Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hamaritanao ny Fahombiazana?Ahoana no Hamaritanao ny Fahombiazana?

Ahoana no Hamaritanao ny Fahombiazana?Ahoana no Hamaritanao ny Fahombiazana?

Ahoana no Hamaritanao ny Fahombiazana?

MAMARITRA ny fahombiazana ho “ny fahazoana harena, sitraka, na toerana ambony” ny diksionera iray. Feno ve izany famaritana ny fahombiazana izany? Ny harena, ny sitraka, na ny toerana ambony ihany ve no hany fomba hamaritana ny fahombiazana? Alohan’ny hamalianao, dia hevero izao: tsy nahazo harena ara-nofo i Jesosy Kristy nandritra ny androm-piainany. Tsy nahazo sitraka avy tamin’ny ankamaroan’ny olona izy, sady tsy nomen’ireo mpamaritra fironana tamin’ny androny hasina. Nahita fahombiazana anefa i Jesosy. Nahoana?

Fony teto an-tany i Jesosy, dia ‘nanankarena ny amin’Andriamanitra’. (Lioka 12:21). Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia novalian’Andriamanitra soa izy, ka nosatrohany “voninahitra aman-daza”. Nasandratr’i Jehovah indrindra ny Zanany sady ‘nomeny ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra’. (Hebreo 2:9; Filipiana 2:9). Nampifaly ny fon’i Jehovah ny fiainan’i Jesosy. (Ohabolana 27:11). Nahomby ny fiainany teto an-tany, satria nahatratra ny zava-nikendrena azy. Nanatontosa ny sitrapon’Andriamanitra sy nanome voninahitra ny anarany i Jesosy. Nomen’Andriamanitra voninahitra kosa i Jesosy, ka nahazo karazana harena, sitraka, sy toerana ambony, izay tsy ho azon’ny kalazalahy eo amin’ny fianarana ambony sy ny politika ary ny fanatanjahan-tena mihitsy. I Jesosy tokoa no ilay lehilahy nahita fahombiazana indrindra teto an-tany.

Takatr’ireo ray aman-dreny kristianina fa raha manaraka ny dian’i Kristy ny zanany, ka manankarena ny amin’Andriamanitra toa an’i Jesosy, dia handray fitahiana maro dieny izao, ary hifaly amin’ny valisoa tsy hay saintsainina ao amin’ilay fandehan-javatra ho avy. Tsy misy fomba tsara kokoa hanarahan’ny tanora iray ny dian’i Kristy, ankoatra ny fanaovana ny asa nataon’i Jesosy​—dia ny fanompoana manontolo andro, raha azo atao.

Ao amin’ny kolontsaina sasany anefa, dia tsy fanao mahazatra ny tanora ny mirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro. Rehefa mahavita fianarana ny tovolahy iray, dia angamba antenaina ny hahitany asa manontolo andro sy ny hanambadiany, ka hananany fiainana milamindamina. Indraindray, dia miahotra, amin’ny fomba diso, ny hanao ny fanompoana manontolo andro ny tanora avy amin’ny kolontsaina tahaka izany. (Ohabolana 3:27). Nahoana? Noho ny fanerena, dia manaraka ny fitsipika ara-kolontsaina manjaka izy. Izany no nitranga tamin’i Robert. *

Rehefa mifanohitra ny kolontsaina sy ny feon’ny fieritreretana

Notezaina tamin’ny naha Vavolombelon’i Jehovah azy i Robert. Fony izy zatovo, dia tsy nahafa-po ny fitondran-tenany sy ny namana nofidiny. Nanomboka nanahy ny aminy ny reniny. Noho izany, dia niangaviany ny mpisava lalana iray, mpitory Vavolombelon’i Jehovah manontolo andro, mba hampirisika azy. Manazava ny zava-nitranga taorian’izany i Robert.

“Tena nankasitrahako ny fiahiana nasehon’ilay rahalahy mpisava lalana tamiko. Nahatonga ahy haniry hanao ny asan’ny mpisava lalana koa ny ohatra tsara nomeny, raha vantany vao vita ny fianarako. Teo dia nanahy indray i Neny​—noho ny antony hafa anefa. Ao amin’ny kolontsainay mantsy, dia azo ekena ny hanaovan’ny tovovavy iray ny asan’ny mpisava lalana avy hatrany, raha vao vita ny fianarany; antenaina kosa anefa ny tsy hahory ara-bola ny tovolahy iray aloha, vao hieritreretany ny asan’ny mpisava lalana.

Nahita asa aho ary nanomboka ny fandraharahako manokana. Tsy ela dia variana loatra tamin’ny fandraharahako aho, ka nanjary fahazarana fotsiny ny nandeha nivory sy ny nitory. Tsy nandry ny feon’ny fieritreretako​—fantatro fa afaka nanompo an’i Jehovah tamin’ny fomba feno kokoa aho. Kanefa, tena ady mafy ny niala tamin’ny zavatra nantenain’ny hafa tamiko; faly anefa aho nanao izany. Manambady aho izao, ary mpisava lalana izahay mivady hatramin’ireo roa taona lasa izao. Vao haingana, dia voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny kongregasiona aho. Afaka milaza amim-pahatsorana aho fa tena afa-po ankehitriny eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny foko manontolo sy araka ny fara fahaizako.”

Nampirisika imbetsaka ny tanora ity gazety ity mba hianatra asa iray na hanitatra fahaizana mety hahasoa​—raha mbola any am-pianarana, raha azo atao. Noho ny fikendrena inona? Ny hanankarena ve? Tsia. Ny antony voalohany indrindra dia ny mba hahafahany hamelo-tena araka ny tokony ho izy rehefa lehibe sy hanompoany an’i Jehovah amin’ny fomba feno araka izay azony atao, indrindra ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Matetika anefa, dia revo amin’ny fikatsahana asa ny tovolahy sy ny tovovavy, ka mihen-danja ny fanompoana. Tsy mikasa ny hanao ny asan’ny mpisava lalana mihitsy ny sasany. Fa nahoana?

Mitondra fanazavana sasantsasany momba izany i Robert. Rehefa avy nianatra ny asany i Robert, dia nanomboka fandraharahana iray. Tsy ela izy dia nanao asa nanasatra sy dridralava iray izay tsy nitondra azy na taiza na taiza. Ny tanjony dia ny tsy ho ory ara-bola. Kanefa, efa mba nisy olona nahatratra izany tanjona izany tamin’ny fomba feno ve, na tao anatin’ny kongregasiona kristianina na tany ivelany? Tokony hiezaka mafy mba hahay hitantam-bola ny Kristianina; kanefa, tokony ho takany koa fa amin’izao andro tsy azo antoka izao, dia vitsy ny olona afaka milaza ny tenany ho tena tsy ory eo amin’ny ara-bola. Noho izany, dia mampionona ny Kristianina tokoa ny fampanantenan’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33.

Sambatra i Robert, satria nanapa-kevitra ny hanaraka ny fanirian’ny fony fa tsy ny fomba amam-panaon’ny kolontsaina misy azy. Faly aoka izany izy ankehitriny ao anatin’ny fanompoana manontolo andro. Eny, asa mendri-kaja ny fanompoana manontolo andro. Milamin-tsaina i Robert, satria manompo an’i Jehovah ‘araka ny fara fahaizany’, araka ny lazainy.

Ampiasao amin’ny fomba tsara indrindra ny fahaizanao

Maro ny Vavolombelon’i Jehovah manan-talenta. Manana fahaizana ara-tsaina miavaka ny sasany; ny hafa mahay asa tanana. Avy amin’i Jehovah, izay “manome izao rehetra izao aina sy fofon-aina ary ny zavatra rehetra”, daholo ireny fahaizana rehetra ireny. (Asan’ny apostoly 17:25). Raha tsy misy aina, dia tsy misy vidiny ireny fahaizana ireny.

Ara-dalàna àry ny ampiasantsika ny fiainantsika voatokana ho an’i Jehovah amin’ny fanompoana azy. Izany no nataon’ny tovolahy nanan-talenta iray. Niaina tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. izy. Nitana toerana ambony ny fianakaviany, ary nipetraka tao Tarsisy, tanàna be mpahalala iray tany Kilikia, izy, fony tanora. Na dia teratany jiosy aza izy, dia nandova ny zom-pirenena romanina avy tamin’ny rainy. Nahazoany zo sy tombontsoa maro izany. Rehefa nihalehibe izy, dia nianatra ny Lalàna tamin’i Gamaliela, izay anisan’ireo “profesora” farany ambony tamin’izany fotoana izany. Toa tsy ho ela dia hanana ‘harena sy sitraka ary toerana ambony’ izy.​—Asan’ny apostoly 21:39; 22:3, 27, 28.

Iza moa izany tovolahy izany? Saoly no anarany. Kanefa, tonga Kristianina izy, ka nanjary ny apostoly Paoly tatỳ aoriana. Namela ny faniriany laza teo aloha izy, ka nanokana ny fiainany manontolo ho an’ny fanompoana an’i Jehovah, tamin’ny naha Kristianina azy. Tsy mpahay lalàna nalaza no nanjary nahafantarana an’i Paoly, fa mpitory ny vaovao tsara be zotom-po kosa. Rehefa nanao ny asa misionera efa ho 30 taona i Paoly, dia nanoratra ho an’ireo namany tany Filipy. Nanao topy maso indray ny zava-bitany sasany tamin’ny lasa, talohan’ny nahatongavany ho Kristianina izy tao amin’io taratasy io, ary nilaza toy izao avy eo: “[I Jesosy Kristy no] niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy”. (Filipiana 3:8). Tsia, tsy nanenina noho ny fomba nampiasany ny fiainany i Paoly!

Ahoana ny amin’ilay fampiofanana noraisiny tamin’i Gamaliela? Nisy nilany azy io ve? Eny! Imbetsaka izy no nanampy teo “[amin’ny fiarovana sy ny fampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara, NW ]”. Kanefa, ny asan’i Paoly voalohany indrindra dia ny fitoriana ny vaovao tsara, fampiofanana tsy ho azony mihitsy tamin’ny fampianarana azy teo aloha.​—Filipiana 1:7; Asan’ny apostoly 26:24, 25.

Toy izany koa ankehitriny, dia nampiasa ny fahaizany sy ny talentany ary ny fianarana azony mihitsy aza ny sasany mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. I Amy, ohatra, dia manana diplaoman’ny oniversite amin’ny varotra sy iray hafa amin’ny lalàna. Nanana asa nahazoam-bola be tao amin’ny kabinen’ny mpisolovava iray izy taloha, kanefa ankehitriny izy dia mpiasa an-tsitrapo tsy mandray karama any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Toy izao no ilazalazan’i Amy ny fiainany ankehitriny: “Mino aho fa nanao ny safidy tsara indrindra eo amin’ny fiainana. (...) Tsy maniry ny hifanakalo toerana amin’ny mpiara-mianatra tamiko teny amin’ny oniversite aho. Faly amin’ny safidy nataoko aho. Manana izay rehetra ilaiko sy tadiaviko aho​—fiainana mahafa-po sy sambatra ary asa mahafa-po.”

Nanao safidy izay nitondra fiadanan-tsaina sy fahafaham-po ary fitahian’i Jehovah ho azy, i Amy. Azo antoka fa izany no tena tadiavin’ny ray aman-dreny ho an’ny zanany!

Fahombiazana eo amin’ny fanompoana kristianina

Mazava ho azy fa tena zava-dehibe ny hananana fomba fijery mety momba ny fahombiazana eo amin’ny fanompoana kristianina. Mora ny mahatsiaro ho nahomby rehefa nahafinaritra ny fanompoana teny amin’ny saha, ka nahapetraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly na nanao resaka ara-baiboly nandrisika tamin’ny tompon-trano isika. Kanefa, raha indraindray ny olona vao mihaino antsika, dia mety halaim-panahy isika hanatsoaka hevitra fa lany andro fotsiny isika. Tadidio anefa fa anisan’ny famaritana ny fahombiazana ny ‘fahazoana sitraka’. Maniry hahazo sitraka amin’iza moa isika? Mazava ho azy fa amin’i Jehovah. Mahazo izany isika na mihaino ny hafatra entintsika ny olona na tsia. Nanome fianarana mafonja ny mpianany tamin’io lafiny io i Jesosy.

Tsaroanao fa nirahin’i Jesosy nankany “amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany” ireo mpitory ilay Fanjakana 70. (Lioka 10:1).Tokony hitory tany amin’ny tanàna sy ny vohitra izy ireo, ary tsy niaraka tamin’i Jesosy. Zava-baovao taminy izany. Noho izany, dia nomen’i Jesosy toromarika tamin’ny an-tsipiriany izy ireo, talohan’ny nanirahany azy. Rehefa nifanena tamin’ny “zanaky ny fiadanana” iray izy, dia nasaina nanao fanambarana feno momba ilay Fanjakana. Rehefa nolavina anefa izy ireo, dia tokony hanohy ny lalany fa tsy hanahy. Nohazavain’i Jesosy fa ireo izay tsy nety nihaino azy ireo dia nanda an’i Jehovah, raha ny marina.​—Lioka 10:4-7, 16.

Rehefa nahavita ny fitoriany ireo 70 lahy, dia nanao tatitra tamin’i Jesosy “tamin’ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao”. (Lioka 10:17). Tsy maintsy ho nampientam-po an’ireto lehilahy tsy tanteraka ireto ny namoaka zavaboary ara-panahy mahery! Nampitandrina ireo mpianany nafana fo anefa i Jesosy hoe: “Aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.” (Lioka 10:20, izahay no manao sora-mandry.) Nety ho tsy nanana hery hamoahana demonia foana ireo 70 lahy, na nety ho tsy nandray tsara foana ny olona teny amin’ny fanompoana. Kanefa, rehefa nahatoky izy, dia nahazo sitraka avy tamin’i Jehovah foana.

Mankasitraka ireo mpanompo manontolo andro ve ianao?

Indray mandeha, dia hoy ny tovolahy iray tamin’ny loholona kristianina iray: “Hiezaka hitady asa aho, rehefa vita ny fianarako any amin’ny lise. Raha tsy mahita asa aho vao hieritreritra ny hirotsaka amin’ny endriny iray amin’ny fanompoana manontolo andro.” Tsy izany anefa no fomba fihevitry ny ankamaroan’ireo nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana. Nafoin’ny sasany ny fahafahana hikatsaka asa nahazoam-bola be mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Nolavin’ny hafa ny fahafahana hanohy fianarana mahaliana. Tahaka ny apostoly Paoly, dia nanao sorona izy ireo, kanefa, toa an’i Paoly sy i Robert ary i Amy, dia tsy manenina noho ny safidy nataony izy ireo. Mankasitraka ny tombontsoany mampiasa ny fahaizany mba hiderana an’i Jehovah, izay mendrika ny tsara indrindra azony atolotra, izy ireo.

Noho ny antony samy hafa, dia Vavolombelon’i Jehovah mahatoky maro no tsy afaka manao ny asan’ny mpisava lalana. Angamba manana adidy araka ny Soratra Masina tsy maintsy efaina izy ireo. Kanefa, raha manompo an’Andriamanitra amin’ny ‘fony, ny fanahiny ary ny sainy’ manontolo izy, dia faly aminy i Jehovah. (Matio 22:37). Na dia tsy afaka ny ho mpisava lalana aza izy ireo, dia takany fa nifidy asa faran’izay tsara ireo izay manao ny asan’ny mpisava lalana.

Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao”. (Romana 12:2). Mifanaraka amin’ny torohevitr’i Paoly, dia tsy tokony hamela ny fari-pitsipika ara-kolontsaina na tsy ara-pivavahan’ity fandehan-javatra ity hamolavola ny fisainantsika isika. Na afaka manao ny asan’ny mpisava lalana ianao na tsia, dia aoka ny fanompoana an’i Jehovah no ifantohan’ny fiainanao. Hahita fahombiazana ianao, raha mbola mahazo sitraka avy amin’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 19]

Aza mifikitra amin’ny asa manasatra sy dridralava izay tsy hitondra na ho aiza na ho aiza