manampy mitovy amin’izany koa ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”. Rehefa hanomboka hamaky boky vaovao ao amin’ny Baiboly, dia tsara ny handinihana ny fianarana mifanandrify aminy ao amin’ny boky “Ny Soratra Rehetra”, mba hahitana ny faritra ara-jeografia sy ara-tantara, sy ny famintinana ny votoatin’ilay boky ao amin’ny Baiboly, ary ny hasarobidiny ho antsika. Ny zava-baovao iray vao haingana, nanampiana ireo fitaovana enti-mianatra maro vita pirinty, dia ny Watchtower Library (Fitahirizam-bokin’ny Watchtower) azo jerena amin’ny ordinatera, misy amin’ny fiteny sivy ankehitriny.19. a) Nahoana i Jehovah no nanome fitaovana enti-mianatra ny Baiboly tsara dia tsara ho antsika? b) Inona no ilaina mba hamakiana Baiboly sy hanaovana fianarana araka ny tokony ho izy?
19 Nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ireo fitaovana rehetra ireo, mba hahafahan’ny mpanompony eto an-tany ‘hitady ary hahita ny fahalalana an’Andriamanitra’. (Ohabolana 2:4, 5). Hahalalantsika tsaratsara kokoa an’i Jehovah, sy hananantsika fifandraisana akaiky kokoa aminy, ny fahazarantsika mianatra tsara. (Salamo 63:1-8). Eny, midika ho asa ny fianarana, kanefa asa mahafaly sy andraisan-tsoa izy io. Mitaky fotoana anefa izany, ary mety hieritreritra ianao hoe ‘Aiza no hahitako fotoana hatokako ara-drariny ho an’ny famakiana Baiboly sy ny fianarana manokana?’ Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra famaranana an’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity io lafin-javatra io.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 New International Dictionary of Old Testament Theology & Exegesis, Boky faha-4, p. faha-205-207.
^ feh. 12 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aogositra 1998, pejy faha-13, fehintsoratra faha-7. Mety hijery indray ireo lahatsoratra fianarana roa ao amin’io nomerao io ianao hanaovana fianarana Baiboly, ary koa ny lahatsoratra hoe “Justice” sy “Miséricorde” ao amin’ny Étude perspicace des Écritures, rakipahalalana ara-baiboly, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
^ feh. 15 Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. Raha tsy misy amin’ny fiteninao io boky io, dia hahita torohevitra tsara momba ny fomba hoenti-mianatra ianao ao amin’ireto nomeraon’Ny Tilikambo Fiambenana manaraka ireto: 15 Aogositra 1993, pejy faha-13-17; 15 Aogositra 1986, pejy faha-19-20.
Fanontaniana ho Famerenana
• Ahoana no ahafahantsika manao ny fianarantsika manokana hamelombelona sy handraisan-tsoa?
• Toa an’ilay mpanao salamo, ahoana no ahafahantsika ‘hiravoravo’ amin’ny Tenin’i Jehovah sy ‘hisaintsaina’ izany?
• Ahoana no anehoan’ny Ohabolana 2:1-6 fa ilana ezaka ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra?
• Fitaovana enti-mianatra tsara dia tsara inona avy no nomen’i Jehovah?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 14]
Manampy antsika hampitombo fitiavana ny Tenin’Andriamanitra ny fisaintsainana amim-panginana sy ny vavaka
[Sary, pejy 17]
Manararaotra amin’ny fomba feno an’ireo fitaovana enti-mianatra misy amin’ny fiteninao ve ianao, mba hanaovana fikarohana lalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?