Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fitsipi-pitondran-tena ao Amin’ny Baiboly ve no Tsara Indrindra?

Ny Fitsipi-pitondran-tena ao Amin’ny Baiboly ve no Tsara Indrindra?

Ny Fitsipi-pitondran-tena ao Amin’ny Baiboly ve no Tsara Indrindra?

“MILA rafitra iray misy ny toetra tsara fototra, izay miaro sy manome tari-dalana ny olona ao aminy, ny fiaraha-monina.” Izany no fanazavana nataon’ny mpanoratra alemà za-draharaha iray sady mpiteny ao amin’ny televiziona. Tena azo ekena izany. Mba hampiorina tsara sy hampiroborobo ny fitambaran’olona, dia tsy maintsy misy fototra mafy orina iray ahitana fari-pitsipika eken’ny besinimaro, mamaritra ny mety sy ny tsy mety ary ny tsara sy ny ratsy. Ny fanontaniana dia hoe: Fari-pitsipika inona no tsara indrindra ho an’ny fiaraha-monina sy ny olona ao aminy?

Raha ny fari-pitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly no arahina, dia tokony hanampy ny isam-batan’olona hanana fiainana tsy miovaova sy sambatra izany. Ary raha itarina izany, dia ho sambatra kokoa sy hiorina mafy kokoa ny fitambaran’olona manaraka ireny toetra tsara ireny. Izany ve no izy? Andeha isika handinika izay lazain’ny Baiboly momba ny raharaha roa lehibe: ny tsy fivadihana ao anatin’ny fanambadiana sy ny fanaovana ny marina eo amin’ny fiainana andavanandro.

Mifikira amin’ny vadinao

Namorona an’i Adama ny Mpamorona antsika, ary avy eo an’i Eva mba ho vadiny. Ny fanambadian’izy ireo no voalohany teo amin’ny tantara, ary natao haharitra izany fifandraisana izany. Hoy Andriamanitra: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka [tsy maintsy mifikitra, NW] amin’ny vadiny”. Tokony ho 4000 taona tatỳ aoriana, dia naverin’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy rehetra io fari-pitsipika ara-panambadiana io. Fanampin’izany, dia nanameloka ny firaisana ivelan’ny fanambadiana izy.​—Genesisy 1: 27, 28; 2:24; Matio 5:27-30; 19:5.

Araka ny Baiboly, dia ny fitiavana sy ny fifanajana asehon’ny mpivady no fanalahidy roa lehibe ho amin’ny fanambadiana sambatra. Tokony hampiseho fitiavana tsy mitady tombony, ka hitady izay hahasoa indrindra ny vadiny ny lehilahy, izay lohan’ilay tokantrano. Tokony hiara-mitoetra aminy “[araka ny fahalalana, NW ]” ary tsy tokony ho “sosotra” aminy izy. Tokony haneho “[fanajana lalina, NW ]” ny vadiny ny vehivavy. Raha manaraka ireny foto-pitsipika ireny ny mpivady, dia ho azo atao ny hisoroka na handresy ny ankamaroan’ny zava-manahirana ara-panambadiana. Tokony hifikitra amin’ny vehivavy vadiny ny lehilahy, ary ny vehivavy koa amin’ny lehilahy vadiny.​—1 Petera 3:1-7; Kolosiana 3:18, 19; Efesiana 5:22-33.

Manampy mba hahasambatra ny fanambadiana iray ve ny fari-pitsipiky ny Baiboly momba ny fifikirana amim-pahatokiana amin’ny vady? Diniho ny vokatry ny fanadihadiana iray natao tany Alemaina. Nanontaniana ny olona hoe lafin-javatra inona avy no zava-dehibe mba hahavanona ny fanambadiana iray. Ny tsy fivadihan’ny mpivady no voalaza voalohany indrindra teo amin’ilay lisitra. Tsy ekenao ve fa sambatra lavitra kokoa ny olona manambady, rehefa mahafantatra fa tsy mivadika aminy ny vadiny?

Ahoana raha mipoitra ny zava-manahirana?

Ahoana anefa raha tena tsy mifanaraka ny lehilahy iray sy ny vadiny? Ary raha mihalefy ny fifankatiavany? Tsy ny misaraka ve no tsara indrindra, ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany? Sa mbola fahendrena ihany ny mampihatra ilay fari-pitsipiky ny Baiboly hoe tokony hifikitra amim-pahatokiana amin’ny vady?

Neken’ireo mpanoratra ny Baiboly fa hanan-java-manahirana daholo ny mpivady rehetra, vokatry ny tsy fahalavorarian’olombelona. (1 Korintiana 7:28). Na izany aza, ireo mpivady izay manaraka ny fari-pitsipiky ny Baiboly dia miezaka ny hifamela heloka sy ny hiara-mitady vahaolana amin’ny zava-manahirana azy. Mazava ho azy fa misy tarehin-javatra​—toy ny fanitsakitsaham-bady na ny fampijaliana ara-batana​—izay angamba hiheveran’ny Kristianina iray fa mety ny hisarahan-toerana na ny hisaraham-panambadiana. (Matio 5:32; 19:9). Kanefa ny fisarahana maimaika, noho ny antony tsy marim-pototra loatra, na mba hanambadiana olon-kafa, dia mampiseho fitiavan-tena sy tsy fiheverana ny hafa. Azo antoka fa tsy mampiorina tsara na mahasambatra ny fiainana izany. Andeha isika haka ohatra iray.

Tsapan’i Peter fa tsy nanintona toy ny taloha intsony ny fanambadiany. * Noho izany, dia nilaozany ny vadiny, ka niara-nipetraka tamin’i Monika, izay nandao ny vadiny, izy. Nanao ahoana ny fizotran’ny tarehin-javatra? Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia nanaiky i Peter fa “tsy mora mihitsy araka ny nieritreretako azy” ny niara-niaina tamin’i Monika. Fa nahoana? Niharihary teo amin’ilay fifandraisany vaovao, tsy nisy hafa tamin’ilay teo aloha, ny fahalemen’olombelona. Mbola nanaratsy ny toe-javatra ny zava-nanahirana ara-bola lehibe nananany, noho ny fanapahan-kevitra maimaika sy feno fitiavan-tena nataony. Fanampin’izany, dia torotoro fo ny zanak’i Monika, noho ilay fiovana tanteraka teo amin’ny fiainam-pianakaviany.

Asehon’io zava-nitranga io fa rehefa tojo zava-tsarotra ny fanambadiana, dia mahalana no vahaolana ny fandaozana azy io. Etsy an-danin’izany, matetika dia mihazona ny fanambadiana iray tsy ho rava sy mahatonga azy hilamina indray ny fanarahana ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Izany no nitranga tamin’i Thomas sy i Doris.

Efa hatramin’ny 30 taona mahery no nivadian’i Thomas sy i Doris, rehefa nanomboka nisotro toaka be i Thomas. Nanjary ketraka i Doris, ary niresaka ny hisaraka izy roa. Namboraka ny zava-nanahirana azy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray i Doris. Nasehon’ilay Vavolombelona tamin’i Doris izay lazain’ny Baiboly momba ny fanambadiana, ka nampirisihiny izy tsy ho maimaika ny hisara-toerana, fa hiara-mitady amin’ny vadiny izay ho vahaolana aloha. Izany no nataon’i Doris. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia tsy noheverina intsony ny fisaraham-panambadiana. Niara-niezaka nandamina ny zavatra nanahirana azy i Thomas sy i Doris. Nanatanjaka ny fatoram-panambadiany sady nanome fotoana azy ireo handaminany ny zava-nanahirana azy ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly.

Fanaovana ny marina amin’ny zava-drehetra

Mitaky herim-po sy fitiavana ireo fitsipika marina ny fifikirana amin’ny vady. Ireo toetra ireo koa no ilaina mba hanohizana hanao ny marina ao amin’ny tontolo iray tsy manao ny marina. Manan-javatra betsaka ambara momba ny fanaovana ny marina ny Baiboly. Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, tany Jodia, ny apostoly Paoly: ‘Te-hitondra tena [amim-pahitsiana, NW ] amin’ny zavatra rehetra izahay’. (Hebreo 13:18). Inona no dikan’izany?

Milaza ny marina sady tsy mba mamitaka ny olona manao ny marina. Tsy miangatra izy eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny hafa​—mahitsy, mahatoky sy tsy mamitaka. Ambonin’izany, dia tsy mivadika ny olona manao ny marina ka tsy manambaka ny namany. Mampitombo ny fifampitokisana, izay miteraka toe-tsaina mahasoa sy fifandraisana matanjaka, ny olona manao ny marina.

Sambatra ve ny olona manao ny marina? Manana antony tokony hahasambatra azy izy. Na dia miely patrana aza ny tsolotra sy ny fanambakana​—na angamba noho ny fisian’izy ireo​—dia mazàna hajain’ny hafa ny olona manao ny marina. Araka ny fanadihadiana iray natao teo amin’ny tanora, dia hatsaran-toetra tena sarobidy ho an’ny 70 isan-jaton’ireo namaly ilay fanadihadiana, ny fanaovana ny marina. Ankoatra izany, na firy taona isika na firy taona, dia zavatra voalohany takintsika amin’ireo namantsika ny fanaovany ny marina.

Vao 12 taona monja i Christine, dia efa nampianarina hangalatra. Rehefa nandeha ireo taona, dia nanjary mpangarom-paosy tena nahay izy. “Nisy andro nitondrako nody lelavola tsy latsaka ny 2200 dolara [15 tapitrisa FMG eo ho eo]”, hoy izy. Voasambotra imbetsaka anefa i Christine, ary nandrahona azy foana ny hoe mety haiditra am-ponja. Rehefa nohazavain’ny Vavolombelon’i Jehovah taminy izay lazain’ny Baiboly momba ny fanaovana ny marina, dia nanintona an’i Christine ireo fari-pitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Nianatra ny nankatò ity fananarana ity izy: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony”.​—Efesiana 4:28.

Efa tsy mpangalatra intsony i Christine, rehefa natao batisa ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. Niezaka nanao ny marina tamin’ny zava-drehetra izy, satria manantitrantitra mafy ny fanaovana ny marina sy ny toetra kristianina hafa ny Vavolombelona. Nanao izao tatitra izao ilay gazety hoe Lausitzer Rundschau: “Tena sarobidy eo amin’ny finoan’ny Vavolombelona ny teny milaza fitondran-tena tsara, toy ny fanaovana ny marina, ny fahalalana ny antonony ary ny fitiava-namana.” Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Christine noho ilay fiovana teo amin’ny fiainany? “Tena sambatra kokoa aho ankehitriny, satria tsy mangalatra intsony. Mihevitra ny tenako ho mpikambana mendri-kaja eo amin’ny fiaraha-monina aho.”

Mandray soa ny fiaraha-monina manontolo

Tsy vitan’ny hoe sambatra kokoa fotsiny ny olona tsy mivadika amin’ny vadiny sy manao ny marina, fa mitondra soa koa ho an’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny. Tian’ny mpampiasa kokoa ny mpiasa tsy mamitaka. Tiantsika rehetra rehefa mendri-pitokisana ny mpifanila trano amintsika, ary tiantsika ny miantsena any amin’ny toeram-pivarotana tanan’ny mpivarotra manao ny marina sy ny hitsiny. Moa ve isika tsy manaja ny mpanao politika sy ny polisy ary ny mpitsara, izay tsy mandray tsolotra? Mandray soa betsaka ny fiaraha-monina rehefa mitondra tena amim-pahamarinana ny olona ao aminy, satria izany no foto-pitsipika arahiny, fa tsy hoe rehefa mahasoa azy manokana fotsiny.

Ankoatra izany, dia fototry ny fianakaviana mafy orina ireo mpivady mampiseho tsy fivadihana. Ary ny ankamaroan’ny olona dia hiombon-kevitra amin’ilay mpanao politika eoropeanina, izay nilaza hoe: “Mandraka ankehitriny dia mbola ny fianakaviana [araka ny nahafantarana azy] ihany no toeram-pialofana lehibe indrindra ahitan’ny olona filaminan-tsaina sy misy zava-kendrena.” Ao amin’ny fianakaviana mandry feizay no hahafahan’ny lehibe sy ny ankizy indrindra hahatsapa filaminana ara-pihetseham-po. Koa manampy amin’ny fanorenana fiaraha-monina mafy orina àry ireo mpivady mahatoky.

Eritrereto ireo soa maro horaisin’ny tsirairay raha toa ka tsy misy vady nilaozana, fitsarana momba ny fisaraham-panambadiana, na raharaha hiadiana ny fitaizana ny ankizy. Ary ahoana raha toa ka tsy misy intsony ny mpangarom-paosy, ny mpitselika entam-barotra, ny mpanodinkodim-bola, ny manam-pahefana mpandray kolikoly, na ny mpahay siansa mpanao hosoka? Toa nofinofy fotsiny ve izany? Tsy nofinofy izany ho an’ireo izay liana fatratra amin’ny Baiboly sy izay lazainy momba ny hoavintsika. Mampanantena ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ho ela dia hanapaka ny fitambaran’olona rehetra eto an-tany ny Fanjakana Mesianikan’i Jehovah. Hampianarina hiaina araka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly daholo ny olom-pehezin’io Fanjakana io. Amin’izany fotoana izany, “ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”.​—Salamo 37: 29.

Ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly no tsara indrindra

Nanjary takatry ny olona an-tapitrisany maro, izay nandinika ny Soratra Masina, fa miorina amin’ny fahendrena araka an’Andriamanitra, izay ambony lavitra noho ny fisainan’ny olombelona, ny torohevitry ny Baiboly. Ho azy ireo, dia mendri-pitokisana sady azo ampiharina eo amin’ny fiainana ao amin’ny tontolontsika maoderina ny Baiboly. Fantany fa hahasoa azy indrindra ny fanarahana ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Noho izany, ireny olona ireny dia manaraka ilay torohevitry ny Baiboly manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3: 5, 6). Amin’ny fanaovany izany, dia manatsara indrindra ny fiainany izy, sady mitondra soa koa eo amin’ny fiainan’ny olona manodidina azy. Ary mamboly fatokisana mafy ilay “fiainana (...) ho avy” izy, rehefa hanaraka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly ny olombelona rehetra.​—1 Timoty 4: 8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Novana ny anarana ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Rehefa tojo fahasahiranana ny fanambadiana iray, dia afaka mihazona azy io tsy ho rava sy mitondra filaminana ho azy io matetika ny fanarahana ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly

[Teny notsongaina, pejy 6]

Na dia miely patrana aza ny tsolotra​—na angamba noho ny fisiany​—dia mazàna hajain’ny hafa ny olona manao ny marina