Mikororosy ny Fitsipi-pitondran-tena
Mikororosy ny Fitsipi-pitondran-tena
“TSY nitranga mihitsy ny zavatra toy izany”, hoy ny fanazavan’i Helmut Schmidt, chancelier alemà teo aloha. Nilaza ny alahelony izy, noho ny raharaha navoakan’ireo lohateny an-gazety, izay nahavoarohirohy tompon’andraiki-panjakana nanao ny tsy marina an-karihary. “Nafoy noho ny fierenana ny fari-pitsipi-pitondran-tena”, hoy izy.
Hiombon-kevitra aminy ny olona maro. Heverina ho tsy zava-dehibe intsony ankehitriny ireo fitsipi-pitondran-tena miorina amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ary nekena hatraiza hatraiza hatramin’ny ela ho mpitari-dalana hamaritana ny tsara sy ny ratsy. Izany no mitranga na dia any amin’ireo tany lazaina fa manaraka ny Kristianisma aza.
Azo ampiharina amin’izao andro izao ve ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly?
Anisan’ny fitsipi-pitondran-tena miorina amin’ireo fampianaran’ny Baiboly ny fanaovana ny marina sy ny tsy fivadihana. Miely patrana anefa ny fanambakana sy ny tsolotra ary ny fanaovana hosoka. Manao tatitra ny Times any Londres fa nisy mpanao famotorana “voalaza fa nangalatra hatramin’ny 100 000 livre sterling (efa ho arivo tapitrisa FMG), isaky ny nampivarotra indray ireo zava-mahadomelina nohazonin’ny polisy, na nanary porofo nanameloka mpanao heloka bevava be”. Any Aotrisy, dia lazaina fa fanao mahazatra ny fanaovana hosoka amin’ny fiantohana (assurance). Ary tany Alemaina, dia nihoron-koditra ny fianakaviamben’ny mpahay siansa, satria vao
haingana, dia tratran’ny mpikaroka “ny fanaovana hosoka anisan’ny nanafintohina indrindra teo amin’ny sehatry ny siansa tany Alemaina”. Voampanga ho nanao hosoka na namorona fanazavana teo amin’ny ambaratonga lehibe ny profesora iray, izay “malaza eo anivon’ny manam-pahaizana alemà momba ny fototarazo”.Mahafaoka ny tsy fivadihana ao anatin’ny fanambadiana koa, izay natao ho fifandraisana maharitra, ny fitsipi-pitondran-tena miorina amin’ny Baiboly. Kanefa, tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mpivady miafara any amin’ny fitsarana momba ny fisaraham-panambadiana. Manao tatitra ilay gazety katolika Christ in der Gegenwart (Ny Kristianina Amin’izao Andro Izao) fa “na dia any Soisa ‘mpifikitra amin’ny efa mahazatra’ aza, dia mihabetsaka ny fanambadiana rava”. Any Holandy, dia ny 33 isan-jaton’ny tontalin’ny fanambadiana no miafara amin’ny fisarahana. Nanoratra toy izao momba ny ahiahiny ny vehivavy iray, izay nahamarika ireo fiovana ara-tsosialy tany Alemaina tao anatin’ireo taona vitsivitsy farany: “Heverina ho lany andro ny fanambadiana ankehitriny. Tsy mieritreritra intsony ny hiara-mitoetra amin’ny vadiny mandritra ny androm-piainany ny olona.”
Etsy an-danin’izany, dia olona an-tapitrisany maro no mihevitra fa mendri-pitokisana sy azo ampiharina amin’ny fiainana amin’izao tontolo maoderina izao ny fari-pitsipi-pitondran-tena ampianarina ao amin’ny Baiboly. Tsapan’ny mpivady iray, mipetraka eo amin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Soisa sy i Alemaina, fa nahatonga azy ho sambatra kokoa ny nianatra niaina araka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Raha ny amin’izy ireo, dia “iray ihany ny toro lalana ho amin’ny lafim-piainana rehetra. Ny Baiboly izany toro lalana izany”.
Ahoana no hevitrao? Toro lalana sarobidy ve ny Baiboly? Azo ampiharina amin’izao andro izao ve ny fitsipi-pitondran-tena miorina amin’ny Baiboly?