Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Mino Izany ve Ianao?

Tsy Maintsy Mino Izany ve Ianao?

Tsy Maintsy Mino Izany ve Ianao?

MIEZAKA mafy hahatakatra ireo fitsipika fototra amin’ny alzebra ilay mpianatra 12 taona. Nasehon’ny mpampianatra azy tamin’ilay kilasy ny kajy alzebrika toa mazava be iray.

“Aoka hatao hoe x=y ka hatao hoe samy manana sanda 1 avy izy ireo”, hoy izy nanomboka.

‘Azoko aloha hatramin’izao’, hoy ny eritreritr’ilay mpianatra.

Taorian’ny andalana efatra nanaovana kajy toa lojika anefa, dia namoaka valiny nanaitra ilay mpampianatra: “Noho izany: 2=1!”

“Porofoy raha diso izany”, hoy izy nihaika ireo mpianatra very hevitra.

Tsy hitan’ilay mpianatra tanora ny fomba hanaporofoana izany ho diso, noho izy mbola tsy mahalala firy momba ny alzebra. Toa marina tsy azo lavina daholo ny dingana rehetra tamin’ilay kajy. Tokony hino an’io fanatsoahan-kevitra hafahafa io àry ve izy? Raha dinihina tokoa, dia mahay matematika lavitra noho izy ny mpampianatra azy. Mazava ho azy fa tsy tokony hino izany izy! ‘Tsy voatery hanaporofo an’io ho diso aho’, hoy izy anakampo. ‘Ny fahaiza-mitsara zavatra no milaza amiko hoe tsy ara-dalàna izany.’ (Ohabolana 14:15, 18). Fantany fa tsy hisy hanakalo ariary roa amin’ny ariary mihitsy na ny mpampianatra azy na ny mpiara-mianatra aminy!

Hitan’ireo mpianatra alzebra ny fahadisoana tao amin’ilay kajy, rehefa nandeha ny fotoana. Nampianatra azy zava-tsarobidy ilay zavatra niainany tamin’izay. Na dia misy olona iray manam-pahalalana be lavitra aza mampiseho hevitra voarindra tamim-pitandremana sy toa tsy azo ravana, dia tsy voatery hino fanatsoahan-kevitra feno hadalana ny mpihaino iray, satria fotsiny hoe tsy hainy amin’io fotoana io ny manaporofo azy io fa diso. Raha ny marina, ilay mpianatra dia nanaraka foto-pitsipika ara-baiboly iray tena azo ampiharina, hita ao amin’ny 1 Jaona 4:1​—dia ny tsy hinoana maimaika loatra izay zava-drehetra renao, na dia toa avy amin’olona mahay zavatra aza ilay izy.

Izany akory tsy midika fa tokony hanao di-doha hifikitra amin’ny hevitra efa inoanao ianao. Fahadisoana ny tsy mandray fanazavana izay afaka manitsy fomba fijery diso. Tsy tokony “halaky hohetsiketsehina amin’ny saina” koa anefa ianao, manoloana ny faneren’ny olona iray izay milaza ho manam-pahalalana be na fahefana be. (2 Tesaloniana 2:2). Mazava ho azy fa sangisangy fotsiny no nataon’ilay mpampianatra tamin’ireo mpianany. Tsy zavatra natao tamim-pahatsorana toy izany anefa no mitranga indraindray. Ny olona dia mety ho faran’izay ‘fetsy ratsy eo amin’ny famoronana hevi-diso’.​—Efesiana 4:14, NW; 2 Timoty 2:14, 23, 24.

Marina foana ve ny lazain’ireo manam-pahaizana?

Mety hanana hevitra mifanohitra na miovaova ireo manam-pahaizana samihafa na dia mahay toy inona aza. Raiso, ohatra, ny adihevitra mitohy amin’ny siansa ara-pitsaboana, momba ny zavatra fototra toy ny anton’ny aretina. “Fototry ny adihevitra mafana eo amin’ireo mpahay siansa ny hoe zava-dehibe ihany eo amin’ny fisian’ny aretina ny fifanoheran’ny toetra namoronana antsika sy ny zavatra iainantsika etỳ ivelany”, hoy ny nosoratan’ny mpampianatra momba ny fitsaboana, ao amin’ny Oniversiten’i Harvard. Ireo ao amin’ilay antsoina hoe andanin’ny mpino ny tsy azo ihodivirana dia mino mafy fa manana anjara lehibe eo amin’ny mety hahatonga antsika ho voan’ny aretina samihafa ny fototarazontsika. Ny hafa kosa milaza fa ny tontolo iainana sy ny fomba fiaina no anton-javatra lehibe mahatonga ny aretina. Samy mailaka manonona fanadihadiana sy antontan’isa ireo andaniny roa ireo, mba hanohanana ny heviny. Mbola mitohy ihany anefa ilay adihevitra.

Imbetsaka no voaporofo fa diso ireo filozofa malaza indrindra, na dia toa tsy azo niadian-kevitra aza ny zavatra nampianariny, tamin’ny androny. Lazalazain’i Bertrand Russell, filozofa, ho iray tamin’ireo “nanan-kery indrindra tamin’ny filozofa rehetra”, i Aristote. Nomarihin’i Russell koa anefa fa maro amin’ireo foto-pampianaran’i Aristote no “diso tanteraka”. “Nandritra ny tantara maoderina rehetra”, hoy ny nosoratany, “dia saika izay fandrosoana rehetra natao teo amin’ny siansa, na ny lojika, na ny filozofia no voatery niatrika fanoherana mivantana avy amin’ny mpianatr’i Aristote.”​—History of Western Philosophy.

“Fahalalana kanjo tsy izy”

Azo inoana fa nifanehatra tamin’olona maro mpianatr’ireo filozofa grika fanta-daza, toa an’i Socrate sy i Platon ary i Aristote, ireo Kristianina voalohany. Nihevi-tena ho ambony teo amin’ny fahaizana noho ny ankamaroan’ny Kristianina, ireo olona nahita fianarana tamin’izany. Vitsy tamin’ireo mpianatr’i Jesosy no noheverina ho “olon-kendry araka ny nofo”. (1 Korintiana 1:26). Raha ny marina, dia noheverin’ireo nahay filozofia tamin’izany andro izany ho “fahadalana” ny zavatra ninoan’ireo Kristianina.​—1 Korintiana 1:23.

Raha anisan’ireo Kristianina voalohany ireo ianao, ho niaiky volana tamin’ireo hevitra mandresy lahatr’ireo avara-pianarana tamin’izany andro izany ve ianao, sa ho nitolagaga tamin’ny fampideraderany fahendrena? (Kolosiana 2:4). Tsy nisy antony tokony ho nanaovana izany, araka ny apostoly Paoly. Nampahatsiahiviny an’ireo Kristianina fa heverin’i Jehovah ho fahadalana “ny fahendren’ny hendry” sy ny “fahalalan’ny mahalala”. (1 Korintiana 1:19). “Mba diniho ange”, hoy izy nanontany, “hoe inona no azon’ny filozofa sy mpanoratra ary mpanao tsikera eto amin’ity tontolo ity aseho, na dia eo aza ny fahendrena rehetra ananany e?” (1 Korintiana 1:20, Phillips). Na dia teo aza ny fahaizan’ireo filozofa sy mpanoratra ary mpanao tsikera tamin’ny andron’i Paoly, dia tsy nanana tena vahaolana ho an’ireo zava-manahirana ny olombelona, izy ireo.

Ny Kristianina àry dia nianatra nanalavitra izay nolazain’ny apostoly Paoly hoe “fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy”. (1 Timoty 6:20). Ny antony niantsoan’i Paoly ny fahalalana hoe ‘tsy izy’, na diso, dia noho izy io tsy ampy lafin-javatra iray tena lehibe​—loharano na loharanon-kevitra avy tamin’Andriamanitra, izay azo nitsapana ny petra-kevitr’izy ireo. (Joba 28:12; Ohabolana 1:7). Tsy afaka manantena na oviana na oviana ny hahita ny fahamarinana ireo manaiky ny fahalalana toy izany, satria sady tsy manana io anton-javatra lehibe io izy ireo, no mbola hajambain’i Satana ilay mpamitaka raindahiny koa.​—1 Korintiana 2:6-8, 14; 3:18-20; 2 Korintiana 4:4; 11:14; Apokalypsy 12:9.

Ny Baiboly​Mpitari-dalana ara-tsindrimandry

Tsy nisalasalan’ireo Kristianina tany am-boalohany mihitsy ny hoe nahariharin’Andriamanitra tao amin’ny Soratra Masina ny sitrapony sy ny fikasany ary ny foto-pitsipiny. (2 Timoty 3:16, 17). Niaro azy ireo izany mba tsy ‘hahalasa azy ireo ho babon’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana’. (Kolosiana 2:8). Toy izany koa ny tarehin-javatra amin’izao andro izao. Mifanohitra amin’ireo hevitr’olombelona mampisafotofoto sy mifanipaka, ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia manome fototra mafy azontsika anorenana ny finoantsika. (Jaona 17:17; 1 Tesaloniana 2:13; 2 Petera 1:21). Raha tsy misy azy io isika, dia ho ao anatin’ny tarehin-javatra tsy azo ivoahana toy ny fanandramana hanorina zavatra mafy eo ambonin’ny fasika miovaovan’ny teoria sy filozofian’olombelona.​—Matio 7:24-27.

‘Andraso aloha’, hoy angamba ny olona iray. ‘Fa angaha moa tsy marina fa nasehon’ny siansa hoe diso ny Baiboly, ka noho izany dia tsy azo itokisana kokoa noho ny filozofian’olombelona miovaova?’ Nilaza, ohatra, i Bertrand Russell, fa “tsy maintsy niady tamin’i Aristote sy ny Baiboly i Copernic sy i Kepler ary i Galilée, rehefa nanaporofo ilay hevitra hoe ny tany no foiben’izao rehetra izao”. (Izahay no manao sora-mandry.) Ary tsy marina ve ankehitriny, ohatra, fa manizingizina ny mpino ny famoronana hoe noforonina tao anatin’ny enina andro nisy 24 ora avy ny tany, araka ny ampianarin’ny Baiboly, nefa ny zava-drehetra dia mampiseho fa efa an’arivo tapitrisany taona maro ny tany?

Raha ny marina, dia tsy milaza ny Baiboly hoe ny tany no foiben’izao rehetra izao. Izany dia fampianaran’ny mpitondra fiangonana, izay tsy nanaraka ny Tenin’Andriamanitra. Azo inoana ho efa an’arivo tapitrisany taona maro ny tany, araka ny fitantaran’ny Genesisy momba ny famoronana, ary tsy ferany ho andro iray 24 ora ny andro famoronana tsirairay. (Genesisy 1:1, 5, 8, 13, 19, 23, 31; 2:3, 4). Asehon’ny fandinihana amim-pahamarinana ny Baiboly fa, na dia tsy boky momba ny siansa aza izy io, dia azo antoka fa tsy “fahadalana”. Mifanaraka tanteraka amin’ny siansa voaporofo izy io, raha ny marina. *

Ny “fahaiza-misaina”

Nanana fitaovana hafa avy tamin’Andriamanitra ireo mpianatr’i Jesosy, na dia lehilahy sy vehivavy tsotra aza ny ankamaroany, ary angamba tsy nahita fianarana firy. Nomena fahaiza-misaina izy ireo, na nanao ahoana na nanao ahoana fiaviany. Nampirisihin’ny apostoly Paoly ireo Kristianina namany mba hampiasa amin’ny fomba feno ny ‘fahaizany misaina’, mba ‘ho ny tenany mihitsy no hanamarina fa tsara sy azo ekena ary lavorary ny sitrapon’Andriamanitra’.​—Romana 12:1, 2, NW.

Noho ny “fahaiza-misaina” nomen’Andriamanitra an’ireo Kristianina tany am-boalohany, dia hitan’izy ireo mazava fa tsy misy ilana azy izay mety ho filozofia na fampianarana tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra efa voambara. Indraindray ireo olon-kendry tamin’ny andron’izy ireo dia ‘nisakana ny fahamarinana’, ka ninia tsy nijery ireo porofo nanodidina azy ny amin’ny fisian’Andriamanitra. “Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. Noho izy ireo nanda ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, dia “tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto”.​—Romana 1:18-22; Jeremia 8:8, 9.

Mazàna ireo milaza tena ho hendry no tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra toy ny hoe “Tsy misy Andriamanitra”, na “Tsy tokony hitokisana ny Baiboly”, na “Tsy ‘andro farany’ izao”. Fahadalana eo imason’Andriamanitra ny hevitra toy izany, toy ny fanatsoahan-kevitra hoe “2=1”. (1 Korintiana 3:19). Na inona na inona fahefana mety hihamboan’ny olona fa ananany, dia tsy voatery hanaiky ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo ianao raha toa izany ka manohitra an’Andriamanitra, sy minia tsy miraharaha ny Teniny, ary mifanohitra amin’ny fahaiza-mitsara zavatra. Rehefa dinihina, dia izao foana no lalam-pahendrena: “Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga”.​—Romana 3:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Mba hahitana tsipiriany, dia jereo ilay boky hoe Ny Baiboly: Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, sy ilay hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?, samy natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Sary, pejy 31]

Manome fototra mafy ho an’ny finoana ny Baiboly, fa tsy toy ny hevitr’olombelona miovaova

[Sary nahazoan-dalana]

Ankavia: Épicure: Photograph taken by courtesy of the British Museum; ambony afovoany: Platon: National Archaeological Museum, Athens, Greece; ankavanana: Socrates: Roma, Musei Capitolini