Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Notahina Tamin’ny Nahazoana Lova Manokana Iray

Notahina Tamin’ny Nahazoana Lova Manokana Iray

Tantaram-piainana

Notahina Tamin’ny Nahazoana Lova Manokana Iray

NOTANTARAIN’I CAROL ALLEN

Tavela irery aho, namihina ny bokiko vaovao tsara tarehy. Raiki-tahotra aho ka nirotsaka ny ranomasoko. Vao zazavavy kely fito taona monja mantsy aho, nefa very tao amin’ny tanàna hafahafa iray, ary voahodidin’ny olona maherin’ny iray hetsy!

VAO haingana, izany hoe efa ho 60 taona tatỳ aoriana, dia nitamberina mazava tsara tato an-tsaiko iny zava-nitranga tamin’ny fahazazako iny, noho ny fitsidihana nataonay sy i Paul vadiko tany amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower tsara tarehy any Patterson, New York. Nasaina tany mba hanatrika ny kilasy faharoa tamin’ny sekolin’ireo mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’ i Jehovah izy.

Rehefa nijery nanodidina ny efitrano fiandrasana azon’ny hainandro izahay, dia nahamarika takelaka lehibe iray izay nisy fanazavana niaraka taminy hoe “FIVORIAMBE”. Teo afovoany, dia nisy sary mainty sy fotsy iray, efa tranainy, mampiseho ankizy falifaly manofahofa ny bokiny avy, dia ilay bokin’ny fahazazako! Novakiko haingana ilay fanazavana niaraka tamin’ilay sary: “1941​—Tany Saint Louis, Missouri, dia nisy ankizy 15 000​—teo anelanelan’ny 5 sy 18 taona​—tafavory teo amin’ny kianja lehibe teo anoloan’ny lampihazo indrindra, rehefa nanomboka ny fotoam-pivoriana maraina. (...) Nanambara ny fivoahan’ilay boky vaovao hoe Enfants ny Rahalahy Rutherford.”

Nomena boky iray avy ny ankizy tsirairay. Avy eo dia niverina teny amin’ny nipetrahan’ny ray aman-dreniny ny ankizy rehetra, afa-tsy izaho. Very aho! Nisy mpikarakara ny mpanatrika sariaka iray naka ahy ka nampitsangana ahy teo ambonin’ny boaty fasiana fanomezana avo iray, ary nasainy nitady izay olona fantatro aho. Nitebiteby aho nikaroka tao anatin’ilay vahoaka nirohotra nidina ilay tohatra be velarana. Tampotampoka teo, dia nisy olona iray fantatro! “Dadatoa Bob! Dadatoa Bob!” Hita ihany aho! Nentin’i Bob Rainer nankany amin’ny toerana niandrasan’ny ray aman-dreniko nitebiteby aho.

Fisehoan-javatra tany am-boalohany izay namolavola ny fiainako

Nampahatsiahy ahy zavatra maro be ny fijereko ilay takelaka​—ireo fisehoan-javatra namolavola ny fiainako sy nitondra anay tatỳ amin’ny fitambaran-trano tsara tarehin’i Patterson. Nitodika tany amin’ireo fisehoan-javatra efa tany amin’ny zato taona mahery lasa ny saiko, dia ireo zavatra reko avy tamin’ny raibeko sy renibeko ary ny ray aman-dreniko indrindra.

Tamin’ny Desambra 1894, dia nitsidika an’i Clayton J. Woodworth, raibeko avy amin’ny raiko, tao an-tokantranony, tany Scranton, any Pennsylvanie, Etazonia, ny mpanompo manontolo andro Mpianatra ny Baiboly iray, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Vao nampaka-bady i Clayton. Nanoratra tany amin’i Charles Taze Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society, izy, ary navoaka tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jona 1895 (anglisy) izany. Nanazava izy hoe:

“Mpivady tanora sady mpikambana tao amin’ny fiangonana protestanta nandritra ny folo taona teo ho eo izahay; mino anefa izahay ankehitriny, fa efa miala avy amin’ny haiziny ka mankany amin’ny fahazavan’ilay andro vaovao, izay miposaka ho an’ny zanaka voatokan’ilay Avo Indrindra. (...) Efa ela talohan’ny nifankahalalanay, dia samy naniry mafy ny hanompo ny Tompo sady ho misionera any an-tany hafa izahay, raha tahiny ka sitrapony izany.”

Tatỳ aoriana, tamin’ny 1903, dia nihaino tamim-pifaliana ny hafatra ara-baiboly nentin’ny solontena roan’ny Watch Tower tany amin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana midadasika nipetrahany, tany amin’ny Tendrombohitr’i Pocono tsara tarehy, any Pennsylvanie, ny ray aman-drenin’ny raiben’ny reniko; i Sebastian sy i Catherine Kresge no anarany. Nipetraka tany koa i Cora sy i Mary, zanany mirahavavy, niaraka tamin’ny vadin’izy ireo avy, dia i Washington sy i Edmund Howell. Niara-nitoetra tamin-dry zareo herinandro naninjitra i Carl Hammerle sy i Ray Ratcliffe, solontenan’ny Watch Tower, sady nampianatra azy ireo zavatra maro. Samy nihaino sy nianatra avokoa izy enina mianaka, ka tsy ela dia tonga Mpianatra ny Baiboly nazoto. 

Tamin’io taona 1903 io indrindra, dia niteraka zazavavy nantsoina hoe Catherine, i Cora sy i Washington Howell. Tantara mahaliana ary misy heviny, raha ny amiko, ny fomba nanambadiany ny raiko, i Clayton J. Woodworth, zanany. Mampiharihary ny fahaiza-mahataka-javatra miharo fitiavana sy ny fiahian’ny ray aman-dreny nasehon’ny raibeko, dia i Clayton J. Woodworth, rainy, izany.

Nandray fanampiana feno fitiavana ny raiko

Teraka tany Scranton, 80 kilaometatra eo ho eo avy teo amin’ny toeram-pambolena sy fiompian-dry Howell, ny raiko, i Clayton zanany, tamin’ny 1906. Tamin’ireny taona voalohandohany ireny, dia nanjary nifankahalala tsara tamin’ny fianakaviamben-dry Howell, i Dadabe Woodworth, ary nankafy matetika ny fitiavan’izy ireo mandray vahiny, izay fanta-daza. Fanampiana be ho an’ny kongregasionan’ny Mpianatra ny Baiboly tao amin’io faritra io izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nantsoina mba hankalaza ny fampakaram-badin’ireo zanakalahy telon-dry Howell izy, ary noho izy nitsimbina ny hahasambatra ny zanany lahy, dia nanao ezaka manokana izy mba hitondrana azy niaraka taminy tany amin’ny tsirairay tamin’ireny fampakaram-bady ireny.

Tsy nandray anjara tamim-paharisihana tamin’ny fanompoana nataon’ny Mpianatra ny Baiboly i Dada, tamin’izany fotoana izany. Marina fa izy no nitondra an’i Dadabe rehefa hanao fitsidihana, kanefa raha i Dada manokana dia tsy nandray anjara, na dia nampaherezin’i Dadabe aza. Tamin’izany, dia nisongona ny zavatra hafa rehetra nahaliana azy ny mozika, ary efa nadiva ho lasa matihanina tamin’io asa io izy.

Nanjary tena mpitendry zavamaneno nahay koa i Catherine, zanakavavin’i Cora sy i Washington Howell, ary sady nitendry no nampianatra piano. Kanefa, rehefa nisokatra ho azy ny fahafahana hanao izany ho asa matihanina, dia tsy nikatsaka izany izy fa nanomboka nandray anjara tamin’ny fanompoana manontolo andro. Tao an-tsain’i Dadabe dia tsy nisy namana tsara noho izany ho an’ny zanany lahy​—araka ny hevitro aloha! Natao batisa i Dada, ary enim-bolana tatỳ aoriana, tamin’ny Jona 1931, dia nanambady an’i Neny.

Nirehareha mandrakariva noho ny fahaizan’ny zanany lahy mozika i Dadabe. Faly erỳ izy rehefa nasaina nampiofana ny fototry ny orkesitra lehiben’ny fivoriambe i Dada, ho an’ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1946, tany Cleveland, Ohio. Nandritra ireo taona nanaraka, dia nitarika ilay orkesitra i Dada, tany amin’ny fivoriambe hafa maromaro nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ny fitsarana an’i Dadabe sy ny fiainany tany am-ponja

Tojo ilay sary hita eo amin’ny pejy manaraka koa izahay sy i Paul tao amin’ilay efitrano fiandrasana feno sary tao Patterson. Fantatro avy hatrany ilay sary, satria nandefasan’i Dadabe iray tamin’izany aho, maherin’ny 50 taona lasa izay. Izy no ilay mitsangana erỳ amin’ny sisiny havanana.

Nandritra ny fientanentanana noho ny fanindrahindram-pirenena tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia naiditra tsy ara-drariny tany am-ponja sady tsy navela hahazo fahafahana vonjimaika, ireo Mpianatra ny Baiboly valo ireo, anisan’izany i Joseph F. Rutherford (mipetraka eo afovoany), prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Nifototra tamin’ny fanambarana tao amin’ny boky fahafito amin’ny Études des Écritures, mitondra ny lohateny hoe Le mystère accompli, ny fiampangana azy ireo. Noraisina tamin’ny fomba diso ho nanakivy an’i Etazonia tsy handray anjara tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, ireny fanambarana ireny.

Nandritra ny taona maro, dia nanoratra ny boky enina voalohany tamin’ny Études des Écritures i Charles Taze Russell, kanefa maty talohan’ny nahafahany nanoratra ny fahafito izy. Nomena an’i Dadabe sy ny Mpianatra ny Baiboly iray hafa àry ireo fanazavana nataony, ary nanoratra ilay boky fahafito izy ireo. Navoaka tamin’ny 1917, talohan’ny nifaranan’ny ady, izy io. Tany amin’ny fitsarana, dia nomelohina hanefa sazy, maharitra fe-potoana efatra nifampitohy, misy 20 taona avy, i Dadabe sy ny ankamaroan’ireo hafa.

Toy izao ny fanazavana miaraka amin’ilay sary ao amin’ny trano fiandrasana ao Patterson: “Sivy volana taorian’ny nanamelohana an’i Rutherford sy ny namany​—ary rehefa nifarana ny ady​—tamin’ny 21 Martsa 1919, dia nandidy ny hanafahana vonjimaika ireo voampanga valo rehetra ny fitsarana ambony, ary tamin’ny 26 Martsa, tany Brooklyn, dia nafahana izy ireo rehefa nisy antoka 10 000 dolara naloa ho an’ny tsirairay. Nafahana nadiodio i J. F. Rutherford sy ny hafa, tamin’ny 5 May 1920.”

Taorian’ny nanamelohana azy ireo, kanefa talohan’ny nandefasana azy ireo tany amin’ny fonja federaly any Atlanta, Géorgie, dia nandany ireo andro vitsivitsy voalohany tao amin’ilay fonja tao Raymond Street, any Brooklyn, New York, izy valo mirahalahy. Nanoratra i Dadabe avy tany, ary nitantara fa natao tao amin’ny efitra figadrana iray nirefy 1,8 metatra ny sakany ary 2,4 metatra ny lavany, izy no sady “tao anaty loto sy korontana nahatsiravina”. Nanamarika izy hoe: “Mahazo antontan-gazety iray ianao, ary raha tsy miraharaha firy azy ireny amin’ny voalohany, tsy ho ela ianao dia hahatakatra fa ireny taratasy sy savony ary servieta ireny no hany fahafahanao mihazona ny fahadiovanao sy ny hajan’ny tenanao.”

Mbola be vazivazy ihany anefa i Dadabe, ka nantsoiny hoe “Hôtel de Raymondie” ilay fonja, ary hoy izy hoe “handeha aho rehefa mifarana ny fijanonako ato amin’ity tranom-bahiny ity.” Nitantara ny fitsangantsanganany teny an-tokotany koa izy. Indray mandeha, rehefa nijanona vetivety izy mba hanogoan’ny rahalahy iray ny volony, dia nisy mpangarom-paosy iray nanao sinto-mahery ny famantaranandrony, kanefa, araka ny nosoratany, dia “tapaka ilay rojo ka azoko ihany ilay izy”. Rehefa nitsidika ny Betela tany Brooklyn aho, tamin’ny 1958, dia niantso ahy ho any amin’ny biraony i Grant Suiter, mpitan-tsoratra sady mpitantana ny volan’ny Fikambanana Watch Tower, ary nomeny ahy iny famantaranandro iny. Sarobidy amiko foana ilay izy.

Vokany teo amin’ny raiko

Vao 12 taona monja ny raiko, fony nampidirina am-ponja tsy ara-drariny i Dadabe, tamin’ny 1918. Nohidian’i Bebe ny tranony ary nentiny niara-nipetraka taminy tany amin’ny reniny sy ny rahavaviny telo izy. Arthur no anaran’i Bebe fony izy mpitovo, ary nirehareha ny fianakaviana nilaza fa havany, i Chester Alan Arthur, ilay prezidàn’i Etazonia faha-21.

Taorian’ny nanomezana an’i Dadabe Woodworth sazy naharitra, noho ny heloka bevava nolazaina fa vitany tamin’i Etazonia, dia nihevitra ny fianakaviana Arthur fa nanala baraka ny anaran’ilay fianakaviany izy. Nankarary fo ny raiko izany fotoana izany. Anton-javatra iray nampisalasala azy tsy handray anjara tamin’ny fanompoana ampahibemaso tamin’ny voalohany angamba izany fomba nitondrana azy izany.

Rehefa nafahana avy tany am-ponja i Dadabe, dia nafindrany ho ao amin’ny trano lehibe iray vita tamin’ny karazana platira, teo amin’ny Quincy Street, any Scranton, ny fianakaviany. Fony aho mbola kely, dia nahafantatra tsara azy io sy ny lovia bakoly tsara tarehin’i Bebe aho. Nantsoinay hoe loviany masina ireny, satria tsy nisy nahazo nanasa azy, afa-tsy i Bebe irery ihany. Nony maty i Bebe tamin’ny 1943, dia nikojakoja sy nampiasa matetika ireny lovia tsara tarehy ireny i Neny.

Be zavatra natao teo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana

Tamin’ny andro iray hafa, tao amin’ny fonenan’ny mpianatra ao Patterson, dia nahita sarin’ny Rahalahy Rutherford nanao lahateny tao amin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, any Ohio, tamin’ny 1919, aho. Nampirisika mafy ny rehetra izy tao mba hanambara amin-jotom-po ny Fanjakan’Andriamanitra sy hampiasa ilay gazety hoe L’Âge d’Or, vao nivoaka tamin’iny fivoriambe iny. Notendrena ho mpampanonta io gazety io i Dadabe, ary nanoratra lahatsoratra maro tao izy hatramin’ireo taona 1940, taloha kelin’ny nahafatesany. Novana ho Consolation ny anaran’ilay gazety tamin’ny 1937, ary ho Mifohaza! tamin’ny 1946.

Tany an-tranony, tany Scranton, sy tany amin’ny foiben’ny Watch Tower, tokony ho tany amin’ny 240 kilaometatra avy any Brooklyn, no nanoratan’i Dadabe ny lahatsorany, ary nijanona tapa-bolana tao amin’ny toerana tsirairay izy. Tantarain’i Dada fa matetika amin’ny dimy maraina dia efa reny ny feon’ilay milina fanoratan’i Dadabe. Na izany aza dia noheverin’i Dadabe ho zava-dehibe koa ny andraikitra hitory ampahibemaso. Raha ny marina, dia nanamboatra modelina palitaon-dehilahy iray, nisy paosy anatiny lehibe, ary natao omby zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, izy. Mbola manana iray amin’izany i Naomi Howell, nenitoako izay 94 taona. Nanao modelina kitapo fasiana boky ho an’ny vehivavy koa izy.

Indray mandeha, taorian’ny resaka ara-baiboly nafana, dia nilaza ny naman’i Dadabe teo amin’ny fanompoana hoe: “Nanao fahadisoana iray ianao ry C. J.”

“Fahadisoana inona?”, hoy i Dadabe. Nijery ny tao amin’ny palitaony izy. Tsy nisy na inona na inona tao amin’ny paosy roa.

“Hadinonao ny nanolotra azy famandrihana amin’ny L’Âge d’Or.” Nampihomehy azy mirahalahy ny nanadinoan’ilay mpampanonta nanolotra ny gazetiny.

Fahatsiarovana ny tamin’ny fahazazana

Tadidiko fa nipetraka teo am-pofoan’i Dadabe aho, fony mbola kely, ary ny tanako kely tao anatin’ny azy, rehefa nitantara tamiko ny “Tantaran’ny Rantsantanana” izy. Nanomboka tamin’i “Ankibe Tommy” aloha, vao i “Fanondro Petera”, ary nilaza zavatra manokana momba ny rantsantanana tsirairay izy. Avy eo dia nakombony tsara ny rantsantanana rehetra, ka nanome izao fianarana izao izy: “Miasa tsara indrindra ireo rehefa tafaray, samy manampy ny namany izy amin’izay.”

Taorian’ny nivadiany, dia nifindra tany Cleveland, any Ohio, ny ray aman-dreniko, ary nanjary mpinamana akaiky tamin’i Ed sy i Mary Hooper. Mpianatra ny Baiboly efa hatramin’ny fiandohan’ny taonjato ny fianakavian’izy ireo. Tsy nifankafoy ny ray aman-dreniko sy i Dadatoa Ed ary i Nenitoa Mary, araka ny niantsoako azy ireo. Namoy ny zanany tokana, zazavavy kely iray, ry Hooper, ka nony teraka aho, tamin’ny 1934, dia nanjary ny “zanakavaviny” manokana. Tao anatin’izany rivo-piainana feno zavatra ara-panahy izany aho no notezaina, ka nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa, raha mbola tsy valo taona akory.

Lafiny lehibe tamin’ny fahazazako ny famakiana Baiboly. Anisan’ny andalan-teny tiako indrindra ao amin’ny Baiboly ilay filazalazana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ao amin’ny Isaia 11:6-9. Niezaka voalohany hamaky ny Baiboly hatramin’ny farany aho, tamin’ny 1944, rehefa nahazo ny Baiboly American Standard Version, izay natonta manokana ka navoaka tamin’ny fivoriambe tany Buffalo, any New York. Nientam-po erỳ aho namaky iny fandikan-teny iny, izay namerina tamin’ny toerana tokony hisy azy, efa ho im-7 000 ao amin’ny “Testamenta Taloha”, ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah!

Nahafinaritra ny faran’ny herinandro. Nitondra ahy nitory tany ambanivohitra ny ray aman-dreniko sy ry Hooper. Nofonosinay ny sakafo antoandro, ary nisakafo teny amoron-drano izahay. Avy eo, dia nankany amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’ny olona iray izahay, mba hanao lahateny ampahibemaso teny an-kalamanjana, rehefa avy nanasa ny mponina teny amin’ny manodidina rehetra hanatrika izany. Tsotra ny fiainana. Nahita fifaliana tamin’ny fiainam-pianakaviana izahay. Tatỳ aoriana dia lasa mpiandraikitra mpitety faritany ny maromaro tamin’ireny naman’ny fianakaviana tany am-boalohany ireny, anisan’izany i Ed Hooper, i Bob Rainer, ary ny zanany roa lahy. Mbola manao io asa io miaraka amin’i Linda vadiny, i Richard Rainer.

Nahafinaritra indrindra ny vanin-taona mafana. Nipetraka tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompian-dry Howell aho, niaraka tamin’ny zanak’olo-mpiray tam-po tamiko. Tamin’ny 1949, dia nanambady an’i Malcolm Allen i Grace, zana-drahavavin’i Neny. Tsy azoko an-tsaina mihitsy fa hanambady ny rahalahin’i Malcolm aho, taona maromaro tatỳ aoriana. Misionera tany Orogoay i Marion, zanak’anadahin’i Neny ary tanora kokoa noho i Grace. Nanambady an’i Howard Hilborn izy, tamin’ny 1966. Samy niara-nanompo tamin’ny vadiny, tany amin’ny foibe any Brooklyn, ireny zanak’olo-mpiray tam-po tamiko ireny, nandritra ny taona maro.

Dadabe sy ny nahazoako diplaoma

Namaly ny taratasiko foana i Dadabe, nandritra ireo taona nianarako tany amin’ny lise. Nisy sarim-pianakaviana maro efa tranainy nampiarahiny tamin’ny taratasiny, ary nosoratany tamin’ny milina tao ambadik’ireny ny tsipiriany tamin’ny tantaram-pianakaviana. Izany no fomba nahazoako ny sariny niaraka tamin’ny hafa, izay nampidirina am-ponja tsy ara-drariny.

Tamin’ny faramparan’ny taona 1951, dia namoy ny lohatraokany, noho ny kansera, i Dadabe. Mbola nahira-tsaina sy nivazivazy izy, fa izay noteneniny kosa dia tsy maintsy nosoratana tamin’ny karine kely iray nentiny teny aminy. Tokony hizarana diplaoma tamin’ny fanadinana faharoa tao amin’ny lise ny kilasiko, tamin’ny Janoary 1952. Nalefako paositra tany amin’i Dadabe ny drafitry ny famelabelaran-kevitra hataoko amin’ny fizarana diplaoma, tamin’ny voalohandohan’ny Desambra. Nanao fanamarihan’ny mpampanonta vitsivitsy izy, ary tao amin’ny pejy farany, dia nanoratra ireto teny ireto, izay nanohina ny foko tokoa: “Faly dia faly i Dadabe.” Namita ny fihazakazahany teto an-tany izy, tamin’ny 18 Desambra 1951, rehefa 81 taona. * Mbola sarobidy amiko io drafitr’ilay famelabelaran-kevitro efa vasoka io, miaraka amin’ireny teny ireny, ao amin’ny pejy farany.

Raha vantany vao nahazo diplaoma aho, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana, anarana omen’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asa fitoriana manontolo andro. Tamin’ny 1958, dia nanatrika ilay fivoriambe goavam-be tany New York aho, izay nisian’ny tampon’isan’ny mpanatrika 253 922, avy tamin’ny tany 123, nameno ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds. Tany no nahitako, indray andro, solontena iray avy tany Afrika, nitondra karatra famantarana namakiana hoe “Woodworth Mills”. Efa ho 30 taona lasa izay, dia nomena ny anaran’i Dadabe izy!

Sambatra noho ny lovako

Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana indray ny reniko, fony aho 14 taona. Efapolo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1988, dia maty izy, raha mbola mpisava lalana! Nandray anjara tamin’ny asan’ny mpisava lalana i Dada rehefa afaka. Nodimandry enim-bolana talohany i Neny. Nanjary sakaiza mamy ho mandrakizay ireo nampianarinay. Niasa tany amin’ny foibe any Brooklyn ny zanany lahy sasany, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana ny hafa.

Amiko dia tena niavaka ny taona 1959. Tamin’izay no nampifankahalalana an’i Paul Allen tamiko. Notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany izy, tamin’ny 1946, rehefa nahazo ny diplaomany tamin’ny kilasy fahafiton’ny Gileada, sekoly iray mampiofana misionera Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny fotoana nihaonanay, dia samy tsy nahafantatra izahay fa i Cleveland, any Ohio, izay ny toerana nanaovako ny asan’ny mpisava lalana, no ho toerana nanaraka hanendrena an’i Paul. Samy tia azy i Dada sy i Neny. Nivady izahay, tamin’ny Jolay 1963, teo amin’ny toeram-pambolena sy fiompian-dry Howell, notronin’ny fianakavianay, ary i Ed Hooper no nanao ny lahatenim-panambadiana. Nofinofy iray tanteraka izany.

Mbola tsy nanana fiara azy manokana mihitsy i Paul. Rehefa nandao an’i Cleveland mba ho any amin’ny toerana nanendrena azy nanaraka izahay, dia tafiditra tao anatin’ilay Volkswagen keliko tamin’ny 1961 daholo ny fanananay rehetra. Matetika no nitsidika anay, mba hijery anay nitaona entana, ny namana, ny alatsinainy, izay andro nifindranay tany amin’ny kongregasiona hafa iray. Toy ny fampisehoana amin’ny cirque ny fijery ny valizy, kitapo, vata misy antontan-taratasy, milina fanoratana sy ny sisa, tafiditra tao anatin’ilay fiara kely.

Niara-nanao dia maro an-kilaometatra tsy tambo isaina izaho sy i Paul, sady nankafy ny soa no niaritra ny ratsy amin’ny fiainana ankehitriny​—ny zavatra rehetra natao tamin’ny tanjaka, izay i Jehovah irery ihany no afaka manome azy. Nahafinaritra ireo taona nandalo, izay nofenoin’ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fifankatiavanay ary ny fitiavana ireo namana hatry ny ela sy ireo vaovao. Zava-niseho nisongadina teo amin’ny fiainanay hatramin’izao ireny roa volana nipetrahanay tao Patterson ireny, rehefa nahazo fampiofanana i Paul. Ny fandinihana akaiky ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany dia nanamafy indray ny fiekena izay anisan’ny lova ara-panahy sarobidy nomena ahy: Tena fandaminan’Andriamanitra tokoa ity. Fifaliana re izany hoe anisan’izy io, na dia ampahany kely aza!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 44 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Febroary 1952 (anglisy), pejy faha-128.

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’i Ed Hooper, taloha kelin’ny fivoriambe tany Saint Louis, tamin’ny 1941, rehefa nahazo ilay boky hoe “Enfants” aho

[Sary, pejy 26]

Dadabe tamin’ny 1948

[Sary, pejy 26]

Tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompian-dry Howell, rehefa nivady ny ray aman-dreniko (ao anaty boribory)

[Sary, pejy 27]

Ireo Mpianatra ny Baiboly valo nampidirina am-ponja tsy ara-drariny tamin’ny 1918 (Dadabe mijoro eo amin’ny farany havanana)

[Sary, pejy 29]

Tafiditra tao anatin’ny Volkswagen-nay ny entanay rehetra

[Sary, pejy 29]

Miaraka amin’i Paul vadiko