Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tianao Fatratra ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?

Tianao Fatratra ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?

Tianao Fatratra ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?

“Nitandrina ireo fampahatsiahivanao ny fanahiko, ary tiako fatratra izy ireo.”​—SALAMO 119:167, NW.

1. Aiza indrindra no ahitantsika filazana miverimberina ny amin’ireo fampahatsiahivan’i Jehovah?

MANIRY ny hahasambatra ny vahoakany i Jehovah. Mazava ho azy fa mba hananana ny tena fahasambarana, dia tsy maintsy mandeha amin’ny lalàn’Andriamanitra isika, ary mitandrina ny didiny. Izany no nanomezany antsika fampahatsiahivana. Voatonona miverimberina ao amin’ny Soratra Masina izy ireny, indrindra fa ao amin’ny Salamo faha-119, izay azo inoana fa nataon’i Hezekia, Printsy tanora tao Joda. Manomboka amin’izao teny izao io hira kanto io: “Sambatra ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny [fampahatsiahivany, NW] ka mitady Azy amin’ny fo rehetra”.​—Salamo 119:1, 2.

2. Ahoana no ifandraisan’ny fampahatsiahivan’Andriamanitra amin’ny fahasambarana?

2 “Mandeha araka ny lalàn’i Jehovah” isika rehefa mandray fahalalana araka ny marina momba ny Teniny ka mampihatra izany eo amin’ny fiainana. Noho isika tsy lavorary anefa, dia mila fampahatsiahivana isika. Ilay teny hebreo nadika hoe “fampahatsiahivana” dia milaza fa ataon’Andriamanitra mitamberina ao an-tsaintsika ireo lalàny sy baikony sy fitsipiny ary didiny. (Matio 10:18-20). Tsy hitoetra ho sambatra mihitsy isika raha tsy manohy mitandrina ny fampahatsiahivana toy izany, satria izy ireny dia manampy antsika hanalavitra fandrika ara-panahy izay miteraka loza sy alahelo.

Mifikira amin’ny fampahatsiahivan’i Jehovah

3. Inona no toky ananantsika, miorina amin’ny Salamo 119:60, 61?

3 Sarobidy tamin’ilay mpanao salamo ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra, ka nihira toy izao izy: “Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, amin’ny fitandremana ny didinao. Nihodidina tamiko ny famatoran’ny ratsy fanahy; tsy mba nanadino ny lalànao aho.” (Salamo 119:60, 61). Manampy antsika hiaritra fanenjehana ny fampahatsiahivan’i Jehovah satria matoky isika fa afaka manapaka ny tady fanakantsakanana izay amatoran’ny fahavalo antsika, ny Raintsika any an-danitra. Amin’ny fotoana mety, dia manafaka antsika amin’ny sakana toy izany izy, mba hahafahantsika hanatontosa ny asa fitoriana ilay Fanjakana.​—Marka 13:10.

4. Ahoana no tokony handraisantsika ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra?

4 Ahitsin’ireo fampahatsiahivan’i Jehovah isika indraindray. Enga anie isika hankasitraka mandrakariva ny fanitsiana toy izany, toy ny nataon’ny mpanao salamo. Niteny tamim-pahatsorana toy izao tamin’Andriamanitra izy: “Ny [fampahatsiahivanao, NW] koa no firavoravoako. (...) Izany no itiavako ny [fampahatsiahivanao, NW].” (Salamo 119:24, 119). Maro kokoa noho ny an’ny mpanao salamo ny fampahatsiahivan’Andriamanitra ananantsika. Ireo teny an-jatony maro nalaina avy tao amin’ny Soratra Hebreo ka hita ao amin’ny Soratra Grika dia tsy vitan’ny hoe mampahatsiahy antsika ny toromarik’i Jehovah ho an’ny vahoakany teo ambanin’ny Lalàna, fa mampahatsiahy koa ny fikasany mahakasika ny kongregasiona kristianina. Rehefa hitan’Andriamanitra fa mety ny mampahatsiahy antsika ireo zavatra mifandray amin’ny lalàny, dia velom-pankasitrahana isika noho izany fitarihan-dalana izany. Rehefa “mifikitra amin’ny [fampahatsiahivan’i Jehovah, NW]” koa isika, dia manalavitra fakam-panahy izay tsy mahafaly ny Mpamorona antsika no sady manesotra amintsika ny fahasambarana.​—Salamo 119:31.

5. Ahoana no mety hahatonga antsika ho tia fatratra ny fampahatsiahivan’i Jehovah?

5 Hatraiza no tokony hitiavantsika ny fampahatsiahivan’i Jehovah? “Nitandrina ireo fampahatsiahivanao ny fanahiko, ary tiako fatratra izy ireo”, hoy ny hiran’ny mpanao salamo. (Salamo 119:167, NW). Hanjary ho tiantsika fatratra ny fampahatsiahivan’i Jehovah raha toa isika mihevitra sy manaiky azy ireny ho toy ny fananaran’ny Ray tena miahy antsika tokoa. (1 Petera 5:6, 7). Mila ny fampahatsiahivany isika, ary hitombo ny fitiavantsika azy ireny, arakaraka ny ahitantsika fa mitondra soa ho antsika izy ireny.

Antony ilantsika ny fampahatsiahivan’Andriamanitra

6. Inona no antony iray ilantsika ny fampahatsiahivan’i Jehovah, ary inona no hanampy antsika mba hahatsiaro azy ireny?

6 Ny antony iray ilantsika ny fampahatsiahivan’i Jehovah, dia noho isika be fanadinoana. Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Amin’ny ankapobeny, dia mihamanadino zavatra kokoa ny olona, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. (...) Azo inoana fa efa nitranga taminao ny hoe misy anarana na sombim-panazavana iray tsy mety tadidinao, kanefa dia eo am-bavanao eo ihany ilay izy. (...) Ny fanadinoana mihelina toy izany, izay mateti-pitranga, dia antsoina hoe fahavoazan’ny fitadidiana. Ireo mpahay siansa dia mampitaha izany amin’ny fiezahana mitady zavatra iray diso toerana ao amin’ny efitra iray feno korontan’entana. (...) Ny fomba tsara iray ahazoana antoka fa ho tadidy ny sombim-panazavana iray dia ny fianarana azy io, ela be atỳ aorian’ny hiheveranao fa hainao tanteraka ilay izy.” Ny fahazotoana mianatra sy ny famerimberenana dia hanampy antsika hahatsiaro ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra sy hanaraka azy ireny mba hahasoa ny tenantsika.

7. Nahoana no ilaina amin’izao andro izao, mihoatra noho ny hatramin’izay, ny fampahatsiahivan’Andriamanitra?

7 Mila ny fampahatsiahivan’i Jehovah kokoa noho ny hatramin’izay isika amin’izao andro izao, satria izao no ahitana faharatsiana be indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona. Raha mihaino tsara ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra isika, dia hahazo ilay fahaiza-mahataka-javatra ilaina mba tsy hahatonga antsika ho voasinton’ireo fomba ratsin’izao tontolo izao. “Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho”, hoy ilay mpanao salamo, “satria ny [fampahatsiahivanao, NW] no fisaintsainako. Hendry noho ny anti-panahy aho, satria ny didinao no notandremako. Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’izay làlan-dratsy, mba hitandremako ny teninao.” (Salamo 119:99-101). Hiala amin’ireo “làlan-dratsy” isika rehefa mitandrina ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra, ary hisoroka ny fahatongavana ho sahala amin’ny sarambaben’olona izay “ao anatin’ny haizina ara-tsaina sy lavitra ny fiainana izay an’Andriamanitra”.​—Efesiana 4:17-19, NW.

8. Ahoana no mety hahatonga antsika ho ampy fitaovana kokoa mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo fitsapana ny finoana?

8 Ilaina koa ny fampahatsiahivan’Andriamanitra, satria manatanjaka antsika hiaritra ireo fisedrana maro hitantsika amin’izao “andro farany” izao, izy ireny. (Daniela 12:4). Ho tonga “mpihaino manadino” isika, raha tsy teo ireny fampahatsiahivana ireny. (Jakoba 1:25). Hanampy antsika hiatrika amim-pahombiazana ireo fitsapana ny finoana kosa anefa ny fahazotoana mianatra manokana sy miaraka amin’ny kongregasiona, dia fianarana ny Soratra Masina, ampian’ireo zavatra vita an-tsoratra avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW). Ny fandaharana ara-panahy toy izany dia mahatonga antsika ho afaka hahita izay tsy maintsy ataontsika mba hampifaliana an’i Jehovah rehefa ao anatin’ny tarehin-javatra misedra ny tenantsika.

Anjara asa tena lehibe tanan’ireo fivoriantsika

9. Iza moa ireo “lehilahy ho fanomezana”, ary ahoana no anampian’izy ireo ny mpiray finoana aminy?

9 Voasahana any amin’ireo fivoriana kristianina ny ampahany amin’ny filantsika fampahatsiahivana avy amin’Andriamanitra. Misy fampianarana omen’ireo rahalahy voatendry any. Nanoratra ny apostoly Paoly fa fony i Jesosy “niakatra ho any amin’ny avo (...), dia nitondra olona maro ho babo[; nanolotra lehilahy ho fanomezana izy, NW]”. Nanampy teny toy izao i Paoly: “[Kristy] nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy”. (Efesiana 4:8, 11, 12). Tena afaka ny ho velom-pankasitrahana tokoa isika satria misarika ny saintsika ho amin’ny fampahatsiahivan’i Jehovah ireny “lehilahy ho fanomezana”, na loholona voatendry ireny, rehefa miara-mivory ho amin’ny fanompoam-pivavahana isika!

10. Inona no hevi-dehibe amin’ny Hebreo 10:24, 25?

10 Hanosika antsika hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona dimy isan-kerinandro ny fankasitrahantsika ireo fandaharana nataon’Andriamanitra. Nohamafisin’i Paoly fa ilaina ny miara-mivory tsy tapaka. Nanoratra toy izao izy: “Aoka isika hifampandinika mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, tahaka ny fahazaran’ny sasany, fa hifampahery kosa, ary vao mainka aza tokony hanao izany ianareo, satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.”​—Hebreo 10:24, 25, NW.

11. Amin’ny ahoana ny tsirairay amin’ireo fivoriantsika isan-kerinandro no mitondra soa ho antsika?

11 Moa ve ianao mankasitraka izay ataon’ny fivoriantsika ho antsika? Ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro dia manatanjaka ny finoantsika sady manampy antsika hanaraka ireo fampahatsiahivan’i Jehovah, ary mankahery antsika mba hanohitra ny “toe-tsain’izao tontolo izao”. (1 Korintiana 2:12, NW; Asan’ny Apostoly 15:31). Amin’ny Fivoriana Ampahibemaso, ny mpandahateny dia manolotra fampianarana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ireo fampahatsiahivan’i Jehovah sy ireo teny mahatalanjona nataon’i Jesosy, dia ny “tenin’ny fiainana mandrakizay”. (Jaona 6:68; 7:46; Matio 5:1–7:29). Mihatsara ny fahaizantsika mampianatra any amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Sarobidy tokoa ny Fivoriana Momba ny Fanompoana eo amin’ny fanampiana antsika hanatsara ny fomba fampisehontsika ny vaovao tsara eo amin’ny isan-trano, amin’ny fiverenana mitsidika sy fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano, ary eo amin’ireo endriny hafa amin’ny fanompoantsika. Ny fisian’ny antokon’olom-bitsy amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona dia manome antsika fahafahana betsaka hilaza zavatra, izay matetika misy fampahatsiahivan’Andriamanitra tafiditra ao anatiny.

12, 13. Ahoana no nanehoan’ny vahoakan’Andriamanitra tany amin’ny tany iray any Azia, ny fankasitrahany an’ireo fivoriana kristianina?

12 Ny fahatongavantsika tsy tapaka any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona dia natao mba hampahatsiahy antsika ny didin’Andriamanitra, mba hanampy antsika hitoetra ho matanjaka ara-panahy eo anatrehan’ny ady sy ireo zava-tsarotra ara-bola ary ireo fitsapana hafa mahazo ny finoantsika. Nisy Kristianina tokony ho 70 teo ho eo, any amin’ny tany iray any Azia, tena nahatsapa ny maha zava-dehibe ireo fivoriana. Nifindra toerana niala ny tranony izy ireo ary voatery nipetraka tany anaty ala be. Tapa-kevitra ny hiara-mivory tsy tapaka izy ireo ka niverina tany amin’ilay tanànany potiky ny ady, ary noravany ny sisa tavela tamin’ny Efitrano Fanjakana ka naoriny indray tany anaty ala mikitroka.

13 Mbola manompo amim-pahazotoana ihany ny vahoakan’i Jehovah ao amin’ny faritra hafa iray amin’io tany io ihany, rehefa avy niaritra ny ady an-taonany maro. Nanontaniana toy izao ny iray tamin’ireo loholona tao amin’io faritra io: “Inona no tena nanampy indrindra tamin’ny fihazonana ireo rahalahy ho tafaraka hatrany?” Inona no valin-teniny? “Tao anatin’ny 19 taona, dia tsy tapaka mihitsy izahay nanao fivoriana. Indraindray dia tsy tody tany amin’ny toeram-pivoriana ny sasany tamin’ireo rahalahy noho ny zera baomba na noho ny fahasahiranana hafa, kanefa tsy nisy mihitsy fivoriana nofoananay.” Takatr’ireo rahalahy sy anabavy malala ireo tokoa fa zava-dehibe ny ‘tsy hahafoizany ny fiarahany mivory’.

14. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fahazaran’i Ana izay efa zokiolona?

14 Ilay vehivavy mpitondratena 84 taona atao hoe Ana, dia “[tonga tsy tapaka mihitsy, NW] teo an-kianjan’ny tempoly”. Ho vokany, dia teo izy fony i Jesosy zaza nentina tao, fotoana fohy taorian’ny nahaterahany. (Lioka 2:36-38). Tapa-kevitra ny tsy hanapaka fivoriana mihitsy ve ianao? Manao araka izay fara herinao ve ianao mba hanatrehana ireo fotoam-pivoriana rehetra amin’ireo fivoriambentsika? Ireo fampianarana mahasoa ara-panahy raisina amin’ireny fiaraha-mivory ireny dia manome antsika porofo mazava fa miahy ny vahoakany ilay Raintsika any an-danitra. (Isaia 40:11). Mampisy fifaliana koa ny fotoana toy ireny, ary mampiseho ny fankasitrahantsika ireo fampahatsiahivan’i Jehovah ny fahatongavantsika.​—Nehemia 8:5-8, 12.

Voatokana noho ny fampahatsiahivan’i Jehovah

15, 16. Amin’ny ahoana ny fitandremana ny fampahatsiahivan’i Jehovah no misy vokany eo amin’ny fitondran-tenantsika?

15 Manampy antsika ho tafasaraka amin’ity tontolo ratsy ity ny fitandremana ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra. Misakana antsika tsy hanao fahalotoam-pitondran-tena, ohatra, ny fanarahana ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra. (Deoteronomia 5:18; Ohabolana 6:29-35; Hebreo 13:4). Azo resena amim-pahombiazana ny fakam-panahy handainga sy hanao ny tsy marina, na hangalatra, noho ny fanarahana ny fampahatsiahivan’Andriamanitra. (Eksodosy 20:15, 16; Levitikosy 19:11; Ohabolana 30:7-9; Efesiana 4:25, 28; Hebreo 13:18). Misakana antsika tsy hamaly faty, na hitana lolompo, na hanendrikendrika na iza na iza koa, ny fitandremana ny fampahatsiahivan’i Jehovah.​—Levitikosy 19:16, 18; Salamo 15:1, 3.

16 Rehefa manaraka ny fampahatsiahivan’Andriamanitra isika, dia mitoetra ho masina, na voatokana ho amin’ny fanompoana azy. Ary tena zava-dehibe mihitsy ny hoe tafasaraka amin’ity tontolo ity! Tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany, dia nivavaka tamin’i Jehovah i Jesosy ka nitalaho toy izao ho an’ny mpanara-dia azy: “Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:14-17). Aoka isika hankamamy hatrany ny Tenin’Andriamanitra izay manokana antsika ho amin’ny fanompoana masina.

17. Inona no mety hitranga raha tsy miraharaha ny fampahatsiahivan’Andriamanitra isika, koa inona àry no tokony hataontsika?

17 Noho isika mpanompon’i Jehovah, dia irintsika ny hitoetra ho mendrika hanao ny fanompoana azy. Raha sanatria ka tsy miraharaha ny fampahatsiahivan’Andriamanitra anefa isika, dia mety ho resin’ny toe-tsain’ity tontolo ity izay ampirisihana ao amin’ny ankamaroan’ny resaka ataony, ny haisorany, ny fialam-boliny ary ny fitondran-tenany. Ary azo antoka fa tsy irintsika ny hanjary ho tia vola, ho mpieboebo, mpiavonavona, tsy mahay mankasitraka, mpivadika, lozabe, mafy hatoka, fatra-pirehareha, tia fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra​—raha tsy hanonona afa-tsy toetra vitsivitsy monja asehon’ireo lavitra an’Andriamanitra aza isika. (2 Timoty 3:1-5, NW). Koa satria isika efa lasa lavitra ao anatin’ny andro farany ho an’ity fandehan-javatra ratsy ity, dia aoka isika tsy hitsahatra hangataka amin’ny vavaka ny fanampian’Andriamanitra mba hahafahantsika hanaraka hatrany ireo fampahatsiahivan’i Jehovah, ka amin’izay isika dia ‘hitandrina araka ny teniny’.​—Salamo 119:9.

18. Hahatonga antsika hanao dingana hentitra inona avy ny fitandremana ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra?

18 Tsy vitan’ny hoe mampitandrina antsika ny amin’ireo zavatra tsy tokony hataontsika fotsiny ny fampahatsiahivan’i Jehovah. Hahatonga antsika hanao zavatra hentitra ny fitandremana ny fampahatsiahivany, hanosika antsika hitoky tanteraka amin’i Jehovah sy ho tia azy amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra, izy io. (Deoteronomia 6:5; Salamo 4:5; Ohabolana 3:5, 6; Matio 22:37; Marka 12:30). Manosika antsika ho tia ny mpiara-belona amintsika koa ny fampahatsiahivan’Andriamanitra. (Levitikosy 19:18; Matio 22:39). Mampiseho fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika indrindra isika rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra ka mizara amin’ny hafa ilay “fahalalana an’Andriamanitra” izay manome fiainana.​—Ohabolana 2:1-5.

Midika ho fiainana ny fitandremana ny fampahatsiahivan’i Jehovah!

19. Ahoana no azontsika ampisehoana amin’ny hafa fa mitondra vokatra tsara sy mahasoa ny fanarahana ny fampahatsiahivan’i Jehovah?

19 Raha mitandrina ny fampahatsiahivan’i Jehovah isika ka manampy ny hafa hanao toy izany koa, dia hamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika, isika. (1 Timoty 4:16). Ahoana no azontsika ampisehoana amin’ny hafa fa tena miteraka vokatra tsara sy mahasoa tokoa ny fanarahana ireo fampahatsiahivan’i Jehovah? Amin’ny fampiharantsika eo amin’ny fiainantsika ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Amin’izay ireo olona ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’ dia hanana porofo fa tena ny lalana tsara indrindra tokony harahina tokoa ny lalana voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 13:48, NW). Ho hitan’izy ireo koa fa ‘ao amintsika marina tokoa Andriamanitra’, ary ho voatosika hiaraka amintsika izy ireo eo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana.​—1 Korintiana 14:24, 25.

20, 21. Hahatonga antsika ho afaka hanao inona ny fampahatsiahivan’Andriamanitra sy ny fanahiny?

20 Rehefa manohy mianatra ny Soratra Masina sy mampihatra izay ianarantsika isika, ka manararaotra amin’ny fomba feno an’ireo fandaharana ara-panahy nataon’i Jehovah, dia hanjary ho tia fatratra ireo fampahatsiahivany isika. Raha arahina ireny fampahatsiahivana ireny, dia hanampy antsika hitafy ny “toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny tena fahamarinana sy ny tsy fivadihana marina”. (Efesiana 4:20-24, NW). Ny fampahatsiahivan’i Jehovah sy ny fanahiny masina dia hanampy antsika haneho fitiavana sy fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana sy fahalemem-panahy ary fifehezan-tena, dia toetra tsara izay tsy mitovy velively amin’ny toetran’ilay tontolo mipetraka eo ambanin’ny herin’i Satana! (Galatiana 5:22, 23, NW; 1 Jaona 5:19). Afaka ny ho velom-pankasitrahana àry isika rehefa mampahatsiahy antsika ny amin’ireo zavatra takin’i Jehovah ny fianarantsika manokana ny Baiboly sy ireo loholona voatendry, ary ireo fivoriantsika sy fivoriambentsika.

21 Noho isika mitandrina ny fampahatsiahivan’i Jehovah, dia afaka mifaly isika na dia rehefa mijaly noho ny fahamarinana aza. (Lioka 6:22, 23). Mitodika any amin’Andriamanitra isika mba hahazoana famonjena amin’ireo toe-javatra faran’izay manambana hitondra loza. Zava-dehibe indrindra izany amin’izao fotoana izao, izay hanangonana ny firenena rehetra ho “amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Haramagedona.​—Apokalypsy 16:14-16.

22. Ahoana no tokony ho fahatapahan-kevitsika mahakasika ny fampahatsiahivan’i Jehovah?

22 Tsy maintsy tia fatratra ny fampahatsiahivan’i Jehovah sy mitandrina izany amin’ny fontsika manontolo isika raha ta hahazo ny fiainana mandrakizay izay fanomezana ho an’izay tsy mendrika akory. Koa enga anie isika hanana ny toe-tsain’ilay mpanao salamo izay nihira hoe: “Ny fahamarinan’ny [fampahatsiahivanao, NW] dia mandrakizay; ampianaro aho, mba ho velona.” (Salamo 119:144). Enga anie àry isika hampiseho ilay fahatapahan-kevitra ahariharin’ny tenin’ny mpanao salamo manao hoe: “Nitaraina taminao [Jehovah] aho nanao hoe: Vonjeo aho, dia hitandrina ny [fampahatsiahivanao, NW].” (Salamo 119:146). Eny, aoka isika hanaporofo amin’ny tenintsika sy ny ataontsika fa tena tia fatratra tokoa ny fampahatsiahivan’i Jehovah isika.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no niheveran’ny mpanao salamo ny fampahatsiahivan’i Jehovah?

• Nahoana isika no mila ny fampahatsiahivan’Andriamanitra?

• Inona no anjara asan’ireo fivoriantsika raha ny mahakasika ny fampahatsiahivan’Andriamanitra?

• Amin’ny ahoana ny fampahatsiahivan’i Jehovah no mahatonga antsika ho tafasaraka amin’ity tontolo ity?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Tia fatratra ny fampahatsiahivan’i Jehovah ny mpanao salamo

[Sary, pejy 16, 17]

Tapa-kevitra ny tsy hanapaka fivoriana mihitsy ve ianao, ho fanarahana ny ohatr’i Ana?

[Sary, pejy 18]

Ny fanarahana ny fampahatsiahivan’i Jehovah dia manokana antsika ho madio sy ho mendrika hanao ny fanompoana azy