Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Baiboly​—Boky Fianarana Fomba Fiaina

Ny Baiboly​—Boky Fianarana Fomba Fiaina

Ny Baiboly​Boky Fianarana Fomba Fiaina

“VELONA sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, (...) ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12). Izany filazalazana ny amin’izay azon’ny Tenin’Andriamanitra tanterahina izany, dia mampiseho mazava fa tsy boky tsara fotsiny akory ny Baiboly.

“Iankinan’ny aintsika toy ny fifohana rivotra ny hafatra raketiny”, hoy ny nambaran’ny mpanoratra iray momba ny fivavahana. Avy eo, dia hoy ny teny nanampiny: “Rehefa dinihina ny hoe maniry mafy fanasitranana sy mila azy io isika ankehitriny, ka izany no ataontsika ao an-tsaina rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia mahatalanjona ny vokany.” Toy ny jiro iray mazava tsara, dia mitondra fanazavana mahakasika raharaha sy olana maro saro-bahana ateraky ny fiainana maoderina, ny Baiboly.​—Salamo 119:105.

Eny tokoa, ny fahendrena voalaza ao amin’ny Baiboly dia manan-kery hamolavola ny fisainantsika, hanampy antsika hamaha olana, hanatsara ny fiainantsika, ary hanome antsika ny fahaiza-miatrika ireo toe-javatra tsy azontsika ovana. Ny zava-dehibe indrindra, dia mahatonga antsika hahafantatra sy ho tia an’Andriamanitra ny Baiboly.

Boky manome zava-kendrena

I Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny Baiboly, dia ‘mahafantatra tsara ny alehantsika rehetra’. Fantany izay ilaintsika ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy, eny, mahalala izany mihoatra noho ny tenantsika mihitsy aza izy. (Salamo 139:1-3). Noho ny fiahiany, dia manisy fetra mazava amin’ny fitondran-tenan’olombelona izy. (Mika 6:8). Fahendrena ny miezaka hahatakatra ireny fetra sy fitarihan-dalana ireny, ka miaina mifanaraka amin’izy ireny. Sambatra ny olona izay “ny lalàn’i Jehovah no sitrany”, hoy ilay mpanao salamo. “Ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:1-3). Azo antoka fa mendrika ny hodinihintsika ny fahatsinjovana zavatra toy izany.

I Maurice, mpampianatra iray efa misotro ronono, dia nino mandrakariva fa misy lanjany eo amin’ny sehatry ny tantara sy ny haisoratra, ny Baiboly. Nisalasala ny amin’ny maha ara-tsindrimandrin’Andriamanitra azy io anefa izy. Taorian’ny nihainoany fanazavana mahakasika ny antony nanomezan’Andriamanitra ny Teniny voasoratra ho an’ny olombelona, dia nandinika faminaniana ara-baiboly maro samihafa i Maurice. Nianatra momba ny tantara fahiny sy ny haisoratra sy ny siansa ary ny jeografia izy, fony tovolahy. Miaiky izy fa nihevi-tena ho kinga saina loatra ka tsy nahita ireo ohatra maro be manohana ny fahamarinan’ny Baiboly. “Voafandriky ny fikatsahana an-jambany zavatra mampiadana sy harena ary ireo fahafinaretana eo amin’ny fiainana aho. Nampalahelo anefa fa tsy nahalala hatrany ny hakanto sy ny fahamarinan’ilay boky niavaka indrindra nosoratana hatramin’izay aho.”

Manisy firesahana ny amin’ilay fitantarana momba ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny apostoly Tomasy, i Maurice, izay efa 70 taona ankehitriny, ka milaza amim-pankasitrahana hoe: “Ny tanako dia notarihina ho eo amin’ilay ‘ratra nandeha ra’, izay hanaisotra mandrakizay ny fisalasalana rehetra tao an-tsaiko nahakasika ny fahamarinan’ny Baiboly.” (Jaona 20:24-29). Araka ny voalazan’ny apostoly Paoly, dia mampiharihary ny fisainan’ny fo sy mampisy heviny ny fiainana ny Baiboly, ary marina ny voalazan’i Paoly. Tena boky fianarana fomba fiaina tokoa izy io.

Mampitony fiainana misamboaravoara

Manome torohevitra izay manampy ny olona hanafa-tena amin’ny fahazaran-dratsy koa, ny Baiboly. Afaka nandresy fahazarana maloto nifoka sigara i Daniel, ary afaka nanajanona ny famonjeny fiaraha-mikorana baranahiny sy ny fisotroana tafahoatra. (Romana 13:13; 2 Korintiana 7:1; Galatiana 5:19-21). Raha ny tena izy, dia mitaky ezaka amim-pahatapahan-kevitra ny famongorana ny fahazarana toy izany sy ny fitafiana “ny toetra vaovao”. (Efesiana 4:22-24). “Zava-tsarotra ilay izy”, hoy i Daniel, “satria efa be loatra ny tsy fahalavorariantsika.” Na izany aza anefa, dia nahomby izy. Mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro i Daniel izao, ary mahatonga azy ho akaiky an’i Jehovah hatrany izany.

Rehefa nihalehibe i Daniel, dia nanaja lalina ny Baiboly foana ny tenany na dia mbola tsy namaky azy io mihitsy aza. Nivavaka tamin’Andriamanitra isan’alina koa izy, tetsy an-danin’izany. Nisy zavatra tsy ampy anefa. Tsy sambatra izy. Fiolahana lehibe teo amin’ny fiainany ny nahitany voalohany ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly. (Eksodosy 6:3; Salamo 83:18). Taorian’izay, dia nampiasa ilay anarana hoe Jehovah izy rehefa nivavaka, ka nihananjary tena toy ny resaka amin’olona ny vavaka nataony. “Nanjary akaiky ahy indrindra i Jehovah, ary mbola namako akaiky indrindra foana izy.”

Talohan’ny nianarany ny Baiboly, dia nanjombona ny fahitan’i Daniel ny hoavy. “Tsy mila ny ho mahira-tsaina be akory ianao vao hahita izay mitranga eo amin’izao tontolo izao”, hoy izy. “Natahotra aho, ary niezaka ny ho be natao foana aho mba tsy hitopy tamin’izany ny saiko.” Avy eo, dia fantany fa hampisy ny rariny ho an’ny rehetra eo amin’ny tany voadio iray Andriamanitra, ka ho afaka ny hiadana sy ho sambatra mandrakizay ny olombelona mankatò ao. (Salamo 37:10, 11; Daniela 2:44; Apokalypsy 21:3, 4). Manana fanantenana azo antoka i Daniel izao. Manampy azy hihazona fomba fijery tsara momba ny fiainana, ny hery mampitony ananan’ny Baiboly.

Manampy mba handresena olana ara-pihetseham-po

Fito taona i George fony maty ny reniny. Nangorohoro izy rehefa handeha hatory tamin’ny alina, satria tsy fantany raha mbola hifoha izy ny marainan’iny na tsia. Tamin’izay dia namaky izao tenin’i Jesosy momba ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty izao izy: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra ao amin’ny [fasam-pahatsiarovana, NW] ny feon[’i Jesosy]; dia hivoaka izy”. Nanohina azy koa ireto tenin’i Jesosy ireto: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 5:28, 29; 11:25). Toa azon’ny saina ekena sy lojika ary mampionona izany hevitra izany. “Izany fahamarinana izany”, hoy i George, “dia tsy vitan’ny hoe manintona ny saina fotsiny fa manohina ny fo koa.”

Nanan-tahotra koa i Daniel, izay voaresaka tetsy aloha. Tsy afaka nitaiza irery azy ny reniny, ka nalefa nipetraka tany amin’ny tokantrano maro nanaiky hitaiza zanak’olon-kafa izy. Nahatsiaro tena ho natao zanak’Ikalahafa foana izy, ka naniry mafy izany hoe voaro ao anatin’ny fianakaviana be fitiavana izany. Tamin’ny farany, dia hitany ihany izay notadiaviny, noho ny fianarany ny Baiboly. Nanjary niaraka tamin’ny kongregasiona kristianin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nanjary anisan’ny fianakaviana ara-panahy iray, izay nahatsapany ho nekena sy notiavin’ny hafa. Marina tokoa fa mahasoa ny Baiboly noho izy azo ampiharina sy manome fahafaham-po eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po.

Tadidio fa mahita izay ao am-pontsika sy mahafantatra izay tadiavintsika, i Jehovah. “Mpandanja ny fo” Andriamanitra, ary manome “ny olona rehetra araka ny alehany”.​—Ohabolana 21:2; Jeremia 17:10.

Torohevitra mahasoa momba ny fiainam-pianakaviana

Manome torohevitra azo ampiharina ny Baiboly mahakasika ny fifandraisan’olombelona. Hoy i George: “Ny tsy fitovian-toetra na ny tsy fifankahazoana no anisan’ny toe-javatra mampihenjana indrindra eo amin’ny fiainana.” Ahoana no iatrehany izany? “Raha tsapako fa manana alahelo amiko ny olona iray, dia ampihariko ilay torohevitra mivantana ao amin’ny Matio 5:23, 24, hoe: ‘Ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao’. Ny fahafahako miresaka momba ilay tsy fifanarahana fotsiny dia efa misy vokany. Afaka mahatsapa ilay fiadanan’Andriamanitra resahin’ny Baiboly aho. Mandaitra ilay izy, ary tena azo ampiharina.”​—Filipiana 4:6, 7.

Rehefa tsy mitovy hevitra ny mpivady, dia samy mila ny “halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. (Jakoba 1:19). Manatsara ny fifampiresahana izany torohevitra izany. Hoy ny teny nanampin’i George: “Rehefa ampihariko ilay torohevitra ny amin’ny tokony hitiavako sy hitondrako ny vadiko tahaka ny tenako, dia tonga dia hitako ny vokany. Mora kokoa aminy ny manaja ahy.” (Efesiana 5:28-33). Eny, mampianatra antsika ny fomba hanekena sy hiatrehana ny tsy fahalavorarian’ny tenantsika ny Baiboly, no sady mampianatra antsika ny fomba hiatrehana amim-pahombiazana ny an’ny hafa.

Torohevitra tsy tontan’ny ela

Hoy i Solomona Mpanjaka hendry: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6). Teny tsotra nefa lalina ireo teny ireo!

Hery manosika ho amin’ny tsara ny Baiboly. Mahatonga ireo tia an’Andriamanitra hampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy hahita fahasambarana amin’ny ‘fandehanana araka ny lalàn’i Jehovah’ izy io. (Salamo 119:1). Na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra misy antsika, dia mirakitra ilay tari-dalana sy torohevitra ilaintsika ny Baiboly. (Isaia 48:17, 18). Vakio isan’andro izy io, saintsaino izay vakinao, ary ampiharo. Hihazona ny sainao ho mazava sy hifantoka amin-javatra madio sy mahasoa, izy io. (Filipiana 4:8, 9). Tsy ny fomba fiaina sy ny hifaliana amin’ny fiainana fotsiny no hianaranao fa ny fomba hitiavana an’ilay Mpamorona ny fiainana koa.

Amin’ny fanarahana izany, dia tsy ho boky tsara fotsiny ny Baiboly aminao, ary olona an-tapitrisany maro hafa no mihevitra toa anao izany koa. Tena ho hita marina fa boky fianarana fomba fiaina izy io!

[Sary, pejy 6]

Afaka manamafy ny fahatapahan-kevitrao handresy fahazarana manimba ny Baiboly

[Sary, pejy 7]

Mampianatra anao ny fomba hanatonana an’Andriamanitra ny Baiboly