Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio Ara-pitondran-tena

Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio Ara-pitondran-tena

Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio Ara-pitondran-tena

“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny”.​—1 JAONA 5:3.

1. Manao ahoana ny fifanoheran’ny fitondran-tenan’ny olona amin’izao andro izao?

FAHINY ela be, dia nahazo tsindrimandry ny mpaminany Malakia hilaza mialoha ny hahatongavan’ny fotoana izay hananan’ny vahoakan’Andriamanitra fitondran-tena tena hifanohitra be amin’ny an’ireo olona tsy manompo an’Andriamanitra. Nanoratra toy izao ilay mpaminany: “Ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” (Malakia 3:18). Tanteraka amin’izao andro izao io faminaniana io. Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra, anisan’izany ireo didiny mitaky fahadiovam-pitondran-tena, no lalam-piainana feno fahendrena sy araka ny tokony ho izy. Tsy lalana mora arahina foana anefa izany. Noho ny antony tsara àry no nilazan’i Jesosy fa tsy maintsy mikely aina amin-kery ny Kristianina, mba ho voavonjy.​—Lioka 13:23, 24.

2. Inona avy ireo fanerena ivelany manasarotra ny fitoeran’ny sasany ho madio ara-pitondran-tena?

2 Nahoana no sarotra ny mitoetra ho madio ara-pitondran-tena? Ny antony iray dia noho ny fisian’ny fanerena ivelany. Asehon’ny indostrian’ny fialam-boly ho toy ny tena manintona sy mahafinaritra ary mariky ny maha olon-dehibe ny fanaovana firaisana andrarana, no sady saika odiany tsy fantatra tanteraka ny vokany manimba. (Efesiana 4:17-19). Ny ankamaroan’ny fifanehoam-pitiavana aseho amin’izany dia ataon’ny olona tsy mpivady. Matetika ny sarimihetsika sy ny televiziona no mampiseho fanaovana firaisana eo amin’ny olona sendra nihaona, tsy vonona ny hanana fifandraisana maharitra. Amin’ny ankapobeny, izany dia tsy ahitana firaiketam-po sy fifanajana. Maro, hatramin’ny fahazazany, no naharay hafatra toy izany. Ambonin’izany, dia manery mafy ny hanarahana ny lalam-pitondran-tena tsy misy fameperana ankehitriny ny hafa, ka matetika no esoina sy tevatevaina mihitsy aza ireo izay tsy manao izany.​—1 Petera 4:4.

3. Inona no antony sasany mahatonga ny olona maro eran-tany ho tafiditra amin’ny fahalotoam-pitondran-tena?

3 Manasarotra ny fitoerana ho madio ara-pitondran-tena koa ny fanerena anaty. Noforonin’i Jehovah hanana faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy ny olombelona, ary afaka ny ho mafy io faniriana io. Miankina be dia be amin’izay eritreretintsika ny faniriana, ary mifandray amin’ny fomba fisaina tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah ny fahalotoam-pitondran-tena. (Jakoba 1:14, 15). Ohatra, araka ny fanadihadiana vao haingana hita tao amin’ny British Medical Journal, dia maro no nanomboka nanao firaisana, noho ny fahalianana ta hahalala fotsiny hoe manao ahoana izany manao firaisana izany. Ny hafa nihevitra fa maro tamin’ireo nitovy taona taminy no mpanao firaisana, ka mba naniry ny tsy ho virjiny intsony koa izy. Ny hafa indray nilaza fa resin’ny fihetseham-pony izy, na “mamomamo tamin’izay fotoana izay”. Raha ta hampifaly an’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy ho hafa noho izany ny fisainantsika. Karazana fomba fisaina manao ahoana no hanampy antsika hitoetra ho madio ara-pitondran-tena?

Manorena fiekena mafy

4. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hitoerana ho madio ara-pitondran-tena?

4 Mba hitoerana ho madio ara-pitondran-tena, dia tsy maintsy manaiky isika fa izany no fomba fiaina mendrika harahina. Izany dia mifanaraka amin’izay nosoratan’ny apostoly Paoly, ho an’ireo Kristianina tao Roma, toy izao: “Ny tenanareo mihitsy no hanamarina fa tsara sy azo ekena ary lavorary ny sitrapon’Andriamanitra.” (Romana 12:2, NW ). Ny hoe manaiky fa mendrika hifikirana ny fahadiovam-pitondran-tena, dia tsy vitan’ny hoe mahalala fotsiny fa melohin’ny Tenin’Andriamanitra ny fahalotoam-pitondran-tena. Tafiditra amin’izany koa ny fahatakarana ireo antony anamelohana ny fahalotoam-pitondran-tena, sy ny soa azo avy amin’ny fanalavirana azy io. Nodinihina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny sasany amin’ireo antony ireo.

5. Inona no antony voalohany indrindra tokony hitoeran’ny Kristianina ho madio ara-pitondran-tena?

5 Avy amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra anefa, raha ny tena izy, no ananan’ny Kristianina ny antony lehibe indrindra analavirana ny fahalotoam-pitondran-tena. Nianarantsika fa mahafantatra ny tsara indrindra ho antsika izy. Hanampy antsika hankahala ny ratsy ny fitiavantsika azy. (Salamo 97:10). Andriamanitra no Mpanome ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17). Tia antsika izy. Asehontsika amin’ny fankatoavantsika azy fa tiantsika izy, ary ankasitrahantsika izay rehetra nataony ho antsika. (1 Jaona 5:3). Tsy ho tiantsika na oviana na oviana ny handiso fanantenana sy hampalahelo an’i Jehovah, amin’ny tsy fankatoavana ireo didiny mahitsy. (Salamo 78:41). Tsy irintsika ny hanao zavatra hitenenan-dratsy ny fanompoam-pivavahana masina sy marina atolotra azy. (Titosy 2:5; 2 Petera 2:2). Mampifaly an’ilay Fara Tampony isika, rehefa mitoetra ho madio ara-pitondran-tena.​—Ohabolana 27:11.

6. Inona no fanampiana entin’ny fampahafantarantsika amin’ny hafa ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena arahintsika?

6 Raha vao tapa-kevitra ny hitoetra ho madio ara-pitondran-tena isika, dia hiaro antsika koa ny fampahafantarana amin’ny hafa izany fahatapahan-kevitra izany. Aoka ho fantatry ny olona fa mpanompon’i Jehovah Andriamanitra ianao, sady tapa-kevitra ny hanaraka hatrany ny fari-pitsipiny ambony. Ny fiainanao sy ny vatanao no voakasika, ary izany no safidinao. Inona no tafiditra amin’izany? Ny fifandraisanao sarobidy amin’ilay Rainao any an-danitra. Lazao mazava àry fa tsy azo iadiana varotra ny tsy fivadihanao ara-pitondran-tena. Aoka hataonao ho rehareha ny hisolo tena an’Andriamanitra amin’ny fanohanana ireo foto-pitsipiny. (Salamo 64:10). Aza menatra na oviana na oviana miresaka amin’ny hafa mahakasika ireo zavatra ekenao mafy ara-pitondran-tena. Afaka manatanjaka sy miaro anao, ary mampirisika ny hafa hanaraka ny ohatrao, ny firesahanao izany amim-pahasahiana.​—1 Timoty 4:12.

7. Ahoana no ahafahantsika mihazona ny fanapahan-kevitsika ny hitoetra ho madio ara-pitondran-tena?

7 Manaraka izany, rehefa avy nanapa-kevitra ny hihazona fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony sy nampahafantatra ny toerana tanantsika isika, dia tsy maintsy mandray fepetra mba hifikitra amin’ny fanapahan-kevitsika. Fomba iray anaovana izany ny fanehoana fitandremana rehefa mifidy namana. “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry”, hoy ny Baiboly. Miaraha amin’ireo izay manana fitsipi-pitondran-tena toa anao; hanatanjaka anao izy ireo. Milaza toy izao koa io andinin-teny io: “Fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Halaviro, araka izay azonao atao, ny olona mety hanozongozona ny fanapahan-kevitrao.​—1 Korintiana 15:33.

8. a) Nahoana isika no tokony hameno ny saintsika amin-javatra mahasoa? b) Inona no tokony hohalavirintsika?

8 Fanampin’izany, dia ilaintsika ny mamahana ny saintsika amin-javatra marina, manan-kaja, mahitsy, madio, mahate ho tia, tsara laza, misy hatsaran-toetra, ary mendri-piderana. (Filipiana 4:8). Manao izany isika rehefa mifantina izay jerentsika sy izay vakintsika ary ny mozika henointsika. Ny filazana fa tsy manimba ny boky aman-gazety maloto, dia mitovy amin’ny filazana fa tsy mahasoa ny boky aman-gazety madio. Tadidio fa afaka ny ho lavo mora foana ao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena ny olombelona tsy lavorary. Noho izany, ny boky sy ny gazety sy ny sarimihetsika ary ny mozika manaitaitra ny filan’ny nofo dia hitarika ho amin’ny fanirian-dratsy, ary izany dia mety hitarika ho amin’ny fahotana, amin’ny farany. Tsy maintsy mameno ny saintsika amin’ny fahendrena araka an’Andriamanitra isika, mba hitoerana ho madio ara-pitondran-tena.​—Jakoba 3:17.

Ireo dingana mitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena

9-11. Araka ny nitantaran’i Solomona azy, inona avy ireo dingana nitarika ny tovolahy iray ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena?

9 Matetika no azo fantarina ireo dingana mitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Sarotra ny miverina ilalana, isaky ny mahavita dingana iray. Mariho ny fomba ilazalazana izany ao amin’ny Ohabolana 7:6-23. Nandinika ‘zazalahy anankiray tsy manana fo’ (NW ), na tsy nanana antony nanosika tsara, i Solomona. Io tovolahy io dia “nandeha tamin’ny làlana akaikin’ny zoron-tranon’ny vehivavy janga sy nizotra nankany an-tranony, nony takariva ilay somambisamby iny”. Io no fahadisoany voalohany. Tamin’ny somambisamby, ny ‘fony’ dia tsy nitarika azy, ho amin’izay mety ho lalana akory, fa tamin’ny lalana iray fantany fa mazàna no ahitana vehivavy janga.

10 Izao no vakintsika manaraka: “Indro, nisy vehivavy nitsena azy sady manao fitafin’ny janga no mifetsy am-po”. Hitan’ilay tovolahy izao ilay vehivavy! Afaka niverina ilalana sy nody tany an-tranony izy, kanefa efa sarotra kokoa noho ny teo aloha izany, indrindra koa fa satria tsy tapa-kevitra tsara ny hadio ara-pitondran-tena izy. Nofihinin’ilay vehivavy izy, sady norohany. Mihaino ny fanangoleny izy izao, rehefa avy nanaiky horohany: “Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho”, hoy ilay vehivavy. “Ary andro-any no nanefako ny voadiko.” Anisan’ny fanati-pihavanana ny hena sy ny koba sy ny diloilo ary ny divay. (Levitikosy 19:5, 6; 22:21; Nomery 15:8-10). Tamin’ny filazana izany, dia toa te hilaza an-kolaka ilay vehivavy fa tsy nataony ambanin-javatra ny fahasalamana ara-panahy, sady toa ta hampahafantatra an’ilay zazalahy koa izy fa be zavatra tsara hohanina sy hosotroina tao an-tranony. “Andeha”, hoy izy niangoty, “aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro, aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.”

11 Tsy sarotra vinanina ny fiafarany. “Tamin’ny fandroboan’ny molony no nitaomany azy”. Nanaraka an’ilay vehivavy ho any an-tranony izao ilay zazalahy, “tahaka ny omby entina hovonoina”, ary “tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika”. Namarana tamin’ny teny mampieritreritra toy izao i Solomona: “Tsy fantany hahafaty ny ainy izany.” Voakasika ny ain’ilay tovolahy, satria “ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra”. (Hebreo 13:4). Lesona mafonja ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy tokoa izany! Na dia ireo dingana voalohany amin’ny lalana mitarika ho amin’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra aza dia tokony hohalavirintsika.

12. a) Inona no dikan’ny teny hoe “tsy manana fo”? b) Ahoana no ahafahantsika ho tapa-kevitra ny hadio ara-pitondran-tena?

12 Mariho fa “tsy manana fo” ilay tovolahy tao amin’ilay fitantarana. Milaza amintsika ireo teny ireo fa tsy nifanaraka tamin’izay nankasitrahan’Andriamanitra ny fiheviny, ny faniriany, ny fihetseham-pony, ny toe-pony, ary ny tanjona nokendreny teo amin’ny fiainana. Nitondra vokany nampidi-doza ho azy ny tsy fahatapahan-keviny hadio ara-pitondran-tena. Mitaky ezaka ny ho tapa-kevitra ny hadio ara-pitondran-tena, amin’izao “andro farany” tsy mora setraina izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Manao fandaharana mba hanampiana antsika Andriamanitra. Mandamina fivorian’ny kongregasiona kristianina izy, mba hampaherezana antsika eo am-panarahantsika ny lalana marina, sy mba hampifaneraserana antsika amin’ny hafa, izay mitovy zava-kendrena amintsika. (Hebreo 10:24, 25). Eo koa ireo loholon’ny kongregasiona, izay miandry antsika sy mampianatra antsika ny lalan’ny fahitsiana. (Efesiana 4:11, 12). Ananantsika ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, mba hanome toromarika sy hitari-dalana antsika. (2 Timoty 3:16). Ary amin’ny fotoana rehetra, dia afaka mivavaka, mba hahazo ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, isika.​—Matio 26:41.

Fianarana avy amin’ny fahotan’i Davida

13, 14. Ahoana no nahalatsaka an’i Davida Mpanjaka tao amin’ny fahotana lehibe?

13 Mampalahelo anefa fa na dia ireo mpanompon’Andriamanitra niavaka aza dia nanjary latsaka tao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Iray tamin’izy ireny i Davida Mpanjaka, izay nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny am-polony taona maro. Tsy isalasalana mihitsy fa tena tia an’Andriamanitra lalina izy. Tafalatsaka tao amin’ny lalam-pitondran-tena feno ota anefa izy. Toy izay nitranga tamin’ilay tovolahy notantarain’i Solomona, dia nisy ireo dingana nitarika ho amin’ilay fahotan’i Davida, ka nampitombo azy io, nony avy teo.

14 Efa zokinjokiny ihany i Davida tamin’izay fotoana izay, angamba 50 taona mahery kely teo ho eo. Avy teny an-tampon’ny lapany no nahatazanany an’i Batseba tsara tarehy, nandro. Namotopototra momba azy i Davida, ka nanjary fantany hoe iza ravehivavy. Fantany fa tany am-panaovana fahirano an’i Raba, tanàna amonita, i Oria vadiny. Nampaka an’i Batseba ho ao an-dapany i Davida, ka nanao firaisana taminy. Nihasarotra ny toe-draharaha, tato aoriana​—hitan’i Batseba fa bevohoka tamin’i Davida izy. Ny fanantenan’i Davida dia ny hiarahan’i Oria tamin’i Batseba vadiny nandritra ny alina, ka nasainy niverina avy tany an’ady izy. Ho toy ny hoe rain’ilay zaza haterak’i Batseba ihany i Oria, amin’izay. Tsy nandeha tany an-tranony anefa i Oria. May mafy ny hanarona ny fahotany i Davida, ka nandefa an’i Oria hiverina tany Raba indray nony avy eo, hitondra taratasy ho an’ny mpitari-tafika, izay nisy filazana fa tokony hatao eo amin’ny toerana hahafaty azy i Oria. Namoy ny ainy àry i Oria, ary nanambady an’ilay vadiny mpitondratena i Davida, talohan’ny hahafantaran’ny olona rehetra fa bevohoka izy io.​—2 Samoela 11:1-27.

15. a) Ahoana no nampiharihariana ny fahotan’i Davida? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Davida nanoloana ny fananarana nomen’i Natana tamim-pahakingana?

15 Toa nahomby ny tetik’i Davida hanarontsaronana ny fahotany. Nifandimby ny volana. Teraka ilay zaza​—lahy kely. Raha io fisehoan-javatra io no tao an-tsain’i Davida fony izy nanoratra ny Salamo 32, dia miharihary fa tena nenjehin’ny eritreriny izy. (Salamo 32:3-5). Tsy niafina tamin’Andriamanitra anefa ilay fahotana. Milaza toy izao ny Baiboly: “Tsy sitrak’i Jehovah izany nataon’i Davida izany.” (2 Samoela 11:27). Nirahin’i Jehovah i Natana mpaminany, izay nampahafantatra an’i Davida tamim-pahakingana izay nataony. Niaiky ny helony teo no ho eo i Davida, ary nitalaho famelan-keloka tamin’i Jehovah. Nampihavana azy indray tamin’Andriamanitra ny fibebahany tamim-pahatsorana. (2 Samoela 12:1-13). Tsy sosotra i Davida rehefa nahazo ilay fananarana. Naneho ilay toe-tsaina voalazalaza ao amin’ny Salamo 141:5 toy izao kosa izy: “Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemem-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handa izany ny lohako”.

16. Fampitandremana sy torohevitra inona no nomen’i Solomona, mahakasika ny fahotana?

16 Nety ho nisaintsaina an’io fitrangan-javatra nampahonena teo amin’ny fiainan-drainy io i Solomona, zanakalahy faharoan’i Davida sy i Batseba. Nanoratra toy izao izy tatỳ aoriana: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” (Ohabolana 28:13). Raha toa isika ka latsaka ao amin’ny fanaovana fahotana lehibe, dia tokony hanaraka an’io torohevitra ara-tsindrimandry io, izay sady fampitandremana no torohevitra. Tokony hiaiky heloka amin’i Jehovah isika, ary hanatona an’ireo loholon’ny kongregasiona, mba hahazoana fanampiana. Andraikitra lehibe iray tanan’ny loholona ny fanarenana an’ireo izay efa latsaka ao amin’ny fanaovan-dratsy.​—Jakoba 5:14, 15.

Fiaretana ireo vokatry ny fahotana

17. Tsy miaro antsika amin’ny inona i Jehovah, na dia mamela heloka aza izy?

17 Navelan’i Jehovah ny helok’i Davida. Nahoana? Satria naneho tsy fivadihana sy be famindram-po tamin’ny hafa ary naneho fibebahana tamim-pahatsorana i Davida. Na izany aza anefa, dia tsy voaro tamin’ny vokatra nahatsiravin’ny heloka nataony izy. (2 Samoela 12:9-14). Mbola izany ihany koa no izy, amin’izao andro izao. Na dia tsy mitondra zava-dratsy ho an’ireo izay nibebaka aza i Jehovah, dia tsy mitsimbina azy ireo amin’ny vokatra ateraky ny ratsy nataony kosa izy. (Galatiana 6:7). Mety ho anisan’izany vokatry ny fahalotoam-pitondran-tena izany ny fisaraham-panambadiana, ny fananana anaka tsy nirina, ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana, ary ny fahaverezan’ny fitokisana sy ny fanajan’ny olona.

18. a) Araka ny nolazain’i Paoly tamin’ny kongregasiona tany Korinto, ahoana no fomba handaminana raharaha momba ny fitondran-tena ratsy dia ratsy momba ny lahy sy ny vavy? b) Ahoana no anehoan’i Jehovah fitiavana sy famindram-po amin’ny mpanota?

18 Raha nisy fahadisoana lehibe nataon’ny tenantsika manokana, dia ho ketraka mora foana isika eo am-pijinjana ny vokatr’izy io. Na izany aza anefa, dia tsy tokony hisy hataontsika hahasakana antsika tsy hibebaka sy hihavana indray amin’Andriamanitra. Nanoratra ho an’ny Korintianina i Paoly, tamin’ny taonjato voalohany, fa tokony hesorin’izy ireo tsy ho ao amin’ny kongregasiona, ny lehilahy iray nanao firaisana tamin’olom-pady. (1 Korintiana 5:1, 13). Rehefa naneho fibebahana tamim-pahatsorana anefa io lehilahy io, dia nanoro hevitra ny kongregasiona toy izao i Paoly: “Aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa hianareo (...) [ary] horaisina[reo] tsara amin’ny fitiavana izy”. (2 Korintiana 2:5-8). Hitantsika ao amin’io torohevitra ara-tsindrimandry io ny fitiavan’i Jehovah sy ny famindram-pony amin’ireo mpanota nibebaka. Faly ny anjely any an-danitra rehefa mibebaka ny mpanota iray.​—Lioka 15:10.

19. Inona avy no soa mety hateraky ny fahatsapana alahelo araka ny tokony ho izy, noho ny ratsy natao?

19 Na dia nahatsapa alahelo noho ny ratsy nataontsika aza isika, izany fanenenantsika izany dia afaka manampy antsika ‘hitandrina, ka tsy hivily indray ho amin’ny ratsy’. (Joba 36:21). Tokony hisakana antsika tokoa, tsy hamerina fanaovan-dratsy indray, ny vokatra mangidy nentin’izy io. Ambonin’izany, dia nampiasain’i Davida mba hananarana ny hafa ny toe-javatra nampalahelo nozakainy noho ny fitondran-tena feno fahotana. Nilaza toy izao izy: “Dia hampianatra ny olon-diso ny làlanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.”​—Salamo 51:13.

Avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fahasambarana

20. Inona avy no soa entin’ny fankatoavana an’ireo zavatra marina takin’Andriamanitra?

20 “Sambatra (...) ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany”, hoy ny nambaran’i Jesosy. (Lioka 11:28). Mitondra fahasambarana dieny ankehitriny, sy amin’ny hoavy tsy hanam-pahataperana, ny fankatoavana an’ireo zavatra marina takin’Andriamanitra. Raha mitoetra ho madio ara-pitondran-tena isika, dia enga anie isika hanohy hanao toy izany, amin’ny fanararaotana ireo fandaharana rehetra nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika. Raha efa latsaka ao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena isika, dia aoka hampahery antsika ny fahalalana fa vonona ny hamela ny helok’ireo izay mibebaka marina i Jehovah, ary aoka isika ho tapa-kevitra ny tsy hamerina intsony an’ilay fahotana.​—Isaia 55:7.

21. Inona no fananarana nomen’ny apostoly Petera izay afaka manampy antsika hitoetra ho madio ara-pitondran-tena, raha ampiharina?

21 Tsy ho ela dia ho naman’ny lasa, miaraka amin’ny toe-tsainy sy ny fanaony maloto ara-pitondran-tena, ity tontolo tsy marina ity. Rehefa mitoetra ho madio ara-pitondran-tena isika, dia handray soa dieny izao, sy ho mandrakizay. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. (...) Satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo”.​—2 Petera 3:14, 17.

Azonao Hazavaina Ve?

• Nahoana no sarotra ny mitoetra ho madio ara-pitondran-tena?

• Amin’ny fomba ahoana avy no hanohanantsika ny fanapahan-kevitsika hanaraka fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony?

• Lesona inona avy no azontsika tsoahina avy amin’ny fahotan’ilay tovolahy voalazan’i Solomona?

• Inona no ampianarin’ny ohatr’i Davida antsika raha ny amin’ny fibebahana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Fiarovana ny mampahafantatra amin’ny hafa ny fitsipi-pitondran-tena arahinao

[Sary, pejy 16, 17]

Namela ny helok’i Davida i Jehovah, satria nibebaka tamim-pahatsorana izy