Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy ve ny Vavaka?

Manampy ve ny Vavaka?

Manampy ve ny Vavaka?

MISY fotoana ahatsapana fa ilaina ny mivavaka, ary saika ny rehetra no mahatsapa toy izany. Raha ny marina, dia saika ny olona avy amin’ny finoana rehetra no mivavaka amin-kafanam-po. Ny Bodista iray, ohatra, dia mety hamerimberina inarivony maro ao anatin’ny iray andro ilay vavaka hoe: “Mino an’i Bouddha Amida aho.”

Rehefa jerena anefa ireo zava-manahirana tsy mety afaka maneran-tany, dia ara-dalàna ny anontaniana hoe: Inona no antenain’ny olona ho azo amin’ny alalan’ny vavaka ataony? Manampy ve ireny vavaka rehetra ireny?

Nahoana ny olona no mivavaka?

Tatsinanana maro no mivavaka amin’ireo razambeny sy amin’ireo andriamanitra shintoista na Tao. Manao izany izy ireo satria manantena ny ho afa-panadinana, na hijinja vokatra tsara, na hisoroka aretina. Manantena hahazo fahazavana ara-panahy avy amin’ny ezaky ny tenany manokana, ny Bodista. Mivavaka amin-kafanam-po amin’ireo andriamaniny sy andriamanibaviny tiany indrindra ny Hindoa, mba hahazoana fahalalana sy harena ary fiarovana.

Manantena hanasoa ny olombelona ny Katolika sasany amin’ny fanokanana ny fiainany ho moanina na masera any amin’ny mônasitera na couvent tsy azo idirana, mba hivavaka tsy tapaka. Katolika an-tapitrisany maro no mitady sitraka amin’i Maria amin’ny fanaovana vavaka tsianjery, angamba miaraka amin’ny sapile. Olona maro no mampiasa milina fanaovana vavaka any amin’ireo tany tatsinanana. Protestanta maro no mamerimberina ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, na dia mety hanao vavaka tora-po koa aza izy ireo. Jiosy maro no manao dia lavitra be mba hivavaka eo amin’ilay Manda Andrefan’i Jerosalema, amin’ny fanantenana fa haorina indray ny tempoly ary hisy vanim-potoana vaovao iray hanjakan’ny firoboroboana ara-toe-karena sy ny fandriampahalemana.

Na dia an-tapitrisany maro aza no miezaka mivavaka mafy, dia vao mainka ianjadian’ny zava-manahirana toy ny fahantrana, ny fanandevozan’ny zava-mahadomelina, ny fianakaviana rava sy ny heloka bevava ary ny ady, ny fitambaran’olona. Mety ho tsy araka ny tokony ho izy ve ny fomba fivavak’ireny olona rehetra ireny? Raha izany no izy, mba tena misy mihaino vavaka ve?

Misy mihaino vavaka ve?

Tsy afaka ny tena hanampy ny vavaka raha tsy misy mihaino. Rehefa mivavaka ny olona iray, dia mazava loatra fa mino izy fa misy mihaino azy any amin’ny faritra ara-panahy tsy hita maso any. Tsy ampitaina amin’ny alalan’ny onjam-peo fotsiny anefa ny vavaka. Olona maro no mino fa misy afaka mamantatra na dia ny eritreritr’ilay mivavaka aza. Mety ho iza izany?

Mbola zava-miafina lehibe ho an’ny mpikaroka ny hoe ahoana marina ny fomba ipoiran’ny eritreritra ao amin’ny nerônina an’arivo tapitrisany maro izay mahaforona ny fonon’ny atidohantsika. Ara-dalàna anefa, raha afaka mamantatra izany eritreritra izany Ilay namorona ny atidoha. Tsy iza akory izany fa ny Mpamorona antsika, dia i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 83:18; Apokalypsy 4:11). Tokony havantana aminy ny vavaka. Mihaino ny vavaka rehetra toy izany anefa ve i Jehovah?

Henoina ve ny vavaka rehetra?

Lehilahy tia vavaka i Davida Mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny. Mpanao salamo nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra izy raha nihira toy izao: “Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.” (Salamo 65:2). Na atao amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona amin’ireo fiteny an’arivony maro ampiasain’ny olombelona ny vavaka, dia afaka mahazo ny tiana hambara i Jehovah. Marina fa tsy misy sain’olombelona mahavita zavatra toy izany, kanefa tsy midika akory izany fa tsy afaka mihaino an’izay rehetra mivavaka aminy, amin’ny fomba azony ekena, Andriamanitra.

Nampahafantatra anefa i Jesosy Kristy, izay olona tia vavaka koa, fa tsy mahafaly an’Andriamanitra ny vavaka rehetra. Mariho izay nolazain’i Jesosy mahakasika ny famerenana vavaka nianarana tsianjery, izay fomba fivavaka be mpanaraka tamin’izany fotoana izany. Araka ny Jerusalem Bible, fandikan-teny katolika, dia nilaza toy izao izy: “Amin’ny vavaka ataonareo, dia aza miteniteny foana toy ny ataon’ny mpanompo sampy, satria mihevitra izy ireo fa amin’ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.” (Matio 6:7). Tsy afaka manantena ny hihainoan’i Jehovah ny vavaka izay tsy tena maneho ny fihetseham-pontsika isika.

Mba hampisehoana hoe nahoana ny vavaka sasany no tsy mampifaly an’Andriamanitra, dia hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Izay manentsin-tadìny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” (Ohabolana 28:9). Hoy ny ohabolana iray hafa: “Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; fa ny fivavaky ny marina no henoiny.” (Ohabolana 15:29). Fony nivesatra heloka lehibe ireo mpitarika teo amin’ny Joda fahiny, dia hoy ny nambaran’i Jehovah: “Raha mananty tànana hianareo, dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho; feno ran’olona ny tànanareo.”​—Isaia 1:1, 15.

Niresaka ny amin’ny zavatra hafa izay mety hahatonga ny vavaka tsy ho azon’Andriamanitra ekena, ny apostoly Petera. Hoy ny nosoratany: “Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra [amin’ny vadinareo] araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana,​—mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” (1 Petera 3:7). Mety tsy hihoatra ny valindrihana ny vavaka ataon’ny lehilahy iray izay tsy miraharaha izany torohevitra izany!

Mazava àry fa misy fepetra tsy maintsy fenoina mba ho voahaino ny vavaka. Maro amin’ireo mivavaka anefa no tsy miraharaha firy ny hanao izay takin’Andriamanitra amintsika. Noho izany, dia tsy nahatonga tontolo iray tsara kokoa ny vavaka atao amin-kafanam-po tokoa.

Inona àry izany no takin’Andriamanitra mba ho voahaino ireo vavaka ataontsika? Misy ifandraisana amin’ny tena antony ivavahantsika, ny valiny. Raha ny marina, raha tiantsika ho fantatra ny hoe manampy ve ny vavaka, dia tsy maintsy takatsika ny zava-kendren’izy ireny. Nahoana no nataon’i Jehovah izay hahafahantsika hiresaka aminy?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

G.P.O., Jerosalema