Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Mahalala ny ho Ampitso Hianareo”

“Tsy Mahalala ny ho Ampitso Hianareo”

Tantaram-piainana

“Tsy Mahalala ny ho Ampitso Hianareo”

NOTANTARAIN’I HERBERT JENNINGS

“Teny an-dalana hiverina ho any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Ghana aho, avy tany amin’ny tanàna seranan’i Tema, ary nijanona mba handray tovolahy iray nitady fiara ho any an-drenivohitra. Nohararaotiko io fahafahana io mba hitoriana taminy. Noheveriko fa nataoko tsara ilay fitoriana! Kanjo nitsambikina nivoaka ny fiara sy vaky nandositra io tovolahy io rehefa tody teo amin’ilay toerana halehany izahay.”

AZOKO an-tsaina tamin’io zava-nitranga io fa nisy zavatra hafahafa nahazo ahy. Alohan’ny hitantarako izay nitranga, dia aoka holazaiko aminareo ny fomba nahatongavako tany Ghana, na dia Kanadianina aza aho.

Tapaky ny Desambra 1949 tamin’izay, any amin’ny faritanàna manamorona an’i Toronto, Kanada. Vao avy nandavaka tany mivaingana toy ny ranomandry, nisy iray metatra teo ho eo izahay, mba hanaovana fantson-drano ho an’ny trano vaovao iray. Nangatsiaka sy reraka ny antoko-mpiasa nisy anay, ka nitangorona nitanina afo kitay teo am-piandrasana ny kamiao haka anay. Tampoka teo, i Arnold Lorton, iray tamin’ireo mpiasa, dia nanomboka nilaza zavatra momba ny “ady sy filazana ady”, “ny faran’izao tontolo izao” ary nampiasa teny hafa mbola tsy fandreko mihitsy. Nangina tampoka ny rehetra, nanjary sanganehana, ary ny sasany aza nampiseho fankahalana azy. Tsaroako aho nieritreritra hoe: ‘Be herim-po koa ilay zalahy ity! Efa tsy misy te hihaino azy eto, nefa mbola miteny ihany izy.’ Nanaitra mafy ahy anefa izay nolazainy. Taona vitsivitsy monja taorian’ny Ady Lehibe Faharoa tamin’izay, ary mbola tsy nahare zavatra toy izany mihitsy aho tao amin’ny fivavahana Kristadelfianina, nisy ny fianakaviako efa hatramin’ny taranaka maro. Nihaino tamim-pitandremana aho, variana tamin’ny fanazavany.

Tsy ela aho dia nanatona an’i Arnold mba hahazoana fanazavana fanampiny. Rehefa mitodika ny lasa aho dia takatro fa tena nandefitra sy tsara fanahy tamiko izy sy i Jean vadiny, dia izaho izay 19 taona, mbola tsy nahita fiainana. Matetika aho no tonga tany an-tranon’izy ireo mba hiresaka taminy, nefa tsy nampilaza mialoha sady tsy nasaina. Nahitsin’izy ireo ny fomba fisainako, ary nampiany aho mba hahay hanavaka ny anton’ilay fifanoherana fari-pitsipika sy fitsipi-pitondran-tena izay nifamahofaho tao an-tsaiko tanora. Folo volana taorian’iny zava-nitranga voalohany teo akaikin’ny afo amoron-dalana iny, tamin’ny 22 Oktobra 1950, dia natao batisa aho, ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanjary nifandray tamin’ny Kongregasiona Willowdale, any North York, anisan’i Toronto ankehitriny.

Miara-mandroso amin’ireo mpiara-manompo

Nihahenjana hatrany ny fiainana tao an-trano rehefa takatry ny raiko fa tapa-kevitra ny hanaraka ny finoako vaovao aho. Vao avy niharan-doza tamin’ny fifandonam-piarakodia noho ny nataon’ny mpamily mamo iray mantsy i Dada, ka matetika no sarotra nifandraisana. Sarotra ny fiainana ho an’i Neny sy ireo rahalahiko roa ary ireo anabaviko roa. Nihamafy be ny fanoherana ny fahamarinana ara-baiboly. Koa tamiko, dia toa fanehoam-pahamalinana ny fialana tao an-trano mba hitandrovana ny fihavanana tamin’ireo ray aman-dreniko, sy mba hijoroako amin’ny “làlan’ny fahamarinana”. — 2 Petera 2:2.

Tamin’ny faramparan’ny fahavaratra 1951, dia tonga tao amin’ny kongregasiona kely tany Coleman, any Alberta aho. Tovolahy roa no tao, dia i Ross Hunt sy i Keith Robbins, be natao teo amin’ny asa fitoriana ampahibemaso manontolo andro, fantatra tamin’ny hoe mpisava lalana maharitra. Nanampy izy ireo mba hitarihana ahy ho amin’io fanompoana an-tsitrapo io. Nanatevin-daharana an’ireo mpitory mpisava lalana maharitra aho, tamin’ny 1 Martsa 1952.

Fahatsiarovana mamy ho ahy ny fampaherezana azoko. Nanan-javatra betsaka hianarana aho, ary teo no toerana nanaovako fanandramana. Tatỳ aoriana, rehefa avy nandany herintaona teo ho eo tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana aho, niaraka tamin’ny Kongregasiona Lethbridge, any Alberta, dia nahazo fanasana tsy nampoizina mba hanompo amin’ny maha mpiandraikitra mpitety faritany. Hitsidika ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah miparitaka manaraka ny morontsiraka atsinanan’i Kanada aho, manomboka eo Moncton, New Brunswick, ka hatrany Gaspé, Québec.

Vao 24 taona monja aho, sady vaovao ihany tao amin’ny fahamarinana, hany ka nahatsiaro ho tsy nahay, indrindra raha noharina tamin’ireo Vavolombelona matotra hotsidihiko. Nanao ezaka tamim-pahatsorana aho nandritra ireo volana maromaro nanaraka. Nisy zavatra tsy nampoizina hafa nitranga indray tamin’izay.

Sekolin’i Gileada sy fandehanana tany Côte de l’Or

Tamin’ny Septambra 1955 aho dia nasaina mba hiaraka tamin’ny mpianatra hafa tokony ho zato, tao amin’ny kilasy faha-26 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tany South Lansing, New York. Tao amin’ny nilako azy indrindra ireo dimy volana nandraisana fampiofanana sy fampianarana mafonja. Vao mainka nihanatanjaka ny hafanam-poko niaraka tamin’io antokona mpianatra be risi-po io. Nandritra io fotoana io dia nisy fitrangan-javatra iray mbola mandravaka ny fiainako mandraka ankehitriny.

Nisy anabavy tanora iray natao hoe Aileen Stubbs, anisan’ireo mpianatra niomana ho amin’ny asa misionera. Olona tsy miovaova hevitra sy mahay manao zavatra amin’ny fomba mandaitra sy araka ny zava-misy, sady tsy tia sehoseho no falifaly lava, no nahitako an’i Aileen. Angamba nampahatahotra azy aho rehefa nilaza taminy nivantana be ny fikasako. Tsy nandositra anefa izy! Nifanaiky izahay fa handeha ho any Costa Rica, toerana nanendrena azy ho misionera i Aileen, ary izaho kosa ho any Côte de l’Or (Ghana ankehitriny), any Afrika Andrefana.

Indray maraina tamin’ny May 1956, dia tonga tao amin’ny biraon’ny rahalahy Nathan Knorr, tany Brooklyn, New York, tany amin’ny rihana fahiraika ambin’ny folo aho. Prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower izy tamin’izay. Notendrena ho mpikarakara ny sampana aho, mba hanara-maso ny asa fitoriana tany Côte de l’Or, Togoland (Togo ankehitriny), Ivory Coast (Côte d’Ivoire ankehitriny), Haute Volta (Burkina Faso ankehitriny), ary Gambia.

Tadidiko ny tenin’ny rahalahy Knorr, izay toy ny hoe vao omaly no noteneniny. “Tsy voatery tonga dia handray andraikitra avy hatrany ianao”, hoy izy. “Makà fotoana tsara; mianara avy amin’ireo rahalahy za-draharaha any. Avy eo, rehefa mahatsiaro ho vonona ianao, dia tokony hanomboka hanompo amin’ny maha mpikarakara ny sampana amin’izay. (...) Inty ny taratasy fanendrena anao. Fito andro aorian’ny hahatongavanao, dia tokony handray andraikitra ianao.”

‘Fito andro fotsiny’, hoy ny eritreritro. ‘Ary ahoana ilay hoe “makà fotoana tsara”?’ Tankina aho niala teo.

Nandeha haingana ireo andro vitsivitsy nanaraka. Tsy ela aho dia indro fa nijoro teo amin’ny lavarangan’ny sambo iray mpitondra entana, nisosa nanaraka ny East River, nandalo ny biraon’ny Fikambanana ao Brooklyn, nanomboka ny dia an-dranomasimbe haharitra 21 andro, ho any Côte de l’Or.

Nomenay sy i Aileen asa be ny paositra. Nihaona indray izahay tamin’ny 1958, ary nivady tamin’ny 23 Aogositra tamin’io taona io. Tsy nanadino ny nisaotra an’i Jehovah na oviana na oviana aho, noho ny namana tsara dia tsara toa azy.

Nandritra ny 19 taona, dia nankasitrahako ny tombontsoa nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana, niaraka tamin’ireo misionera namana sy ireo rahalahiko sy anabaviko afrikanina. Nitombo ny mpianakavin’ny Betela, satria vitsy kely izy tamin’ny voalohany, nefa lasa tokony ho 25 tamin’io fotoana io. Fotoana feno zava-tsarotra sy zava-nitranga ary nahitam-bokatra ireny taminay. Aoka anefa hotsoriko ny marina. Hitako manokana ho tena zava-tsarotra lehibe ny toetr’andro mafana sy mando. Toy ny tsemboka foana aho, mandomando sy maditidity lava, ary indraindray dia mora sosotra. Tena fifaliana anefa ny nanompo, satria nitombo ny isanay tany Ghana; 6 000 ny mpitory ilay Fanjakana tamin’ny 1956, ka tonga 21 000 tamin’ny 1975. Ary fahafinaretana avo roa heny ny mahita Vavolombelona maherin’ny 60 000 miasa any izao.

“Ampitso” tsy nampoizinay

Nanomboka nahita zava-manahirana ara-pahasalamana, tena saro-pantarina aho, tamin’ny 1970 tany ho any. Nanao fizaham-pahasalamana feno aho, nefa nilazana fotsiny hoe “salama tsara”. Koa nahoana àry aho no nahatsiaro tena ho marisarisa sy ho torovana mafy ary ho tsy afa-bizana foana? Zavatra roa no nanome ny valiny, ary tena nanaitra ny fahatongavany. Marina tokoa ny nosoratan’i Jakoba hoe: “Tsy mahalala ny ho ampitso hianareo”. — Jakoba 4:14.

Ny voalohany dia ilay zava-nitranga tamin’ilay tovolahy nitoriako, fony izy nentiko nankany an-drenivohitra. Tsy takatro mihitsy fa niteny tsy an-kijanona aho, ary niteny haingana kokoa sy amin-kafanam-po kokoa, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Taitra aho rehefa nitsambikina nivoaka ny fiara sy vaky nandositra io tovolahy io, rehefa tody teo amin’ilay toerana halehany izahay. Ny ankamaroan’ny ghaneanina dia olona tsy mora taitra sy tony, ary tsy mora tezitra. Tsy nifanaraka tamin’izany mihitsy ny fihetsik’ilay tovolahy. Nipetraka teo aho nieritreritra lalina. Takatro fa nanan-java-manahirana aho. Tsy fantatro marina hoe inona ilay izy. Nefa tena nanan-java-manahirana aho.

Faharoa, taorian’ny dinidinika nanaovana fandinihan-tena lalina, dia nanipy hevitra i Aileen hoe: “Raha tsy ara-batana io zava-manahirana io, dia tokony ho ara-tsaina.” Nosoratako tamim-pitandremana àry ny soritr’aretina rehetra hitako, ary nandeha tany amin’ny mpitsabo aretin-tsaina aho. Rehefa novakiko taminy ilay lisitra nataoko, dia hoy ny navaliny: “Toe-javatra mpitranga izany. Voan’ny psychose maniaco-dépressive ianao.”

Ankona aho! Niharatsy kokoa hatrany ny tarehin-javatra rehefa niezaka mafy hiady aho nandritra ireo roa taona nanaraka. Nitady vahaolana foana aho, nefa tsy nisy tena nahafantatra izay tokony hatao. Tena hita ho ady nahakivy ilay izy!

Fikasanay foana ny hifikitra hatrany tamin’ny tombontsoam-panompoana manontolo andro ho toy ny asanay teo amin’ny fiainana, ary mbola betsaka ny zavatra nilaina natao. Nanao vavaka imbetsaka tamim-pahatsorana sy tamin-kafanam-po aho hoe: “Jehovah ô, raha sitraponao, ‘ka velona aho, dia hataoko izao’.” (Jakoba 4:15). Tsy izany anefa no nitranga. Niatrika ny zava-misy àry izahay, ka nandamin-javatra handao an’i Ghana sy ireo namanay akaiky maro be, ka niverina teto Kanada tamin’ny Jona 1975.

Manome fanampiana amin’ny alalan’ny vahoakany i Jehovah

Tsy ela dia nanjary fantatro fa tsy olona tena ilaina dia ilaina aho, sady tsy izaho irery no manana ilay zava-manahirana. Nanjary nisy heviny tamiko ireo tenin’ny 1 Petera 5:9 hoe: “[Fantaro] fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.” Rehefa takatro izany, dia nanomboka hitako ny fomba tena nanohanan’i Jehovah anay roa, na dia teo aza io fiovana tsy nirina io. Tena nahafinaritra fa tonga nanampy anay tamin’ny fomba maro ny ‘fitambaran-drahalahy’!

Tsy nanary anay i Jehovah, na dia tsy nanan-javatra ara-nofo betsaka aza izahay. Nanosika ireo namanay tany Ghana izy mba hanampy anay tamin’ny lafiny ara-nofo sy tamin’ny fomba hafa. Nifamahofaho be ihany ny fihetseham-ponay nandao ireo izay nanjary tianay, sy nanomboka niatrika io “ampitso” tsy nampoizina io.

Nampiantrano anay tamin-katsaram-panahy ny rahavavin’i Aileen, dia i Lenora sy i Alrin Friesen vadiny, izay nikarakara tamim-pahalalahan-tanana ny zavatra nilainay, nandritra ny volana maromaro. Nilaza tamin-toky ny mpitsabo aretin-tsaina iray hoe: “Ho sitrana ianao rehefa afaka enim-bolana.” Nilaza izany angamba izy mba hahatonga ahy hatoky tena, nefa tsy tanteraka ilay filazany, na dia rehefa afaka enin-taona aza. Mandraka ity ny androany, dia mbola miady amin’izy io ihany aho. Io ilay antsoina amim-pahalalam-pomba ankehitriny hoe aretin’ny fihetseham-po roa sosona. Azo antoka fa anarana feno hatsaram-panahy kokoa izany, nefa fantatr’ireo izay voan’izy io tsara fa tsy manamaivana kely akory ireo soritr’aretina mafy be ny anarana feno hatsaram-panahy kokoa.

Tokony ho tamin’izay ny rahalahy Knorr dia efa voan’ny aretina iray izay nahafaty azy tamin’ny Jona 1977. Na izany aza, dia nahita fotoana sy hery izy, mba hanoratana taratasy lava sy mampahery misy teny mampionona sy torohevitra ho ahy. Mbola ankafiziko foana ireny taratasy ireny. Tena nanampy tokoa ireo teniny mba hampitonena ilay fihetseham-po adaladala tsy nitsaha-nipongatra, dia ilay fiheveran-tena ho tsy nahomby.

Tamin’ny faran’ny 1975, dia tsy maintsy nafoinay ny tombontsoanay sarobidy nanompo manontolo andro, ary tsy maintsy nifantoka tamin’ny fikarakarana ny fahasalamako izahay. Nankarary ny masoko ny hazavana mahazatra mandritra ny andro. Ny feo maranitra tampoka dia nanako toy ny poa-basy. Nanafotra ahy ny vahoaka mifamoivoy. Tena ady mafy na dia ny fanatrehana ireo fivoriana kristianina fotsiny aza. Na izany aza, dia niaiky tanteraka aho fa sarobidy ny fifaneraserana ara-panahy. Mba hiatrehako izany, dia mazàna aho no niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana, rehefa nipetraka daholo ny olona; ary niala aho, talohan’ny tabataba amin’ny faran’ny fandaharana.

Zava-tsarotra lehibe hafa iray ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso. Indraindray, rehefa tonga teo amin’ny trano iray aho, dia tsy nanana herim-po hampanenoana ny lakolosim-baravarana akory. Tsy niala anefa aho, satria takatro fa ny fanompoantsika dia midika ho famonjena ho an’ny tenantsika sy ho an’izay mandray tsara. (1 Timoty 4:16). Rehefa afaka kelikely, dia afaka nifehy ny fihetseham-poko aho, nankamin’ny varavarana manaraka, ary nanandrana indray. Noho ny fanohizako nandray anjara tamin’ny fanompoana, dia nihazona fahasalamana ara-panahy araka ny antonony aho, ary izany dia nampitombo ny fahafahako miaritra.

Koa satria aretina mitaiza ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona, dia nanjary takatro fa tsy hiala amin’ny fiainako mandritra ity fandehan-javatra ankehitriny ity io aretina io. Tamin’ny 1981 dia nisy fitohitohizan-dahatsoratra tsara dia tsara niseho tao amin’ny Mifohaza! * Noho ireny, dia nanomboka takatro tsara kokoa ny toetran’io aretiko io, ary nianatra teknika mandaitra kokoa aho mba hiatrehana azy io.

Fianarana hiatrika

Tsy maintsy nisy sorona sy fanitsiana nataon’ny vadiko tamin’izany rehetra izany. Raha mpiandry marary tamin’ny tarehin-javatra toy izany ianao, dia azo inoana fa hankasitraka ny fanamarihany:

“Toa mitondra fiovana tampoka eo amin’ny toetra ny fikorontanan’ny toe-po. Ao anatin’ny ora vitsivitsy, ilay marary dia mety ho olona velombelona sy mampahery manana fikasana sy hevitra vaovao, nefa avy eo dia lasa olona reraka sy mpijery lafy ratsin-javatra, na olona tezitra mihitsy aza. Raha tsy ekena ho aretina izany, dia mety hahatonga ny hafa ho tezitra sy ho gaga tanteraka. Mazava ho azy fa tsy maintsy ovana haingana ireo fikasana, ary manomboka ny ady manokana atao amin’ny fahatsiarovan-tena ho diso fanantenana na nolavina.”

Raha ny amiko, rehefa mahatsiaro tena ho faran’izay tsara aho, dia manjary manahy. Fantatro avy hatrany fa filentehana ao anatin’ny “fahakiviana be” no manaraka ny “faharavoana be”. Amin’ny tarehin-javatra misy ahy, dia aleo “fahakiviana be” toy izay “faharavoana be”, satria matetika no mihazona ahy tsy hihetsika mandritra ny andro maromaro ny fahakiviana be, ary tsy azo inoana ho afaka hanao zavatra tsy mety aho. Manampy betsaka i Aileen amin’ny fampitandremana ahy rehefa mientanentana loatra aho, sy amin’ny fampiononana sy fanohanana ahy rehefa manjonitra be aho.

Tena mampidi-doza ny hoe manjary variana irery tsy misy na iza na iza, rehefa mihetsika be ilay aretina. Mety tsy hila na iza na iza mihitsy ny olona iray ao anatin’ny fahaketrahana, na mety hanjary tsy hahatakatra ny fihetseham-po sy ny fihetsiky ny hafa, mandritra ny fotoana mampientanentana loatra. Sarotra tamiko taloha ny nanaiky ny porofo hoe manan-java-manahirana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po aho. Tsy maintsy niadiako ny eritreritra hoe zavatra avy any ivelany, toy ny hoe tetik’asa tsy nety na ny olon-kafa, no niteraka ilay zava-manahirana. Matetika aho no tsy maintsy nampahatsiahy ny tenako hoe: ‘Tsy nisy na inona na inona niova nanodidina ahy. Avy ato anatiny ilay zava-manahirana, fa tsy avy any ivelany.’ Niova tsikelikely ny fomba fisainako.

Rehefa nandeha ny taona, dia samy nianatra ny tsy hisalasala hiresaka sy hitsotra tamin’ny tenanay sy tamin’ny hafa momba ny aretiko izahay. Niezaka mafy izahay mba hihazona toe-tsaina mijery lafy tsaran-javatra, ary tsy namela ilay aretina hifehy ny fiainanay.

“Ampitso” iray tsara kokoa

Nandray soa tamin’ny fitahiana sy ny fanohanan’i Jehovah izahay, tamin’ny alalan’ny vavaka tamin-kafanam-po sy ny fikelezana aina maro. Samy efa be taona izahay ankehitriny. Arahin’ny dokotera maso tsy tapaka aho, mampiasa fanafody antonontonony ihany, nefa tsy tapaka, ary tsy dia miovaova firy ny fahasalamako. Ankasitrahanay izay tombontsoam-panompoana azonay ananana. Manohy manompo amin’ny maha loholon’ny kongregasiona aho. Miezaka foana izahay hanohana ny hafa ao amin’ny finoana.

Marina ny nolazain’ny Jakoba 4:14 hoe: “Tsy mahalala ny ho ampitso hianareo.” Ho marina foana izany raha mbola misy koa ity fandehan-javatra ity. Marina koa anefa ny lazain’ny Jakoba 1:12 hoe: “Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy.” Enga anie isika rehetra hiorina mafy ankehitriny, ary hahazo ireo fitahiana tahirizin’i Jehovah ho an’ny ampitso.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 35 Jereo ireo lahatsoratra hoe “Vous pouvez surmonter vos problèmes”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 Novambra 1981; sy hoe “Vos armes contre la dépression”, ao amin’ny nomeraon’ny 8 Desambra 1981 (frantsay); ary ny hoe “Traitements médicaux contre la dépression grave”, ao amin’ny nomeraon’ny 22 Janoary 1982 (frantsay).

[Sary, pejy 26]

Fitoerana irery ao amin’ny trano fanaovako zavakanto

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Aileen, vadiko

[Sary, pejy 28]

Tamin’ilay Fivoriambe hoe “Vaovao Tsara Mandrakizay”, natao tany Tema, Ghana, tamin’ny 1963