Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanao ny Fanahy Masina ho Mpanampy Ahy Manokana ve Aho?

Nanao ny Fanahy Masina ho Mpanampy Ahy Manokana ve Aho?

Nanao ny Fanahy Masina ho Mpanampy Ahy Manokana ve Aho?

MANANA fiheverana maro samihafa momba ny atao hoe fanahy masin’Andriamanitra ireo teôlôjianina, tsy resahina intsony ny olona amin’ny ankapobeny. Tsy voatery tsy hahazo antoka toa azy ireo anefa ianao. Manazava tsara ny Baiboly hoe inona moa ny fanahy masina. Tsy persona akory izy io, araka ny filazan’ny sasany, fa ny hery miasa matanjaka ampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny sitrapony.​—Salamo 104:30; Asan’ny Apostoly 2:33; 4:31; 2 Petera 1:21.

Koa satria tena mifandray akaiky amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra ny fanahy masina, dia tokony hirintsika hifanaraka amin’izy io ny fiainantsika. Tokony hirintsika ho mpanampy antsika manokana izy io.

Mpanampy​Nahoana no ilaina?

Efa niomana ho amin’ny fialany teto an-tany i Jesosy, ka nanome toky toy izao ny mpianany: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpanampy hafa mba ho eo aminareo mandrakizay”. Ary hoy koa izy: “Fa Izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpanampy; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy.”​—Jaona 14:16, 17, fanamarihana ambany pejy; 16:7, fanamarihana ambany pejy.

Naniraka ny mpianany hanao asa lehibe i Jesosy rehefa nandidy azy ireo toy izao: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Tsy mora akory ny fanaovana izany, satria tokony hotontosaina izany, na dia teo aza ny fanoherana.​—Matio 10:22, 23.

Ankoatra ny fanoherana avy tany ivelany, dia teo koa ny tsy fifanarahana tao anatin’ny kongregasiona. Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Roma, tokony ho tamin’ny taona 56 am.f.i.: “Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny.” (Romana 16:17, 18). Hiharatsy io toe-javatra io, rehefa maty ireo apostoly. Nampitandrina toy izao i Paoly: “Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.”​—Asan’ny Apostoly 20:29, 30.

Nilaina ny fanampian’Andriamanitra mba handresena ireny vato misakana ireny. Nanome izany fanampiana izany Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesosy. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia “samy feno ny Fanahy Masina” ny mpanara-dia azy niisa 120 teo ho eo, tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i.​—Asan’ny Apostoly 1:15; 2:4.

Takatr’ireo mpianatra fa ny fanahy masina narotsaka tamin’io fotoana io no ilay fanampiana nampanantenain’i Jesosy. Tsy isalasalana fa takatr’izy ireo tsara kokoa izao ilay fanazavana nomen’i Jesosy momba ny atao hoe fanahy masina: “Ny Mpanampy, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:26, fanamarihana ambany pejy, izahay no manao sora-mandry.) Nantsoiny koa hoe ‘ny Mpanampy, ny Fanahin’ny fahamarinana’, izy io.​—Jaona 15:26, fanamarihana ambany pejy.

Amin’ny lafiny inona no mpanampy ny fanahy?

Natao ho mpanampy tamin’ny lafiny maromaro ny fanahy. Voalohany, dia nampanantena ny mpianany i Jesosy fa hampahatsiahy azy ireo ny amin’ireo zavatra efa nolazainy taminy, ny fanahy. Tsy te hilaza akory izy hoe hanampy azy ireo hitadidy teny fotsiny ny fanahy. Hanampy azy ireo koa mba hahatakatra ny hevitra lalina kokoa fonosin’ny zavatra efa nampianarin’i Jesosy izy io. (Jaona 16:12-14). Raha tsorina, dia hitarika ny mpianany hahatakatra tsara kokoa ny fahamarinana ny fanahy. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly tatỳ aoriana: “Isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza.” (1 Korintiana 2:10). Mba hahafahan’ny voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy hampita fahalalana marina amin’ny hafa, dia tokony ho marim-pototra tsara ny fahazoany hevi-javatra.

Faharoa, dia nampianatra ny mpianany hivavaka sy hanao izany matetika, i Jesosy. Raha tsy azon’izy ireo antoka indraindray hoe inona no tokony hangatahiny amim-bavaka, dia ho afaka hanelanelana ho azy ireo na hanampy azy ireo ny fanahy. “Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina.”​—Romana 8:26.

Fahatelo, dia hanampy ny mpianatr’i Jesosy hiaro ny fahamarinana eny imason’ny olona ny fanahy. Nampitandrina azy ireo toy izao i Jesosy: “Hatolony ho amin’ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ny synagogany hianareo; ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa. Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo.”​—Matio 10:17-20.

Hanampy mba hamantarana ny kongregasiona kristianina koa ny fanahy masina, ary hanosika an’ireo anisan’ilay kongregasiona mba handray fanapahan-kevitra manokana maneho fahendrena. Andeha isika handinika amin’ny an-tsipiriany kokoa ireo lafiny roa ireo, ary hijery ny hevitr’izany ho antsika amin’izao andro izao.

Ho marika famantarana

Nandritra ny taonjato maro, dia vahoaka voafidin’Andriamanitra nanompo teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny Jiosy. Nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia izy ireo, koa nambarany mialoha fa tsy ho ela koa izy ireo dia holavina: “Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: ‘Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro; avy tamin’i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika’? Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” (Matio 21:42, 43). Rehefa voaorina ny kongregasiona kristianina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nanjary ilay “firenena mahavokatra ny voany” ireo mpanara-dia an’i Kristy. Io kongregasiona io no fitaovana fampitana hafatra nampiasain’Andriamanitra, nanomboka tamin’izay fotoana izay. Nanome marika famantarana mazava tsara Andriamanitra, mba hanampiana ny olona hanaiky fa izy io indray no nahazo sitraka taminy.

Tamin’ny Pentekosta, dia nanampy ny mpianatra hiteny tamin’ny fiteny mbola tsy nianarany mihitsy ny fanahy masina, ka talanjona ireo mpitazana ary nanontany hoe: “Koa ahoana no andrenesantsika amin’ny fitenintsika avy izay nahabe antsika?” (Asan’ny Apostoly 2:7, 8). Nisy olona telo arivo teo ho eo nanjary niaiky fa tena niasa tokoa ny fanahin’Andriamanitra, rehefa nahita ilay fahaizana niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, mbamin’ny “fahagagana sy famantarana maro (...) nataon’ny Apostoly”, izy ireo.​—Asan’ny Apostoly 2:41, 43.

Afa-tsy izany koa, rehefa namoa “ny vokatry ny fanahy”​—ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy, ary ny fifehezan-tena​—ny mpianatr’i Kristy, dia fantatra mazava ho mpanompon’Andriamanitra. (Galatiana 5:22, 23). Ny fitiavana, raha ny marina, no nampiavaka indrindra ny tena kongregasiona kristianina. Nanambara mialoha toy izao i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”​—Jaona 13:34, 35.

Nanaiky hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra ireo anisan’ny kongregasiona kristianina tany am-boalohany, ka nanararaotra ny fanampian’izy io. Takatry ny Kristianina amin’izao andro izao fa tsy manangana ny maty na manao fahagagana toy ny tamin’ny taonjato voalohany Andriamanitra ankehitriny. Avelan’izy ireo ho marika famantarana azy ho tena mpianatr’i Jesosy Kristy kosa anefa, ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra.​—1 Korintiana 13:8.

Mpanampy eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manokana

Vokatry ny fiasan’ny fanahy masina ny Baiboly. Noho izany, rehefa avelantsika handresy lahatra antsika ny Baiboly, dia toy ny hoe ny fanahy masina no mampianatra antsika. (2 Timoty 3:16, 17). Afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra maneho fahendrena izy io. Avelantsika hanao izany anefa ve izy io?

Ahoana ny amin’ny antom-pivelomana na asa fidintsika? Hanampy antsika mba hanana ny fomba fijerin’i Jehovah ny asa iray mety hataontsika, ny fanahy masina. Tsy maintsy mifanaraka amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly ny asantsika, ary tsara kokoa raha manampy antsika hanatratra tanjona teokratika izy io. Raha oharina amin’izany, dia tsy dia zava-dehibe velively ny karama, na ny toerana ambony sy ny laza mifandray amin’ny asa iray. Mbola zava-dehibe kokoa ny hoe manome antsika izay tena ilaina eo amin’ny fiainana sy mamela antsika hanana fotoana sy fahafahana ampy mba hanatanterahantsika ny adidintsika Kristianina izy io, na tsia.

Ara-dalàna sady mety ny hananana faniriana hifaly amin’ny fiainana. (Mpitoriteny 2:24; 11:9). Koa azon’ny Kristianina mahay mandanjalanja atao àry ny miala voly, mba hakana aina sy hifalifaliana. Tokony hifidy fialam-boly mampiseho taratry ny vokatry ny fanahy anefa izy, fa tsy hifidy izay manasongadina “ny asan’ny nofo”. Hoy ny fanazavan’i Paoly: “Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany”. Tokony hohalavirina koa ny “handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona”.​—Galatiana 5:16-26.

Torak’izany koa ny amin’ny fifidianana namana. Fahendrena ny hifidianana azy ireny, arakaraka ny fahasalamany ara-panahy, fa tsy arakaraka ny fisehoany ivelany na ny fananany. Niharihary fa sakaizan’Andriamanitra i Davida, satria nolazain’Andriamanitra ho “lehilahy araka ny fo[ny]” izy. (Asan’ny Apostoly 13:22). Tsy nijery ny fisehoana ivelany Andriamanitra rehefa nifidy an’i Davida ho mpanjakan’ny Isiraely, araka izao foto-pitsipika izao: “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.”​—1 Samoela 16:7.

Fisakaizana an’arivony maro no rava satria niorina tamin’ny fisehoana ivelany na ny fananana. Mety ho rava tampoka ny fisakaizana miorina amin’ny harena tsy azo antoka. (Ohabolana 14:20). Manoro hevitra antsika ny Tenin’Andriamanitra araka ny tsindrimandrin’ny fanahy, fa tokony hifidy an’ireo afaka manampy antsika hanompo an’i Jehovah isika, rehefa mifidy namana. Milaza amintsika ny Baiboly mba hifantoka amin’ny fanomezana fa tsy amin’ny fandraisana, satria mitondra fifaliana bebe kokoa ny fanomezana. (Asan’ny Apostoly 20:35). Anisan’ny zavatra sarobidy indrindra azontsika omena ny namantsika ny fotoana sy ny firaiketam-po.

Ho an’ny Kristianina mitady vady, dia manome torohevitra araka ny tsindrimandrin’ny fanahy ny Baiboly. Milaza toy izao izy io, raha amin’ny heviny iray: ‘Aza mijery ny bika aman’endriny fotsiny, fa jereo ny tongony.’ Ny tongony hoe? Eny, amin’izao heviny izao: Moa ve ny tongony ampiasainy mba hanatontosana ny asan’i Jehovah, dia ny fitoriana ny vaovao tsara, ka azo lazaina hoe tsara eo imason’Andriamanitra? Moa ve ny tongony mikiraro ny hafatra momba ny fahamarinana sy ny vaovao tsaran’ny fihavanana? Izao no vakintsika: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!”​—Isaia 52:7; Efesiana 6:15.

Mila fanampiana isika eo am-panaovana ny sitrapon’Andriamanitra, noho isika miaina amin’izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Hery lehibe nanohana teo amin’ny asan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy teo amin’ny fiainany manokana, ilay mpanampy, dia ny fanahy masin’Andriamanitra. Fomba lehibe indrindra iray ahafahantsika manao ny fanahy masina ho mpanampy antsika manokana koa ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra, izay vokatry ny fiasan’ny fanahy masina. Manao izany ve isika?

[Sary, pejy 23]