Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Fijery Araka An’Andriamanitra Momba ny Fahadiovam-pitondran-tena

Fomba Fijery Araka An’Andriamanitra Momba ny Fahadiovam-pitondran-tena

Fomba Fijery Araka An’Andriamanitra Momba ny Fahadiovam-pitondran-tena

“Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.”​—ISAIA 48:17.

1, 2. a) Ahoana no fiheveran’ny olona amin’ny ankapobeny ny fitsipi-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy? b) Ahoana no fomba fijerin’ny Kristianina ny amin’ny fitsipi-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy?

AMIN’IZAO andro izao, any amin’ny faritra maro eto an-tany, dia nanjary noheverina ho toy ny raharahan’ny tena manokana ny fitondran-tena. Mihevitra ny olona fa ny fanaovana firaisana dia fanehoana voajanahary ny firaiketam-po, izay azo anaranam-po na rahoviana na rahoviana, rehefa ta hanao izany izy ireo, fa tsy zavatra tokony ho voafetra fotsiny ao amin’ny fanambadiana. Mihevitra izy ireo fa tsy misy maha ratsy mihitsy ny fomba fitondran-tena nofidin’ny tena manokana, raha tsy mampaninona an’iza na iza izany. Araka ny fihevitr’izy ireo, ny olona dia tsy tokony hotsaraina eo amin’ny fitsipi-pitondran-tena, indrindra indrindra raha mahakasika ny fanaovana firaisana.

2 Hafa kosa ny fomba fijerin’ireo izay nanjary nahafantatra an’i Jehovah. Arahin’izy ireo amim-pifaliana ny toro lalana omen’ny Soratra Masina, satria tia an’i Jehovah izy ireo ka maniry hampifaly azy. Manaiky izy ireo fa tia azy ireo i Jehovah ary manome toromarika mahasoa, toromarika izay tena hitondra soa ho azy ireo sy hahasambatra azy ireo. (Isaia 48:17). Koa satria Andriamanitra no ilay Loharanon’aina, dia ara-dalàna raha tokony hitodika any aminy izy ireo mba hahazoana tari-dalana ny amin’ny fomba ampiasan’izy ireo ny tenany, indrindra indrindra raha ny amin’ity raharaha ity, izay mifandray akaiky amin’ny fampitana aina.

Fanomezana avy amin’ny Mpamorona be fitiavana

3. Inona no nampianarina ny olona maro tao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina mahakasika ny fanaovana firaisana, ary manao ahoana izany raha ampitahaina amin’izay ampianarin’ny Baiboly?

3 Mifanohitra amin’ny tontolo tsy ara-pivavahana amin’izao andro izao, ny sasany ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina dia nampianatra fa mahamenatra sy fahotana ny fanaovana firaisana, ary ny “fahotana fototra” tao amin’ny saha Edena dia tsy inona fa ny fanangolen’i Eva an’i Adama hanao firaisana taminy. Mifanohitra amin’izay lazain’ny Soratra Masina ara-tsindrimandry ny fomba fijery toy izany. “Ralehilahy sy ny vadiny” no iresahan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly ny mpivady olombelona voalohany. (Genesisy 2:25). Hoy Andriamanitra, raha nilaza tamin’izy ireo ny mba hiterahany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany”. (Genesisy 1:28). Tsy hisy heviny ny nandidian’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva mba hiteraka, ary avy eo dia hanasazy azy ireo, noho ny nanatanterahan’izy ireo an’izany baiko izany.​—Salamo 19:8.

4. Nahoana no nomen’Andriamanitra fahafahana hanao firaisana ny olombelona?

4 Hitantsika ao amin’io baiko nomena ny ray aman-drenintsika voalohany io, izay mbola naverina koa tamin’i Noa sy ireo zanany lahy, ny antony lehibe indrindra anaovana firaisana: ny mba hiterahana. (Genesisy 9:1). Asehon’ny Tenin’Andriamanitra anefa fa ireo mpanompony manambady dia tsy voatery hametra ny fanaovana firaisana ho amin’ny fiezahana hiteraka fotsiny. Afaka manome fahafaham-po araka ny tokony ho izy ny zavatra ilaina ara-pihetseham-po sy ara-nofo ny firaisana, ary afaka ny ho loharanom-pahafinaretana ho an’ny mpivady. Fomba iray ifanehoan’izy mivady ny firaiketam-pony lalina izy io.​—Genesisy 26:8, 9; Ohabolana 5:18, 19; 1 Korintiana 7:3-5.

Fameperana avy amin’Andriamanitra

5. Fandrarana inona avy no napetrak’Andriamanitra raha ny amin’ny fanaovan’ny olombelona firaisana?

5 Na dia fanomezana avy amin’Andriamanitra aza ny fanaovana firaisana, dia tsy natao ho tsy misy fameperana izy io. Mihatra izany foto-pitsipika izany na dia ao anatin’ny fanambadiana aza. (Efesiana 5:28-30; 1 Petera 3:1, 7). Voarara ny fanaovana firaisana ivelan’ny fanambadiana. Tsy miolakolaka ny Baiboly raha ny amin’io raharaha io. Izao no voalaza tao amin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’ny Isiraely: “Aza mijangajanga.” (Eksodosy 20:14). Nilaza i Jesosy tatỳ aoriana fa ny “fijangajangana” sy ny “fakam-badin’olona” dia anisan’ny “sain-dratsy”, izay avy ao am-po ka mandoto ny olona iray. (Marka 7:21). Nahazo tsindrimandry hoenti-mananatra ny Kristianina tao Korinto toy izao ny apostoly Paoly: “Mandosira ny fijangajangana.” (1 Korintiana 6:18). Ary tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.”​—Hebreo 13:4.

6. Ao amin’ny Baiboly, inona avy no voafaoka amin’ilay teny hoe “fijangajangana”?

6 Inona no hevitr’ilay teny hoe “fijangajangana”? Izy io dia avy amin’ny teny grika hoe por·neiʹa, izay ampiasaina indraindray mba hilazana ny firaisana ifanaovan’ny olon-droa tsy mpivady. (1 Korintiana 6:9). Any amin’ny andinin-teny hafa, toy ny Matio 5:32 sy ny Matio 19:9, dia manana heviny lehibe kokoa izy io, ary entina ilazana koa ny fanitsakitsaham-bady sy ny firaisana amin’olom-pady ary ny firaisana amin’ny biby. Azo lazaina ho por·neiʹa koa ny fanao hafa momba ny lahy sy vavy ifanaovan’ny olona tsy mpivady, toy ny fanaovana firaisana amin’ny vava sy amin’ny lava-pitombenana, ary ny filalaovana ny filahiana na ny fivavian’ny olon-kafa iray. Ny Tenin’Andriamanitra dia manameloka​—na mivantana na an-kolaka​—ny fanao rehetra toy izany.​—Levitikosy 20:10, 13, 15, 16; Romana 1:24, 26, 27, 32. *

Fandraisan-tsoa avy amin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena

7. Ahoana no andraisantsika soa amin’ny fitoerana ho madio ara-pitondran-tena?

7 Afaka ny ho tonga zava-tsarotra ho an’ny olombelona tsy lavorary ny hankatò ny toromarika avy amin’i Jehovah ny amin’ny fitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy. Nanoratra toy izao ilay filozofa jiosy malaza, niaina tamin’ny taonjato faha-12, atao hoe Maimonide: “Ao amin’ny Torah [Lalàn’i Mosesy] rehetra, dia tsy misy fandrarana sarotra arahina mihoatra noho ny firaisana voarara sy ny fanaovana firaisana tsy ara-dalàna.” Mandray soa lehibe anefa isika raha manaraka ny toromarik’Andriamanitra. (Isaia 48:18). Ny fankatoavantsika amin’io lafiny io, ohatra, dia miaro antsika tsy ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, izay tsy misy fanafany sy mahafaty ny sasany aminy. * Voaro tsy ho bevohoka tsy manambady isika. Anisan’ny mahatonga antsika hanana feon’ny fieritreretana madio koa ny fampiharana ny fahendrena araka an’Andriamanitra. Rehefa manao izany isika, dia mitandro ny hajan’ny tenantsika sy mahazo ny fanajan’ny hafa, anisan’izany ny havantsika, ny vadintsika, ny zanatsika, ary ireo rahalahy sy anabavintsika kristianina. Torak’izany koa fa izy io dia mahatonga antsika hanana bebe kokoa toe-tsaina tsara sy mety, mahakasika ny fanaovana firaisana, dia toe-tsaina izay hitondra fahasambarana ao amin’ny fanambadiana. Izao no nosoratan’ny vehivavy kristianina iray: “Ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no fiarovana tsara indrindra. Miandry ny fotoana hanambadiako aho, ary rehefa ho tonga izany, dia hirehareha aho hilaza amin’ilay lehilahy kristianina ho vadiko hoe nitoetra ho madio aho.”

8. Amin’ny fomba ahoana avy no mety hanohanan’ny fahadiovam-pitondran-tenantsika ny fanompoam-pivavahana madio?

8 Rehefa mihazona ho madio hatrany ny fitondran-tenantsika isika, dia mandray anjara lehibe koa amin’ny fanoherana ireo fiheverana diso mahakasika ny fivavahana marina, sy amin’ny fanintonana ny olona ho amin’ilay Andriamanitra ivavahantsika. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “[Hazòny, NW ] ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro [hanaovany fisafoana, NW ] noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” (1 Petera 2:12). Na dia tsy miaiky ny amin’ny fahadiovan’ny fitondran-tenantsika na tsy mankasitraka izany aza ireo tsy manompo an’i Jehovah, dia afaka mahazo antoka isika fa mahita sy mankasitraka ary mifaly mihitsy aza amin’ny ezaka ataontsika, mba hanarahana ny toromarika omeny, ny Raintsika any an-danitra.​—Ohabolana 27:11; Hebreo 4:13.

9. Nahoana isika no tokony hatoky ny fitarihan-dalan’Andriamanitra, na dia mety tsy ho takatsika tsara aza ny antony anomezany izany? Hazavao amin’ny ohatra.

9 Tafiditra ao amin’ny finoana an’Andriamanitra ny fatokisana fa mahalala izay tsara indrindra ho antsika izy, eny fa na dia tsy takatsika tsara avokoa aza ny antony rehetra itarihany antsika amin’ny lalana iray. Diniho ny ohatra iray avy amin’ny Lalàn’i Mosesy. Nitaky ny handevenana ny fivalanana tany ivelan’ny toby ny lalàna iray momba ny toby miaramila. (Deoteronomia 23:14, 15). Nety ho nanontany tena ny amin’izay tokony ho anton’izany toromarika izany ny Isiraelita; nety ho nihevitra mihitsy aza ny sasany fa tsy nilaina izany. Tatỳ aoriana anefa, dia nanjary neken’ny siansa ara-pitsaboana fa niaro ireo loharano tsy ho voaloto mihitsy, ary niaro tamin’ny aretina maro nentin’ny bibikely, io lalàna io. Mitovy amin’izany koa, fa misy antony ara-panahy, ara-piaraha-monina, ara-pihetseham-po, ara-batana, ary ara-tsaina, mahatonga an’Andriamanitra hametra ny fanaovana firaisana ho ao anatin’ny fanambadiana. Andeha àry isika izao handinika ohatra vitsivitsy ao amin’ny Baiboly ny amin’ireo izay nihazona ho nadio hatrany ny fitondran-tenany.

Nahazo fitahiana noho ny fitondran-tenany i Josefa

10. Iza no nanandrana nanangoly an’i Josefa, ary ahoana no navaliny?

10 Azo inoana fa fantatrao tsara ny ohatra ao amin’ny Baiboly momba an’i Josefa, zanakalahin’i Jakoba. Tonga andevon’i Potifara, lehiben’ny mpiambina ny Faraon’i Ejipta, izy, teo amin’ny faha-17 taonany. Nitahy an’i Josefa i Jehovah, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia notendrena ho mpikarakara ny zava-drehetra tao an-tranon’i Potifara izy. Rehefa nananika ny faha-20 taonany i Josefa, dia tonga “bikana sady tsara tarehy”. Voasarika ho aminy ny sain’ny vadin’i Potifara, izay nanandrana nanangoly azy. Nilaza mazava tsara ny toerana notanany i Josefa, ka nanazava fa ny fanekena izany dia tsy vitan’ny hoe famadihana ny fitokisan’ny tompony fotsiny, fa ‘fahotana tamin’Andriamanitra’ koa. Nahoana i Josefa no nanjohy hevitra toy izany?​—Genesisy 39:1-9.

11, 12. Na dia tsy nisy lalàna an-tsoratra nomen’Andriamanitra nandrara ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady aza, inona no tsy maintsy ho nahatonga an’i Josefa hanao ny fanjohian-keviny?

11 Miharihary fa ny fanapahan-kevitr’i Josefa dia tsy niorina tamin’ny fahatahorana ny ho tratran’ny olona. Nipetraka tany an-tany lavitra ny fianakavian’i Josefa, ary nihevitra ny rainy fa efa maty izy. Tsy ho nahafantatra na oviana na oviana ny amin’ilay fahalotoam-pitondran-tena ny fianakaviany, raha toa i Josefa ka nanao izany. Azo inoana fa tsy ho hitan’ny mason’i Potifara sy ireo mpanompolahiny koa ny fahotana toy izany, satria nisy fotoana tsy naha tao an-trano azy ireo. (Genesisy 39:11). Fantatr’i Josefa anefa fa tsy azo nafenina tamin’Andriamanitra ny fitondran-tena toy izany.

12 Tsy maintsy ho nanjohy hevitra tamin’izay fantany momba an’i Jehovah i Josefa. Tsy isalasalana fa fantany izay nambaran’i Jehovah tao amin’ny saha Edena nanao hoe: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:24). Fanampin’izany, dia azo inoana fa fantatr’i Josefa izay nolazain’i Jehovah tamin’ilay mpanjaka filistinina tapa-kevitra ny hanangoly an’i Saraha, renin’ny renibeny. Nilaza toy izao tamin’io mpanjaka io i Jehovah: “Indro, fa ho faty hianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’olona izy. (...) Ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.” (Genesisy 20:3, 6, izahay no manao sora-mandry.) Koa na dia mbola tsy nanome lalàna an-tsoratra aza i Jehovah, dia nazava tsara ny fihetseham-pony mahakasika ny fanambadiana. Nanampy an’i Josefa hanilika ny fahalotoam-pitondran-tena ny fahatsapany izay tsara sy izay ratsy, niaraka tamin’ny faniriana hampifaly an’i Jehovah.

13. Azo inoana fa inona no antony tsy nahafahan’i Josefa nanalavitra ny vadin’i Potifara?

13 Nikiry ihany anefa ny vadin’i Potifara, ka niangavy an’i Josefa ‘isan’andro isan’andro’ mba hanao firaisana taminy. Nahoana i Josefa no tsy nanalavitra azy fotsiny? Nanan-draharaha hovitaina izy, ary tsy afaka nanova firy ny toe-javatra nisy azy, satria andevo. Toa manondro ny porofo nomen’ny arkeolojia fa tao amin’ny trano ejipsianina, dia tsy maintsy nolalovana ny tapany lehibe indrindra tamin’ilay trano, izay vao tonga tany amin’ny efitrano fitahirizana entana. Nety tsy ho azon’i Josefa natao, noho izany, ny tsy hifankahita tamin’ny vadin’i Potifara.​—Genesisy 39:10.

14. a) Inona no nanjo an’i Josefa taorian’ny nandosirany ny vadin’i Potifara? b) Noho ny fahatokian’i Josefa, ahoana no nitahian’i Jehovah azy?

14 Tonga ny andro naha irery azy ireo tao an-trano. Nisambotra an’i Josefa ny vadin’i Potifara, sady niantso hoe: “Avia handry amiko”! Nandositra izy. Tohina noho ny fandavany ny vadin’i Potifara, ka niampanga an’i Josefa ho saika hisavika azy. Inona no vokany? Moa ve i Jehovah namaly soa teo no ho eo an’i Josefa noho ny tsy fivadihany? Tsia. Natao an-tranomaizina i Josefa, ary nofatorana tao. (Genesisy 39:12-20; Salamo 105:18). Nahita ilay tsy rariny natao tamin’i Josefa i Jehovah, ka tamin’ny farany dia nasandrany avy tao an-tranomaizina izy, mba ho ao an-dapa. Tonga ny olona faharoa nanana ny fahefana ambony indrindra tany Ejipta izy, ary notahina ka nahazo vady aman-janaka. (Genesisy 41:14, 15, 39-45, 50-52). Fanampin’izany, dia nisy 3 500 taona lasa izay no nandraketana an-tsoratra ny fitantarana momba ny tsy fivadihan’i Josefa, mba hodinihin’ny mpanompon’Andriamanitra hatramin’izay. Fitahiana mahatalanjona tokoa re izany, noho ny nanarahany ny lalàna marin’Andriamanitra! Mitovy amin’izany koa fa mety tsy handray soa eo no ho eo foana isika, amin’izao andro izao, rehefa mihazona tsy fivadihana ara-pitondran-tena. Afaka mahazo antoka anefa isika fa mahita antsika i Jehovah, ary hitahy antsika amin’ny fotoana mety izy.​—2 Tantara 16:9.

‘Nampanaiky ny masony’ i Joba

15. ‘Nampanaiky ny masony’ tamin’ny inona i Joba?

15 Mpihazona tsy fivadihana koa i Joba. Nandritra ireo fisedrana natototry ny Devoly taminy, dia nandinika indray ny fiainany i Joba, ka nambarany fa vonona hizaka sazy henjana ny tenany, raha toa ka nandika ny foto-pitsipik’i Jehovah ny amin’ny fitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy izy, ankoatra ny zavatra hafa. Nilaza toy izao i Joba: “Efa nampanekeko ny masoko; koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?” (Joba 31:1). Te hilaza i Joba teto fa tapa-kevitra ny hihazona ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra izy, ka tsy nety nijery vehivavy tamim-pahamaimaizana akory. Mazava ho azy fa nahita vehivavy maro i Joba teo amin’ny fiainany andavanandro, ary azo inoana fa nanampy azy ireo izy, raha nila fanampiana izy ireo. Tsy namela ny tenany haneho fahalianana, mba hiombom-pitia tamin’izy ireo, anefa izy. Lehilahy nanankarena be, “ilay niavaka indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra”, i Joba, talohan’ny nisedrana azy. (Joba 1:3, NW ). Tsy nampiasa ny harenany mba hanintonana vehivavy maro anefa, izy. Mazava fa tsy nieritreritra na oviana na oviana ny hanaram-po tamin’ny firaisana tsy ara-dalàna tamin’ny vehivavy tanora kokoa, izy.

16. a) Nahoana i Joba no ohatra tsara ho an’ireo Kristianina manambady? b) Ahoana no naha samy hafa be ny fitondran-tenan’ny lehilahy tamin’ny andron’i Malakia sy ny an’i Joba, ary ahoana ny amin’ireo olona amin’izao andro izao?

16 Araka izany, dia nampiseho tsy fivadihana ara-pitondran-tena i Joba, na tamin’ny fotoana mora, na tamin’ny fotoana sarotra. Nahatsikaritra izany i Jehovah, ka nanome azy fitahiana tondraka. (Joba 1:10; 42:12). Tena ohatra tsara ho an’ny Kristianina manambady, na lahy na vavy, tokoa i Joba! Tsy nahagaga raha tia azy toy izany i Jehovah! Mifanohitra amin’izany, fa misy itoviana kokoa amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Malakia, ny fitondran-tenan’ny maro amin’izao andro izao. Io mpaminany io dia nilazalaza ny fomba nandaozan’ny lehilahy maro ny vadiny, matetika mba hanambadiana vehivavy tanora kokoa. Feno ny ranomason’ireo vehivavy nilaozam-badiny ireo ny alitaran’i Jehovah, ka nomelohin’Andriamanitra ireo izay ‘namitaka’ ny vadiny toy izany.​—Malakia 2:13-16.

Tovovavy iray nadio fitondran-tena

17. Ahoana no nitovizan’ilay Solemita tamin’ny “saha voahidy”?

17 Mpitana tsy fivadihana iray fahatelo ny tovovavy solemita iray. Tanora sady tsara bika izy, ka naharaiki-pitia tovolahy iray mpiandry ondry, ary tsy izy io ihany, fa i Solomona, mpanjaka mpanefohefo teo amin’ny Isiraely, koa. Manerana ilay fitantarana kanto, voasoratra ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, dia nitoetra ho nadio ilay Solemita, hany ka nahazo ny fanajan’ny olona nanodidina azy. Na dia natosi-bohon-tanana aza i Solomona, dia nahazo tsindrimandry handraikitra an-tsoratra ny tantaran’ilay Solemita izy. Nanaja ny fahadiovam-pitondran-tenan’io zazavavy io koa ilay mpiandry ondry tiany. Nisy fotoana nilazan’ilay olon-tiany tamim-pieritreretana lalina fa ohatra ny “saha voahidy” ilay Solemita. (Tonon-kiran’i Solomona 4:12). Teo amin’ny Isiraely fahiny, ny zaridaina tsara tarehy dia nahitana legioma isan-karazany nahafinaritra, voninkazo namerovero, ary hazo nijoalajoala. Tamin’ny ankapobeny, ny zaridaina toy izany dia voahodidina fefy na tamboho, ka tsy azo nidirana raha tsy teo amin’ny vavahady iray nihidy mafy. (Isaia 5:5). Teo imason’ilay mpiandry ondry, ny fahadiovam-pitondran-tena sy ny hatsaran-tarehin’ilay Solemita dia nitovy tamin’ny zaridaina iray toy izany, nanana hakanto tsy fahita firy. Nadio tanteraka izy. Hatokany ho an’ilay ho vadiny ihany ny firaiketam-pony.

18. Mampahatsiahy antsika ny amin’ny inona ny tantaran’i Josefa sy i Joba ary ilay Solemita?

18 Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny vehivavy kristianina amin’izao andro izao, momba ny tsy fivadihana ara-pitondran-tena, ilay Solemita. Hitan’i Jehovah, ary nankasitrahany, ny hatsaran-toetran’ilay zazavavy solemita, ka notahiny izy, tsy nisy hafa tamin’ny nitahiany an’i Josefa sy i Joba. Mba ho tari-dalana ho antsika, dia noraketina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny tsy fivadihan’izy ireo. Na dia tsy voarakitra ao amin’ny Baiboly aza ny ezaka ataontsika hihazonana tsy fivadihana amin’izao andro izao, i Jehovah dia manana ‘boky fahatsiarovana’ ho an’ireo izay miezaka hanao ny sitrapony. Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana fa ‘mihaino’ i Jehovah, ary mahafaly azy ny ezaka mafy ataontsika mba hitoerana ho madio ara-pitondran-tena.​—Malakia 3:16.

19. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fahadiovana ara-pitondran-tena? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Na dia mety haneso aza ireo tsy manam-pinoana, dia mifaly amin’ny fankatoavana ny Mpamorona antsika be fitiavana isika. Manana fitsipi-pitondran-tena ambony kokoa, fitsipi-pitondran-tena araka an’Andriamanitra, isika. Zavatra tokony hireharehana, tokony hankamamina, izany. Afaka ny hahazo ny fitahian’Andriamanitra, sy afaka ny hihazona fanantenana mamirapiratra ny amin’ny fitahiana tsy hanam-pahataperana amin’ny hoavy, isika, rehefa mihazona ho madio hatrany ny fitondran-tenantsika. Ho fampiharana anefa, inona no azontsika atao, mba hitoerantsika ho madio ara-pitondran-tena? Handinika an’io fanontaniana lehibe io ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1983, pejy faha-29-31.

^ feh. 7 Mampalahelo fa indraindray ny Kristianina tsy manan-tsiny dia voan’ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana amin’ny vadiny tsy mpino, izay tsy manaraka ny toromarik’Andriamanitra.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no ampianarin’ny Baiboly mahakasika ny fanaovana firaisana?

• Ao amin’ny Baiboly, inona avy no tafiditra amin’ilay teny hoe “fijangajangana”?

• Ahoana no andraisantsika soa amin’ny fitoerana ho madio ara-pitondran-tena?

• Nahoana no ohatra tsara ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao i Josefa sy i Joba ary ilay tovovavy solemita?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Nandositra ny fahalotoam-pitondran-tena i Josefa

[Sary, pejy 10]

Sahala amin’ny “saha voahidy” ilay zazavavy solemita

[Sary, pejy 11]

‘Nampanaiky ny masony’ i Joba