Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tany​—Toeram-pitsapana Fotsiny Ve?

Ny Tany​—Toeram-pitsapana Fotsiny Ve?

Ny Tany​—Toeram-pitsapana Fotsiny Ve?

FAHAMAIVAMAIVANANA re izany! Afaka izy. Tamin’ny farany, dia naharay tatitra nahafa-po ilay mpianatra izay nivoaka sempotra tamin’ny fanadinana mafy naharitra tapa-bolana. Afaka manomboka ilay asa niriny hatramin’izay izy izao.

Mitovy amin’izany ny fahitan’ny olona maro ny fiainana eto an-tany. Heveriny ho toy ny fitsapana mialoha, izay tsy maintsy andalovan’ny rehetra izy io. Izay “afaka” dia mifindra ho amin-javatra tsara kokoa Any Ankoatra. Hampalahelo tokoa raha ny fiainana ankehitriny, izay fahavelomana fotsiny ho an’ny maro, no zavatra tsara indrindra azon’ny olombelona antenaina. Saika nandritra ny androm-piainany manontolo, dia salama sy nanankarena ilay olona resahina ao amin’ny Baiboly atao hoe Joba. Na izany aza anefa, dia hoy ny nomarihiny: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.”​—Joba 14:1.

Ahitana taratry ny fomba fihevitry ny maro ny New Catholic Encyclopedia rehefa milaza hoe: “Voninahitra any an-danitra no anjara kasain’Andriamanitra ho an’ny olombelona. (...) Hita fa ny fahasambaran’olombelona dia ny fahazoany ny fiainan-tsambatry ny lanitra.” Voalazan’ny fanadihadiana vao haingana nataon’ny Fiangonan’i Kristy any Etazonia fa ny 87 isan-jaton’ireo namaly dia mino fa azo inoana ny hankanesan’izy ireo any an-danitra aorian’ny hahafatesany.

Olona maro tsy kristianina koa no manantena ny handao ny tany mba ho any amin’ny toerana iray tsara kokoa, aorian’ny fahafatesana. Manantena ny ho any amin’ny paradisa any an-danitra, ohatra, ny Silamo. Inoan’ny mpanaraka ny sekta bodista Tany Madio any Chine sy any Japon fa rehefa averimberin’izy ireo tsy misy farany ny hoe “Amitabha”, izay anaran’ilay Bouddha-n’ny Fahazavana Tsy Manam-petra, dia hateraka indray ao amin’ny Tany Madio, na Paradisa Andrefana, izy ireo, ary hiaina ao anatin’ny fahasambarana fara tampony izy ireo ao.

Mahaliana fa ny Baiboly, ilay boky masina voadika be indrindra sy miely patrana indrindra eo amin’izao tontolo izao, dia tsy milaza ny tany ho toy ny toerana handosirana, na karazana tohatra fiakarana. Izao, ohatra, no ambarany: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). Ao amin’ny Baiboly koa no ahitana izao teny malaza nataon’i Jesosy izao: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.”​—Matio 5:5.

Mihevitra ny besinimaro fa mihelina ihany ny fipetrahantsika eto an-tany. Milaza an-kolaka anefa izany hoe varavarana mankamin’ny fiainana feno fahasambarana any ankoatra, ny fahafatesana. Raha izany no izy, dia azo antoka fa fitahiana ny fahafatesana. Toy izany ve anefa no fahitan’ny olona amin’ny ankapobeny ny fahafatesana, sa miezaka hanalava izao fiainana izao kosa izy ireo? Asehon’ny zava-misy fa rehefa manana fahasalamana sy filaminana araka ny antonony ny olona, dia tsy maniry ho faty.

Na izany aza, dia mbola heverin’ny maro ho hany toerana hahitana ny tena fiadanana sy fahasambarana ihany ny lanitra, satria feno faharatsiana sy fijaliana ny fiainana eto an-tany. Toeram-piadanana feno fahasambarana ranofotsiny anefa ve ny lanitra, ka vita fanefitra tanteraka amin’ny faharatsiana sy ny tsy fifanarahana? Ary any amin’ny faritry ny lanitra ihany ve no tokony hisian’izany Any Ankoatra izany? Mety ho gaga amin’ny valiny omen’ny Baiboly ianao. Vakio ange ny tohiny e!