Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah

Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah

Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah

“Mampahatanjaka ny reraka [i Jehovah], ary izay kely hery dia omeny hery be.”​—ISAIA 40:29.

1. Hazavao amin’ny ohatra ny hery misy ao amin’ireo zavatra noforonin’Andriamanitra.

TSY manam-petra ny herin’i Jehovah. Ary endre ny haben’ny hery mitoetra ao amin’ireo zavatra noforoniny! Kely dia kely tokoa ilay ataoma bitika, izay singa fototra iforonan’ny zava-drehetra, hany ka ny rano indray mitete monja dia manana ataoma zato tapitrisa tapitrisa tapitrisa. * Ny zavamiaina rehetra eto amin’ny gilaobintsika dia miankina avokoa amin’ilay angôvo avoakan’ireo ataoma niharam-piovana eny amin’ny masoandro. Fa toy inona moa ny habetsahan’ilay angôvon’ny masoandro ilaina mba hitanana ny aina eto an-tany? Tokotokony ho ny ampaharivo tapitrisany vitsivitsy monja amin’ny angôvo avoakan’ny masoandro no azon’ny tany. Na izany aza, “dia avo 100 000 heny eo ho eo noho ny angôvo rehetra ampiasain’ireo indostria maneran-tany ilay ampahany bitika dia bitika amin’ny angôvon’ny Masoandro izay mipaka amin’ny Tany”, hoy ilay mpahay matematika atao hoe Sir Fred Hoyle, ao amin’ny bokiny hoe Astronomy.

2. Inona no votoatin’izay lazain’ny Isaia 40:26 momba ny herin’i Jehovah?

2 Na mieritreritra ny amin’ny ataoma isika, na mampitodika ny saintsika ho amin’izao rehetra izao midadasika, dia talanjona isika noho ny hery mahatahotra ananan’i Jehovah. Tsy mahagaga raha afaka nilaza toy izao izy: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” (Isaia 40:26). Eny, manana ‘hery tsy toha’ i Jehovah, ary izy no Loharanon’ilay “fahatanjahana” nampiasaina mba hampisy izao rehetra izao manontolo.

Ilaina ny hery mihoatra noho ny mahazatra

3, 4. a) Inona avy ireo anton-javatra sasany mety hahatonga antsika ho sasatra? b) Fanontaniana inona no mitaky fandinihana?

3 Raha tsy misy fetra ny herin’Andriamanitra, ny olombelona kosa mety reraka. Na aiza na aiza alehantsika, dia mahita olona reraka isika. Vao mifoha izy ireo dia reraka, reraka rehefa mankany am-piasana na mankany an-tsekoly, reraka rehefa mody ao an-trano, ary tsy vitan’ny hoe reraka fotsiny rehefa mankao am-pandriana, fa lanaka tanteraka. Mba maniry handeha any an-toeran-kafa ny sasany, ka hahazo ilay fialan-tsasatra kely ilainy mafy. Mety reraka koa isika mpanompon’i Jehovah, satria mitaky ezaka mafy ny fiainantsika misy fifikirana amin’Andriamanitra. (Marka 6:30, 31; Lioka 13:24; 1 Timoty 4:8, NW). Misy anton-javatra maro hafa koa mahatonga ny herintsika ho ritra.

4 Tsy vita fanefitra amin’ireo olana hitan’ny olona amin’ny ankapobeny isika, na dia kristianina aza. (Joba 14:1). Mety hahatonga fahakiviana miaraka amin’ny fahosana aterany, ny aretina sy ny fahavoazana ara-bola ary ny fahasahiranana hafa fahita eo amin’ny fiainana. Manampy trotraka ireo zava-tsarotra ireo ny fisedrana manokana mpahazo ireo izay enjehina noho ny fahamarinana. (2 Timoty 3:12; 1 Petera 3:14). Noho ny fanerena isan’andro avy amin’izao tontolo izao sy ny fanoherana ny asa fitoriana ilay Fanjakana ataontsika, dia mety ho reraka mafy ny sasany amintsika ka ta hampiadam-pandeha eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ankoatra izany, dia mampiasa izay fitaovana rehetra ananany i Satana Devoly mba hiezahana handrava ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra. Ahoana àry no ahafahantsika mahazo ilay tanjaka ara-panahy ilaina mba tsy hahatonga antsika ho sasatra ka hiala?

5. Nahoana no hery mihoatra noho ny herin’olombelona no ilaina mba hanatontosana ny fanompoana kristianina?

5 Tsy maintsy miantehitra amin’i Jehovah, ilay Mpamorona manana ny hery rehetra isika, mba hahazoana tanjaka ara-panahy. Nasongadin’ny apostoly Paoly fa hitaky hery mihoatra noho ny hery mahazatra ananan’ny olombelona tsy lavorary ny fanompoana kristianina. Nanoratra toy izao izy: “Manana izao harena sarobidy izao ao anaty vilany tany anefa izahay, mba ho ny an’Andriamanitra ny hery mihoatra noho ny mahazatra fa tsy ilay avy amin’ny tenanay.” (2 Korintiana 4:7, NW). Manatontosa “ny fanompoana fampihavanana” ireo Kristianina voahosotra, tohanan’ireo namany izay manana fanantenana ny ho eto an-tany. (2 Korintiana 5:18; Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9). Koa satria manao ny asan’Andriamanitra sady miatrika fanenjehana isika olombelona tsy lavorary, dia tsy hahavita izany amin’ny herin’ny tenantsika fotsiny isika. Manampy antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina i Jehovah, ka amin’izay ny fahalementsika dia mampiharihary kokoa ny heriny. Ary tena mampionona antsika mihitsy ny fatokisana fa ‘manohana ny marina i Jehovah’!​—Salamo 37:17.

‘Jehovah no tanjatsika’

6. Ahoana no anomezan’ny Soratra Masina toky antsika fa i Jehovah no Loharanon’ny tanjatsika?

6 Manana ‘hery tsy toha’ ilay Raintsika any an-danitra ka afaka manatanjaka antsika mora foana. Raha ny marina, dia izao no lazaina amintsika: “Mampahatanjaka ny reraka [i Jehovah], ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:29-31) Noho ny fanerena mihamitombo, indraindray isika dia mety hahatsiaro tena ho toy ny mpihazakazaka trotraka iray izay toa tsy zakan’ny tongony hoentina lavidavitra intsony. Efa eo aloha eo anefa ny tsipika fahatongavana amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, ka tsy tokony hitsoaka an-daharana isika. (2 Tantara 29:11). Mandehandeha “tahaka ny liona mierona” ny Devoly, Fahavalontsika, ary maniry hampijanona antsika izy. (1 Petera 5:8). Aoka hotadidintsika fa ‘Jehovah no herintsika sy ampingantsika’, ary nanao fandaharana tondraka izy ‘mba hanatanjahana ny reraka’.​—Salamo 28:7.

7, 8. Inona no porofo mampiseho fa nanatanjaka an’i Davida sy i Habakoka ary i Paoly i Jehovah?

7 Nomen’i Jehovah an’i Davida ny tanjaka nilaina mba hitozoana eo anatrehan’ny sakana goavana. Tamim-pinoana sy fatokisana tanteraka àry no nanoratan’i Davida hoe: “Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.” (Salamo 60:12). Nomen’i Jehovah hery koa i Habakoka mba hahafahany hamita ilay asa nanendrena azy ho mpaminany. Hoy ny Habakoka 3:19: “Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako.” Tsara homarihina koa ny ohatr’i Paoly izay nanoratra hoe: “Amin’ny zavatra rehetra aho dia manana ny tanjaka, noho [Andriamanitra] izay manome hery ahy.”​—Filipiana 4:13, NW.

8 Sahala amin’i Davida sy i Habakoka ary i Paoly, dia tokony haneho finoana ny fahaizan’Andriamanitra manatanjaka antsika isika, ary haneho finoana ny fananany hery hamonjena antsika. Koa satria takatsika fa i Jehovah Tompo Manam-piandrianana no Loharanon’ny ‘tanjaka’ ananantsika, dia andeha isika izao handinika fomba sasany hanovozana tanjaka ara-panahy avy amin’ireo fandaharana tondraka nataon’Andriamanitra.

Fandaharana ara-panahy mba hanatanjahana antsika

9. Inona no anjara asan’ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina eo amin’ny fanomezana sakafo antsika?

9 Afaka manatanjaka sy manohana antsika ny fianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina, ampian’ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina. Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Sambatra ny olona izay (...) ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:1-3). Tsy maintsy misakafo isika mba hananana hatrany tanjaka ara-batana, dia toy izany koa no ilantsika hihinana ny sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina, mba hananantsika hatrany tanjaka ara-panahy. Noho izany, dia tena ilaina ny fianarana sy ny fisaintsainana tsara fa tsy atao alasafay.

10. Amin’ny fotoana toy inona isika no afaka mahita fotoana hianarana sy hisaintsainana?

10 Mitondra valisoa tokoa ny fisaintsainana ireo “zava-dalin’Andriamanitra”. (1 Korintiana 2:10, NW). Amin’ny fotoana toy inona anefa isika no mety hahita fotoana isaintsainana? “Nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha”, i Isaka, zanak’i Abrahama, “rehefa nitehin-ko hariva ny andro”. (Genesisy 24:63-67). ‘Nieritreritra an’Andriamanitra tamin’ny fiambenan’alina’ i Davida mpanao salamo. (Salamo 63:6). Afaka mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy misaintsaina ny amin’izany isika amin’ny maraina, amin’ny takariva, amin’ny alina​—amin’ny fotoana rehetra, raha ny marina. Izany fianarana sy fisaintsainana izany dia mitarika ho amin’ny fandaharana mampahatanjaka ara-panahy hafa iray nataon’i Jehovah, dia ny vavaka.

11. Nahoana isika no tokony hihevitra ho zava-dehibe ny fivavahana tsy tapaka?

11 Manampy mba hanatanjaka antsika ny vavaka atao tsy tapaka amin’Andriamanitra. Koa enga anie isika ‘haharitra amin’ny fivavahana’. (Romana 12:12). Indraindray isika dia mila manao hataka voafaritra tsara mba hahazoana ny fahendrena sy ny tanjaka ilaina mba hiatrehana fisedrana. (Jakoba 1:5-8). Aoka koa isika hisaotra sy hidera an’Andriamanitra rehefa mandinika ny fiasan’ny fikasany, na rehefa mahita fa nanatanjaka antsika izy mba hitozo eo amin’ny fanompoana azy. (Filipiana 4:6, 7). Raha mitoetra ho akaiky an’i Jehovah amin’ny vavaka isika, dia tsy handao antsika mihitsy izy. “Indro”, hoy ny hiran’i Davida, “Andriamanitra no Mpamonjy ahy”.​—Salamo 54:4.

12. Nahoana isika no tokony hangataka amin’Andriamanitra ny fanahiny masina?

12 Manatanjaka antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina, na heriny miasa, ilay Raintsika any an-danitra. Nanoratra toy izao i Paoly: “Noho izany no andohalehako amin’ny Ray (...) mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo”. (Efesiana 3:14-16). Tokony hangataka ny fanahy masina amin’ny vavaka isika, ka matoky fa hanome izany fitahiana izany antsika, i Jehovah. Nanjohy hevitra toy izao i Jesosy: Raha mangataka trondro ny zaza iray, moa ve hanome azy bibilava ny ray be fitiavana iray? Tsia, mazava ho azy. Noho izany, dia namarana ny teniny toy izao izy: “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:11-13). Aoka isika hatoky toy izany rehefa mivavaka, ary hitadidy mandrakariva fa azo ‘hatanjahina fatratra’ amin’ny hery ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky, amin’ny alalan’ny fanahiny.

Fanampiana mampahatanjaka ny kongregasiona

13. Ahoana no tokony hiheverantsika ireo fivoriana kristianina?

13 Manatanjaka antsika i Jehovah, amin’ny alalan’ireo fivorian’ny kongregasiona kristianina. Hoy i Jesosy: “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.” (Matio 18:20). Fony i Jesosy nanome io fampanantenana io, dia teo am-piresahana zavatra nilaina noheverin’ireo nitarika tao amin’ny kongregasiona izy. (Matio 18:15-19). Na izany aza, amin’ny ankapobeny ireo teniny ireo dia mihatra amin’ireo fivoriantsika sy fivoriambentsika rehetra, izay sokafana sy faranana amin’ny vavaka atao amin’ny anarany. (Jaona 14:14). Koa tombontsoa àry ny manatrika fivoriana kristianina toy izany, na vitsy ny manatrika eo, na an’arivony maro. Aoka àry isika haneho fankasitrahana an’ireny fotoana ireny izay natao hanatanjahana antsika eo amin’ny ara-panahy sy handrisihana antsika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.​—Hebreo 10:24, 25.

14. Soa inona no azontsika avy amin’ny ezaka ataon’ireo loholona kristianina?

14 Manome fanampiana ara-panahy sy fampaherezana ireo loholona kristianina. (1 Petera 5:2, 3). Nanampy sy nampahery ireo kongregasiona izay notsidihiny i Paoly, toy ny ataon’ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao. Raha ny marina, dia naniry mafy ny hiaraka tamin’ireo mpiray finoana taminy izy mba hisian’ny fifampaherezana mampandroso. (Asan’ny Apostoly 14:19-22; Romana 1:11, 12). Enga anie isika haneho fankasitrahana foana an’ireo loholontsika eo an-toerana sy ireo mpiandraikitra kristianina hafa, izay mandray anjara lehibe amin’ny fanatanjahana antsika eo amin’ny ara-panahy.

15. Amin’ny ahoana ireo mpiray finoana ao amin’ny kongregasiona misy antsika no hita fa ‘fanampiana manatanjaka’?

15 Afaka ny ho tonga ‘fanampiana manatanjaka’, ireo mpiray finoana izay mahaforona ny kongregasiona misy antsika. (Kolosiana 4:10, 11, NW). Afaka manampy antsika amin’ny fotoam-pahoriana izy ireo, toy ny “tena sakaiza”. (Ohabolana 17:17). Ohatra, tamin’ny 1945, rehefa navoaka avy tao amin’ny toby fitanana tao Sachsenhausen ireo mpanompon’Andriamanitra 220 teo ambanin’ny andry mason’ny Nazia, dia niatrika dia sarotra 200 kilaometatra izy ireo. Nanao andiany izy ireo rehefa nandeha, ka ireo natanjaka kokoa nitarika ireo reraka indrindra, tao anatin’ny sarety kely vitsivitsy. Inona no vokatr’izany? Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na dia iray aza, tao amin’ilay Dia Ben’ny Fahafatesana izay namoizana ain’olona maherin’ny 10 000 tamin’ireo voafonja tany amin’ny toby fitanana. Ny fitantarana toy izany dia hita ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, anisan’izany ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu. * Manaporofo ny fitantarana toy izany fa mampahatanjaka ny vahoakany Andriamanitra, mba tsy hahatonga azy ireo hilavo lefona.​—Galatiana 6:9.

Hatanjahin’ny fanompoantsika eny amin’ny saha

16. Amin’ny ahoana ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana no manatanjaka antsika ara-panahy?

16 Manatanjaka antsika ara-panahy ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Ny asa toy izany dia manampy antsika hifantoka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hihazona ho eo anoloantsika ny mandrakizay sy ireo zavatra mahasambatra antenaina hoentiny. (Joda 20, 21). Ireo fampanantenana ao amin’ny Soratra Masina izay resahintsika eny amin’ny fanompoana ataontsika dia manome antsika fanantenana sady afaka mahatonga antsika ho tapa-kevitra toa an’i Mika mpaminany, izay nilaza hoe: “Isika (...) handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.”​—Mika 4:5.

17. Inona avy ireo soso-kevitra atolotra momba ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano?

17 Mihamatanjaka ny fifandraisantsika manokana amin’i Jehovah, arakaraka ny ampiasantsika bebe kokoa ny Soratra Masina rehefa mampianatra ny hafa. Ohatra, rehefa mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano isika, ka mampiasa ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ho mpanampy, dia fahendrena ny mamaky sy mandinika andinin-teny voatonona maromaro. Manampy ilay mpianatra izany, sady manatanjaka ny fahatakarantsika manokana ireo hevitra ara-panahy. Raha sarotra amin’ny mpianatra iray ny mahazo ny dikan’ny hevitra iray ara-baiboly, na ny fanoharana iray, dia azo atao ny mampiasa fotoam-pianarana mihoatra ny indray mandeha, mba hamitana toko iray monja ao amin’ny boky Fahalalana. Faly erỳ isika manomana tsara sy manao ezaka fanampiny mba hanampiana ny hafa hanakaiky an’Andriamanitra!

18. Manomeza ohatra ny amin’ny nampiasana ny boky Fahalalana tamin’ny fomba mandaitra.

18 Isan-taona, dia ampiasaina amin’ny fomba mandaitra ny boky Fahalalana mba hanampiana olona an’arivony maro ho tonga mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena, ka anisan’izany ny olona maro izay mbola tsy nahalala na inona na inona momba ny Baiboly mihitsy. Fony izy mbola kely, ohatra, dia nandre tsy nahy Vavolombelona iray niresaka momba ny Paradisa ny lehilahy hindoa iray any Sri Lanka. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia nanatona azy io izy, ary tsy ela dia nanomboka fampianarana Baiboly taminy ny vadin’ilay Vavolombelona. Raha ny marina, dia tonga nianatra isan’andro ilay tovolahy, ary vita tao anatin’ny fotoana somary fohifohy ihany ny boky Fahalalana. Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra izy, niala tamin’ilay fivavahana narahiny taloha, ary tonga mpitory ilay Fanjakana. Fony izy natao batisa, dia efa nitarika fampianarana Baiboly tamin’olom-pantany sahady izy.

19. Afaka mahazo antoka ny amin’inona isika rehefa mikatsaka ilay Fanjakana aloha?

19 Mitondra fifaliana mampahatanjaka antsika ny fikatsahana ilay Fanjakana aloha. (Matio 6:33). Na dia mandia fisedrana samihafa aza isika, dia manohy manambara ny vaovao tsara amin-kafaliana sy amin-jotom-po ihany. (Titosy 2:14). Maro amintsika no mahafeno ireo fepetra amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana manontolo andro, ary ny sasany dia manompo any amin’izay ilana mpitory ny filazantsara bebe kokoa. Na amin’izany fomba izany na amin’ny fomba hafa no ampandrosoantsika ny tombontsoan’ilay Fanjakana amin-kafaliana, dia matoky isika fa tsy hanadino ny asantsika sy ny fitiavana asehontsika ho an’ny anarany, i Jehovah.​—Hebreo 6:10-12.

Aoka ianao hitozo noho ny tanjak’i Jehovah

20. Ahoana no azontsika ampisehoana fa mitodika any amin’i Jehovah isika mba hahazoana tanjaka?

20 Na ahoana na ahoana, dia aoka isika hampiseho fa manantena an’i Jehovah sy mitodika any aminy isika mba hahazoana tanjaka. Afaka manao izany isika raha manararaotra amin’ny fomba feno ireo fandaharana ara-panahy ataony amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky”. (Matio 24:45). Anisan’ireo fandaharana izay manatanjaka ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy mampahatanjaka antsika hitozo eo amin’ny fanompoana masina ny fianarana manokana sy miaraka amin’ny kongregasiona, dia fianarana ny Tenin’Andriamanitra ampian’ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina, ary koa ny vavaka amim-pahatsorana sy ny fanampiana ara-panahy omen’ireo loholona, ny ohatra tsara dia tsara omen’ireo mpiray finoana mahatoky, ary ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana.

21. Ahoana no nilazan’ny apostoly Petera sy Paoly fa ilaina ny tanjaka omen’Andriamanitra?

21 Na dia eo aza ny fahalementsika olombelona, dia hanatanjaka antsika mba hanao ny sitrapony i Jehovah, raha miantehitra aminy isika mba hahazoana fanampiana. Takatry ny apostoly Petera fa ilaina ny fanampiana toy izany, ka nanoratra toy izao izy: “Raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy”. (1 Petera 4:11). Nampiseho ny fianteherany tamin’ny tanjaka nomen’Andriamanitra koa i Paoly, fony izy nilaza hoe: “Finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.” (2 Korintiana 12:10). Enga anie isika haneho fiekena mafy toy izany ka hanome voninahitra an’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana, izay mampahatanjaka ny reraka.​—Isaia 12:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Araka ny fomba fanisana amerikanina, io isa io dia ny tarehimarika 1 arahina zero 20.

^ feh. 15 Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of New York, Inc.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no mila hery mihoatra noho ny mahazatra?

• Inona no porofo araka ny Soratra Masina mampiseho fa mampahatanjaka ny mpanompony Andriamanitra?

• Inona avy ireo fandaharana ara-panahy sasany izay nataon’i Jehovah mba hanatanjahana antsika?

• Ahoana no azontsika ampisehoana fa mitodika any amin’Andriamanitra isika mba hahazoana tanjaka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Mihamatanjaka ny fifandraisantsika manokana amin’i Jehovah, arakaraka ny ampiasantsika ny Baiboly mba hampianarana ny hafa