Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fanjakan’Andriamanitra​—Ilay Fanapahana Vaovaon’ny Tany

Ny Fanjakan’Andriamanitra​—Ilay Fanapahana Vaovaon’ny Tany

Ny Fanjakan’Andriamanitra​—Ilay Fanapahana Vaovaon’ny Tany

“Ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroin[’ilay fanjakana] sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”​—DANIELA 2:44.

1. Afaka matoky ny amin’ny inona isika raha ny Baiboly no resahina?

FANAMBARANA avy amin’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny Baiboly. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra”. (1 Tesaloniana 2:13). Ny Baiboly dia mirakitra izay ilaintsika ho fantatra mahakasika an’Andriamanitra: ny mombamomba ny toetrany, sy ny fikasany, ary ny zavatra takiny amintsika. Misy ny torohevitra tsara indrindra momba ny fiainam-pianakaviana sy ny fitondran-tena eo amin’ny fiainana andavanandro ao amin’izy io. Milazalaza faminaniana amin’ny an-tsipiriany koa izy io, dia faminaniana efa tanteraka tamin’ny lasa, sy eo am-pahatanterahana ankehitriny, ary ho tanteraka amin’ny hoavy. Eny, “izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”.​—2 Timoty 3:16, 17.

2. Ahoana no nanantitranteran’i Jesosy ny foto-kevitry ny Baiboly?

2 Faran’izay zava-dehibe ao amin’ny Baiboly ilay foto-kevitr’izy io, dia ny fanamarinana ny fiandrianan’Andriamanitra (ny zony hanapaka), amin’ny alalan’ilay Fanjakany any an-danitra. Nafantok’i Jesosy tamin’izany ny fanompoany. “Nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Nasehony izay tokony ho toeran’izy io eo amin’ny fiainantsika, tamin’ny nanomezany izao fampirisihana izao: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany”. (Matio 6:33). Nasehony koa ny maha zava-dehibe azy io, rehefa nampianatra an’ireo mpanara-dia azy hivavaka tamin’Andriamanitra toy izao izy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”​—Matio 6:10.

Ilay fanapahana vaovaon’ny tany

3. Nahoana no zava-dehibe ho antsika amin’izao fotoana izao ny Fanjakan’Andriamanitra?

3 Nahoana no tena zava-dehibe toy izany ho an’ny olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra? Satria tsy ho ela izy io dia hanao zavatra izay hanova mandrakizay ny fanapahana ity tany ity. Milaza toy izao ny faminaniana ao amin’ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [manapaka eto an-tany ankehitriny] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [fitondram-panjakana any an-danitra] izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana [fitondram-panjakana eto an-tany] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Rehefa hanapaka amin’ny fomba feno ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, dia tsy hifehy ny tany intsony mihitsy ny olombelona. Ho naman’ny lasa mandrakizay ny fanapahan’olombelona mampisara-bazana sy tsy mahafa-po.

4, 5. a) Nahoana i Jesosy no ilay mahafeno fepetra indrindra ho Mpanjakan’ilay Fanjakana? b) Fanendrena inona no ho azon’i Jesosy amin’ny hoavy tsy ho ela?

4 Ny Mpanapaka Lehibe Indrindra ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra, izay eo ambanin’ny fitantanan’i Jehovah mivantana, dia ilay mahafeno fepetra indrindra, dia i Kristy Jesosy. Talohan’ny nahatongavany teto an-tany, dia efa nisy tany an-danitra izy, ary ‘mpita-marik’Andriamanitra’ izy tany, noho izy voalohany tamin’ny zava-drehetra noforonin’Andriamanitra. (Ohabolana 8:22-31). “Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany”. (Kolosiana 1:15, 16). Ary nanao ny sitrapon’Andriamanitra foana i Jesosy rehefa nirahin’Andriamanitra tetỳ an-tany. Niaritra ny fitsapana sarotra indrindra izy, ary maty nahatoky teo anatrehan’ny Rainy.​—Jaona 4:34; 15:10.

5 Tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Jesosy, eny, hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza, ka novalian-tsoa. Nanangana azy tamin’ny maty ho any an-danitra Andriamanitra, ary nanome azy ny zo ho Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra. (Asan’ny Apostoly 2:32-36). Mpanjakan’ilay Fanjakana i Kristy Jesosy, ka hahazo ilay fanendrena mahatahotra avy amin’Andriamanitra, dia ny hitarika zavaboary ara-panahy mahery maro dia maro mba hanala amin’ny tany ny fanapahan’olombelona sy hanaisotra amin’ny tany ny faharatsiana rehetra. (Ohabolana 2:21, 22; 2 Tesaloniana 1:6-9; Apokalypsy 19:11-21; 20:1-3). Amin’izay, dia ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra eo ambanin’ny fitantanan’i Kristy no ho fahefana vaovao hanapaka, ny hany fitondram-panjakana hitondra ny tany manontolo.​—Apokalypsy 11:15.

6. Karazana fanapahana manao ahoana no azontsika antenaina avy amin’ilay Mpanjakan’ilay Fanjakana?

6 Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ilay Mpanapaka vaovaon’ny tany: “Nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy”. (Daniela 7:14). Hanahaka ny fitiavan’Andriamanitra i Jesosy, ka ho lehibe ny fiadanana sy ny fahasambarana eo ambanin’ny fanapahany. (Matio 5:5; Jaona 3:16; 1 Jaona 4:7-10). “Ny handrosoan’ny fanapahan[y] sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana (...) mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny”. (Isaia 9:6). Ho fitahiana tokoa ny hanana Mpanapaka izay mitondra amim-pitiavana sy araka ny rariny sy ny hitsiny! Noho izany, dia manambara mialoha toy izao ny 2 Petera 3:13: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao [ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra] sy tany vaovao [fitambaran’olona vaovao etỳ an-tany], izay itoeran’ny fahamarinana.”

7. Ahoana no ahatanterahan’ny Matio 24:14 amin’izao andro izao?

7 Azo antoka fa ny Fanjakan’Andriamanitra no tena vaovao tsara indrindra ho an’ireo rehetra tia izay mahitsy. Izany no antony nanambaran’i Jesosy mialoha izao manaraka izao, izay anisan’ny famantarana fa miaina amin’ny “andro farany” ho an’ity fandehan-javatra ratsy ity isika ankehitriny: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:14). Eo am-pahatanterahana io faminaniana io ankehitriny, satria Vavolombelon’i Jehovah tokony ho enina tapitrisa, any amin’ny tany 234, no manokana ora maherin’ny arivo tapitrisa isan-taona mba hiresahana amin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mety tokoa àry raha antsoina hoe Efitrano Fanjakana ny tsirairay amin’ireo toerana anoloran’izy ireo fanompoam-pivavahana, izay ampiasain’ny kongregasiona 90 000 eo ho eo maneran-tany. Tonga any amin’ireny toerana ireny ny olona mba hianatra momba ilay fitondram-panjakana vaovao ho avy.

Mpiara-manapaka

8, 9. a) Avy aiza ireo mpiara-manapaka amin’i Kristy? b) Afaka matoky ny amin’ny inona isika raha ny fanapahan’ilay Mpanjaka sy ireo mpiara-manapaka aminy no resahina?

8 Hisy mpiara-manapaka amin’i Kristy Jesosy ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Nanambara mialoha ny Apokalypsy 14:1-4 fa hisy olona 144 000 ‘havotana avy amin’ny olona’, ary hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Lehilahy sy vehivavy izay nanompo an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona taminy tamim-panetren-tena, fa tsy mba notompoina, izy ireny. “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” (Apokalypsy 20:6). Vitsy lavitra ny isan’izy ireo raha oharina amin’ny an’ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, izay ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity. “Manompo [an’Andriamanitra] andro aman-alina” koa ny olona betsaka, nefa tsy voantso ho any an-danitra. (Apokalypsy 7:9, 15). Izy ireo no fototry ny tany vaovao, amin’ny maha olom-pehezin’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra azy ireo.​—Salamo 37:29; Jaona 10:16.

9 Rehefa nifidy an’ireo hiara-manapaka amin’i Kristy any an-danitra i Jehovah, dia nifantina olo-nahatoky izay efa nandia fiainana nisy ny karazan-java-manahirana rehetra. Saika tsy misy mihitsy zavatra nodiavin’ny olona ka mbola tsy nodiavin’ireo mpanjaka sady mpisorona ireo. Koa hanatsara ny fahaizan’izy ireo hanapaka ny olombelona àry ny fiainany eto an-tany. Na ny tenan’i Jesosy aza dia “nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny”. (Hebreo 5:8). Izao no nolazain’ny apostoly Paoly momba azy: “Isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.” (Hebreo 4:15). Mampionona erỳ ny mahafantatra fa mpanjaka sy mpisorona be fitiavana sy mangoraka no hitondra ny olona, ao amin’ilay tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra!

Efa fikasan’Andriamanitra ve ilay Fanjakana?

10. Nahoana no tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny Fanjakan’ny lanitra?

10 Efa anisan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, fony izy namorona an’i Adama sy i Eva, ve ilay Fanjakana any an-danitra? Ao amin’ny fitantaran’ny Genesisy momba ny famoronana, dia tsy misy firesahana ny amin’ny Fanjakana iray hanapaka ny olombelona. I Jehovah mihitsy no Mpanapaka azy mivady, ary tsy nisy nilana fanapahana hafa na inona na inona, raha mbola nankatò azy koa izy ireo. Asehon’ny Genesisy toko voalohany fa nifandray tamin’i Adama sy i Eva i Jehovah, azo inoana fa tamin’ny alalan’ilay Zanany lahimatoa tany an-danitra. Ampiasain’ilay fitantarana ny teny toy ny hoe “Andriamanitra (...) nanao taminy hoe”, sy ny hoe “hoy Andriamanitra” tamin’izy ireo.​—Jenezy 1:28, 29, Fandikan-teny Katolika; Jaona 1:1.

11. Fiandohana lavorary nanao ahoana no nananan’ny olombelona?

11 Hoy ny Baiboly: “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 1:31). Lavorary tanteraka ny zava-drehetra tao amin’ny saha Edena. Niaina tao amin’ny paradisa i Adama sy i Eva. Nanana saina sy vatana lavorary izy ireo. Afaka nifandray tamin’ilay Mpanao azy izy ireo, ary afaka nifandray tamin’izy ireo koa Andriamanitra. Ary raha nitoetra ho nahatoky izy ireo, dia ho niteraka zanaka lavorary. Tsy ho nisy hilana fitondram-panjakana vaovao iray any an-danitra.

12, 13. Rehefa nihamaro ny olombelona lavorary, nahoana no mbola ho afaka nifandray tamin’izy ireo ihany Andriamanitra?

12 Ahoana no ho nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona rehetra rehefa nihamaro ny fianakavian’olombelona? Diniho ireo kintana eny amin’ny lanitra. Mivondrona ho tontolo toa nosy, antsoina hoe vahindanitra, izy ireo. Misy kintana arivo tapitrisa ny vahindanitra sasany. Ny hafa misy tokony ho iray tapitrisa tapitrisa. Ary tombanan’ireo mpahay siansa fa misy vahindanitra tokony ho 100 000 tapitrisa eo amin’izao rehetra izao taka-maso! Na izany aza anefa, dia milaza toy izao ilay Mpamorona: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”​—Isaia 40:26.

13 Koa satria maharaka ny fizotran’ireny tenan-javatra rehetra eny amin’ny lanitra ireny Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy hanahirana azy ny haharaka ny zava-mitranga eo amin’ny olombelona, izay vitsy an’isa lavitra. Na ankehitriny aza, dia mpanompony an-tapitrisany maro no mivavaka aminy isan’andro. Voarain’Andriamanitra avy hatrany ireny vavaka ireny. Koa tsy ho nanahirana azy àry ny nifandray tamin’ny olon-drehetra lavorary. Tsy ho nila Fanjakana iray any an-danitra izy mba hahafahana haharaka ny zava-nitranga teo amin’ny olombelona. Fandaharana mahatalanjona tokoa ny hoe manana an’i Jehovah ho Mpanapaka, sy afaka mifandray mivantana aminy, ary manana fahatsinjovana ny tsy ho faty mihitsy, fa hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa!

‘Tsy an’ny olombelona’

14. Nahoana no hila mandrakizay ny fanapahan’i Jehovah ny olombelona?

14 Hila mandrakizay ny fanapahan’i Jehovah anefa ny olombelona, na dia lavorary aza. Nahoana? Satria tsy noforonin’i Jehovah ho afaka ny tsy hiankina amin’ny fanapahany ka hahita fahombiazana amin’izany, izy ireo. Lalàna efa tandra vadin-koditra amin’ny olombelona izany, araka ny fieken’i Jeremia mpaminany, manao hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jehovah ô, anaro aho”. (Jeremia 10:23, 24). Ho hadalana ny hieritreretan’ny olombelona fa afaka hitondra amim-pahombiazana fitambaran’olona ny tenany, nefa tsy manapaka eo aminy i Jehovah. Hifanohitra amin’ny fomba nanaovana azy ireo izany. Ny tsy fiankinana amin’ny fanapahan’i Jehovah dia azo antoka fa hiteraka fitiavan-tena, fankahalana, halozana, herisetra, ady, ary fahafatesana. ‘Hanapaka ny namany ny olona ka hampiditra loza aminy.’​—Mpitoriteny 8:9.

15. Inona avy no vokatr’ilay safidy ratsy nataon’ny ray aman-drenintsika voalohany?

15 Mampalahelo fa nanapa-kevitra ny tsy hila an’Andriamanitra ho Mpanapaka azy ny ray aman-drenintsika voalohany, ary nifidy ny hiaina tsy hiankina aminy. Vokatr’izany, dia tsy nihazona azy ireo ho lavorary intsony Andriamanitra. Toy ny fitaovana elektrika izay notsoahina tsy hahazo herinaratra izy ireo tamin’izay. Koa hiadam-pandeha sy hijanona izy ireo amin’ny farany, eny, ho faty. Nanjary toy ny modely nisy tsininy izy ireo, ary izany tsy fahalavorariany izany no hany azony nampitaina tamin’ny taranany. (Romana 5:12). “Ny amin’ny Vatolampy [Jehovah], tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. (...) [Nanota taminy izy ireo, Kat.]; tsy zanany ireny​—tsininy izany”. (Deoteronomia 32:4, 5). Marina fa notaomin’ilay zavaboary ara-panahy mpikomy, izay nanjary Satana, i Adama sy i Eva, nefa nanana saina lavorary izy ireo ka afaka nanda ireo hevi-dratsy narosony.​—Genesisy 3:1-19; Jakoba 4:7.

16. Inona no porofoin’ny tantara raha ny amin’ny vokatry ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra?

16 Manome porofo tsy toko tsy forohana ny amin’ny vokatry ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra ny tantara. Efa hatramin’ny an’arivony taona maro no nanandraman’ny olona ny karazam-pitondram-panjakan’olombelona rehetra, ny rafitra ara-toe-karena sy ara-tsosialy rehetra. Na izany aza anefa, dia ‘mandroso miharatsiratsy kokoa’ hatrany ny faharatsiana. (2 Timoty 3:13). Nanaporofo izany ny taonjato faha-20, izay feno fankahalana miharo halozana, ary feno herisetra, ady, hanoanana, fahantrana, sy fahoriana mafy indrindra teo amin’ny tantara. Ary na manao ahoana na manao ahoana fandrosoana vita teo amin’ny fitsaboana, dia ho faty ihany ny rehetra, na ho ela na ho haingana. (Mpitoriteny 9:5, 10). Tamin’ny fiezahany hahalavorary samirery ny diany, dia namela ny tenany ho rembin’i Satana sy ireo demoniany ny olombelona, ary namela ny tenany ho toy izany diso tafahoatra izy, hany ka antsoin’ny Baiboly hoe “andriamanitr’izao tontolo izao” i Satana.​—2 Korintiana 4:4.

Safidy malalaka, izay fanomezana

17. Ahoana no tokony hampiasana ny safidy malalaka, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra?

17 Nahoana no namela ny olombelona hanao araka izay tiany i Jehovah? Rehefa namorona azy ireo i Jehovah, dia nanome azy ireo ilay fanomezana mahatalanjona, dia ny fahafahana hanao safidy malalaka. “Izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana”, hoy ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 3:17). Tsy misy olona maniry ho toy ny milina, ka ny olon-kafa foana no hanapaka izay rehetra holazainy sy hataony. Notakin’i Jehovah anefa ny hanehoan’ny olombelona fahaiza-mandray andraikitra eo amin’ny fampiasana an’io fanomezana io, dia ny safidy malalaka. Notakin’i Jehovah izany mba hahitan’ny olombelona fa fahendrena ny manao ny sitrapon’Andriamanitra sy ny mitoetra ho eo ambanin’ny fifehezany. (Galatiana 5:13). Koa tsy hoe tsy nisy fetrany àry izany ny fahafahana, satria hiteraka fanjakan’i Baroa izany. Tokony hoferana tsy hihoatra ny lalàn’Andriamanitra natao handraisan-tsoa izy io.

18. Inona no nasehon’Andriamanitra rehefa namela ny olombelona hampiasa safidy malalaka izy?

18 Rehefa namela ny fianakavian’olombelona hanao araka izay tiany Andriamanitra, dia nasehony indray mandeha tsy miverina fa mila ny fanapahany isika. Ny fomba fanapahany, ny fiandrianany, no hany tena mety. Hiteraka fahasambarana sy fahafaham-po ary fanambinana faran’izay lehibe izy io. Izany no izy, satria noforonin’i Jehovah hiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny saintsika sy ny vatantsika, rehefa mifanaraka amin’ny lalàny. “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:17). Tsy ho enta-mavesatra ny safidy malalaka tsy mihoatra ny faritry ny lalàn’Andriamanitra, fa hitondra kosa sakafo sy fonenana sy zavakanto ary mozika maro isan-karazany izay hanome fahafinaretana. Raha nampiasaina araka ny tokony ho izy ny safidy malalaka, dia ho nampisy fiainana nahatalanjona sy nahaliana mandrakariva, teo amin’ny tany paradisa.

19. Inona no fitaovana ampiasain’Andriamanitra hampihavanana indray ny olombelona aminy?

19 Noho ny safidy ratsy nataon’ny olombelona anefa, dia nihataka tamin’i Jehovah izy, ka nanjary tsy lavorary, nihasimba, ary maty. Koa hila ny havotana tamin’izany toe-piainana mampalahelo izany àry izy ireo ka haverina hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra indray toy ny zanany. Ny fitaovana nofidin’Andriamanitra hanatontosana izany dia ilay Fanjakana, ary ilay Mpanavotra dia i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16). Amin’ny alalan’io fandaharana io, dia hihavana indray amin’Andriamanitra ireo tena mibebaka toa an’ilay zanaka adala ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy, ka heken’Andriamanitra indray ho zanany.​—Lioka 15:11-24; Romana 8:21; 2 Korintiana 6:18.

20. Ahoana no hanatanterahan’ilay Fanjakana ny fikasan’Andriamanitra?

20 Azo antoka fa ho tanteraka eto an-tany ny sitrapon’i Jehovah. (Isaia 14:24, 27; 55:11). Amin’ny alalan’ilay Fanjakany eo ambanin’ny fitantanan’i Kristy, dia hanamarina (hanaporofo) tanteraka ny zony ho Tompom-piandrianana eo amintsika Andriamanitra. Hamarana ny fanapahan’olombelona sy ny fanapahan’ny demonia eto amin’ity tany ity ilay Fanjakana, ary izy irery ihany no hanapaka avy any an-danitra, mandritra ny arivo taona. (Romana 16:20; Apokalypsy 20:1-6). Mandritra io fotoana io anefa, ahoana no hanehoana ny fahambonian’ny fomba fanapahan’i Jehovah? Ary aorian’ny arivo taona, inona no ho anjara asan’ilay Fanjakana? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

Hevitra ho Famerenana

• Inona no foto-kevitry ny Baiboly?

• Iza no mahaforona ilay fanapahana vaovaon’ny tany?

• Nahoana no tsy afaka ny hahomby na oviana na oviana ny fanapahan’olombelona tsy miankina amin’Andriamanitra?

• Ahoana no tsy maintsy ampiasana ny safidy malalaka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Nanasongadina ny fanapahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ilay Fanjakana ny fampianaran’i Jesosy

[Sary, pejy 12]

Any amin’ny tany rehetra, dia manao an’ilay Fanjakana ho fampianarany lehibe indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 14]

Manome porofo ny amin’ireo voka-dratsin’ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra ny tantara

[Sary nahazoan-dalana]

Miaramila tamin’ny Ady Lehibe I: U.S. National Archives photo; toby fitanana: Oświęcim Museum; ankizy: UN PHOTO 186156/J. Isaac