Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ianao no Tokony Hivavaka?

Nahoana Ianao no Tokony Hivavaka?

Nahoana Ianao no Tokony Hivavaka?

“MANGATAKA hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka (...). Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:3, 8). Ireo tenin’i Jakoba mpianatr’i Jesosy ireo dia tena azo inoana fa hanosika antsika handinika ireo antony tokony hivavahantsika.

Tsy fomba iray fotsiny ilazana amin’Andriamanitra izay ilaintsika akory ny vavaka. Tao amin’ilay Toriteniny nalaza teo An-tendrombohitra, dia hoy i Jesosy: “Fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo.” Nilaza koa anefa i Jesosy hoe: “Mangataha, dia homena hianareo”. (Matio 6:8; 7:7). Araka izany, dia tena irin’i Jehovah ny hilazantsika aminy izay heverintsika fa ilaintsika. Betsaka lavitra noho izany anefa ny tafiditra amin’ny vavaka.

Tsy rehefa mila zavatra ihany vao mifampiresaka ny tena mpinamana. Mifampihevitra izy ireo, ary mihamafy ny fisakaizany rehefa maneho ny fihetseham-pony izy ireo. Toy izany koa fa manan-java-kendrena lehibe kokoa noho ny fangatahana ireo zavatra ilaina fotsiny, ny vavaka. Manome fahafahana hanatanjaka ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izy io, amin’ny fanehoana ny fifikirantsika amim-pahatsorana aminy.

Eny, nomen’Andriamanitra antsika ny tombontsoa hivavaka mba hahafahantsika hanatona azy. Tsy mety hitranga anefa izany raha tsy maneho ny fihetseham-pontsika amin’Andriamanitra isika, fa mamerina vavaka nianarana tsianjery fotsiny. Mahafinaritra erỳ izany miresaka amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka izany! Fanampin’izany, dia hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny fivavaky ny marina no sitrany.”​—Ohabolana 15:8.

“Izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy”, hoy ny hiran’i Asafa, mpanao salamo. (Salamo 73:28). Tsy maintsy manao mihoatra noho ny mivavaka anefa isika mba ho akaiky an’Andriamanitra. Mariho ny ampisehoan’ity fitantarana ity an’izany:

‘Hoy ny anankiray tamin’ny mpianatr’i Jesosy taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka’. Hoy ny navalin’i Jesosy: “Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.” (Lioka 11:1, 2). Afaka ny hanao vavaka misy heviny toy izany ve isika, raha tsy mianatra aloha hoe iza no anaran’Andriamanitra ary ahoana no hanamasinana azy io? Ary afaka mivavaka mifanaraka amin’ireo tenin’i Jesosy ireo ve isika raha tsy takatsika ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra? Afaka ny hahazo ny hevitr’ireo foto-kevitra ireo isika raha mandinika amim-pitandremana ny Baiboly. Hanampy antsika hahafantatra an’Andriamanitra sy hahatakatra ny lalany, ny fahalalana azontsika avy amin’izany. Fanampin’izany, dia hahatonga antsika hahatsapa tena ho akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra sy hampiseho fifikirana aminy be kokoa, ny fahalalantsika azy. Izany indray kosa dia hanampy antsika tsy hiahotra firy rehefa hiresaka aminy ao amin’ny vavaka.

Afaka mandamina zava-manahirana ny vavaka

Hanampy antsika handamina zava-manahirana ny fambolena fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Mariho ny fomba nitrangan’izany tamin’ny tsirairay tamin’ireto tarehin-javatra manaraka ireto. Ireto dia ohatra mampiseho fa afaka nanatanjaka ny fifandraisany tamin’i Jehovah ireo izay nivavaka taminy.

Nivavaka tamin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana ny vehivavy iray antsoina hoe Maria, any Brezila. Anisan’ny antony naniriany hikomy tamin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena eken’ny besinimaro, ny fihatsarambelatsihy hitany teo anivon’ny fiaraha-monina. Nandao ny vady aman-janany sy ny tokantranony mihitsy aza i Maria. Nanomboka nampiasa zava-mahadomelina koa izy. Rehefa tsy nahita fahasambarana anefa izy, dia namboraka tamin’Andriamanitra ny tao am-pony ary nivavaka mba hahazoana fanampiana.

Tsy ela dia nitsidika an’i Maria ny Vavolombelon’i Jehovah anankiroa, ary nametraka taminy nomerao iray tamin’Ny Tilikambo Fiambenana, izay mirakitra fanazavana mahakasika ny hasarobidin’ny fanekena ny tari-dalan’Andriamanitra. Nanohina ny fony izy io, ary ny androtr’iny ihany, dia nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ireo Vavolombelona izy. Nitarika tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fiainam-pianakaviany izany tamin’ny farany. Rehefa nianatra momba an’i Jehovah izy, dia naniry haneho ny fitiavany azy. “Nanao fiovana aho ka tonga olona tsara kokoa”, hoy i Maria. “Nanohitra ny fianarako Baiboly ny vadiko sy ny fianakaviako tamin’ny voalohany. Rehefa nahita ireo fiovana nataoko anefa izy ireo, dia nanomboka nampirisika ahy.” Nanolo-tena ho an’ilay Mpihaino vavaka i Maria tatỳ aoriana, mba hanompo azy.

Na dia nanana vady tsara tarehy sy fandraharahana niroborobo tany Bolivia aza i José, dia tsy sambatra. Nilaozan’ny vadiny izy satria nanitsakitsaka azy. Nisotro tafahoatra izy sady nahatsapa tena ho tsy nisy nilana azy. Hoy i José: “Nanomboka nivavaka tamin’ny foko manontolo aho, nanontany izay tokony hataoko mba hampifaliana an’Andriamanitra. Tsy ela dia nitsidika ny toeram-piasako ny Vavolombelon’i Jehovah, nanolotra fampianarana Baiboly maimaim-poana, nefa tsy noraisiko izy ireo. Intelo izany no nitranga. Isaky ny nivavaka mba hahazoana fanampiana aho, dia tonga izy ireo. Tamin’ny farany, dia nanapa-kevitra aho fa hihaino amin’ny manaraka. Nahavaky ny Baiboly iray manontolo aho ary nanana fanontaniana maro be, nefa dia nanana valin-teny nahafa-po ahy foana izy ireo. Nanome ahy zava-kendrena vaovao teo amin’ny fiainako ny fianarana momba an’i Jehovah, ary nampahery aoka izany ny ohatr’ireo namako teo amin’ireo Vavolombelona! Nilaozako ilay ankizivavy niarahako sy ireo mpiara-nisotro tamiko. Tsy ela aho dia niverina tamin’ny vady aman-janako. Natao batisa aho teo am-piandohan’ny taona 1999.”

Tany Italia, dia nikorontana ny fanambadian’i Tamara, koa nivavaka izy mba hahazoana fahendrena. Noho izy novonoina sy noroahin’ny fianakaviany teo amin’ny faha-14 taonany, dia nanjary nanana fihetsika tia ady izy. Hoy i Tamara: “Nahita Baiboly aho ka nanomboka namaky azy io. Namaky aho indray takariva, fa ‘toy ny mahita harena afenina ny mahita fahendrena’. Nivavaka aho mba hahazoana izany fahendrena izany. (Ohabolana 2:1-6). Nitsidika ahy ny Vavolombelon’i Jehovah ny ampitson’iny. Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’izy ireo aho, nefa nitaky fotoana elaela tamiko ny fampiharana izay nianarako. Tamin’ny farany, dia nanapa-kevitra ny hanaraka ny fomba fiaina kristianina aho ary natao batisa. Manampy ny hafa handray soa avy amin’ny fahendren’Andriamanitra aho ankehitriny, miaraka amin’ny vadiko.”

Anisan’ny olona ambony tao Caracas, any Venezoela, i Beatriz. Nisara-panambadiana anefa izy ka ory. Namoy fo izy, ka indray mandeha, dia nivavaka nandritra ny ora maro. Naneno ny lakolosim-baravarana ny ampitso maraina. Sorena izy ka nitsirika tamin’ilay lavaka kely teo amin’ny varavarana, ary nahita olona anankiroa nitondra kitapo. Mody nanao toy ny hoe tsy tao an-trano izy, nefa nanisika taratasy fanasana tao ambany varavarana ilay mpivady talohan’ny niaingany. Hoy ilay taratasy hoe: “Fantaro ny Baibolinao”. Nety nisy nifandraisany tamin’ny vavaka nataony ny alin’iny ve ny fitsidihan’izy ireo? Nantsoiny hiverina izy ireo. Tsy ela dia nianatra ny Baiboly izy ary natao batisa tatỳ aoriana. Sambatra i Beatriz rehefa ela ny ela, ary mampianatra ny hafa ny fomba hahitana fahasambarana izy ankehitriny.

Nivavaka momba ny ady nataony tamin’ny fahantrana i Carmen. Folo ny zanany ary mpimamo i Rafael vadiny. “Nanandrana nikarama nanasa lamba aho”, hoy i Carmen. Vao mainka anefa nisotro i Rafael. “Tsy nanomboka niova ny vadiko raha tsy rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Nianatra ny amin’ny fampanantenan’ilay Fanjakana izahay, dia ny hoe hanaisotra tsy ho ela ny fahantrana sy ny fampahoriana eto amin’izao tontolo izao, i Jehovah. Voavaly ihany ny vavaka nataoko tamin’Andriamanitra tamin’ny farany!” Nanampy an’i Rafael hijanona tsy hisotro ny fianarana momba an’ireo lalan’i Jehovah, ary nitafy ny “toetra vaovao” izy. (Efesiana 4:24). Afaka nanatsara ny fari-piainany izy mianakavy. Hoy i Rafael: “Angamba tsy manankarena izahay sady tsy manana ny tranonay manokana, nefa manana ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana izahay sady sambatra.”

Rehefa hovaliana ny vavaka rehetra

Nanampy ve ny vavaka nataon’ireny olona ireny? Izany dia izany tokoa! Ary voamarikao ve fa tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia voavaly ny vavak’izy ireo rehefa nisy olona avy tao amin’ny kongregasiona kristianina, nanampy azy ireo hanatona an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fianarana ny Baiboly?​—Asan’ny Apostoly 9:11.

Manana antony tsara tokony hivavahana àry isika. Tsy ho ela intsony izao, dia ho voavaly ilay vavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany. (Matio 6:10). Aorian’ny hanadiovan’Andriamanitra ny gilaobintsika tsy hisy an’ireo izay manohitra azy, dia ho ‘henika ny fahalalana an’i Jehovah ny tany’. (Isaia 11:9). Avy eo, dia hanana ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”, ireo rehetra tia an’i Jehovah​—ary azo antoka fa ho voavaly ny vavak’izy ireo.​—Romana 8:18-21, NW.

[Sary, pejy 7]

Fantatrao ve hoe nahoana isika no tokony hivavaka?