Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Toeram-pialan-tsasatra ho An’ny Vahoakany i Jehovah

Manome Toeram-pialan-tsasatra ho An’ny Vahoakany i Jehovah

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Manome Toeram-pialan-tsasatra ho An’ny Vahoakany i Jehovah

NY MAHITA toeram-pialan-tsasatra misy alokaloka, eo amin’ny lalan-kely iray any an-tendrombohitra, no zava-mahafinaritra indrindra ny olona iray trotraky ny dia. Antsoina hoe chautara ny toeram-pialan-tsasatra toy izany, any Népal. Ny chautara fahita mahazatra dia mety ho eo akaikin’ny hazo mandrobona iray, toerana malomaloka azo ipetrahana sy ialana sasatra. Fanehoana hatsaram-panahy ny fananganana chautara, ary tsy mitonona anarana ny ankamaroan’ireo tia asa soa nanangana azy ireny.

Misy fitantarana avy any Népal mampiseho fa tonga Loharanom-pifaliana sy famelombelomana ara-panahy ho an’ny ‘olona maro trotraky ny dia’ eto amin’ity fandehan-javatra ity, i Jehovah Andriamanitra.​—Salamo 23:2.

• I Lil Kumari dia monina any Pokhara, tanàna tsara tarehy iray. Raha jerena avy ao Pokhara, dia mahafinaritra ny fahitana ny Tendrombohitra Himalaya, izay rakotra orampanala ny tendrony. Noho ny fanahiana momba ny toe-bolan’ny fianakaviana anefa, dia nahatsiaro ho tsy nanam-panantenana firy i Lil Kumari. Koa rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika azy, dia nanohina azy ilay fanantenana kanto ao amin’ny Baiboly ka nangataka fampianarana Baiboly avy hatrany izy.

Na dia tian’i Lil Kumari aza ilay fianarana, dia tsy mora ny nanohy azy io noho ny fanoherana mafy avy tamin’ny fianakaviana. Tsy nilavo lefona anefa izy. Nanatrika fivoriana kristianina tsy tapaka izy ary nampihatra izay nianarany, indrindra fa mahakasika ny faneken’ny vehivavy ny vadiny. Vokatr’izany, dia nanjary takatry ny vadiny sy ny reniny fa nitondra soa ho an’ny fianakaviana manontolo ny fianarana Baiboly nataon’i Lil Kumari.

Mianatra ny Tenin’Andriamanitra ny vadiny sy ny havany maromaro, ankehitriny. Tamin’ny fivoriambe iray natao vao haingana tany Pokhara, dia nankafy ilay fandaharana, niaraka tamin’ny havany 15, i Lil Kumari. Hoy izy: “Nanjary toeram-pialan-tsasatra ny tokantranoko, satria tafaray ao anatin’ny fanompoam-pivavahana marina ankehitriny ny fianakavianay, ary nahita tena fiadanan-tsaina aho.”

• Na dia tsy ara-dalàna aza ny fanavakavahan-tsaranga any Népal, dia mbola manan-kery lehibe eo amin’ny fomba fiainan’ny olona izy io. Noho izany, dia maro no liana ny amin’izay lazain’ny Baiboly mahakasika ny fitovian-jo sy ny tsy fizahan-tavan’olona. Nanova be ny fiainan’i Surya Maya sy ny fianakaviany, ny nahafantarany fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”.​—Asan’ny Apostoly 10:34.

Ory i Surya Maya, satria teo ny tsy rariny vokatry ny fanavakavahan-tsaranga, ary enta-mavesatra ho azy koa ireo lovantsofina sy fombafomba lalim-paka. Noho izy vehivavy mpivavaka be, dia nangataka fanampiana tamin’ireo andriamaniny sampy nandritra ny taona maro i Surya Maya. Tsy nivaly anefa ny vavaka nataony. Indray mandeha, raha nitalaho fanampiana izy, dia nanatona azy i Babita, zafikeliny enin-taona, ka nanontany azy hoe: “Fa maninona ianao no mangataka fanampiana amin’ny sampy tsy afaka manao na inona na inona?”

Hay niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny renin’i Babita. Nanasa tamin-kafanam-po ny renibeny hanatrika fivoriana kristianina i Babita. Rehefa nanatrika fivoriana i Surya Maya, dia gaga nahita olona avy amin’ny saranga samihafa, izay niaraka teo tsy nisy fanavakavahana. Nangataka fampianarana Baiboly avy hatrany izy. Na dia nahatonga azy hailikiliky ny mpiara-monina aza izany, dia tsy kivy izy. Tsy nahasakana azy tsy hanao fandrosoana ara-panahy koa ny tsy nahaizany loatra namaky teny sy nanoratra.

Valo taona izay no lasa, ary enina amin’ny fianakaviany, anisan’izany ny vadiny sy ny zanany telo, no tonga Vavolombelon’i Jehovah. Mpanompo manontolo andro na mpisava lalana maharitra i Surya Maya ankehitriny, ka faly manampy ny hafa hanaisotra ny enta-mavesany, any amin’ilay tena toeram-pialan-tsasatra, izay i Jehovah irery ihany no afaka manome azy.