Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahita Fahasambarana Amin’ny Fanompoana ny Kristianina

Mahita Fahasambarana Amin’ny Fanompoana ny Kristianina

Mahita Fahasambarana Amin’ny Fanompoana ny Kristianina

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

1. Inona no toe-tsaina ratsy manjaka amin’izao andro izao, ary nahoana izy io no manimba?

NANDRITRA ireo folo taona faramparany tamin’ireo taona 1900, dia fandre matetika ny teny hoe “izaho aloha”. Ny tiana holazaina amin’io, raha ny marina, dia toe-tsaina feno fitiavan-tena miharo fitsiriritana tafahoatra, sy tsy fieritreretana ny hafa. Azontsika antoka fa tsy foana velively ny “izaho aloha” amin’izao taona 2000 izao. Impiry impiry akory moa ianao no mandre ny fanontaniana hoe “Misy ho ahy angaha amin’izany?”, na hoe “Hahazo inona amin’izany aho?” Tsy mitondra fahasambarana ny toe-tsaina feno fitiavan-tena toy izany. Mifanohitra tanteraka amin’izao foto-pitsipika nambaran’i Jesosy izao izany: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

2. Ahoana no ahitana fa mitondra fahasambarana ny manome?

2 Marina ve fa mitondra fahasambarana bebe kokoa ny manome noho ny mandray? Eny. Hevero ny amin’i Jehovah Andriamanitra. Ao aminy no misy “loharanon’aina”. (Salamo 36:9). Manome ny zavatra rehetra ilaintsika mba hahatonga antsika ho sambatra sy hahita vokatra izy. Eny tokoa, izy no Loharanon’ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17). Manome tsy an-kijanona i Jehovah, ilay “Andriamanitra sambatra”. (1 Timoty 1:11, NW). Tiany ka omeny be dia be ny olombelona, izay zavaboariny. (Jaona 3:16). Hevero koa ny amin’ny fianakavian’olombelona. Raha ray na reny ianao, dia fantatrao fa mitaky sorona maro sy fanomezan-javatra maro ny fitaizan-janaka. Ary mandritra ny taona maro dia tsy fantatr’ilay zanaka akory ny sorona ataonao. Heveriny ho toy ny mandeha ho azy aza izy rehetra ireny. Na izany aza, dia mahasambatra anao ny mahita ny zanakao miroborobo, vokatry ny nanomezanao tsy misy fitiavan-tena. Nahoana? Satria tianao izy.

3. Nahoana no fahafinaretana ny manompo an’i Jehovah sy ireo mpiray finoana amintsika?

3 Mitovy amin’izany koa ny fanompoam-pivavahana marina, satria toetra mampiavaka azy io koa ny fanomezana miorina amin’ny fitiavana. Koa satria tiantsika i Jehovah ary tiantsika ireo mpiray finoana amintsika, dia fahafinaretana ny manompo azy ireo sy ny mandà tena miasa ho azy ireo. (Matio 22:37-39). Na iza na iza manolotra fanompoam-pivavahana noho ny antony manosika feno fitiavan-tena, dia kely dia kely ny fifaliana hitany. Ireo manompo tsy amim-pitiavan-tena kosa anefa, ka miahy bebe kokoa ny amin’izay azony omena fa tsy izay antenainy ho azo, dia tena mahita fahasambarana tokoa. Miharihary tsara io fahamarinana io rehefa dinihina ny fomba ampiasan’ny Soratra Masina ny teny sasany ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ny fanompoam-pivavahantsika. Handinika ny telo amin’ireny teny ireny isika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ny lahatsoratra manaraka.

Ny fanompoana ataon’i Jesosy ho an’ny besinimaro

4. Toy inona ny “fanompoana atao ho an’ny besinimaro”, ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina?

4 Amin’ny teny grika tany am-boalohany, ny teny lehibe iray mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana dia ny hoe lei·tour·giʹa, izay adika hoe “fanompoana atao ho an’ny besinimaro”, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ny lei·tour·giʹa no nahatonga ilay teny hoe “litorjia” ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina. * Tsy tena fanompoana andraisan’ny besinimaro soa anefa ny litorjia ara-pomba fotsiny, ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina.

5, 6. a) Inona no fanompoana natao ho tombontsoan’ny besinimaro teo amin’ny Isiraely, ary inona avy no soa nentin’izany? b) Inona ilay fanompoana lehibe lavitra atao ho tombontsoan’ny besinimaro, izay nisolo ilay teo amin’ny Isiraely, ary nahoana?

5 Nampiasa teny grika iray mifandray amin’ny lei·tour·giʹa ny apostoly Paoly, rehefa niresaka momba ireo mpisoron’ny Isiraely. Hoy izy: “Ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan-andro manao [fanompoana ho an’ny besinimaro, NW] [endriny iray amin’ny lei·tour·giʹa] sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika”. (Hebreo 10:11). Teo amin’ny Isiraely, dia nanao fanompoana tena sarobidy ho an’ny besinimaro ireo mpisorona levita. Nampianatra ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo, ary nanao fanatitra izay nanarona ny fahotan’ny vahoaka. (2 Tantara 15:3; Malakia 2:7). Rehefa nanaraka ny Lalàn’i Jehovah ny mpisorona sy ny vahoaka, dia nanana antony hifaliana ilay firenena.​—Deoteronomia 16:15.

6 Tena tombontsoa ho an’ireo mpisorona isiraelita ny fanaovana fanompoana ho an’ny besinimaro teo ambanin’ny Lalàna, kanefa nanjary tsy nisy vidiny intsony izany fanompoany izany, rehefa nolavina ny Isiraely, noho izy ireo tsy nahatoky. (Matio 21:43). Nanomana zavatra lehibe lavitra i Jehovah, dia ny fanompoana ataon’i Jesosy ho an’ny besinimaro, amin’ny maha Mpisoronabe lehibe azy. Izao no vakintsika momba azy: ‘Manana fisoronana tsy dimbiasana izy, satria maharitra mandrakizay; koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.’​—Hebreo 7:24, 25.

7. Nahoana no mitondra soa tsy manan-tsahala ny fanompoana ataon’i Jesosy ho an’ny besinimaro?

7 Manohy mandrakizay ny fisoronany i Jesosy, tsy mila mpandimby. Araka izany, dia izy irery ihany no afaka mamonjy tanteraka ny olona. Manao io fanompoana tsy manan-tsahala io ho tombontsoan’ny besinimaro izy, tsy ao amin’ny tempoly iray nataon’olombelona, fa ao amin’ilay tempoly nasehon’ny tandindona, dia ilay fandaharana lehibe nataon’i Jehovah ho an’ny fanompoam-pivavahana, izay nanomboka niasa tamin’ny 29 am.f.i. Manompo ao amin’ny Masina Indrindra amin’io tempoly io any an-danitra, i Jesosy, ankehitriny. Izy no “Mpanao [fanompoana ho an’ny besinimaro, NW] [lei·tour·gos] ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo, fa tsy olona”. (Hebreo 8:2; 9:11, 12). Na ambony aza ny toerana tanan’i Jesosy, dia mbola “mpanao fanompoana ho an’ny besinimaro” ihany izy. Ampiasainy mba hanomezana, fa tsy handraisana, ny fahefana ambony ananany. Ary mitondra fifaliana ho azy ny manome toy izany. Anisan’ny “fifaliana napetraka teo anoloany” izany, no sady nanatanjaka azy mba hiaritra nandritra ny fiainany teto an-tany.​—Hebreo 12:2.

8. Ahoana no nanaovan’i Jesosy fanompoana ho an’ny besinimaro, mba hisolo ny faneken’ny Lalàna?

8 Misy endriny hafa iray ny fanompoana ataon’i Jesosy ho an’ny besinimaro. Izao no nosoratan’i Paoly: “Efa [nahazo fanompoana tsara kokoa atao ho an’ny besinimaro, NW] Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra.” (Hebreo 8:6). Mpanalalana tamin’ilay fanekena niorenan’ny fifandraisan’ny Isiraely tamin’i Jehovah, i Mosesy. (Eksodosy 19:4, 5). I Jesosy kosa dia mpanalalana tamin’ny fanekena vaovao iray, izay nahatonga ny fahaterahan’ny firenena vaovao iray, dia “ny Isiraelin’Andriamanitra”, voaforon’ireo Kristianina voahosotry ny fanahy avy amin’ny firenena maro. (Galatiana 6:16; Hebreo 8:8, 13; Apokalypsy 5:9, 10). Endre ny hatsaran’io fanompoana natao ho tombontsoan’ny besinimaro io! Sambatra isika mahalala an’i Jesosy, ilay mpanao fanompoana ho an’ny besinimaro, ka mahatonga antsika ho afaka hanolotra fanompoam-pivavahana azo ekena, ho an’i Jehovah!​—Jaona 14:6.

Manao fanompoana ho an’ny besinimaro koa ny Kristianina

9, 10. Inona avy no sasantsasany amin’ireo karazana fanompoana ataon’ny Kristianina ho tombontsoan’ny besinimaro?

9 Tsy misy olombelona manao fanompoana ambony toy ny an’i Jesosy, raha ny fanompoana atao ho tombontsoan’ny besinimaro no resahina. Rehefa handray ny valisoany any an-danitra anefa ireo Kristianina voahosotra, dia handray ny toerany eo anilan’i Jesosy, ka hiaraka aminy hanao io fanompoana ho an’ny besinimaro io, amin’ny maha mpanjaka sy mpisorona any an-danitra azy ireo. (Apokalypsy 20:6; 22:1-5). Tena manao fanompoana ho an’ny besinimaro koa anefa ireo Kristianina eto an-tany, ary mahita fifaliana lehibe izy ireo amin’izany. Ohatra, fony nisy tsy fahampian-tsakafo tany Palestina, dia nitondra fanomezana avy tamin’ireo rahalahy tany Eoropa ny apostoly Paoly, mba hanamaivanana ny fahorian’ireo Kristianina jiosy tany Jodia. Fanompoana natao ho tombontsoan’ny besinimaro izany. (Romana 15:27; 2 Korintiana 9:12). Ankehitriny, dia faly manolotra fanompoana mitovy amin’izany ny Kristianina, amin’ny fanomezana fanampiana avy hatrany rehefa idonam-pahoriana, na iharan’ny loza araka ny natiora, na loza hafa, ireo rahalahiny.​—Ohabolana 14:21.

10 Nanisy firesahana ny amin’ny fanompoana hafa iray atao ho tombontsoan’ny besinimaro i Paoly, rehefa nanoratra toy izao: “Na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ny fanatitra sy [ny fanompoana atao ho an’ny besinimaro, izay nitarihan’ny finoana anareo, NW] aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.” (Filipiana 2:17). Fanompoana tamim-pitiavana sy tamim-pahazotoana ho tombontsoan’ny besinimaro, ny asa mafy nataon’i Paoly ho an’ireo Filipiana. Misy fanompoana mitovy amin’izany koa atao ho tombontsoan’ny besinimaro ankehitriny, indrindra fa ny fanompoana ataon’ireo Kristianina voahosotra, dia “ny mpanompo mahatoky sy malina”, izay manome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. (Matio 24:45-47, NW ). Ankoatra izany, dia “fisoronana masina” koa io antokon’olona io, eny, nirahina izy ireo “hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy”, sy mba ‘hilaza ny hatsaran’ilay niantso azy ireo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’. (1 Petera 2:5, 9). Sahala amin’i Paoly, dia sady mifaly noho izany tombontsoa izany izy ireo no ‘mampidina’ ny tenany, eo am-piantsorohana ny andraikiny. Miaraka aminy ireo “ondry hafa” namany, ka manohana azy amin’ilay asa fanambarana amin’ny olona ny momba an’i Jehovah sy ny fikasany. * (Jaona 10:16; Matio 24:14). Endre izany fanompoana lehibe sady mahafaly atao ho tombontsoan’ny besinimaro!​—Salamo 107:21, 22.

Manaova fanompoana masina

11. Ahoana no nanomezan’i Hana mpaminanivavy ohatra tsara dia tsara ho an’ny Kristianina rehetra?

11 Ny teny grika hafa iray mifandray amin’ny fanompoam-pivavahantsika dia ny hoe la·treiʹa, izay nadika hoe “fanompoana masina” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mifandray amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana ny fanompoana masina. Ohatra, i Hana mpitondratena sady mpaminanivavy, izay 84 taona, dia voalaza fa ‘tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly, fa [nanao fanompoana masina, NW] [teny grika iray mifandray amin’ny la·treiʹa] tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’alina’. (Lioka 2:36, 37). Nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah tamin’ny fomba tsy niovaova i Hana. Ohatra tsara dia tsara ho antsika rehetra izy, na tanora isika na antitra, na lahy na vavy. Toy ny nivavahan’i Hana tamim-pahatsorana tamin’i Jehovah, sy ny nanolorany tsy tapaka fanompoam-pivavahana ho azy tao amin’ny tempoly, dia mahafaoka vavaka sy fanatrehana fivoriana koa ny fanompoana masina ataontsika.​—Romana 12:12; Hebreo 10:24, 25.

12. Inona no endriny lehibe iray amin’ny fanompoana masina ataontsika, ary amin’ny ahoana izy io no fanompoana ataontsika ho tombontsoan’ny besinimaro koa?

12 Nanambara endriny lehibe iray amin’ny fanompoana masina ataontsika ny apostoly Paoly rehefa nanoratra toy izao: “Andriamanitra, Izay [anaovako fanompoana masina amin’ny fanahiko, mifandray amin’ny vaovao tsara momba, NW] ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho”. (Romana 1:9). Eny, ny fitoriana ny vaovao tsara dia tsy hoe fanompoana atao ho tombontsoan’ny besinimaro mandre azy io fotsiny, fa fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah Andriamanitra koa. Na mahita olona mihaino tsara isika na tsia, dia fanompoana masina atao ho an’i Jehovah ny asa fitoriana. Azo antoka fa mitondra fifaliana lehibe ho antsika ny fiezahantsika manambara amin’ny hafa momba ireo toetra tsara dia tsaran’ilay Ray malalantsika any an-danitra, mbamin’ireo fikasany mampiseho hatsaram-panahy.​—Salamo 71:23.

Aiza isika no manao fanompoana masina?

13. Inona no fanantenan’ireo manao fanompoana masina ao amin’ny kianja anatin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah, ary iza no miara-mifaly aminy?

13 Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristianina voahosotra i Paoly: “Satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana [masina, NW] sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana”. (Hebreo 12:28). Miandrandra amim-patokiana ny handova ilay Fanjakana ireo voahosotra ka manana finoana tsy azo hozongozonina, eo am-panoloran’izy ireo fanompoam-pivavahana ho an’ny Avo Indrindra. Izy ireo ihany no afaka manao fanompoana masina ho azy ao amin’ny Efitra Masina sy ny kianja anatin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah, ary miandrandra amim-panantenana fatratra izy ireo ny hiara-manompo amin’i Jesosy ao amin’ny Masina Indrindra, dia ny lanitra mihitsy. Miara-mifaly aminy amin’izany fanantenany mahatalanjona izany ireo namany, dia ny ondry hafa.​—Hebreo 6:19, 20; 10:19-22.

14. Amin’ny ahoana ny olona betsaka no mandray soa avy amin’ny fanompoana ataon’i Jesosy ho an’ny besinimaro?

14 Ahoana kosa ny amin’ireo ondry hafa? Araka ny hitan’ny apostoly Jaona mialoha, dia nisy olona betsaka anisan’izy ireo niseho tamin’izao andro farany izao, ary “ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”. (Apokalypsy 7:14). Midika izany fa izy ireo koa, sahala amin’ireo voahosotra mpiara-manompo aminy, dia maneho finoana ny fanompoana ataon’i Jesosy ho an’ny besinimaro, sy ny nanolorany ny ain’olombelona lavorary nananany ho tombontsoan’ny taranak’olombelona. Mandray soa avy amin’ny fanompoana ataon’i Jesosy ho an’ny besinimaro koa ny ondry hafa, noho izy ireo ‘mitana ny faneken’i Jehovah’. (Isaia 56:6). Tsia, tsy tafiditra ao amin’ilay fanekena vaovao izy ireo, kanefa mitana azy io noho ny fankatoavany ireo lalàna mifandray amin’izy io, sy ny fanohanany ireo fandaharana atao amin’ny alalan’izy io. Miaraka amin’ny Isiraelin’Andriamanitra izy ireo, ka miara-misakafo aminy eo amin’ny latabatra ara-panahy iray ihany sy miara-miasa aminy, midera an’Andriamanitra ampahibemaso sy manolotra fanatitra ara-panahy mampifaly Azy.​—Hebreo 13:15.

15. Aiza ny olona betsaka no manao fanompoana masina, ary inona no akon’io fitahiana io eo amin’izy ireo?

15 Araka izany, dia hita ho ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry, miakanjo akanjo fotsy lava’, ny olona betsaka. Ankoatra izany, dia “mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka [manao fanompoana masina ho azy, NW] andro aman-alina eo amin’ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra azy”. (Apokalypsy 7:9, 15). Teo amin’ny Isiraely, dia nanolotra fanompoam-pivavahana teo amin’ny kianja ivelan’ny tempolin’i Solomona ireo proselyta. Mitovy amin’izany koa ny olona betsaka, satria manolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah eo amin’ny kianja ivelan’ny tempoliny ara-panahy izy ireo. Mahafaly azy ireo ny manompo eo amin’io kianja io. (Salamo 122:1). Na dia aorian’ny handraisan’ny farany amin’ireo voahosotra ny lovany any an-danitra aza, dia mbola hanohy hanao fanompoana masina ho an’i Jehovah hatrany izy ireo, amin’ny maha olony azy ireo.​—Apokalypsy 21:3.

Fanompoana masina tsy azo ekena

16. Inona avy no fampitandremana omena mahakasika ny fanompoana masina?

16 Tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny, dia tsy maintsy natao nifanaraka tamin’ireo lalàn’i Jehovah ny fanompoana masina. (Eksodosy 30:9; Levitikosy 10:1, 2). Toy izany koa amin’izao andro izao: Misy zavatra takina tsy maintsy tandremana raha tiantsika heken’i Jehovah ny fanompoana masina ataontsika. Izany no antony nanoratan’i Paoly toy izao ho an’ny Kolosiana: “Izahay (...) dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana [araka ny marina, NW] ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena [sy ny fahazoan-kevitra ara-panahy rehetra, NW], mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana [araka ny marina, NW] an’Andriamanitra”. (Kolosiana 1:9, 10). Tsy anjarantsika ny mamaritra ny fomba tsara hanolorana fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra. Tena zava-dehibe kosa ny fahalalana araka ny marina ny Soratra Masina, sy ny fahazoan-kevitra ara-panahy, ary ny fahendrena araka an’Andriamanitra. Raha tsy izany, dia mety hivaona tanteraka ny zava-drehetra.

17. a) Ahoana no nahasimba ny fanompoana masina tamin’ny andron’i Mosesy? b) Ahoana no mety hampivaona ny fanompoana masina amin’izao andro izao?

17 Tadidio ny Isiraelita tamin’ny andron’i Mosesy. Izao no vakintsika: “Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin’ny lanitra”. (Asan’ny Apostoly 7:42). Ireo Isiraelita ireo dia efa nahita asa maro nampisehoan’i Jehovah ny heriny ho tombontsoan’izy ireo. Na izany aza, dia nitodika tany amin’andriamanitra hafa izy ireo rehefa noheveriny fa handraisany soa izany. Nivadika izy ireo, kanefa fepetra iray takina ny tsy fivadihana raha tiantsika hampifaly an’Andriamanitra ny fanompoana masina ataontsika. (Salamo 18:25). Marina fa vitsy, amin’izao andro izao, ny olona hiala amin’i Jehovah mba hanolotra fanompoam-pivavahana amin’ny kintana na ombilahy kely volamena, kanefa misy endriny hafa ny fanompoan-tsampy. Nampitandrina ny amin’ny fanompoana “Harena” i Jesosy, ary niantso ny fitsiriritana hoe fanompoan-tsampy i Paoly. (Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy; Kolosiana 3:5). Manandra-tena ho andriamanitra i Satana. (2 Korintiana 4:4). Miely patrana ireo karazana fanompoan-tsampy ireo, ary fandrika. Hevero, ohatra, ny amin’ny olona iray mihambo ho manara-dia an’i Jesosy, nefa ny ho tonga mpanan-karena no tena tanjony eo amin’ny fiainana, na koa ny tenany sy ny heviny manokana no tena itokisany. Iza, raha ny marina, no tena tompoiny? Inona no maha hafa azy amin’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Isaia izay nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah, nefa nilaza fa ireo sampy maloto no nanao ireo asa lehibe nataon’i Jehovah?​—Isaia 48:1, 5.

18. Ahoana no nanaovana fanompoana masina tamin’ny fomba diso, tamin’ny lasa sy amin’izao andro izao?

18 Nampitandrina toy izao koa i Jesosy: “Ho avy ny andro, ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa [manao fanompoana masina, NW] ho an’Andriamanitra izy.” (Jaona 16:2). Tsy isalasalana fa i Saoly, izay nanjary ny apostoly Paoly, dia nihevitra fa nanompo an’Andriamanitra izy, rehefa ‘nankasitraka ny namonoana an’i Stefana’, sy rehefa “nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo”. (Asan’ny Apostoly 8:1; 9:1). Ankehitriny, dia mihambo ho manolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra koa ny olona sasany izay manao fanadiovana ara-pirazanana sy fandripahana foko iray. Misy olona maro mihambo ho manolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra. Raha ny marina anefa, ny fanompoam-pivavahan’izy ireo dia miantefa amin’ireo andriamanitry ny fanindrahindram-pirenena, ny fanindrahindram-poko, ny harena, sy ny tenany, na amin’andriamani-kafa iray.

19. a) Ahoana no fiheverantsika ny fanompoana masina ataontsika? b) Karazana fanompoana masina manao ahoana no hitondra fifaliana ho antsika?

19 Hoy i Jesosy: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no [tsy maintsy anaovanao fanompoana masina, NW]”. (Matio 4:10). I Satana no niresahany tamin’io fotoana io, kanefa tena zava-dehibe ny hanarahantsika rehetra ireo tenin’i Jesosy ireo! Tombontsoa ambony sady mahatahotra ny hoe manao fanompoana masina ho an’ilay Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Ary inona no azo lazaina momba ny fanaovana fanompoana ho tombontsoan’ny besinimaro, mifamatotra amin’ny fanompoam-pivavahantsika? Asa mahafaly izay mitondra fahasambarana lehibe, ny fanaovana izany ho tombontsoan’ny mpiara-belona amintsika. (Salamo 41:1, 2; 59:16). Na izany aza, dia tsy mitondra ny tena fahasambarana izany fanompoana izany raha tsy atao amin’ny fo rehetra sy amin’ny fomba mety. Iza marina no manolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra amin’ny fomba mety? Fanompoana masina ataon’iza no eken’i Jehovah? Afaka hamaly ireo fanontaniana ireo isika raha mandinika ilay teny fahatelo ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ny fanompoam-pivavahantsika. Izany no hataontsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Amin’ny ankapobeny, ireo litorjian’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, dia na fotoam-pivavahana, na fombafomba voafaritra tsara, toy ny Eokaristia ao amin’ny Eglizy Katolika.

^ feh. 10 Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:2 (NW), dia voalaza fa “nanompo an’i Jehovah teo anatrehan’ny besinimaro(fandikana teny grika iray mifandray amin’ny lei·tour·giʹa) ireo mpaminany sy mpampianatra tany Antiokia. Azo inoana fa tafiditra tamin’io fanompoana ho tombontsoan’ny besinimaro io ny fitoriana tamin’ny besinimaro.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no fanompoana lehibe nataon’i Jesosy ho an’ny besinimaro?

• Inona no fanompoana ataon’ny Kristianina ho an’ny besinimaro?

• Inona no atao hoe fanompoana masina kristianina, ary aiza no anaovana azy io?

• Tsy maintsy mahazo inona isika raha tiantsika hampifaly an’Andriamanitra ny fanompoana masina ataontsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Ahitan’ny ray aman-dreny fifaliana lehibe ny manome

[Sary, pejy 12, 13]

Manao fanompoana ho an’ny besinimaro ny Kristianina, rehefa manampy ny hafa sy rehefa manambara ny vaovao tsara

[Sary, pejy 14]

Ilaintsika ny fahalalana araka ny marina sy ny fahazoana hevi-javatra, mba ho azo antoka fa eken’Andriamanitra ny fanompoana masina ataontsika