Fanasitranana Ireo Ratra Vokatry ny Ady
Fanasitranana Ireo Ratra Vokatry ny Ady
TAO amin’ny tafika mpanao ady anaty akata i Abraham, nandritra ny 20 taona. * Nitsahatra tsy nandray anjara tamin’ny ady anefa izy, ary tsy ho any an’ady intsony mihitsy. Raha ny marina, dia mpinamana be aminy aza ankehitriny ny sasany tamin’ireo fahavalony taloha. Inona no nampiova azy? Ny Baiboly. Nanome fanantenana sy fahaiza-mahataka-javatra an’i Abraham izy io, satria nanampy azy hihevitra ny raharahan’olombelona araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Nanaisotra ny faniriany hiady ny Baiboly, ary nanomboka nanasitrana ny alahelony sy ny fankahalany ary ny fahatezerany, izy. Hitany fa mirakitra fanafody mandaitra ho an’ny fo ny Baiboly.
Amin’ny ahoana ny Baiboly no manampy ny olona iray ho sitrana amin’ireo ratra ara-pihetseham-po? Tsy afaka nanova izay nitranga tamin’i Abraham ny Baiboly. Na izany aza, dia nampifanaraka ny fisainany tamin’ny an’ilay Mpamorona, ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra. Manana fanantenana ny amin’ny hoavy izy izao, ary manana laharam-pahamehana vaovao. Nanjary zava-dehibe taminy ireo zava-dehibe amin’Andriamanitra. Raha vao nanomboka nitranga izany, dia nanomboka sitrana ireo ratra tao am-pony. Izany no nanampiana an’i Abraham mba hiova.
Tafalentika tao anatin’ny ady an-trano
Teraka tatsy Afrika i Abraham, tany amin’ireo taona 1930. Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia teo ambany vahohon’ny firenena natanjaka iray teo akaiky ny taniny, nefa maro tamin’ireo mpiray tanindrazana tamin’i Abraham no nitady fahaleovan-tena. Tamin’ny 1961, dia nirotsaka tao amin’ny hetsika ho amin’ny fahafahana, izay nanao ady anaty akata tamin’ilay firenena natanjaka teo akaiky teo, i Abraham.
“Fahavalonay ry zareo. Nikasa ny hamono anay ry zareo, ka nanomboka namono an-dry zareo izahay”, hoy ny fanazavan’i Abraham.
Notandindomin-doza matetika ny ain’i Abraham, ka nandositra tany Eoropa izy tamin’ny 1982, taorian’ny 20 taona nanaovana ady nitanam-piadiana. Mananika ny faha-50 taonany izy ankehitriny, manam-potoana tsara hanaovana jery todika ny fiainany. Inona no niafaran’ireo vetsovetsom-pony? Inona no tahirizin’ny hoavy? Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany i Abraham, ary nanomboka nanatrika ny fivorian’izy ireo. Tsaroany fa taona maromaro talohan’izay, dia namaky trakta nomen’ny Vavolombelona iray, izy, tatsy Afrika. Nilazalaza ny amin’ny paradisa iray hisy eto an-tany sy ny fitondram-panjakana iray any an-danitra izay hitondra ny olombelona manontolo, ilay trakta. Mety ho tena hisy ve izany?
Hoy i Abraham: “Nianarako avy tao amin’ny Baiboly fa very maina ireny taona rehetra lany tamin’ny ady ireny. Ny hany fitondram-panjakana hitondra ara-drariny ny tsirairay dia ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa an’i Abraham ho Vavolombelon’i Jehovah, dia nandositra avy tany Afrika ny lehilahy iray antsoina hoe Robert, ka nankany amin’ilay tanàna eoropeanina nipetrahan’i Abraham. Mitovy ihany ny ady nataon’i Robert sy i Abraham, saingy tao amin’ny andaniny avy tamin’ireo mpifanandrina no nisy azy roa lahy. Nanontany tena matetika ny amin’ny tena hevitry ny fiainana i Robert. Lehilahy tia fivavahana izy, ary fantany fa Jehovah no anaran’Andriamanitra satria namaky ampahany tamin’ny Baiboly izy. Rehefa nilaza ny hanampy an’i Robert hahatakatra tsara kokoa ny Baiboly ireo Vavolombelona avy tao amin’ny kongregasiona nisy an’i Abraham, dia nanaiky avy hatrany izy.
Hoy ny fanazavan’i Robert: “Efa hatramin’ny voalohany mihitsy dia efa nampiaiky volana ahy ny fampiasan’ireo Vavolombelona ny anaran’i Jehovah sy i Jesosy, ka aneken’izy ireo fa samy hafa i Jehovah sy i Jesosy. Nifanaraka tamin’izay efa fantatro avy tao amin’ny Baiboly izany. Nanao akanjo madio sy milamina koa ireo Vavolombelona sady tsara fanahy tamin’ny hafa, na inona na inona firazanany. Nisy akony lalina teo amiko ny zavatra toy izany.”
Lasa mpinamana ny mpifahavalo
Mpinamana be ankehitriny i Robert sy i Abraham, izay mpifahavalo taloha. Samy mpitory manontolo andro ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ihany, izy ireo. “Nandritra ny ady, dia matetika aho no nanontany tena hoe nahoana ny olona avy amin’ny tany mifanakaiky no nifankahala, eny fa na dia maro amin’izy ireo aza no mitovy fivavahana”, hoy ny nohazavain’i Abraham. “Fiangonana iray ihany no nisy ahy sy i Robert, nefa dia niady izahay. Vavolombelon’i Jehovah izahay mirahalahy ankehitriny, ary mampiray anay ny finoanay.”
“Izay no tsy mampitovy azy”, hoy ny nanampin’i Robert. “Ny finoanay ankehitriny dia mahatonga anay ho anisan’ny tena fianakavian’ny mpirahalahy. Tsy handeha hiady intsony mihitsy izahay.” Nanan-kery lehibe tamin’ny fon’ireo mpifahavalo taloha ireo ny Baiboly. Nisolo miandalana fatokisana sy fisakaizana, ny fankahalana sy ny fahatezerana.
Tamin’ny fotoana naha tany an’ady an’i Abraham sy i Robert, dia nisy tovolahy hafa anankiroa tany amin’ireo andaniny roa nifanandrina tamin’ny fifandonana hafa iray teo amin’ny firenena roa nifanakaiky. Tsy ela dia niasa toy ny fanafody tena nandaitra mba hanasitrana koa ny fon’izy ireo, ny Baiboly. Tamin’ny fomba ahoana?
Mamono—Avy eo maty maritiora
Nampianarina an’i Gabriel, izay nobeazina tao anatin’ny fianakaviana tia fivavahana, fa nanao ady masina ny tanindrazany. Noho izany, dia nanolo-tena hanao raharaha miaramila izy teo amin’ny faha-19 taonany ary nangataka ny halefa any am-bava ady. Nandritra ny 13 volana, dia tao anatin’ny ady faran’izay nivaivay izy, ary iray kilaometatra sy sasany monja indraindray no nanasaraka tamin’ny fahavalo. “Misy zavatra iray tena tsaroako”, hoy izy. “Nilaza taminay ny komandà nitondra anay fa hanafika ny alin’iny ny fahavalo. Tsindrian-daona aoka izany izahay, hany ka napoakanay nandritra ny alina manontolo ny tafondronay.” Nihevitra ny olona avy tao
amin’ilay tany teo akaiky teo ho fahavalony mendrika ho faty, izy. “Ny eritreritro dia ny hoe hamono betsaka araka izay azo atao. Avy eo, dia naniry ho faty ho maritiora aho, tahaka ny maro tamin’ireo namako.”Nanjary diso fanantenana anefa i Gabriel rehefa nandeha ny fotoana. Nandositra tany an-tendrombohitra izy, niampita an-tsokosoko ny sisin-tany ho any amin’ny tany iray tsy momba ny atsy na ny aroa, ary nandeha tany Eoropa. Tsy nitsahatra nanontany an’Andriamanitra izy hoe nahoana no sarotra izaitsizy ny fiainana, ary raha sazy avy tamin’Andriamanitra ny zava-manahirana na tsia. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nampiseho taminy avy tao amin’ny Baiboly ny antony nahafeno zava-manahirana ny fiainana ankehitriny, izy.—Matio 24:3-14; 2 Timoty 3:1-5.
Arakaraka ny nianaran’i Gabriel ny Baiboly no nahatakarany fa mirakitra ny fahamarinana izy io. “Nianarako fa afaka ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa isika. Mahagaga fa efa niriko mafy hatramin’ny fahazazako izany zavatra izany.” Nampionona an’i Gabriel ny Baiboly sady nanalefaka ny fony nikorontana teo aloha. Nanomboka sitrana ireo ratrany ara-pihetseham-po lalina indrindra. Koa tamin’ny fotoana nihaonany tamin’i Daniel, izay fahavalony taloha, dia efa tsy nanana fankahalana intsony i Gabriel. Inona anefa no nahatonga an’i Daniel ho any Eoropa?
“Raha tena misy ianao, dia mba ampio aho!”
Nobeazina tao amin’ny finoana katolika i Daniel ary voantso miaramila izy teo amin’ny faha-18 taonany. Nalefa hiady tany amin’ilay ady nataon’i Gabriel izy, saingy tao amin’ilay andaniny nifanandrina taminy. Tao anatin’ny tanky iray i Daniel rehefa nisy nanapoaka izy io, teo akaikin’ny vava ady. Maty ireo namany fa izy kosa naratra mafy sy nentina ho babo. Nandany volana maro tany amin’ny hopitaly sy tany amin’ny toby iray izy, talohan’ny nanaovana sesitany azy tany amin’ny tany iray tsy momba ny atsy na ny aroa. Irery sady tsy nanana na inona na inona izy, ka nieritreritra ny hamono tena. Nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao i Daniel: “Raha tena misy ianao, dia mba ampio aho!” Ny ampitson’iny indrindra, dia nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah, ary afaka namaly ny maro tamin’ireo fanontaniany. Tamin’ny farany, dia nandeha nitsoa-ponenana tany Eoropa izy. Tany indray koa, dia niaraka tamin’ireo Vavolombelona i Daniel, ary nianatra ny Baiboly. Nanamaivana ny fanahiany sy ny fahatezerany ny zavatra nianarany.
Mpinamana be ankehitriny i Gabriel sy i Daniel, samy Vavolombelon’i Jehovah vita batisa izay tafaray ao anatin’ny fianakavian’ny mpirahalahy ara-panahy. “Ny fitiavako an’i Jehovah sy ny fahalalako ny Baiboly dia nanampy ahy hanana ny fomba fijeriny zavatra. Tsy fahavaloko intsony i Daniel. Taona maro lasa izay, dia ho faly aho namono azy. Nampianatra ahy zavatra mifanohitra tanteraka amin’izany anefa ny Baiboly—dia ny ho vonona ho faty ho an’i Daniel”, hoy indrindra i Gabriel.
“Nahita olona avy tamin’ny fivavahana sy firazanana samy hafa nifamono aho”, hoy i Daniel. “Ary nisy olona nitovy fivavahana tamin’ny andaniny avy tamin’ilay ady, nefa nifamono. Rehefa nahita izany aho, dia nanome tsiny an’Andriamanitra. Fantatro anefa ankehitriny fa
i Satana no ao ambadiky ny ady rehetra. Mpiray finoana ankehitriny izaho sy i Gabriel. Tsy hiady intsony mihitsy izahay!”“Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra”
Nahoana no niova tanteraka i Abraham, i Robert, sy i Gabriel, ary i Daniel? Ahoana no nahafahan’izy ireo nanafoana tao am-pony ny fankahalana lalim-paka sy ny alahelo?
Namaky sy nisaintsaina ary nianatra ny fahamarinana avy tao amin’ny Baiboly, izay “velona sy mahery”, ny tsirairay tamin’ireo lehilahy ireo. (Hebreo 4:12). Ny Loharanon’ny Baiboly dia ilay Mpamorona ny olombelona, izay mahafantatra ny fomba hitaomana ho amin’ny tsara ny fon’olona vonon-kihaino sy hianatra. “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. Raha vao mamela ny tenany hotarihin’ny Baiboly ny mpamaky iray, dia mahazo fitambarana fitsipi-pitondran-tena vaovao. Manomboka mianatra ny fomba fiheveran’i Jehovah zavatra izy. Ny fanaovana izany dia mitondra soa maro, anisan’izany ny fahasitranan’ireo ratra vokatry ny ady.—2 Timoty 3:16.
Manazava ny Tenin’Andriamanitra fa tsy misy firenena, na firazanana, na foko, tsara kokoa na ratsy kokoa noho ny hafa iray. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Ny mpamaky izay manaiky izany dia mahazo fanampiana miandalana mba handresy ny fahatsapana fankahalana ara-pirazanana na ara-pirenena.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Manondro ny faminaniana ara-baiboly fa tsy ho ela ny fitondran’olombelona dia hosoloan’Andriamanitra an’ilay Fanjakany mesianika. Amin’ny alalan’io fitondram-panjakana io, dia “mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany” Andriamanitra. Hesorina ny fikambanana mampandroso ny ady sy mampirisika ny olona hiady. Hatsangana amin’ny maty ireo namoy ny ainy noho ny ady ary homena fahafahana hiaina ao amin’ny tany paradisa. Tsy hisy olona hila ny handositra manoloana ny mpanafika na ny mpampahory.—Salamo 46:9; Daniela 2:44; Asan’ny Apostoly 24:15.
Izao no lazain’ny Baiboly momba ny olona hiaina amin’izany fotoana izany: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy (...). Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka”. Tsy hisy fahasimbana na ratra tsy ho sitrana. Ny finoana izany fampanantenana izany, dia manaisotra miandalana ao am-po ny alahelo sy ny fahoriana.—Isaia 65:21-23.
Fanafody tena mandaitra ho an’ny fo tokoa ny Baiboly. Efa manasitrana sahady ireo ratra vokatry ny ady, ny fampianarany. Tafaray ao anatin’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena ireo mpifahavalo taloha. Hitohy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izany fandaharam-panasitranana izany, mandra-pahatongan’ny hoe tsy hisy intsony ao am-pon’ny olombelona ny fankahalana sy ny fahatezerana, ary ny fahoriana sy ny alahelo. Mampanantena ilay Mpamorona fa “tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza”.—Isaia 65:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.
[Teny notsongaina, pejy 4]
“Nianarako avy tao amin’ny Baiboly fa very maina ireny taona rehetra lany tamin’ny ady ireny”
[Teny notsongaina, pejy 5]
Afaka ny hanan-kery lehibe eo amin’ny fon’ireo mpifahavalo taloha, ny Baiboly
[Teny notsongaina, pejy 6]
Nisolo miandalana fatokisana sy fisakaizana, ny fankahalana sy ny fahatezerana
[Teny notsongaina, pejy 6]
Raha vao mamela ny tenany hotarihin’ny Baiboly ny mpamaky iray, dia mahazo fitambarana fitsipi-pitondran-tena vaovao
[Sary, pejy 7]
Tafaray ao anatin’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena ankehitriny ireo mpifahavalo taloha
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Tobin’ny mpitsoa-ponenana: UN PHOTO 186811/J. Isaac