Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Hampiorina Anao ny Fitiavana

Aoka Hampiorina Anao ny Fitiavana

Aoka Hampiorina Anao ny Fitiavana

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra”.​—MATIO 22:37.

1. a) Inona avy no zavatra sasany ambolen’ny Kristianina? b) Iza amin’ireo no toetra kristianina lehibe indrindra, ary nahoana?

MAMBOLY zavatra maro ny Kristianina mba hahatonga azy ho mpitory mahita vokatra. Asongadin’ny bokin’ny Ohabolana ny hasarobidin’ny fahalalana sy ny fahatakarana hevi-javatra ary ny fahendrena. (Ohabolana 2:1-10). Noresahin’ny apostoly Paoly fa ilaina ny finoana mafy orina sy ny fanantenana matanjaka. (Romana 1:16, 17; Kolosiana 1:5; Hebreo 10:39). Tena ilaina koa ny fiaretana sy ny fifehezan-tena. (Asan’ny Apostoly 24:25; Hebreo 10:36). Misy anefa toetra iray, izay raha sanatria tsy eo, dia mampihen-danja ireo toetra hafa rehetra ireo, ary mety hahatonga azy ireo ho tsy misy vidiny mihitsy aza. Tsy inona akory io toetra io fa ny fitiavana.​—1 Korintiana 13:1-3, 13.

2. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa zava-dehibe ny fitiavana, ary mampipoitra fanontaniana inona avy izany?

2 Nasehon’i Jesosy fa zava-dehibe ny fitiavana, tamin’ny nilazany hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Koa satria marika famantarana ny Kristianina marina ny fitiavana, dia mila mametraka ireto fanontaniana ireto isika: Inona no atao hoe fitiavana? Nahoana izy io no tena ilaina tokoa, ka nahatonga an’i Jesosy hilaza fa, ambonin’ny toetra hafa rehetra, dia io no hampiavaka ny mpianany? Ahoana no azontsika ambolena fitiavana? Iza no tokony hanehoantsika fitiavana? Andeha hodinihintsika ireo fanontaniana ireo.

Inona no atao hoe fitiavana?

3. Ahoana no azo ilazalazana ny fitiavana, ary nahoana ny saina sy ny fo no tafiditra amin’ny fitiavana?

3 Fomba iray ilazalazana ny fitiavana ny hoe ‘fahatsapana firaiketam-po manokana sy mafana, na firaiketam-po lalina, fankamamiana fatratra olona hafa iray’. Toetra manosika ny olona hanasoa ny hafa izy io, mitaky sorona be avy amin’ilay olona izany indraindray. Tafiditra amin’ilay fitiavana voalazalaza ao amin’ny Baiboly, ny saina sy ny fo. Mandray anjara ny saina, na ny fahaiza-misaina, satria ny olona tia dia manao izany amim-pahalalana tsara, ka miaiky fa na ny tenany na ireo olona hafa tiany, dia samy manana fahalemena sy toetra tsara manintona. Tafiditra bebe kokoa ny fahaiza-misaina, satria misy olona tian’ny Kristianina iray noho ny fahafantarany avy amin’ny famakiany ny Baiboly fa irin’Andriamanitra ny hanaovany izany. Indraindray anefa dia tsy manintona azy akory angamba ilay olona. (Matio 5:44; 1 Korintiana 16:14). Na izany aza, dia avy amin’ny fo indrindra indrindra ny fitiavana. Na oviana na oviana dia tsy avy amin’ny fiasan’ny saina fotsiny ilay tena fitiavana ambara ao amin’ny Baiboly. Mitaky fahatsoram-po lalina ilay izy, sady maka ny fihetseham-ponao manontolo.​—1 Petera 1:22.

4. Amin’ny ahoana ny fitiavana no fehy fampiraisana matanjaka?

4 Mahalana ny olona tia tena ao am-po no afaka manana tena fifandraisana feno fitiavana, satria ny olona tia dia vonona ny hametraka ny tombontsoan’ny hafa alohan’ny an’ny tenany. (Filipiana 2:2-4). Marina indrindra ny tenin’i Jesosy hoe “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”, rehefa asa fanehoam-pitiavana ilay fanomezana. (Asan’ny Apostoly 20:35). Fehy fampiraisana matanjaka ny fitiavana. (Kolosiana 3:14). Matetika no misy fisakaizana izy io, kanefa mahery kokoa ny fehy fampiraisana entin’ny fitiavana noho ilay entin’ny fisakaizana. Indraindray dia lazaina hoe fitiavana ilay fifanintonana misy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vadiny; kanefa mateza kokoa noho ny fifanintonana ara-batana ilay fitiavana ampirisihan’ny Baiboly mba hambolentsika. Rehefa tena mifankatia ny mpivady, dia miara-mitoetra foana izy ireo na dia tsy azo atao intsony aza ny firaisana ara-nofo noho ny fahosana vokatry ny fahanterana, na satria nanjary nanan-takaitra ny iray ka tsy afa-manao izany intsony.

Fitiavana​Toetra tena ilaina

5. Nahoana ny fitiavana no toetra tena ilain’ny Kristianina?

5 Nahoana ny fitiavana no toetra tena ilain’ny Kristianina? Voalohany aloha, dia satria nandidy ny mpanara-dia azy mba hifankatia i Jesosy. Hoy izy: “Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.” (Jaona 15:14, 17). Faharoa, dia satria sary velona mampiseho ny fitiavana i Jehovah, ary noho isika mpivavaka aminy, dia tokony hanahaka azy isika. (Efesiana 5:1; 1 Jaona 4:16). Milaza ny Baiboly fa midika ho fiainana mandrakizay ny fandraisana fahalalana momba an’i Jehovah sy i Jesosy. Ahoana no ahafahantsika milaza fa fantatsika Andriamanitra raha tsy miezaka ny ho tahaka azy isika? Nanjohy hevitra toy izao ny apostoly Jaona: “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.”​—1 Jaona 4:8.

6. Ahoana no ahafahan’ny fitiavana mampifandanja lafiny samihafa amin’ny fiainantsika?

6 Zava-dehibe ny fitiavana, noho ny antony iray fahatelo: Manampy antsika hahay hampifandanja ny lafiny samihafa amin’ny fiainantsika izy io, sady mampisy antony manosika tsara amin’izay ataontsika. Tena ilaina, ohatra, ny tsy mitsahatra mandray fahalalana momba ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny sakafo ny fahalalana toy izany, ho an’ny Kristianina. Manampy azy hitombo ka hanjary ho matotra, sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, io fahalalana io. (Salamo 119:105; Matio 4:4; 2 Timoty 3:15, 16). Nampitandrina toy izao anefa i Paoly: “Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana [mampiorina, NW ].” (1 Korintiana 8:1). Tsia, tsy hoe misy maharatsy azy akory ny fahalalana araka ny marina. Ao amintsika no misy ilay olana​—manana fironana hanota isika. (Genesisy 8:21). Raha tsy eo ny herin’ny fitiavana izay mahay mampifandanja zavatra, dia mety hampieboebo olona iray ny fahalalana, ka hahatonga azy hihevi-tena ho tsara kokoa noho ny hafa. Tsy hitranga izany raha tena atosiky ny fitiavana izy. “Ny fitiavana (...) tsy mirehareha, tsy mieboebo”. (1 Korintiana 13:4). Tsy manjary mirehareha ny Kristianina atosiky ny fitiavana, na dia mahazo fahalalana lalina aza. Mihazona azy hanetry tena ny fitiavana sady manakana azy tsy haniry laza ho an’ny tenany.​—Salamo 138:6; Jakoba 4:6.

7, 8. Ahoana no anampian’ny fitiavana antsika hifantoka amin’izay zava-dehibe kokoa?

7 Nanoratra toy izao ho an’ny Filipianina i Paoly: “Izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, mba [hanaovanareo izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa, NW ]”. (Filipiana 1:9, 10). Ny fitiavana kristianina dia hanampy antsika hanaraka an’io fampirisihana mba hanao izay hahazoana antoka ny amin’ny zava-dehibe kokoa io. Diniho, ohatra, ny tenin’i Paoly ho an’i Timoty, manao hoe: “Raha misy olona [miezaka handroso ho amin’ny anjara raharahan’ny mpiandraikitra, NW ], dia maniry asa tsara izy.” (1 Timoty 3:1). Nandritra ny taom-panompoana 2000, dia niampy 1 502 ny isan’ireo kongregasiona maneran-tany ka lasa 91 487 ny tontaliny vaovao. Noho izany, dia tena ilaina tokoa ny hisian’ny loholona maro kokoa, ka tokony hoderaina ireo miezaka handroso ho amin’io tombontsoa io.

8 Hahay handanjalanja tsara hatrany anefa ireo miezaka handroso ho amin’ny tombontsoam-piandraiketana, raha toa izy ireo ka mitadidy ny zava-kendrena amin’ny tombontsoa toy izany. Tsy ny fananana fahefana na laza fotsiny no zava-dehibe. Atosiky ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fitiavana ny rahalahiny ireo loholona mampifaly an’i Jehovah. Tsy mitady laza na fahefana izy ireo. Rehefa avy nanoro hevitra ireo loholon’ny kongregasiona mba hihazona toe-tsaina tsara, ny apostoly Petera, dia nanantitrantitra fa ilaina ny “fanetren-tena”. Notoroany hevitra toy izao ny rehetra tao amin’ny kongregasiona: “Manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra”. (1 Petera 5:1-6). Izay rehetra maniry handroso dia maneho fahendrena raha mandinika ny ohatr’ireo loholona tsy tambo isaina maneran-tany izay miasa mafy sy manetry tena, ka fitahiana ho an’ny kongregasiona misy azy.​—Hebreo 13:7.

Manampy antsika hiaritra ny antony manosika tsara

9. Nahoana ny Kristianina no mitadidy ireo fitahiana nampanantenain’i Jehovah?

9 Misy fomba hafa iray ahitana fa zava-dehibe ny hoe atosiky ny fitiavana. Fitahiana tondraka dieny izao, ary amin’ny hoavy dia fitahiana mahatalanjona tsy hay saintsainina, no ampanantenain’ny Baiboly ho an’izay mikatsaka fifikirana amin’Andriamanitra noho ny fitiavana. (1 Timoty 4:8). Mahazo fanampiana mba hiorina tsara amin’ny finoana ny Kristianina izay sady mino mafy ireny fampanantenana ireny no miaiky mafy fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” i Jehovah. (Hebreo 11:6). Maniry mafy ny hahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ny ankamaroantsika, ary mitovy fihetseham-po amin’ny apostoly Jaona, izay nanao hoe: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” (Apokalypsy 22:20). Eny, manatanjaka antsika hiaritra ny fisaintsainana ireo fitahiana miandry antsika raha mahatoky isika, tsy misy hafa amin’ny hoe nanampy an’i Jesosy hiaritra ny fitadidiany an’ilay “fifaliana napetraka teo anoloany”.​—Hebreo 12:1, 2.

10, 11. Rehefa atosiky ny fitiavana isika, amin’ny ahoana izany no manampy antsika hiaritra?

10 Ahoana anefa raha ny faniriantsika hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao no hany manosika antsika hanompo an’i Jehovah? Amin’izay, dia ho mora amintsika ny hanjary tsy hanam-paharetana sy tsy ho afa-po rehefa mihasarotra ny toe-javatra, na rehefa tsy mitranga araka ny fomba sy ny fotoana nantenaintsika ny fisehoan-javatra. Tena atahorana mihitsy hindaosina hiala isika. (Hebreo 2:1; 3:12). I Paoly dia niresaka ny amin’ny namany taloha iray antsoina hoe Demasy, izay nandao azy. Nahoana? Satria “tia izao fiainana izao izy”. (2 Timoty 4:10). Atahorana hanao toy izany koa izay rehetra manompo noho ny antony feno fitiavan-tena ranofotsiny. Mety ho voasinton’ireo fahafahana hahazo zavatra avy hatrany eo amin’izao tontolo izao izy ireo, ka hanjary tsy ho vonona hanao sorona dieny izao mba hanantenana ireo fitahiana amin’ny hoavy.

11 Mety sady ara-dalàna ny faniriana hahazo fitahiana amin’ny hoavy, sy fanamaivanana amin’ny fisedrana araka izay efa mba nantenaintsika. Na izany aza anefa, noho ny fitiavana, dia manjary takatsika kokoa izay tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Ny sitrapon’i Jehovah, fa tsy ny antsika, no zava-dehibe. (Lioka 22:41, 42). Eny, mampiorina antsika ny fitiavana. Izy io dia mahatonga antsika ho faly hiandry an’Andriamanitra amim-paharetana, ho afa-po amin’izay mety ho fitahiana omeny, ary hatoky fa amin’ny fotoana voatondrony, dia ho azontsika avokoa ny zava-drehetra nampanantenainy, eny, ho bebe kokoa noho izany aza. (Salamo 145:16; 2 Korintiana 12:8, 9). Mandra-pahatongan’izany, ny fitiavana dia manampy antsika hanohy hanompo tsy misy fitiavan-tena, satria “ny fitiavana (...) tsy mitady ny azy”.​—1 Korintiana 13:4, 5.

Iza no tokony hotiavin’ny Kristianina?

12. Iza no tokony hotiavintsika, araka ny tenin’i Jesosy?

12 Nanome fitsipika ankapobe momba izay tokony hotiavintsika i Jesosy, fony izy nanonona zavatra roa avy tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Hoy izy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra”, sy hoe, “tiava ny namanao tahaka ny tenanao”.​—Matio 22:37-39.

13. Ahoana no azontsika ianarana ho tia an’i Jehovah, na dia tsy afaka mahita azy aza isika?

13 Mazava avy amin’ny tenin’i Jesosy fa i Jehovah no tokony hotiavintsika voalohany indrindra. Kanefa tsy hoe vao teraka isika dia efa manana fitiavana lalina an’i Jehovah. Zavatra tsy maintsy ambolentsika izy io. Fony isika nandre voalohany ny momba azy, dia voasintona taminy isika noho izay zavatra rentsika. Nianatra tsikelikely ny fomba nanomanany ny tany ho an’ny taranak’olombelona isika. (Genesisy 2:5-23). Nianatra ny fomba nitondrany ny taranak’olombelona isika: Tsy nanary antsika izy fony namely voalohany ny fianakavian’olombelona ny ota, fa nanao zavatra kosa mba hanavotana antsika. (Genesisy 3:1-5, 15). Nitondra tamin-katsaram-panahy ireo nahatoky izy, ary tamin’ny farany, dia nomeny ny Zanany lahitokana mba hamelana ny fahotantsika. (Jaona 3:16, 36). Nampitombo ny fankasitrahantsika an’i Jehovah izany fahalalana nitombo izany. (Isaia 25:1). Nilaza i Davida Mpanjaka fa tiany i Jehovah noho ny fiahiany feno fitiavana. (Salamo 116:1-9). Ankehitriny i Jehovah dia miahy antsika, mitarika antsika sy manatanjaka antsika ary mampahery antsika. Arakaraka ny ianarantsika misimisy kokoa momba azy no mahatonga ny fitiavantsika hihalalina kokoa.​—Salamo 31:23; Zefania 3:17; Romana 8:28.

Ahoana no azontsika ampisehoana ny fitiavantsika?

14. Amin’ny fomba ahoana no azontsika ampisehoana fa tena tia marina an’Andriamanitra isika?

14 Mazava ho azy fa olona maro maneran-tany no milaza fa tia an’Andriamanitra, kanefa manohitra ny zavatra lazainy ny zavatra ataony. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa tena tia tokoa an’i Jehovah isika? Afaka miresaka aminy ao amin’ny vavaka isika, ary milaza aminy ny fihetseham-pontsika. Ary afaka manao zavatra maneho ny fitiavantsika azy isika. Hoy ny apostoly Jaona: “Na iza na iza mitandrina ny tenin[’Andriamanitra], dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.” (1 Jaona 2:5; 5:3). Ankoatra ny zavatra hafa, dia asain’ny Tenin’Andriamanitra isika hiara-mivory sy hanana fiainana madio sy mifanaraka amin’ny fitsipi-pitondran-tena. Manalavitra ny fihatsarambelatsihy isika, ary milaza ny marina sy mihazona ny fisainantsika ho madio. (2 Korintiana 7:1; Efesiana 4:15; 1 Timoty 1:5; Hebreo 10:23-25). Mampiseho fitiavana isika rehefa manampy ara-nofo ireo olona sahirana. (1 Jaona 3:17, 18). Ary tsy miahotra milaza amin’ny hafa ny momba an’i Jehovah isika. Tafiditra amin’izany ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14; Romana 10:10). Ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny zavatra toy izany dia manaporofo fa tena tia marina an’i Jehovah isika.

15, 16. Tamin’ny ahoana ny fitiavana an’i Jehovah no nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’olona maro, tamin’ny taon-dasa?

15 Manampy ny olona hanao fanapahan-kevitra tsara ny fitiavana an’i Jehovah. Tamin’ny taon-dasa, izany fitiavana izany dia nanosika olona 288 907 hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah sy hanamarika izany fanapahan-keviny izany tamin’ny batisa anaty rano. (Matio 28:19, 20). Nisy heviny ny fanoloran-tenan’izy ireo. Nanamarika fiovana teo amin’ny fiainan’izy ireo izany. I Gazmend, ohatra, dia anisan’ny sangany indrindra tamin’ny fanaovana baskety tany Albania. Nandritra ny taona maromaro, dia nianatra Baiboly izy sy ny vadiny, ary nahafeno fepetra ho mpitory ilay Fanjakana izy ireo tamin’ny farany na dia nisy aza ny sakana. Tamin’ny taon-dasa, dia natao batisa i Gazmend, izay anisan’ireo 366 natao batisa tany Albania tamin’ny taom-panompoana 2000. Namoaka lahatsoratra momba azy ny gazety iray ka nilaza hoe: “Misy zava-kendrena ny fiainany, ary noho izany, dia miaina an’ireo andro sambatra indrindra eo amin’ny fiainany izy mianakavy. Aminy, dia tsy zava-dehibe intsony ny hoe inona avy no mety ho azony avy amin’ny fiainana, fa ny hoe inona avy no azony omena mba hanampiana olon-kafa.”

16 Toy izany koa ny anabavy iray vao vita batisa tany Guam. Notolorana asa nampitsiriritra izy tao amin’ilay kompanian-tsolitany iasany. Rehefa avy nahazo fisondrotana maromaro tao amin’ilay orinasa izy tao anatin’ny taona maro, dia nomena fahafahana ho tonga ny filoha lefitra vehivavy voalohany teo amin’ny tantaran’ilay orinasa. Efa nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah anefa izy tamin’izay. Koa rehefa avy niara-nidinika ilay raharaha tamin’ny vadiny io anabavy vaovao io, dia nanda ilay fanolorana ary nanao fandaharana kosa mba hiasana tapa-potoana mba hahafahany handroso ho tonga mpanompo manontolo andro, na mpisava lalana. Ny fitiavany an’i Jehovah dia nanosika azy haniry hanompo an’Andriamanitra amin’ny maha mpisava lalana, fa tsy hikatsaka tombontsoa ara-bola eto amin’ity tontolo ity. Maneran-tany, dia fitiavana toy izany, raha ny marina, no nanosika olona 805 205 handray anjara amin’ny lafiny samy hafa amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, nandritra ny taom-panompoana 2000. Izany ka fanehoam-pitiavana sy fanehoam-pinoana avy amin’ireo mpisava lalana ireo!

Voatosika ho tia an’i Jesosy

17. Oha-pitiavana tsara dia tsara inona no hitantsika amin’i Jesosy?

17 Ohatra faran’izay tsara i Jesosy raha ny olona natosiky ny fitiavana no resahina. Talohan’ny nahatongavany ho olombelona, dia tia ny Rainy sy tia ny taranak’olombelona izy. Noho izy sary velona mampiseho ny fahendrena, dia hoy izy: “Mpità-marika teo anilany aho sady ravoravo isan-andro isan-andro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, ary [ny zavatra niraiketan’ny foko dia teo amin’ny zanak’olombelona, NW ].” (Ohabolana 8:30, 31). Ny fitiavan’i Jesosy dia nanosika azy hahafoy ny fonenany tany an-danitra ka ho teraka ho zazakely tsy afaka miaro tena. Nanam-paharetana sy tsara fanahy tamin’ny malemy fanahy sy ny manetry tena izy, ary nijaly noho ny nataon’ireo fahavalon’i Jehovah. Farany, dia maty ho an’ny taranak’olombelona rehetra izy, teo amin’ny hazo fijaliana. (Jaona 3:35; 14:30, 31; 15:12, 13; Filipiana 2:5-11). Izany ka ohatra tsara dia tsara ny amin’ny antony manosika mety!

18. a) Ahoana no ambolentsika fitiavana an’i Jesosy? b) Amin’ny fomba ahoana no ampisehoantsika fa tia an’i Jesosy isika?

18 Rehefa mamaky ny tantaram-piainan’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara ireo olona manana toe-po tsara, ka misaintsaina ny amin’ireo fitahiana maro azon’izy ireo noho ny fahatokian’i Jesosy, dia manjary mitombo ao anatin’izy ireo ny fitiavana lalina azy. Mitovy amintsika amin’izao andro izao ireo niantefan’ny tenin’i Petera, manao hoe: “Na dia tsy mbola hitanareo aza [i Jesosy], dia tianareo”. (1 Petera 1:8). Miseho ny fitiavantsika rehefa maneho finoana azy isika, ary manahaka ny fiainany feno fahafoizan-tena. (1 Korintiana 11:1; 1 Tesaloniana 1:6; 1 Petera 2:21-25). Tamin’ny 19 Aprily 2000, dia nisy 14 872 086, tamin’ny fitambarany, no nampahatsiahivina ny amin’ireo antony itiavantsika an’i Jesosy, rehefa nanatrika ilay Fahatsiarovana ny nahafatesany, fanao isan-taona. Hamaroan’olona re izany! Ary mampahery tokoa ny mahafantatra fa olona maro be toy izany no liana amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy! Marina tokoa fa mampiorina antsika ny fitiavan’i Jehovah sy i Jesosy antsika sy ny fitiavantsika azy ireo.

19. Fanontaniana inona avy mahakasika ny fitiavana no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Nilaza i Jesosy fa tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra, isika. Nilaza koa anefa izy fa tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. (Marka 12:29-31). Iza no tafiditra amin’izany? Ary amin’ny ahoana ny fitiavana ny namana no manampy antsika hahay handanjalanja tsara hatrany sy hanana antony manosika mety? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no toetra tena ilaina ny fitiavana?

• Ahoana no azontsika ianarana ho tia an’i Jehovah?

• Ahoana no anaporofoan’ny fitondran-tenantsika fa tia an’i Jehovah isika?

• Ahoana no ampisehoantsika ny fitiavantsika an’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10, 11]

Manampy antsika hiandry fanamaivanana amim-paharetana, ny fitiavana

[Sary, pejy 12]

Manosika antsika ho tia an’i Jesosy ilay sorona lehibe nataony