Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Ahafahanao Manatona An’Andriamanitra

Ny Fomba Ahafahanao Manatona An’Andriamanitra

Ny Fomba Ahafahanao Manatona An’Andriamanitra

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”, hoy ny Jakoba 4:8. Mba hampisehoana hoe hatraiza i Jehovah Andriamanitra no maniry ny hananan’ny olombelona fifandraisana akaiky aminy, dia nanome ny Zanany ho antsika izy.

HO SETRIN’IZANY dingana voalohany maneho fitiavana izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Isika tia [an’Andriamanitra], satria Izy efa tia antsika taloha.” (1 Jaona 4:19). Misy zavatra sasany tsy maintsy ataon’ny tenantsika manokana anefa mba hanatonana an’Andriamanitra. Izany dia mitovy amin’ireo fomba efatra anatonantsika olon-kafa, araka ny voasoritra tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Andeha àry izao hodinihintsika izy ireo.

Diniho ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitra

Manana toetra mahatalanjona maro Andriamanitra, ka ny sasany amin’ireo miavaka indrindra dia ny fitiavany, ny fahendreny, ny fitiavany ny rariny ary ny heriny. Izao rehetra izao lavitra be sy ny tontolo manodidina antsika, manomboka amin’ireo vahindanitra goavana ka hatramin’ny ataoma bitika, dia samy manome porofo tondraka ny amin’ny fahendreny sy ny heriny. Hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.”​—Salamo 19:1; Romana 1:20.

Manome taratry ny fitiavan’Andriamanitra koa ny zavatra noforonina. Ny fomba nanaovana antsika, ohatra, dia mampiseho fa tian’Andriamanitra ny hankafizantsika ny fiainana. Nomeny antsika ny fahafahana hahita loko, hahatsapa tsiro sy handre fofona, ho tia mozika, hihomehy, hankafy zavatra tsara, ary tsy izany ihany fa ny fahaizana sy ny toetra hafa maro dia maro koa, izay tsy hoe tsy maintsy ilaina mba hahavelomana. Eny, tena malala-tanana sy tsara fanahy ary be fitiavana tokoa Andriamanitra, ary tsy isalasalana fa anisan’ny mahatonga azy ho ilay “Andriamanitra finaritra” izany toetrany izany.​—1 Timoty 1:11; Asan’ny Apostoly 20:35.

Faly erỳ i Jehovah fa miorina voalohany indrindra amin’ny fitiavana, ny fampiharana ny fiandrianany sy ny fanohanan’ny zavaboariny manan-tsaina azy io. (1 Jaona 4:8). Marina fa Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao i Jehovah, kanefa dia mitondra ny olombelona toy ny itondran’ny ray be fitiavana ny zanany izy, indrindra moa fa rehefa mitondra ireo mpanompony mahatoky. (Matio 5:45). Tsy mitsitsy na inona na inona ho tombontsoan’izy ireo izy. (Romana 8:38, 39). Araka ny efa voalaza, dia nanome ny ain’ny Zanany lahitokana ho tombontsoantsika mihitsy aza izy. Eny, ny fitiavan’Andriamanitra no antony mampisy antsika sy anantenantsika fiainana mandrakizay.​—Jaona 3:16.

Nanome antsika fahatakarana lalina ny amin’ny toetran’Andriamanitra i Jesosy, noho izy nanahaka an-dRainy tamin’ny fomba tonga lafatra. (Jaona 14:9-11). Tsy tia tena velively izy ary maneho fiheverana sy fiahiana tanteraka. Indray mandeha, dia nampifankahalalaina tamin’ny lehilahy iray narenina sy niraiki-dela, i Jesosy. Azonao an-tsaina fa nety ho saikatra ilay lehilahy rehefa teo anivon’ny vahoaka. Mahaliana fa nentin’i Jesosy tany amin’ny toerana nitokana iray io lehilahy io, ary nositraniny tany. (Marka 7:32-35). Mankasitraka olona mahatakatra ny fihetseham-ponao sy manaja ny fahamendrehanao ve ianao? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa ho voasintona hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah sy i Jesosy ianao, arakaraka ny hianaranao momba azy ireo.

Saintsaino ireo toetran’Andriamanitra

Mety hanana toetra mahatalanjona ny olona iray, kanefa mila misaintsaina momba an’izany olona izany isika mba hahatonga antsika ho voasintona ho aminy. Toy izany koa ny amin’i Jehovah. Dingana faharoa tena lehibe ny fisaintsainana ireo toetrany, mba hahatonga antsika ho voasintona ho aminy. I Davida Mpanjaka, lehilahy iray tena tia an’i Jehovah sy ‘araka ny fon’i Jehovah’, dia nilaza hoe: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao rehetra; ny asan’ny tànanao no eritreretiko.”​—Asan’ny Apostoly 13:22; Salamo 143:5.

Rehefa mandinika ireo zava-mahatalanjona eo amin’ny zavatra noforonina ianao, na mamaky ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly, moa ve ianao misaintsaina ny amin’izay hitanao sy vakinao, tahaka ny nataon’i Davida? Alao sary an-tsaina ny zanakalahy iray vao avy naharay taratasy avy tamin-drainy, izay iraiketan’ny fony lalina. Ahoana no hiheverany an’izany taratasy izany? Azo antoka fa tsy hijery maimaika fotsiny izay raketin’ilay taratasy izy ary avy eo, dia hanipy ilay izy ao anaty vatasarihana. Handinika azy io kosa izy, ka hanatsoaka ny tsipiriany rehetra sy ny fahasamihafana kely rehetra eo amin’ireo hevitra raketiny. Tokony ho sarobidy amintsika, toy izany koa, ny Tenin’Andriamanitra, toy ny naha izany azy tamin’ilay mpanao salamo, izay nihira hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.”​—Salamo 119:97.

Mihazòna fifampiresahana tsara

Fifampiresahana tsara no hery manome aina ny fifandraisana rehetra. Tafiditra amin’izany ny fitenenana sy ny fihainoana​—tsy amin’ny saina fotsiny fa amin’ny fo koa. Miresaka amin’ilay Mpamorona isika, amin’ny alalan’ny vavaka, izay firesahana amim-panajana amin’Andriamanitra. Mahafinaritra an’i Jehovah ny vavaka ataon’ireo tia sy manompo azy ary manaiky an’i Jesosy Kristy ho ny solontenany lehibe indrindra.​—Salamo 65:2; Jaona 14:6, 14.

Tamin’ny lasa, dia niteny tamin’ny olombelona tamin’ny fomba samihafa Andriamanitra, anisan’izany ny fahitana sy ny nofy ary tamin’ny alalan’ny anjely. Ankehitriny anefa, dia manao izany amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra izy, dia ny Baiboly Masina. (2 Timoty 3:16). Misy tombony betsaka ny Teny voasoratra. Azo jerena amin’ny fotoana rehetra izy io, ary azo averimberina vakina, toy ny taratasy. Tsy azon’ny fanolanan-kevitra, izay matetika mampiavaka ny fitantarana am-bava, koa izy io. Koa hevero ho toy ny fitambarana taratasy maro be avy tamin’ny Rainao be fitiavana any an-danitra àry ny Baiboly, ary avelao izy hiresaka aminao isan’andro amin’ny alalan’ireo taratasy ireo.​—Matio 4:4.

Manoritra ny fomba fijerin’i Jehovah mahakasika ny tsara sy ny ratsy, ohatra, ny Baiboly. Manazava ny fikasany ho an’ny olombelona sy ny tany, izy io. Ary mampiharihary koa ny fomba nifandraisany tamin’ny olona sy firenena maro samihafa izy io, manomboka amin’ireo mpivavaka taminy nahatoky ka hatramin’ny fahavalo mpankahala. Nasain’i Jehovah noraketina an-tsoratra tamin’izany fomba izany ny fifandraisany tamin’ny olombelona. Tamin’ny fanaovana izany, dia nilazalaza tamin’ny an-tsipiriany madinika indrindra ny toetra maha izy azy i Jehovah. Mampiharihary ny fitiavany, ny fifaliany, ny alahelony, ny fahadisoam-panantenany, ny fahatezerany, ny famindram-pony, ary ny fiahiany, izy​—eny, ny fomba fiheviny sy ny fihetseham-pony samihafa, ary ny antony fototra mahatonga izany. Ary izany rehetra izany dia aharihariny amin’ny fomba izay mazava avy hatrany ao an-tsain’ny olombelona.​—Salamo 78:3-7.

Ahoana no ahafahanao mandray soa avy amin’ny vakiteninao, rehefa avy namaky tapany amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao? Ary, indrindra indrindra, ahoana no ahafahanao manatona akaiky an’Andriamanitra? Voalohany aloha, dia saintsaino izay novakinao sy nianaranao mahakasika an’Andriamanitra, ka avelao hanohina ny fonao ireo hevitra hita tao. Avy eo, dia lazao amin’i Jehovah amin’ny vavaka ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao lalina indrindra mahakasika ilay zavatra nodinihinao sy izay ezaka hataonao mba handraisan-tsoa avy amin’izany. Izany no atao hoe fifampiresahana. Mazava ho azy fa raha misy zavatra hafa koa ao an-tsainao, dia azo antoka fa azo ampidirina ao amin’ny vavaka ataonao izy ireny.

Miaraha manao zavatra amin’Andriamanitra

Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny lehilahy nahatoky fahiny izay niara-nandeha tamin’ilay Andriamanitra marina na nandeha teo anatrehany. (Genesisy 6:9; 1 Mpanjaka 8:25). Inona no hevitr’izany? Ny heviny fototra dia izao: Ny fomba fiainan’izy ireo isan’andro dia toy ny hoe niaraka tamin’izy ireo teo mihitsy Andriamanitra. Marina fa mpanota izy ireo. Na izany aza anefa, dia tia ny lalàn’Andriamanitra sy ny foto-pitsipiny izy ireo, ary niaina nifanaraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra. Voasinton’ny olona toy izany i Jehovah ary miahy azy ireo izy, araka ny asehon’ny Salamo 32:8, manao hoe: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.”

Ianao koa dia afaka manana an’i Jehovah ho namanao akaiky, izay miara-mandeha aminao, miahy anao, sy manome torohevitry ny ray ho anao. Ny mpaminany Isaia dia nilazalaza an’i Jehovah ho ilay “mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao”. (Isaia 48:17). Rehefa mahazo izany soa izany isika, dia tsapantsika fa eo i Jehovah, eny, toy ny hoe ‘eo an-kavanantsika’, tsy misy hafa amin’izay tsapan’i Davida.​—Salamo 16:8.

Ny anaran’Andriamanitra​Votoatin’ireo toetrany 

Fivavahana maro sy fandikan-tenin’ny Baiboly mitombo isa hatrany no tsy mampiasa sy tsy mampahafantatra ny anarana manokan’Andriamanitra. (Salamo 83:18). Ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany anefa, dia miseho im-7 000 eo ho eo izany anarana izany, dia ny hoe Jehovah! (Manaisotra ny anaran’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo mpandika tenin’ny Baiboly, nefa nihazona kosa ny anaran’ireo andriamani-diso maro voaresaka ao amin’ny soratra tany am-boalohany, toa an’i Bala, Bela, Merodaka, ary na dia i Satana aza!)

Mihevitra ny olona sasany fa raharaha madinika ny fanesorana ny anaran’Andriamanitra. Eritrereto anefa izao: Sarotra kokoa sa mora kokoa ny mamboly fifandraisana akaiky sy tsy misy fitsarana an-tendrony amin’ny olona iray tsy fantatra anarana? Ny anaram-boninahitra toy ny hoe Andriamanitra sy Tompo (izay ampiasaina koa amin’ny andriamani-diso) dia mety hanintona ny saina ho amin’ny herin’i Jehovah, na ny fahefany, na ny toerana tanany, fa ny anarany manokana irery kosa no mampahafantatra azy mazava tsara. (Eksodosy 3:15; 1 Korintiana 8:5, 6). Mampiseho tsara ny toetran’ilay Andriamanitra marina sy ny mampiavaka azy, ny anarany manokana. Ara-dalàna raha nanambara toy izao ilay teôlôjianina, antsoina hoe Walter Lowrie: “Ny olona izay tsy mahafantatra an’Andriamanitra amin’ny anarany dia tsy mahatsapa marina tokoa hoe persona iray izy.”

Diniho ny ohatr’i Maria, Katolika tso-po iray mipetraka any Aostralia. Rehefa nihaona voalohany taminy ny Vavolombelon’i Jehovah, dia navelan’i Maria hampiseho taminy ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ireo Vavolombelona. Nanao ahoana ny fihetsiny? “Nitomany aho raha vao nahita voalohany ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly. Nanohina ahy aoka izany ny nahalala fa tena afaka nahafantatra sy nampiasa ny anarana manokan’Andriamanitra aho.” Nanohy nianatra ny Baiboly i Maria, ary sambany teo amin’ny fiainany izy vao nahafantatra an’i Jehovah amin’ny maha persona azy, ka afaka nanorina fifandraisana maharitra aminy.

Eny, afaka ‘manatona an’Andriamanitra’ isika, na dia tsy afaka mahita azy amin’ny masontsika ara-bakiteny aza. Afaka “mahita” ny toetrany kanto dia kanto ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika isika, ka amin’izay dia mitombo ny fitiavantsika azy. Izany fitiavana izany dia “fehy fampiraisana tonga lafatra”.​—Kolosiana 3:14, NW.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Mamaly ny Fitiavanao Azy i Jehovah

TSY mandeha ila ny fifandraisana. Rehefa manatona an’Andriamanitra isika, dia manatona antsika akaiky kokoa izy. Diniho ny fihetseham-pony tamin’i Simeona sy i Hana, be taona, izay samy nanaovana fanamarihana manokana ao amin’ny Baiboly. Milaza amintsika i Lioka, mpanoratra Filazantsara, fa “marina sady mpivavaka tsara” i Simeona ka niandry ny Mesia. Nandinika ireo toetra tsara dia tsara nananan’i Simeona ireo i Jehovah ary nampiseho fitiavana an’io lehilahy zokiolona malalany io, tamin’ny fanambarana taminy fa “tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany an’i Kristy”. Nitana ny teniny i Jehovah ka nitondra an’i Simeona tany amin’i Jesosy zazakely, izay nentin’ny ray aman-dreniny tao amin’ny tempoly tao Jerosalema. Nientam-po sy naneho fankasitrahana lalina i Simeona, ka nitrotro ilay zazakely sady nivavaka hoe: “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao”.​—Lioka 2:25-35.

“Tamin’izany ora izany” indrindra, dia nampiseho ny fitiavany an’i Hana, izay 84 taona, koa i Jehovah, tamin’ny nitondrany azy koa tany amin’i Jesosy. Araka ny lazain’ny Baiboly amintsika, dia tao amin’ny tempoly foana io mpitondratena malala io, “nanompo” an’i Jehovah. Safononoky ny fankasitrahana izy, ka nisaotra an’i Jehovah koa, tahaka an’i Simeona, noho ny hatsaram-panahy niavaka nasehon’i Jehovah, ary taorian’izay izy dia niresaka an’ilay zaza “tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema”.​—Lioka 2:36-38.

Eny, voadinik’i Jehovah fa sady lalina ny fitiavana sy ny fahatahoran’i Simeona sy i Hana azy, no niahy koa ny amin’izay hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah izy ireo. Tsy manintona anao ho amin’i Jehovah ve ny fitantarana toy izany ao amin’ny Baiboly?

Tahaka ny Rainy, dia nahay nanavaka koa ny tena toetra anaty i Jesosy. Raha nampianatra tao amin’ny tempoly izy, dia nandinika “mpitondratena malahelo” iray, izay tsy nanome afa-tsy “farantsakely roa” monja. Tsy ho nisy vidiny tamin’ny olona hafa nitazana ny fanomezany, kanefa tsy izany ilay izy tamin’i Jesosy. Nidera io vehivavy io izy, noho izy nanome izay rehetra nananany. (Lioka 21:1-4). Noho izany, dia afaka matoky isika fa ankasitrahan’i Jehovah sy i Jesosy isika raha manome ny tsara indrindra avy amintsika ho azy ireo, na lehibe na kely ny fanomezana ataontsika.

Na dia faly amin’ireo izay tia azy aza Andriamanitra, dia malahelo kosa izy rehefa miala aminy ny olombelona ka manaraka ny lalan’ny fanaovan-dratsy. Milaza amintsika ny Genesisy 6:6 fa ‘nalahelo ny fon’i Jehovah’ noho ny faharatsian’ny olombelona talohan’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. Tatỳ aoriana, dia imbetsaka no “naka fanahy an’Andriamanitra” ireo Isiraelita tsy nankatò, “ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Isiraely”, araka ny lazain’ny Salamo 78:41. Eny, tsy “Antony Nisian’ny Zava-drehetra” tsy miraika sy tsy manana fihetseham-po akory Andriamanitra. Tena persona kosa izy, izay tsy mba manana fihetseham-po tsy voalanjalanja na donton’ny tsy fahalavorariana, tahaka ny antsika.

[Sary, pejy 7]

Fomba iray hanatonana an’i Jehovah ny fisaintsainana ny amin’ny zavatra noforoniny