Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitondra Fifaliana ny Fitobaky ny Fahalalahan-tanana

Mitondra Fifaliana ny Fitobaky ny Fahalalahan-tanana

Mitondra Fifaliana ny Fitobaky ny Fahalalahan-tanana

TAMIN’NY naha mpiandraikitra kristianina be fitiavana azy, dia nitady tamim-pahatsorana izay hahasoa indrindra an’ireo mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 11:28). Noho izany, teo antenatenan’ireo taona 50 tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia nandamina famoriam-bola izy, mba homena an’ireo Kristianina sahirana tany Jodia, ary nampiasa io fahafahana io mba hampianarana lesona sarobidy iray momba ny fahalalahan-tanana. Nohamafisin’i Paoly fa heverin’i Jehovah ho sarobidy ny fanomezana amim-pifaliana. “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’.”​—2 Korintiana 9:7.

Nahantra mafy, nefa nalala-tanana

Tsy nitana toerana ambony ara-tsosialy ny ankamaroan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nomarihin’i Paoly fa “tsy firy no olona mahery” teo amin’izy ireo. “Malemy amin’izao tontolo izao” izy ireo no sady “iva razana amin’izao tontolo izao”. (1 Korintiana 1:26-28). Ohatra, ireo Kristianina nipetraka tany Makedonia dia ‘nahantra mafy’ sy tao anatin’ny “fahoriana be”. Na izany aza, dia nitalaho ireo mpino makedonianina nanetry tena ireo, mba hanana tombontsoa hanome vola ho an’ny “fanompoana ho an’ny olona masina”; ary izay nomeny, hoy ny nohamarinin’i Paoly, dia “mihoatra noho ny zakany”!​—2 Korintiana 8:1-4.

Na izany aza, dia tsy notsaraina araka ny habetsahan’izay nomena, ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana toy izany. Ny antony manosika sy ny fahavononana hizara ary ny toe-po kosa no zava-dehibe. Nasehon’i Paoly tamin’ireo Kristianina Korintianina fa tafiditra ny saina sy ny fo, rehefa manao fanomezana. Hoy izy: “Fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin’ny Makedoniana (...) ary ny zotom-ponareo dia mamporisika ny maro.” Nanao “araka izay inian’ny fony” izy ireo, mba hanomezana amim-pahalalahan-tanana.​—2 Korintiana 9:2, 7.

‘Izay nampirisihin’ny fanahiny’

Nety ho tao an-tsain’ny apostoly Paoly ny ohatra iray taloha kokoa ny amin’ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana, izay nitranga tany an’efitra, taonjato 15 mahery, talohan’ny vanim-potoana niainany. Efa nafahana tamin’ny fanandevozana tany Ejipta ireo foko 12-n’ny Isiraely. Teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay izy ireo tamin’izay, ary nandidy azy ireo i Jehovah mba hanorina tabernakely hanolorana fanompoam-pivavahana, sy hametraka fitaovana ilaina ho amin’ny fanompoam-pivavahana. Nitaky fananana ara-nofo betsaka izany, ary nasaina hanao fanomezana ilay firenena.

Nanao ahoana no fihetsik’ireo Isiraelita? “Samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana”. (Eksodosy 35:21). Nanao fanomezana tamim-pahalalahan-tanana ve ilay firenena? Tena nanao be dia be mihitsy! Toy izao tatitra manaraka izao no nomena an’i Mosesy: “Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao.”​—Eksodosy 36:5.

Nanao ahoana ny toe-bolan’ireo Isiraelita tamin’izany? Tsy ela talohan’izay, dia andevo nahonena izy ireo, ‘nampahorina tamin’ny fanompoana mafy’, ka nahatonga ny ‘fiainany ho mangidy’, dia fiainana feno ‘fahoriana’. (Eksodosy 1:11, 14; 3:7; 5:10-18). Tsy azo inoana àry hoe nanam-be teo amin’ny ara-nofo izy ireo. Marina fa niaraka tamin’ondry aman’osy sy ny omby ny Isiraelita, fony nandao ilay tany naha andevo azy. (Eksodosy 12:32). Nety ho tsy dia betsaka loatra anefa ireo, satria tsy ela taorian’ny nandaozany an’i Ejipta, dia nitaraina izy ireo hoe tsy nanana hena na mofo hohanina.​—Eksodosy 16:3.

Taiza àry no nahazoan’ireo Isiraelita ireo zava-tsarobidy izay nomeny mba hanorenana ilay tabernakely? Avy tamin’ireo mpifehy azy taloha, dia ny Ejipsianina. Hoy ny Baiboly: “Ny Zanak’Isiraely (...) nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana (...) ka nomen’ireo [Ejipsianina] azy izay nangatahiny”. Izany fahalalahan-tanana nasehon’ny Ejipsianina izany dia fitahiana avy tamin’i Jehovah, fa tsy avy tamin’i Farao akory. Hoy ilay firaketana an-tsoratra avy amin’Andriamanitra: “Nataon’i Jehovah nahita fitia teo imason’ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ireo azy izay nangatahiny”.​—Eksodosy 12:35, 36.

Alao sary an-tsaina àry izay tsapan’ireo Isiraelita. Taranaka niaritra fanandevozana sy tsy fahampiana nampahory izy ireo. Izao izy ireo dia olona afaka sady nanana fananana be. Ahoana no ho tsapan’izy ireo tamin’ny famoizana ny sasany tamin’izany fananana izany ? Nety ho nihevitra izy ireo fa izy no nahazo izany fananana izany, ka nanana zo hihazona azy ireo. Kanefa, rehefa nasaina hanao fanomezana ara-bola mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana madio izy ireo, dia nanao izany​—ary tsy tamim-pahalainana na tamim-pahihirana! Tsy nohadinoin’izy ireo fa i Jehovah no nahatonga azy ireo hanana ireo zavatra ara-nofo ireo. Araka izany, dia nanome be dia be tamin’ny volafotsiny sy ny volamenany ary ny biby fiompiny izy ireo. “Namporisihin’ny fony” izy ireo. ‘Nampahazotoin’ny fony’ izy ireo. ‘Nampirisihin’ny fanahiny izy ireo’. Tena fanatitra ‘an-tsitrapo ho an’i Jehovah’, izany.​—Eksodosy 25:1-9; 35:4-9, 20-29; 36:3-7.

Fahavononana hanome

Ny habetsahan’ny fanomezana iray dia tsy voatery ho tena mampiseho ny fahalalahan-tanan’ilay mpanome. Indray mandeha, dia nandinika ny olona i Jesosy Kristy, rehefa nandatsaka vola tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly izy ireo. Nandatsaka vola madinika be dia be ny mpanan-karena, nefa nanaitra ny sain’i Jesosy ny fahitany mpitondratena nahantra iray nandatsaka vola madinika kely roa faran’izay ambany vidy. Hoy izy: “Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra (...) Tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.”​—Lioka 21:1-4; Marka 12:41-44.

Ny tenin’i Paoly tamin’ireo Korintianina dia nifanaraka tamin’io hevitr’i Jesosy io. Raha ny amin’ny fanaovana fanomezana mba hanampiana ireo mpiray finoana sahirana, dia nanamarika toy izao i Paoly: “Raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.” (2 Korintiana 8:12). Eny, ny fanomezana dia tsy zavatra anaovana fifaninanana na fifampitahana. Ny olona iray dia manome araka izay ananany, ary mahafaly an’i Jehovah ny toe-tsaina mampiseho fahalalahan-tanana.

Na dia tsy misy olona afaka mampanankarena ara-bakiteny an’i Jehovah, izay manana ny zava-drehetra, aza, dia tombontsoa izay manome an’ireo mpivavaka aminy fahafahana hampiseho ny fitiavany azy, ny fanaovana fanomezana. (1 Tantara 29:14-17). Mitondra fifaliana omban’ny fitahian’Andriamanitra ny fanaovana fanomezana, tsy ho fisehosehoana na noho ny antony hafa feno fitiavan-tena, fa amin’ny fananana ny fihetsika mety sy mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. (Matio 6:1-4). Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35). Afaka manana izany fahasambarana izany isika, amin’ny fanomezana ny tanjatsika mba hanompoana an’i Jehovah, sy amin’ny fanokanana ampahany amin’ny fananantsika ara-nofo, mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana marina sy mba hanampiana ireo olona mendrika.​—1 Korintiana 16:1, 2.

Fahavononana hanome amin’ny andro ankehitriny

Ankehitriny, dia mientam-po ny Vavolombelon’i Jehovah mahita ny fandrosoana maneran-tany, eo amin’ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”. (Matio 24:14, NW ). Nandritra ireo folo taona farany tamin’ny taonjato faha-20, dia olona maherin’ny 3 000 000 no natao batisa, ho fanamarihana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra, ary kongregasiona vaovao 30 000 teo ho eo no niforona. Eny, ny ampahatelon’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah misy ankehitriny dia niforona nandritra ireo folo taona farany! Ny ankabeazan’io fitomboana io dia vokatry ny ezaka mafin’ireo lehilahy sy vehivavy kristianina tso-po, izay manome ny fotoanany sy ny heriny hitsidihana ny mpiara-belona aminy, mba hilazana aminy momba ny fikasan’i Jehovah. Ny sasany amin’io fitomboana io kosa dia vokatry ny asan’ireo misionera, izay nandao ny fonenany, ka nandeha lavitra be mba hanampy eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, atao any. Noho io fitomboana io, dia nanjary nisy fizaran-tany vaovao, izay nahatonga ny hilana hanendrena mpiandraikitra ny fizaran-tany vaovao. Fanampin’izany, dia Baiboly maro kokoa no nilaina mba hampiasaina eny amin’ny fitoriana sy amin’ny fianarana manokana. Zavatra vita pirinty maro kokoa no nilaina. Ary any amin’ny tany maro, dia voatery nitarina, na nosoloana toerana lehibe kokoa, ny tranon’ny Sampana. Ireo zavatra ilaina fanampiny rehetra ireo dia tomombana noho ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny vahoakan’i Jehovah.

Ilaina ny Efitrano Fanjakana

Ny Efitrano Fanjakana dia zavatra mbola ilaina foana, izay nanjary niharihary, noho ny fitomboan’ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fanadihadiana natao teo am-piandohan’ny taona 2000, dia nampiharihary ny ilana Efitrano Fanjakana maherin’ny 11 000, any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana, izay voafetra eo amin’ny lafiny ara-bola. Raiso ny ohatr’i Angola. Na dia teo aza ny ady an-trano nandritra ny an-taonany maro, dia mahita fitomboan’ny isan’ny mpitorin’ilay Fanjakana tokony ho 10 isan-jato isan-taona amin’ny antsalany io tany io. Kanefa, ny ankamaroan’ireo kongregasiona 675 ao amin’io tany lehibe atsy Afrika io, dia manao ny fivoriany eny an-kalamanjana. Any amin’io tany io, dia 22 monja ny Efitrano Fanjakana, ary ny 12 amin’ireo monja no misy tafo.

Misy toe-javatra toy izany koa any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Na dia misy kongregasiona efa ho 300 aza ao Kinshasa, renivohitra, dia folo monja ny Efitrano Fanjakana any. Manerana ilay firenena, dia tena ilaina ny hisian’ny Efitrano Fanjakana maherin’ny 1 500. Noho ny fitomboana haingana any amin’ireo tany any Eoropa Atsinanana, dia Efitrano Fanjakana an-jatony maro no ilaina amin’ny fitambarany, araka ny tatitra nataon’i Rosia sy i Ukraine. Ny fitomboana goavana any Amerika Latinina dia misongadina any Brezila, izay misy Vavolombelona antsasa-tapitrisa mahery, ka tena mila Efitrano Fanjakana maro kokoa.

Mba hanomezana fahafaham-po ny zavatra ilaina any amin’ireny tany ireny, dia manaraka fandaharana iray nohafainganina mba hanorenana Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fanomezana amim-pahalalahan-tanana ataon’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany no mamatsy ara-bola ilay fandaharana, mba hahafahan’ny kongregasiona mahantra indrindra hanana toerana fanaovam-panompoam-pivavahana mety tsara.

Tahaka ny tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny, dia zavatra lehibe no azo tanterahina, satria ‘manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidiny’ ny Kristianina tso-po. (Ohabolana 3:9, 10, NW ). Ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia ta hanararaotra izao fahafahana izao mba hanehoana fankasitrahana lalina ny rehetra, izay atosiky ny fony mba handray anjara amin’io fanomezana an-tsitrapo io. Ary afaka matoky isika fa ny fanahin’i Jehovah dia handrisika hatrany ny fon’ny vahoakany, mba hanome ireo zavatra ilain’ny asan’ilay Fanjakana izay tsy mitsaha-mitatra.

Arakaraka ny hitohizan’ilay fitarana maneran-tany, dia enga anie isika hitady fahafahana hatrany hampiseho ny fifaliantsika sy ny fahavononantsika, amin’ny fanomezana ny herintsika sy ny fotoanantsika ary ny fananantsika. Ary enga anie isika hahita ilay tena fifaliana izay entin’io toe-tsaina tia manome io.

[Efajoro, pejy 29]

“AMPIASAO AMIM-PAHENDRENA IZY IO!”

“Folo taona aho. Alefako atỳ aminareo ity vola ity mba hahafahanareo hividy taratasy, na izay zavatra hafa rehetra, mba hanamboarana boky.”​—Cindy.

“Tiako ny mandefa ity vola ity ho anareo mba hanamboaranareo boky betsaka kokoa ho anay. Notahiriziko ity vola azoko tamin’ny fanampiana an’i dada ity. Ka ampiasao amim-pahendrena àry izy io!”​—Pam, fito taona.

“Nalahelo aho noho ilay rivo-doza. Manantena aho fa tsy misy maninona ianareo. Io [2 dolara na 12 000 FMG] io no vola rehetra tao amin’ny boatin-drakitro.”​—Allison, efa-taona.

“Rudy no anarako, ary 11 taona aho. Enin-taona i Ralph, zandriko lahy. Ary roa taona sy tapany i Judith, zandriko vavy. Nanangona ny volanay, nandritra ny telo volana, izahay, mba hanampiana ireo rahalahinay any [amin’ilay faritra rotidrotiky ny ady]. Nahangona 20 dolara [120 000 FMG], izay alefanay izao, izahay.”

“Malahelo ireo rahalahy [tratran’ny rivo-doza] aho. Nahazo 17 dolara [102 000 FMG] aho, niara-niasa tamin’ny dadanay. Tsy mandefa ity vola ity ho amin’ny zavatra manokana aho, fa ianareo no avelako hanapa-kevitra.”​—Maclean, valo taona.

[Efajoro, pejy 31]

Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Hanaovana Fanomezana

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana na manatsinjara vola izay arotsany ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tanin’ny Fikambanana​—Matio 24:14”. Isam-bolana, ny kongregasiona dia mandefa ireny vola ireny, na any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, any New York, na any amin’ny biraon’ny Sampana eo an-toerana.

Ireo vola fanomezana an-tsitrapo dia azo alefa mivantana koa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201-2483, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny tany misy anao. Azo atao fanomezana koa ny firavaka na ny zava-tsarobidy hafa. Miaraka amin’ireny fanomezana ireny, dia tokony hisy taratasy fohy milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy io.

FANDAHARANA MOMBA NY FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny fanaovana fandaharana manokana, dia ny hoe, raha misy ilan’ilay mpanome azy, dia haverina aminy ilay fanomezana. Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa, dia mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza adiresy etsy ambony.

ASA FANASOAVANA NALAMINA MIALOHA

Ho fanampin’ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy ilay misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny fanompoana momba ilay Fanjakana maneran-tany. Tafiditra amin’izany ny:

Fiantohana: Azo tondroina ho ny mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na ny fisotroan-dronono ny Fikambanana Watch Tower.

Kaonty any Amin’ny Banky: Ny kaonty any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononon’ny olona iray dia azo ankinina amin’ny Fikambanana Watch Tower na azo aloa aminy ny vola amin’izany, rehefa maty ilay tompony, mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny banky eo an-toerana.

Petra-bola (actions) sy Fanekem-bola (obligations): Ny petra-bola sy ny fanekem-bola dia azo atao fanomezana tsy misy fepetra ho an’ny Fikambanana Watch Tower.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny Fikambanana Watch Tower ny trano sy ny tany azo amidy, ka na ho fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy ny fepetra hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, mandritra ny fahavelomany. Tokony hifandray amin’ny Fikambanana ny olona iray, alohan’ny hamindrany trano sy tany amin’ny anaran’ny Fikambanana.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna, na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana iray momba ny fanankinam-pananana. Ny fanankinam-pananana ho tombontsoan’ny fikambanana ara-pivavahana iray dia mety hisy tombony raha ny amin’ny hetra aloa.

Araka ny asehon’ilay teny hoe “asa fanasoavana nalamina mialoha”, dia mitaky fandaharana mialoha avy amin’ilay mpanome ireo karazam-panomezana ireo. Mba hanampiana ireo olona maniry hampandray soa ny Fikambanana amin’ny alalan’ny endriny iray amin’ireo asa fanasoavana nalamina mialoha, dia nanomana bokikely iray amin’ny teny anglisy sy espaniola, mitondra ny lohateny hoe Charitable Planning to Benefit Kingdom Service Worldwide (Asa Fanasoavana Nalamina Mialoha ho Tombontsoan’ny Fanompoana Momba Ilay Fanjakana Maneran-tany) ny Fikambanana. Nosoratana io bokikely io ho valin’ny fanontaniana maro voarain’ny Fikambanana momba ny fanomezana sy ny didim-pananana ary ny fanankinam-pananana. Mirakitra fanazavana mahasoa fanampiny koa izy io, momba ny fanaovana fandaharana mialoha mifandray amin’ny trano sy ny tany, ny vola, ary ny hetra. Natao koa izy io mba hanampiana ireo olona any Etazonia mikasa ny hanao fanomezana manokana ho an’ny Fikambanana dieny izao, na hamela lova eo am-pahafatesana, mba hifantina ny fomba mahasoa sy mandaitra indrindra, araka ny toe-javatra misy ny fianakaviany sy ny tenany manokana. Azo atao ny mahazo an’io Bokikely io, amin’ny fanaovana fanafarana mivantana any amin’ny Charitable Planning Office.

Maro no afaka nanampy ny Fikambanana no sady nahazo tombontsoa faran’izay betsaka teo amin’ny hetra, noho ny nanaovana izany, taorian’ny namakiany ilay bokikely sy ny niarahany nidinika tamin’ny Charitable Planning Office. Tokony hampahafantarina ny fisian’ny taratasy mifandray amin’ireo fandaharana ireo ny Charitable Planning Office, sy homena kopia iray amin’izany. Raha liana amin’ny iray amin’ireo fandaharana ny amin’ny asa fanasoavana alamina mialoha ireo ianao, dia tokony hifandray amin’ny Charitable Planning Office, na an-taratasy na an-telefaonina, any amin’ny adiresy voalaza eto ambany, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana Mikarakara ny taninao.

CHARITABLE PLANNING OFFICE

Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania

100 Watchtower Drive, Patterson, New York 12563-9204

Telefaonina: (845) 306-0707