Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hamotopototra Momba ny Fivavahana Hafa ve Ianao?

Tokony Hamotopototra Momba ny Fivavahana Hafa ve Ianao?

Tokony Hamotopototra Momba ny Fivavahana Hafa ve Ianao?

“EFA nanatrika fivoriana kristianina nandritra ny herintaona latsaka kely aho, ary nankafy ny firesahana tamin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra”, hoy i Miguel, izay Vavolombelon’i Jehovah any Amerika Atsimo, ankehitriny. “Avy eo aho dia nanomboka nihaino fandaharana ara-pivavahana tao amin’ny radio, sy nijery mpitory teny ara-pivavahana tao amin’ny televiziona. Nihevitra aho fa afaka nanampy ahy hahatakatra tsara kokoa ny hevitry ny olona hafa fivavahana, ireny fandaharana ireny. Takatro fa tsy nifanaraka tamin’ny Baiboly ny fampianaran’izy ireny, kanefa liana ta hahafanta-javatra aho.”

Tao amin’io tany io ihany, dia be zotom-po tamin’ny fampianarana ny hafa momba ny fanompoam-pivavahana marina i Jorge. Nisy fotoana anefa nanombohany nihaino fandaharana ara-pivavahana tao amin’ny radio sy ny televiziona koa. “Ilainao ny mahafantatra izay heverin’ny hafa”, hoy izy tamin’izany fotoana izany. Rehefa nanontaniana izy raha mety hampidi-doza ny fihainoana fampianaran-diso toy izany, dia hoy ny navaliny: “Tsy misy na inona na inona afaka manimba ny finoan’ny olona iray mahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly.” Mampipoitra fanontaniana lehibe ireo fitantarana ireo: Fahendrena ve ny hihainoana izay inoan’ny hafa?

Fanekena ny Kristianisma marina

Rehefa maty ireo apostoly, dia nanjary voaloton’ny Kristianisma sandoka nipoitra miandalana tamin’ny endriny maro, ny fanompoam-pivavahana marina. Efa nahatsinjo mialoha izany i Jesosy, ka nampahafantatra fomba iray hoenti-manavaka ireny Kristianisma hosoka ireny amin’ny Kristianisma marina. Nampitandrina toy izao izy aloha: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.” Nanampy teny toy izao izy avy eo: “Ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:15-23). Mampihatra izay nampianarin’i Jesosy ireo tena mpanara-dia azy, ary mora fantatra amin’ny voany tsara dia tsara. Tsy misy hafa amin’ny nataon’i Jesosy, dia mitsidika ny olona izy ireo mba hanazava ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Manaraka ny ohatra navelan’i Jesosy izy ireo, ka mialanalana amin’ny politika sy ny fifandirana ara-tsosialy eo amin’izao tontolo izao. Ekeny fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary hajainy, amin’ny maha fahamarinana azy io. Mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra izy ireo. Koa satria miezaka mafy hampihatra ilay fitiavana ampianarin’Andriamanitra izy ireo, dia tsy mandray anjara amin’ny ady, fa mifampitondra toy ny mpirahalahy kosa.​—Lioka 4:43; 10:1-9; Jaona 13:34, 35; 17:16, 17, 26.

Araka ny Soratra Masina, dia azo atao ny ‘mahita ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy’. (Malakia 3:18). Miray saina sy tafaray amin’ny zavatra ataony ny mpivavaka marina ankehitriny, tsy misy hafa amin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Efesiana 4:4-6). Rehefa fantatrao hoe iza ireo tena Kristianina ireo, nahoana ianao no tokony ho liana ta hahafantatra momba ny zavatra inoan’ny hafa?

Mitandrema amin’ny mpampianatra sandoka

Eken’ny Baiboly fa na dia rehefa mahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly aza ny olona iray, dia mety handoto azy ara-panahy ny fampianaran-diso. Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” (Kolosiana 2:8). Azo alaina sary an-tsaina tsara ny voalazan’io andinin-teny io! Mampidi-doza tokoa ny mpampianatra sandoka, izay azo oharina amin’ny bibidia maniry ny hahalasa anao ho babony ka handrapaka anao.

Marina fa nahamarika izay ninoan’ny hafa i Paoly. Nanomboka ny lahateniny toy izao izy indray mandeha: “Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo. Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho an’Izay Andriamanitra tsy fantatra.” (Asan’ny Apostoly 17:22, 23). Kanefa, tsy hoe namahana ny sainy tsy tapaka tamin’ny filozofian’ny mpandahateny grika akory i Paoly.

Zavatra iray ny mitady fanazavana momba ny niandohan’ny fivavahan-diso sy ny zavatra inoany, fa zavatra hafa tanteraka kosa ny mamahan-tena amin’izany. * Efa nanendry ny “mpanompo mahatoky sy malina” hanome fampianarana miorina amin’ny Teniny, i Jehovah. (Matio 4:4; 24:45, NW ). Ny tenan’i Paoly mihitsy no nanoratra hoe: “Tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo. Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika?”​—1 Korintiana 10:20-22.

Nety ho efa Kristianina marina taloha ny mpampianatra sandoka sasany, kanefa niala tamin’ny fahamarinana izy ireo ka nanaraka lalan-diso nony avy eo. (Joda 4, 11). Tsy tokony hahagaga antsika izany. Rehefa avy niresaka ny amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izay mampiseho ny fitambaran’ny Kristianina voahosotra, i Jesosy, dia niresaka ny amin’ilay “mpanompo ratsy fanahy”, izay fitambaran’olona mitaraina hoe “maharitra ela ny tompoko”, ary mikapoka ny mpanompo namany. (Matio 24:48, 49). Matetika ireny olona ireny sy ny mpanara-dia azy no tsy manana fampianarana mazava azy manokana, fa ny handrava ny finoan’ny hafa fotsiny no mahaliana azy. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona, mahakasika azy ireny: “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory”.​—2 Jaona 10; 2 Korintiana 11:3, 4, 13-15.

Maneho fahendrena ny olona tso-po eo am-pikarohana ny fahamarinana, raha mandinika tsara izay zavatra reny avy amin’ny fivavahana samy hafa. Hitahy an’ireo olona tso-po mitady ny fahamarinana Andriamanitra, rehefa mandeha ny fotoana. Hoy ny Baiboly, mahakasika ny fahendrena avy amin’Andriamanitra: “Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: dia (...) ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohabolana 2:4, 5). Efa nahita io fahalalana an’Andriamanitra io tamin’ny alalan’ny Baiboly sy ny kongregasiona kristianina ny Kristianina marina, ary efa nahita koa ny fomba itahian’i Jehovah an’ireo tarihin’io fahalalana io. Koa tsy manohy mihaino fampianaran-diso ara-pivavahana àry izy ireo.​—2 Timoty 3:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Manolotra fanazavana fototra momba ny niavian’ny fivavahana maro eto amin’izao tontolo sy momba ny fampianaran’izy ireny ilay boky hoe L’humanité à la recherche de Dieu, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.