Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Mpanompon’Andriamanitra Ankehitriny?

Iza no Mpanompon’Andriamanitra Ankehitriny?

Iza no Mpanompon’Andriamanitra Ankehitriny?

“Ny mahatonga anay hanana ny toetra ilaina ampy tsara dia avy amin’Andriamanitra, izay nahatonga anay hanana ny toetra ilaina ampy tsara tokoa ho mpanompon’ny fanekena vaovao iray”.​—2 KORINTIANA 3:5, 6, NW.

1, 2. Inona no andraikitra niombonan’ny Kristianina rehetra tamin’ny taonjato voalohany, kanefa ahoana no niovan’ny toe-javatra?

TAMIN’NY taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia nisy andraikitra lehibe iray niombonan’ny Kristianina rehetra, dia ny adidy hitory ny vaovao tsara. Voahosotra sy mpanompon’ny fanekena vaovao avokoa izy rehetra. Nisy sasantsasany nanana andraikitra fanampiny, toy ny fampianarana tao amin’ny kongregasiona. (1 Korintiana 12:27-29; Efesiana 4:11). Ireo ray aman-dreny dia nanana adidy navesatra, teo anivon’ny fianakaviana. (Kolosiana 3:18-21). Samy nandray anjara tamin’ilay asa fitoriana faran’izay zava-dehibe, anefa ny rehetra. Io andraikitra io dia di·a·ko·niʹa, na fanompoana, araka ny teny grika tany am-boalohany nanoratana ny Soratra Kristianina.​—Kolosiana 4:17.

2 Rehefa nandeha ny fotoana, dia niova ny toe-javatra. Nisy kilasin’olona niforona, fantatra tamin’ny anarana hoe mpitondra fivavahana, izay nanokana ho azy samirery ny tombontsoa hitory. (Asan’ny Apostoly 20:30). Ireo mpitondra fivavahana ireo dia olona vitsy kely tamin’ireo nitonona ho Kristianina, fa ny ankamaroany kosa dia nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe lahika. Na dia nampianarina an’ireo lahika aza fa manana adidy sasantsasany izy ireo, anisan’izany ny fanaovana fanomezana mba hikarakarana ireo mpitondra fivavahana, dia saika nanjary mpihaino fotsiny ny ankamaroany, raha ny fitoriana no asian-teny.

3, 4. a) Ahoana no ahatongavan’ny olona iray ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ho mpanompo? b) Iza no heverina ho mpanompo ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, ary nahoana no hafa noho izany ny eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

3 Mihambo ho mpanompo (di·aʹko·nos) ireo mpitondra fivavahana. * Mba hahatongavany ho mpanompo, dia mahazo diplaoma avy amin’ny sekoly ambony na seminera izy ireo, ary voatokana na hamasinina. Hoy ny The International Standard Bible Encyclopedia: “Mazàna ny hoe ‘manokana’ sy ‘fanokanana’ dia manondro toerana ambony omena ny mpanompo, na pretra, amin’ny alalan’ny fombafomba atao mba hanehoana fa nekena tamin’ny fomba ofisialy izy, ka antitranterina ny fananany fahefana hitory ny Teny, na hanome sakramenta, na hanao azy roa ireo.” Iza no manokana ny mpanompo? Hoy ny The New Encyclopædia Britannica: “Any amin’ireo eglizy mbola manana eveka toy ny taloha, dia eveka foana no manao ny fanokanana ho mpanompo. Any amin’ireo eglizy presbyteriana, dia ny presbytera no manao ilay fanokanana.”

4 Araka izany, dia natokana ho an’olona vitsy dia vitsy ny tombontsoa ho mpanompo, any amin’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Tsy toy izany kosa ny eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fa nahoana? Satria tsy mba toy izany ny tao amin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany.

Iza marina no mpanompon’Andriamanitra?

5. Araka ny Baiboly, iza avy no anisan’ny mpanompo?

5 Araka ny Baiboly, ireo mpivavaka rehetra amin’i Jehovah​—any an-danitra sy eto an-tany​—dia mpanompo. Nisy anjely nanompo an’i Jesosy. (Matio 4:11; 26:53; Lioka 22:43). “Nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena” koa ireo anjely. (Hebreo 1:14; Matio 18:10). Mpanompo i Jesosy. Hoy izy: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo”. (Matio 20:28; Romana 15:8). Noho izany, dia tsy mahagaga raha tsy maintsy ho mpanompo koa ireo mpanara-dia an’i Jesosy, satria tokony ‘hanaraka ny diany’ izy ireo.​—1 Petera 2:21.

6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tokony ho mpanompo ireo mpianany?

6 Fotoana fohy talohan’ny hiakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Tokony ho mpanao mpianatra, eny, ho mpanompo, ireo mpianatr’i Jesosy. Ireo mpianatra vaovao nataon’izy ireo, dia hianatra hitandrina ny zavatra rehetra nandidian’i Jesosy, anisan’izany ilay didy ny amin’ny tokony handehanana hanao mpianatra. Izay tena mpianatr’i Jesosy Kristy dia ho mpanompo, na lahy na vavy, na lehibe na kely.​—Joela 3:1, 2.

7, 8. a) Andinin-teny inona avy no mampiseho fa mpanompo ny Kristianina marina rehetra? b) Fanontaniana inona avy no mipoitra momba ny fanokanana?

7 Nifanaraka tamin’izany, tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i., dia samy nanambara ‘ny asa lehibe nataon’Andriamanitra’ ireo mpianatr’i Jesosy rehetra nanatrika teo, na lahy na vavy. (Asan’ny Apostoly 2:1-11). Ankoatra izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Amin’ny fo no anehoan’ny tena finoana hahazoana fahamarinana, fa amin’ny vava kosa no anaovan’ny tena fanambarana ampahibemaso hahazoana famonjena.” (Romana 10:10, NW). Tsy ho an’ny kilasin’ny mpitondra fivavahana ihany, no nilazan’i Paoly ireo teny ireo, fa “ho an’izay rehetra [tany] Roma, malalan’Andriamanitra”. (Romana 1:1, 7). Toy izany koa, ‘ireo olona masina rehetra tany Efesosy, izay nahatoky tao amin’i Kristy Jesosy’, dia tokony ‘hikiraro ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana’. (Efesiana 1:1; 6:15). Ary izay rehetra nandre ilay taratasy ho an’ny Hebreo dia tokony ‘hihazona mafy ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenany, tsy tamim-pihozongozonana’.​—Hebreo 10:23, NW.

8 Rahoviana kosa anefa ny olona iray no tonga mpanompo? Raha lazaina amin’ny teny hafa, rahoviana izy no atokana ho mpanompo? Ary iza no manokana azy?

Fanokanana ho mpanompo​Rahoviana?

9. Oviana no nanokanana an’i Jesosy, ary iza no nanao izany?

9 Raha ny amin’ny hoe rahoviana ny olona iray no atokana ho mpanompo, ary iza no manokana azy, dia diniho ny ohatr’i Jesosy Kristy. Tsy nanana taratasy fanamarinana ny nanokanana azy, na diplaoma avy tamin’ny seminera iray izy, mba hanaporofoana fa mpanompo ny tenany, ary tsy olombelona no nanokana azy. Koa nahoana àry isika no afaka milaza fa tena mpanompo izy? Satria tanteraka taminy izao teny ara-tsindrimandry nosoratan’i Isaia izao: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly (...) Izy”. (Lioka 4:17-19; Isaia 61:1). Ireo teny ireo dia tsy mamela ny hisian’ny fisalasalana fa nirahina hanambara vaovao tsara i Jesosy. Nirahin’iza? Koa satria nanosotra an’i Jesosy ho amin’ilay asa ny fanahin’i Jehovah, dia mazava fa i Jehovah Andriamanitra no nanokana azy. Oviana izany no nitranga? Raha ny marina, dia tonga teo amin’i Jesosy ny fanahin’i Jehovah fony izy natao batisa. (Lioka 3:21, 22). Koa tamin’ny fotoan’ny batisany àry no nanokanana an’i Jesosy.

10. Iza no mahatonga ny mpanompo kristianina “hanana ny toetra ilaina ampy tsara”?

10 Ahoana ny amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany? Avy tamin’i Jehovah koa no nahatonga azy ireo ho mpanompo. Hoy i Paoly: “Ny mahatonga anay hanana ny toetra ilaina ampy tsara dia avy amin’Andriamanitra, izay nahatonga anay hanana ny toetra ilaina ampy tsara tokoa ho mpanompon’ny fanekena vaovao iray”. (2 Korintiana 3:5, 6, NW). Inona no ataon’i Jehovah mba hahatonga ireo mpivavaka aminy hanana ny toetra ilaina mba ho mpanompo? Diniho ny ohatr’i Timoty, izay nantsoin’i Paoly hoe “mpanompon’Andriamanitra amin’ny filazantsaran’i Kristy”.​—1 Tesaloniana 3:2.

11, 12. Ahoana no nanaovan’i Timoty fandrosoana mba hahatongavana ho mpanompo?

11 Manampy antsika hahatakatra ny fomba nahatongavan’i Timoty ho mpanompo, ireto teny manaraka nosoratana ho azy ireto: “Hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy [nandresen-dahatra anao mba hinoana, NW], satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:14, 15). Ny fototra niorenan’ny finoan’i Timoty, izay nanosika azy hanao fanambarana ampahibemaso, dia ny fahalalana ny Soratra Masina. Ny famakian-teny nataon’ny tenany manokana ve no hany nilaina tamin’izany? Tsia. Nila fanampiana i Timoty mba hahazoana fahalalana araka ny marina sy fahazoan-kevitra ara-panahy ny amin’izay novakiny. (Kolosiana 1:19). Araka izany, dia ‘noresen-dahatra mba hino’ izy. Koa satria nahalala ny Soratra Masina “hatry ny fony vao zaza” i Timoty, dia tsy maintsy ho ny reniny sy ny renibeny no mpampianatra azy voalohany, satria mazava fa tsy mpino ny rainy.​—2 Timoty 1:5.

12 Bebe kokoa anefa no tafiditra tamin’ny nahatongavan’i Timoty ho mpanompo. Voalohany aloha, dia nanatanjaka ny finoany ny fiarahana tamin’ireo Kristianina tao amin’ireo kongregasiona teny akaiky. Ahoana no ahafantarantsika izany? Satria fony nihaona voalohany tamin’i Timoty i Paoly, dia “tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma” ilay tovolahy. (Asan’ny Apostoly 16:2). Fanampin’izany, tamin’izany andro izany, dia nisy rahalahy sasantsasany nanoratra taratasy ho an’ireo kongregasiona mba hanatanjahana azy ireny, ary nisy mpiandraikitra nitsidika mba hampaherezana azy ireny. Nanampy ny Kristianina toa an’i Timoty mba handroso ara-panahy ny fandaharana toy ireny.​—Asan’ny Apostoly 15:22-32; 1 Petera 1:1.

13. Oviana no nanokanana an’i Timoty ho mpanompo, ary nahoana ianao no hilaza fa tsy nifarana teo ny fandrosoany ara-panahy?

13 Rehefa heverina ilay didin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 28:19, 20, dia azontsika antoka fa tamin’ny fotoana iray, dia natosiky ny finoany mba hanahaka an’i Jesosy sy hatao batisa i Timoty. (Matio 3:15-17; Hebreo 10:5-9). Mariky ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra tamin’ny fanahy rehetra izany. Tamin’ny batisany, dia tonga mpanompo i Timoty. Nanomboka teo, dia an’Andriamanitra ny fiainany, ny heriny, ary ny zavatra rehetra nananany. Tapany tsy nisaraka tamin’ny fanompoam-pivavahana natolony, izay “fanompoana masina”, izany. Tsy hoe nianina tamin’ny naha mpanompo azy fotsiny anefa i Timoty, fa nanohy nitombo ara-panahy izy, ka tonga mpanompo kristianina matotra. Nitranga izany noho ny fiarahan’i Timoty akaiky tamin’ny Kristianina matotra toa an’i Paoly, sy noho ny fianarana manokana sy ny asa fitoriana tamin-jotom-po nataony.​—1 Timoty 4:14; 2 Timoty 2:2; Hebreo 6:1.

14. Raha ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’ ny olona iray ankehitriny, ahoana no anaovany fandrosoana mba hahatongavana ho mpanompo?

14 Mitovy amin’izany koa ny fanokanana ho amin’ny fanompoana kristianina, ankehitriny. Ampiana mba hianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly, ny olona ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’. (Asan’ny Apostoly 13:48, NW). Mianatra mampihatra ireo foto-pitsipika ara-baiboly eo amin’ny fiainany ilay olona, ary mianatra mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fo. (Salamo 1:1-3; Ohabolana 2:1-9; 1 Tesaloniana 5:17, 18). Miaraka amin’ny mpino hafa izy, ka manararaotra ireo fandaharana ataon’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW; Ohabolana 13:20; Hebreo 10:23-25). Araka izany, dia manao fandrosoana araka ny fampianarana voalamina iray izy.

15. Inona no mitranga rehefa atao batisa ny olona iray? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

15 Rehefa mandeha ny fotoana, dia maniry hanolo-tena tanteraka ho an’ilay Rainy any an-danitra ilay mpianatra ny Baiboly, noho izy efa nampitombo fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra sy namboly finoana matanjaka ny sorom-panavotana. (Jaona 14:1). Manao izany fanoloran-tena izany ao amin’ny vavaka ataon’ny tenany manokana izy, ary atao batisa avy eo, ho marika ampahibemaso ny nanaovany izany. Ny batisany no fanokanana azy, satria amin’io fotoana io izy no fantatra ho mpanompo, na di·aʹko·nos, nanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Tsy maintsy mitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao izy. (Jaona 17:16; Jakoba 4:4). Nanolotra ny tenany manontolo tsy misy fepetra mba ho “fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra” izy. (Romana 12:1). * Mpanompon’Andriamanitra izy, ho fanahafana an’i Kristy.

Inona no atao hoe fanompoana kristianina?

16. Inona no sasantsasany tamin’ireo andraikitr’i Timoty tamin’ny naha mpanompo azy?

16 Inona no tafiditra tao amin’ny fanompoan’i Timoty? Nanana adidy manokana izy, dia ny ho naman’i Paoly tamin’ny fitetezam-paritany. Ary rehefa tonga loholona i Timoty, dia nilofo tamin’ny fampianarana sy ny fanatanjahana ireo Kristianina tahaka azy. Ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fanaovana mpianatra anefa no tapany lehibe indrindra tamin’ny fanompoany, toy ny tamin’i Jesosy sy i Paoly. (Matio 4:23; 1 Korintiana 3:5). Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Fa hianao kosa mahonòna tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.”​—2 Timoty 4:5, izahay no manao sora-mandry.

17, 18. a) Inona no fanompoana ataon’ny Kristianina? b) Nahoana no zava-dehibe ny asa fitoriana, amin’ny mpanompo kristianina?

17 Toy izany koa ny amin’ireo mpanompo kristianina, ankehitriny. Manao fanompoana ho an’ny besinimaro izy ireo, dia ny asa fitoriana ny filazantsara, ka misarika ny sain’ny hafa ho amin’ny famonjena miorina amin’ny soron’i Jesosy, ary mampianatra an’ireo mpandefitra hiantso ny anaran’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 2:21; 4:10-12; Romana 10:13). Porofoiny avy ao amin’ny Baiboly fa ilay Fanjakana no hany fanantenana ho an’ny olombelona mijaly, ary asehony fa ho tsara kokoa ny toe-javatra, na ankehitriny aza, raha miaina mifanaraka amin’ireo foto-pitsipika avy amin’Andriamanitra isika. (Salamo 15:1-5; Marka 13:10). Tsy mitory filazantsara ara-tsosialy anefa ny mpanompo kristianina, fa mampianatra kosa hoe ‘ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa’.​—1 Timoty 4:8.

18 Marina fa manana endri-panompoana fanampiny izay mety tsy hitovizany amin’ny Kristianina hafa, ny ankamaroan’ireo mpanompo. Maro no manana adidy ara-pianakaviana. (Efesiana 5:21–6:4). Manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana. (1 Timoty 3:1, 12, 13; Titosy 1:5; Hebreo 13:7). Kristianina maro no manampy eo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Ny sasany manana tombontsoa lehibe noho izy ireo mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny iray amin’ireo trano Betelan’ny Fikambanana Watch Tower. Samy mandray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsara avokoa anefa ireo mpanompo kristianina tsy an-kanavaka. Ny fandraisana anjara amin’io asa io no ahafantaran’ny besinimaro fa tena mpanompo kristianina ny olona iray.

Ny toe-tsain’ny mpanompo kristianina

19, 20. Inona no toe-tsaina tsy maintsy ambolen’ireo mpanompo kristianina?

19 Manantena ny homena fanajana manokana ny ankamaroan’ireo mpanompo ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, ka mandray anaram-boninahitra toy ny hoe “révérend” sy “mompera”. Fantatry ny mpanompo kristianina kosa fa i Jehovah irery ihany no mendrika hotolorana fanajana ara-pivavahana. (1 Timoty 2:9, 10). Tsy misy mpanompo kristianina, na iza izy na iza, mitaky fanajana lehibe toy izany, na maniry anaram-boninahitra manokana. (Matio 23:8-12). Fantany fa “fanompoana” no hevitra fototry ny teny hoe di·a·ko·niʹa. Indraindray ilay matoanteny mifandray amin’izy io dia ampiasain’ny Baiboly hoenti-manondro fanompoana manokana, toy ny asan’ny mpandroso sakafo. (Lioka 4:39; 17:8; Jaona 2:5). Na dia ambony kokoa aza ilay hevitra ampiasana io teny io rehefa ampifandraisina amin’ny fanompoana kristianina, dia mbola mpanompo ihany ny di·aʹko·nos.

20 Tsy misy mpanompo kristianina àry, na iza izy na iza, manana antony tokony hiheveran-tena ho zavatra. Mpanompo tsinontsinona ny tena mpanompo kristianina, na dia ireo manana andraikitra manokana ao amin’ny kongregasiona aza. Hoy i Jesosy: “Izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.” (Matio 20:26, 27). Rehefa nampiseho tamin’ny mpianany ny toe-tsaina mety izay tokony hambolena i Jesosy, dia nanasa ny tongotr’izy ireo, ka nanao tamin’izany ny asan’ny mpanompo ambany indrindra. (Jaona 13:1-15). Izany ka fanompoana mampiseho fanetren-tena! Noho izany, dia manompo an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy amim-panetren-tena ireo mpanompo kristianina. (2 Korintiana 6:4; 11:23). Maneho fanetren-tena izy ireo rehefa mifanompo. Ary rehefa mitory ny vaovao tsara izy ireo, dia manompo tsy amim-pitiavan-tena an’ireo mpiara-belona aminy tsy mpino.​—Romana 1:14, 15; Efesiana 3:1-7.

Miareta eo amin’ny fanompoana

21. Ahoana no namalian-tsoa an’i Paoly noho ny niaretany teo amin’ny fanompoana?

21 Ho an’i Paoly, dia nitaky fiaretana ny hoe mpanompo. Nilaza tamin’ireo Kolosiana izy fa nijaly mafy ny tenany mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’izy ireo. (Kolosiana 1:24, 25). Noho izy niaritra anefa, dia maro no nanaiky ny vaovao tsara ka tonga mpanompo. Nateraka ho zanak’Andriamanitra sady rahalahin’i Jesosy Kristy izy ireny, ka nanana fanantenana ho tonga zavaboary ara-panahy hiaraka aminy any an-danitra. Endrey izany valisoa be voninahitra noho ny niaretana!

22, 23. a) Nahoana no mila fiaretana ireo mpanompo kristianina ankehitriny? b) Inona no vokatra mahatalanjona entin’ny fiaretana kristianina?

22 Tena ilain’ireo tena mpanompon’Andriamanitra ankehitriny ny fiaretana. Maro no miady amin’ny aretina na ny zava-tsarotra entin’ny fahanterana, isan’andro. Miezaka mafy hitaiza ny zanany ny ray aman-dreny, izay tsy manambady ny ankamaroany. Ireo ankizy any an-tsekoly kosa manohitra amin-kerim-po ireo fitaoman-dratsy manodidina azy. Sahirana mafy ara-pivelomana ny Kristianina maro. Ary maro no iharam-panenjehana, na miatrika zava-tsarotra, noho ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ ankehitriny! (2 Timoty 3:1, NW). Eny, afaka miara-milaza amin’ny apostoly Paoly toy izao, ireo mpanompon’i Jehovah efa ho enina tapitrisa ankehitriny: “Mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, dia amin’ny faharetana be”. (2 Korintiana 6:4). Tsy milavo lefona ireny mpanompo kristianina ireny. Tena mendri-piderana tokoa izy ireny noho ny fiaretany.

23 Ambonin’izany, toy ny tamin’i Paoly, dia mitondra vokatra mahatalanjona ny fiaretana. Rehefa miaritra isika, dia miaro ny fifandraisantsika akaiky amin’i Jehovah, ka mampifaly ny fony. (Ohabolana 27:11). Manatanjaka ny finoan’ny tenantsika isika ary manao mpianatra, ka mampitombo ireo anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina. (1 Timoty 4:16). Nanohana ireo mpanompony i Jehovah sady nitahy ny fanompoan’izy ireo, nandritra izao andro farany izao. Vokatr’izany, dia voangona ny farany tamin’ireo 144 000, ary olona an-tapitrisany maro hafa no manantena amin-toky ny hahazo fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. (Lioka 23:43, NW; Apokalypsy 14:1). Eny tokoa, fisehoan’ny famindram-pon’i Jehovah ny fanompoana kristianina. (2 Korintiana 4:1). Enga anie isika rehetra ka hihevitra an’io fanompoana io ho sarobidy, ary ho velom-pankasitrahana fa haharitra mandrakizay ny vokatra entiny.​—1 Jaona 2:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ilay teny grika hoe di·aʹko·nos no niavian’ilay teny hoe “diakônina” na “diakra”, izay manondro olona mitana toeram-pahefana ao amin’ny fiangonana.

^ feh. 15 Na dia mihatra amin’ny Kristianina voahosotra indrindra indrindra aza ny Romana 12:1, dia mihatra koa amin’ny “ondry hafa” ilay foto-pitsipika. (Jaona 10:16). “Manaiky ho an’i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’i Jehovah mba ho mpanompony”, izy ireo.​—Isaia 56:6.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no andraikitra niombonan’ny Kristianina rehetra tamin’ny taonjato voalohany?

• Rahoviana ny Kristianina iray no atokana ho mpanompo, ary iza no manao izany?

• Inona no toe-tsaina tokony hambolen’ny mpanompo kristianina?

• Nahoana ny mpanompo kristianina no tokony hiaritra rehefa miatrika zava-tsarotra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Nampianarina ny Tenin’Andriamanitra hatry fony vao zaza i Timoty. Tonga mpanompo voatokana izy rehefa natao batisa

[Sary, pejy 18]

Mariky ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra ny batisa, sady manamarika ny fanokanana ny olona iray ho mpanompo

[Sary, pejy 20]

Vonona hanompo ireo mpanompo kristianina