Ireo Ratra Vokatry ny Ady
Ireo Ratra Vokatry ny Ady
“TSY misy mpandresy amin’ny ady”, hoy ny nomarihin’ny miaramila taloha iray, izay anisan’ny niady tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. “Tsy misy afa-tsy resy.” Maro no hitovy hevitra aminy. Mampihoron-koditra ny fahavoazana ateraky ny ady: samy mitondra faisana na ny mpandresy na ny resy. Na dia efa nitsahatra aza ny fifandonana nitanam-piadiana, dia an-tapitrisany maro no mbola mijaly noho ireo ratra lalina dia lalina vokatry ny ady.
Ratra inona? Afaka mandripaka ny ankamaroan’ny mponina ny ady, ka hamela kamboty sy mpitondratena maro be. Maro amin’ireo sisa tsy maty no tena maratra mafy, ary eo koa ny holatra ara-tsaina. An-tapitrisany maro no mety ho rava fananana, na mety ho voatery ho lasa mpitsoa-ponenana. Azontsika an-tsaina ve ny fankahalana sy ny alahelo izay tsy maintsy tavela ao am-pon’ireo tsy maty tamin’ny ady toy izany?
Ratra manonitra
Mbola manonitra hatrany ao am-pon’ny olona ireo ratra vokatry ny ady, ela be atỳ aorian’ny nitsaharan’ny ady sy nanginan’ny poa-basy ary nodian’ireo miaramila. Mety hitahiry fahatezerana latsa-paka amin’ny andaniny avy, ireo taranaka mifandimby. Araka izany, dia mety ho antony fototra mahatonga ny ady manaraka, ireo ratra vokatry ny ady iray.
Ohatra, ny Fifaneken’i Versailles, izay nosoniavina tamin’ny 1919 mba hamaranana tamin’ny fomba ofisialy ny Ady Lehibe Voalohany, dia nametraka fepetra tamin’i Alemaina—fepetra izay noheverin’ireo olom-pireneny ho henjana sy famaliana faty. Araka ny The Encyclopædia Britannica, dia sady “niteraka lolompo teo amin’ireo Alemà” ireo fepetra tao amin’ilay fifanekena no “anisan’ny nandrisika ho amin’ny fitadiavana hamaly faty”. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia “nanome fiaingana ho an’i Hitler ny lolompo naterak’ilay fifanekem-pihavanana”, ary izy io no iray tamin’ireo anton-javatra nitarika ho amin’ny Ady Lehibe Faharoa.
Nanomboka tany Polonina ny Ady Lehibe Faharoa ary nitatra ka nahafaoka an’ireo tany Balkans. Nanamora ny fipoahan’ny ady tany amin’ireo tany Balkans tamin’ireo taona 1990, ireo ratra nifanaovan’ireo foko tao amin’ilay faritra tamin’ireo taona 1940. “Tsy nitsahatra nitombo ilay olana mifampidipiditra, dia ny fankahalana sy ny valifaty, ka mipaka hatratỳ amin’ny androntsika”, hoy ny fanamarihan’ilay gazety alemà hoe Die Zeit.
Raha te hiaina amim-pihavanana ny olombelona, dia azo antoka fa tsy maintsy sitranina ireo ratra vokatry ny ady. Ahoana no mety hanatanterahana izany? Inona no azo atao mba hanafoanana ny fankahalana sy ny alahelo? Iza no afaka manasitrana ireo ratra vokatry ny ady?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
FONONY: Fatmir Boshnjaku
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
U.S. Coast Guard photo; UN PHOTO 158297/J. Isaac