Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Hahazoana Namana

Ny Fomba Hahazoana Namana

Ny Fomba Hahazoana Namana

“EFA ZAVA-DEHIBE NY HOE MANANA NAMANA IRAY MANDRITRA NY ANDROM-PIAINANA; EFA BETSAKA RAHA HOE ROA, ARY NY TELO MOA DIA MAHALANA RAHA HISY.”​—Henry Brooks Adams.

TOA te hilaza izany fanamarihana izany fa tsy fahita firy ny tena namana. Matetika tokoa no re avy amin’ny olona tena manirery izay mitady namana, ny filazana hoe “Tsy misy olona azoko itodihana”, “Tsy afaka mitoky na amin’iza na amin’iza aho”, na hoe “Ny alikako no namako akaiky indrindra.”

Zava-tsarotra ny mahazo namana sy ny mijanona ho mpinamana foana. Nahariharin’ny fanadihadiana iray natao tamin’ny mpividy fa “any Etazonia, dia ny 25 isan-jaton’ny olon-dehibe rehetra no ‘mahatsiaro tena ho manirery lava’ ary (...) any Frantsa, dia ny antsasaky ny mponina no nahatsapa mafy dia mafy ho irery”. Mitombo izaitsizy ireo fikambanana ho an’ny olona ta “hampiaraka”, sy ny fandaharana ao amin’ny ordinatera ahafahana mifampiresaka, ary mihabetsaka ny filazana an-gazety avy amin’ireo mitady namana, ka izany dia milaza fa maniry fatratra fifandraisana amin’ny hafa ny olona.

Tsy vitan’ny hoe misy akony eo amin’ny toe-tsain’ny olona iray ny fahatsapana ho manirery, fa misy akony eo amin’ny fahasalamany ara-batana koa, araka ny lazain’ny Dr. David Weeks, manam-pahaizana iray momba ny saina. “Azo lazaina ho manirery ny ampahany tena lehibe amin’ny marary tonga eto amiko, dia marary mitebiteby izaitsizy sady ketraka. Misy ifandraisany ny hamafin’ny fahaketrahana sy ny hamafin’ny fahatsapana ho manirery.”

Noho ny fisaraham-panambadiana sy ny faharavan’ny fiainam-pianakaviana, dia mihabetsaka ny olona voatery miaina irery. Nanatsoaka hevitra ny fanadihadiana iray natao tany Grande-Bretagne fa eo am-piandohan’ny taonjato faha-21, dia hatramin’ny 30 isan-jaton’ny mponina ao amin’io firenena io no ho ao amin’ny tokantrano tsy hisy afa-tsy olona iray.

Nilaza mialoha ny Soratra Masina ara-tsindrimandry fa “amin’ny andro farany”, dia hanjaka ny toe-tsaina feno fitiavan-tena. (2 Timoty 3:1-5, NW). Toa olona maro no liana kokoa amin’ny fananana ara-nofo, toy ny trano na ny fiara, na amin’ny asany, fa tsy liana ny hamboly fifandraisana amin’ny olon-kafa. Nanamarika toy izao ny mpanoratra iray atao hoe Anthony Storr: “Tsy mifantoka amin’ny vady aman-janaka ny fiainan’izy ireo, fa amin’ny biraony kosa.”

SAROBIDY NY TENA NAMANA

Miankina be dia be amin’ny hatsaran’ny fifandraisanao amin’ny namanao ny hatsaran’ny fiainanao. Matetika no tsy sambatra ireo izay miaina ho an’ny tenany, satria tsy mba manana namana hiara-mifaly aminy amin’ny fananany na hilazany ny heviny. Marina ireo tenin’i Jesosy Kristy manao hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35). Namerina izany fahamarinana izany ny poety anglisy iray atao hoe George Byron, ka nanoratra hoe: “Izay rehetra ta hanam-pifaliana, dia tsy maintsy mizara izany.”

Inona no atao hoe namana? Ny diksionera iray dia mamaritra ny namana ho “olona miraiki-po amin’ny olon-kafa iray na ananany fiheverana ambony”. Afaka misarika ny sainao ho amin’ny zavatra mahasoa ny tena namana iray. Afaka mampirisika sy mampahery anao izy amin’ny fotoana ilana izany. Afaka miombona alahelo aminao mihitsy aza izy. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17). Na dia mihen-danja aza matetika ny zavatra ara-nofo, ny fifandraisana amin’ny tena namana kosa dia mitombo sy miroborobo araka ny fandehan’ny fotoana.

Mampirisika ny Kristianina mba ‘hihamalalaka’ amin’ny fitiavany ny Soratra Masina. (2 Korintiana 6:13). Fahendrena ny manao ezaka mba hifandray amin’ny hafa. Izao no vakintsika ao amin’ny Mpitoriteny 11:1, 2: “Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela. Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin’ny tany.” Amin’ny fomba ahoana no iharan’io foto-pitsipika io amin’ny fananana namana? Raha nahazo namana maro ianao, dia mety hanampy anao ny sasany amin’izy ireo, rehefa mipoitra ny zava-manahirana.

Fiarovana ho anao amin’ny lafiny hafa koa ny tena namana. “Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza”, hoy ny Ohabolana 27:6. Na dia olona maro aza no mety hanao teny fiderana anao, dia ny tena namana ihany no ho ampy fiheverana anao, ka hanintona ny sainao ho amin’ny kilema lehibe iray sady hanome torohevitra amim-pitiavana izay handrisika anao hihatsara.​—Ohabolana 28:23.

Anisan’ireo fanomezana tsy fahita firy, izay mety hisy heriny mahasoa eo aminao, ny namana tsara sady akaiky anao. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-10 isika dia mamaky momba ny fisehoan-javatra iray teo amin’ny fiainan’i Kornelio, manamboninahitry ny tafika romanina. Nilazan’ny anjely iray izy fa nohenoina ireo vavaka nataony. Teo am-piandrasana ny fitsidihan’ny apostoly Petera, dia “nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany” i Kornelio. Anisan’ny Jentilisa tsy voafora voalohany izay nanaiky ny vaovao tsara ka voahosotry ny fanahy masina ireo naman’i Kornelio akaiky ireo, ary nanana ny fahatsinjovana hiara-manapaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Endrey izany fitahiana ho an’ireo naman’i Kornelio akaiky!​—Asan’ny Apostoly 10:24, 44.

Ahoana anefa no fomba ahazoanao namana? Mamaly izany ny Baiboly, izay manan-javatra betsaka holazaina momba ny fananana namana, ary manome torohevitra azo ampiharina. (Jereo ny faritra voafefy etsy ambany.)

NY TOERANA AHAFAHANAO MAHAZO TENA NAMANA

Ny toerana tsara indrindra hahazoana tena namana dia mifandray amin’ny kongregasiona kristianina. Voalohany indrindra, dia afaka manararaotra an’ilay fahafahana ho sakaizan’i Jehovah, ilay Mpamorona anao sy Rainao any an-danitra, sy ho sakaizan’i Jesosy Kristy, ilay Mpamonjy anao, ianao. “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany”, hoy i Jesosy, izay manasa anao ho sakaizany. (Jaona 15:13, 15). Amin’ny fahatongavanao ho sakaizan’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, dia afaka mahazo toky ianao fa “horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay” ianao. Eny, midika ho fiainana mandrakizay ny fisakaizana amin’i Jehovah sy i Jesosy.​—Lioka 16:9; Jaona 17:3.

Ahoana no ahafahanao manana fisakaizana mafana amin’izy ireo? Voasoritra ao amin’ny Salamo 15 ireo zavatra takina mba hitoerana ho toy ny sakaizan’i Jehovah ao amin’ny tabernakeliny. Jereo ao amin’ny Baiboly izany, ary vakio ireo andinin-teny dimy ao amin’io salamo io. Fanampin’izany, dia nilaza i Jesosy hoe: “Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.”​—Jaona 15:14.

Eny, amin’ny fianarana sy amin’ny fampiharana amim-pitandremana ny toro lalana avy amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, dia asehonao fa te ho sakaizan’i Jehovah sy i Jesosy ianao. Mba hahatongavana amin’izany, dia tsy maintsy manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina, izay toerana izarana ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra, koa ianao. Milofosa hihaino an’i Jehovah amim-pahatokiana, dia ho akaiky Azy kokoa sy ho akaiky ny Zanany kokoa ianao.

Any amin’ireo fivoriana koa ianao dia afaka mifankahalala amin’ny olona izay tia an’i Jehovah sady maneho ireo vokatry ny fanahy​—fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena​—eo amin’ny fiainany. (Galatiana 5:22, 23). Raha zava-dehibe aminao ny hahazo namana sy ny hanaisotra ny fahatsapana ho manirery, dia manatreha ireo fivoriana kristianina isan-kerinandro. Ny fanaovana izany dia hametraka anao eo amin’ny toerana mety, amin’ny fotoana mety, mba ho mpinamana maharitra amin’ny vahoakan’Andriamanitra, izay mahazo ny fitahiany.

NAMANA HO MANDRAKIZAY

Fanomezana mahatalanjona avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fananana tena namana. Ny toetrany manokana sy ny maha izy azy no fototr’izany. Noho ny fitiavany sy ny fahalalahan-tanany, dia nofenoiny zavaboary manan-tsaina ny tany, ary afaka ny ho naman’izy ireo ianao. Miaraha amin’ny Kristianina hafa. Ampaherezo izy ireny. Miaraha miasa aminy eo amin’ny fanompoana. Mivavaha tsy tapaka miaraka aminy sy ho azy ireny. Amin’izay, dia hanahaka an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, Zanany, ianao.

Ny fahatongavana ho namana dia fanomezana izay azon’ny olona rehetra atao, ary ny fahazoana namana dia fanomezana mety ho azon’ny rehetra. Amin’ny hoavy tsy ho ela, dia hanana fahafahana hampitombo ny isan’ny namanao ianao. Afaka minamana amin’ireo olona an-tapitrisany maro izay miaina amin’izao fotoana izao ianao, ary koa amin’ireo izay avy tamin’ireo taranaka lasa, izay matory ao amin’ny fahafatesana, miandry ilay fitsanganana amin’ny maty rehefa tsy “hisy fahafatesana intsony”. (Apokalypsy 21:4; Jaona 5:28, 29). Miezaha dieny izao mba ho sariaka, ary ataovy namana ireo izay tia an’i Jehovah. Katsaho ny fisakaizana amin’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry. Amin’izay dia tsy ho irery mandrakizay ianao.

[Efajoro, pejy 22, 23]

DINGANA ENINA HO AMIN’NY FANANANA NAMANA MAHARITRA

1. AOKA IANAO HO NAMANA. Nantsoina hoe “Sakaizan’Andriamanitra” i Abrahama, noho ny finoany tsy azo nohozongozonina. (Jakoba 2:23). Nisy antony hafa koa anefa. Milaza ny Baiboly fa nampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra i Abrahama. (2 Tantara 20:7). Nanao ny dingana voalohany izy, namboraka tamin’i Jehovah ny fihetseham-pony. (Genesisy 18:20-33). Eny, mitaky fanaovana ny dingana voalohany ny fanaporofoana ny maha namana anao. Hoy i Jesosy: “[Mizara manome, NW], dia mba homena hianareo”. (Lioka 6:38). Ny teny fampaherezana iray na ny tanana vonon-kanampy dia mety ho ny fiantombohan’ny fifandraisana tsara amin’ny namana iray. Hoy ny mpanoratra amerikanina iray atao hoe Ralph Waldo Emerson indray andro: ‘Ny hany fomba hahazoana namana dia ny mitondra tena toy ny namana.’

2. MANOKÀNA FOTOANA MBA HANOLOKOLOANA NY FIFANDRAISANA AMIN’NY NAMANA. Maniry handray ireo soa entin’ny fananana namana ny ankamaroan’ny olona. Be atao loatra anefa izy ireo ka tsy manam-potoana hatokana amin’izany. Mampirisika antsika ny Romana 12:15, 16 mba hiara-mifaly amin’ny hafa, rehefa mahita fahombiazana izy, sy hiombona alahelo aminy rehefa tratran’ny fahadisoam-panantenana izy. Izao no voalaza ao: “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa saina.” Naka fotoana foana ho an’ny namany i Jesosy Kristy, na dia be zavatra natao aza. (Marka 6:31-34). Tadidio fa toy ny voninkazo iray, dia mila tondrahana sy kolokoloina ny fifandraisana amin’ny namana mba hiroboroboany​—ary mitaky fotoana izany.

3. MIHAINOA TSARA REHEFA MITENY NY HAFA. Matetika no mora kokoa ho an’ny olona mahay mihaino tsara ny manana namana. “Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny”, hoy i Jakoba mpianatra. (Jakoba 1:19). Rehefa miresaka amin’ny hafa ianao, dia manehoa fiheverana manokana ny fihetseham-pony. Ampirisiho izy ireo hiresaka momba ny tenany. Mitariha lalana amin’ny fanehoana fanajana azy ireo. (Romana 12:10). Amin’izay, dia ho te hiaraka aminao izy ireo. Mifanohitra amin’izany fa, raha ianao foana no miteny, na raha manintona tsy an-kijanona ny sain’ny rehetra ho aminao ianao, dia ho sahirana be ianao vao hahita olona vonon-kihaino na hiahy ny amin’ny fihetseham-ponao sy ny zavatra ilainao.

4. MAMELÀ HELOKA. Nilaza tamin’i Petera mba ho vonona ny hamela heloka “hatramin’ny impito amby fito-polo” i Jesosy indray mandeha. (Matio 18:21, 22). Ny tena namana dia mailaka ny hanadino ireo fahadisoana kely. Indro misy ohatra: Tsy tia mihinana voaroimena ny olona sasany noho ny voany bitika. Tsy mahamarika ny voany anefa ireo mankafy io voankazo io. Tiana noho ny toetrany tsara ny tena namana; tsy jerena kosa ny fahadisoana kely ataony. Nampirisika antsika toy izao i Paoly: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo”. (Kolosiana 3:13). Manana namana maharitra ireo izay mianatra ny hamela heloka.

5. HAJAO NY FANIRIAN’NY HAFA HO IRERY. Mba maniry ny ho irery ny olona rehetra, anisan’izany ny namantsika, ary ilainy izany. Maneho fahendrena ny fanamarihan’ny Ohabolana 25:17 hoe: “Aza miditra matetika ao an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.” Noho izany, dia mahalalà ny antonony eo amin’ny fitsidihanao matetika ny namanao sy ny faharetan’izany. Aza sarotiny amin’ny fananany namana hafa, fa mety hahatonga anao ho saro-piaro izany. Mahaiza mitsara zavatra, rehefa miresaka momba ny zavatra tianao manokana, na ny fomba fihevitrao. Mahatonga ny fifandraisan’ny mpinamana hamelombelona sy hahafinaritra izany.

6. AOKA IANAO HALALA-TANANA. Kolokoloina amin’ny alalan’ny fahalalahan-tanana ny fifandraisana amin’ny namana. Ny torohevitra omen’i Paoly dia ny “halala-tanana, ho vonona ny hizara”. (1 Timoty 6:18, NW). Ohatra, omeo teny fampaherezana ny hafa. (Ohabolana 11:25). Aza mitsitsy teny fiderana amim-pahatsorana sy teny mampandroso. Rehefa maneho fiheverana amim-pahatsorana an’izay hahasoa ny hafa ianao, dia ho voasarika hanatona anao izy. Eritrereto izay azonao atao ho azy, fa aza mifantoka amin’izay azony atao ho anao.